Alahady 02 mey 2022 hibanjinan’ny FJKM ny lohahevitra amin’ity volana ity manao hoe « Manavao ny Fanahy Masina« ; nanokafana ihany koa ny Jobily faha-25 taona nitandreman »ny mpitandrina Randrianarisoa Alain. Ny teny anorenana ny jobily dia ny Salamo 111 : 1b « Haleloia ! Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehatra aho ». Manasa antsika hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :
Alahady 24 aprily 2022, alahady faha-2 manaraka ny paska, hitondrana am-bavaka ny Toeram-Pamonjena Zaza na TOPAZA, mbola anatin’ny lohahevitra hoe « Mandresy ny fahafatesana ny Tompo« . Nankalazaina anio ny « Fetin’ny Fahazavana » eto @ FJKM Ambavahadimitafo niompana tamin’ny lohahevitra hoe TVM na hoe « Tena Velona eo amin’ny fiainanao ve ny Mpamonjy« , nitondrana koa ny tenin’Andriamanitra avy ao
« Mandresy ny fahafatesana ny Tompo »; izany no lohahevitra banjinintsika amin’izao Paska 2022 izao. Ny tompo sy ny fiadanany anie ho amintsika rehetra ka hahatonga antsika hiombom-pandresena amin’ny Tompo Andriamanintsika. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny IKor 15 : 54 – 58 teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo tamin’ity Alahady paska 17 Aprily
Alahady 10 aprily 2022, alahadin’ny sampan-drofia, natokana koa hitondrana am-bavaka koa ny Sampana Dorkasy. Avy ao amin’ny Romana 8 : 31 – 39 no nitondrana ny hafatra ho antsika anio : 31Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? 32Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony
Alahady 03 aprily 2022, andinihina lohahevitra vaovao eto amin’ny sahan’ny FJKM mandritra ity volana Aprily ity : « Mandresy ny fahafatesana ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny tenin’Andriamanitra avy ao amin’ny Matio 20 : 18 – 19 « ary ny Zanak’olona hatolotra ho amin’ireo lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy 19[…]
Alahady 27 martsa 2022, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Mamaly ny faharatsiana ny Tompo« . Ny mpitandrina miza-draharaha Randriambinintsoa Onja no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 21 : 1-10 « 1IZAO no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah, fony Zedekia mpanjaka naniraka an’i Pasora, zanak’i Malgia, sy Zefania, zanak’i Mahaseia mpisorona, hankany aminy hanao
Alahady 13 martsa 2022, nankalazana ny faha-30 taonan’ny Sampana Fifohazana eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, izay nitoriana ny tenin’Andriamanitra sady fanevan’izao fankalazana izao : « Fa asany isika, voaforona tao amin’ny Kristy Jesoa mba hanao asa tsara…. Tanteraho ny fanompoanao ». Ramatoa Razafiarisoa Voahirana, Biraon’ny Fifohazana Synodam-paritany Antananarivo Atsinana no nitarika ny fotoam-pivavahana, ary ny mpitandrina Ranomenjanahary Solofo
Alahady 06 martsa 2022, andinihan’ny FJKM ny lohahevitra hoe « Mamaly faharatsiana ny Tompo » mandritra ity volana ity, ka nitondran’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Genesisy 19 : 24-29 : » 24Ary Jehovah nandatsaka tamin’i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin’i Jehovah tany an-danitra, 25ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka
Ho antsika Loholona sy Diakona eto @ FJKM Ambavahadimitafo manokana ity fampitàna ny fiofànana iza natao teto am-piangonana ny Sabotsy 05 martsa 2022, izay nanasàna manokana ny mpitandrina Filohan’ny FJKM, Irako Andriamahazosoa Ammy hitondra ny fampianarana hoe « Vontosy filazantsara Madagasikara, Filazantsara manova ny tantara »
Alahady 27 febroary 2022 , alahady faran’ny volana handinihina ny lohahevitra hoe « Mitàna ny teniny ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha RANDRIANAMBININTSOA Onja ny hafatr’Andriamanitra araka izany lohahevitra izany. Manàsa anao hiombona amin’ny fanompoam-pivavahana :
A la une . Antso sy filazana . Fifohazana
Faha-30 taona nijoroan’ny Sampana Fifohazana (11/03/2022)A la une . Antso sy filazana . Fandraisan-tànana Past. Randrianarisoa Alain . Vaovaom-piangonana . Youtube
Hira faneva fifandraisan-tànana @ mpitandrina Randrianarisoa Alain mianakavyRaiso @ email ny Newsletter eto @ FJKM Ambavahadimitafo
« Misaora an ‘i Jehovah ry fanahiko ary izay rehetra ato anatiko misaora ny Anarany Masina . »(Salamo 103:1) 1/Isaorana ny Tompo Andriamanitra fa tontosa soamatsara ny Tafika Masina tany Isoavina Fiorenana. Mankasitraka antsika Sampana, asa, AFF, Mamre, Mpanohana rehetra, indrindra fa ny Fiangonana manontolo nanohana sy nitondra am-bavaka. « Miorena tsara aza miova ary mahefà be amin
voir plus...Misy ny hafatra avy amin’ny FJKM Foibe manoloana ny Covid-19; fankalazana jobily samihafa an’ireo mpiasam-piangonana; vaovaon’ny sampana; fivoriana eto amin’ny faritra Avaratr’Andohalo…
voir plus...Am-pifaliana lehibe no hilazàna amintsika fa efa tratra 100% ny vola hividianana fanomezana ho an’ny mpitandrina, ary efa novidiana ny fanomezana… Araho ny fanentanan’ny Komity
voir plus...