FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fandraisan-tànana Past. Rakotoniera Eric

Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo

Publié le 03 juillet 2015 à 12:07

Toriteny tamin’ny fandraisan-tànana ny mpitandrina Rakotoniera Eric mianakavy teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, 01 desambra 2013 IIKorintiana 9 : 8 : Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ny asa tsara rehetra;

» Tohiny...

Fizotry ny fandraisan-tànana ny mpitandrina RAKOTONIERA Christian Eric mianakavy teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo

Publié le 04 décembre 2013 à 12:12

Andriamatoa RANDRIAMAHAZOMANANA Jacquis, filoha lefitry ny fiangonana, no nitarika ny fotoana  fandraisan-tànana ny mpitandrina Rakotoniera Tantelinirina Chrisitian Eric mianakavy. Fanolorana sy tsiahy Raha tsiahivina fohy ny tantara dia nisy tokoa ny fitantanan’Andriamanitra ka nahatongavana amin’izao fandraisan-tànana ny mpitandrina izao; dia ny 13 mey 2013, rehefa nanontaniana isika loholona sy diakona ary mpandray fanasan’ny Tompo dia

» Tohiny...

Tenin’ny mpitandrina Rakotoniera Eric 4 mianaka ho an’ny FJKM Ambavahadimitafo

Publié le 02 décembre 2013 à 09:12

Ry havana malala, misaotra an’Andriamanitra isika noho ity fotoana ity, fotoana sarobidy tokoa, tsy ho anareo fiangonana ihany, fa indrindra ho anay koa, eo amin’ny fitomboanay sy ny fivelarany amin’ny asa fanompoana maha-mpitandrina izay efa niantsoan’ny Tompo anay. Misaotra an’Andriamanitra isika satria zava-dehibe loatra ny fifanomezam-boninahitra; navelan’Andriamanitra hifanome voninahitra isika satria Izy efa nanome antsika izany voninahitra tsy mety lo izany.

» Tohiny...

Fanentanana avy amin’ny filoha lefitry ny fiangonana noho ny Fandraisan-tànana ny mpitandrina

Publié le 15 novembre 2013 à 07:11

Tamin’ny 13 mai 2012 dia tonga marobe isika naneho hevitra ary nanaiky fa horaisin-tànana eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny mpitandrina Rakotoniera Christian Eric. Tonga ary izao ny fotoana hanatanterahana izany veli-rano hifanaovan’ny fiangonana sy ny mpitandrina izany. Zaraina ho fotoana indroa miantoana izany fandraisan-tànana ny Mpitandrina Rakotoniera izay ka hiarahana amin’ny Birao Foibe sy Synodam-paritany

» Tohiny...

Ny komitin’ny fandraisan-tànana

Publié le 15 novembre 2013 à 07:11

Ireto avy ireo mpikambana ao amin’ny Komitin’ny fandraisan-tànana; andriamatoa sy ramatoa isany : – RAZAFINDRAIBE Paulin – RAZAFIMBELO Nivosoa – RANDRIAMAHAZOMANANA Josiane – RAMASITERA Ny Haingo – RAKOTOMALALA Hasina -Dr RAFARANOME Mavo – Dr RALAMBOMAHAY Mino – RABEHARISON Jasmin – RANDRIAMAMPIANINA Naivo – RAVELOJAONA Andry Nirina « Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo

» Tohiny...

Hira fanamarihana ny fandraisan-tànana ny mpitandrina Rakotoniera

Publié le 15 novembre 2013 à 06:11

Hira fanamarihana ny fandraisan-tànana mpitandrina 23 novambra -1 desambra 2013 « Mahay mampitombo » (II Korintiana 8: 9) Fiv : Fa Kristy no zavatra rehetra Amenoanao anay tsy misy fetra Mionona sy manana anjara Izay mitory ny Filazantsara. 1. Ianao Tompo no mitondra ny Fiangonana Ianao Tompo no mampisy ny fiombonana Hainao ny mampitombo fahasoavana Satria Ianao

» Tohiny...

Fanasàna ho amin’ny fandraisan-tànana ny mpitandrina Rakotoniera

Publié le 15 novembre 2013 à 06:11

FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA SINAODAM-PARITANY ANTANANARIVO ATSINANANA FARITRA AVARATR’ANDOHALO FITANDREMANA AMBAVAHADIMITAFO « Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ny asa tsara rehetra; » (2 Korintiana 9:8) FANOMPOAM-PIVAVAHANA FISAORANA AN’ANDRIAMANITRA SY FANDRAISAN-TANANA NY MPITANDRINA Dr RAKOTONIERA Tantelinirina Christian Eric, mianakavy Noho ny

» Tohiny...

Natolotra ny fiangonana ny hira fanevan’ny fandraisan-tànana ny mpitandrina Rakotoniera

Publié le 15 septembre 2013 à 07:09

Ny Alahady 01 septambra 2013 no natolotra ny fiangonana hira fanevan’ny fandraisan-tànana ny mpitandrina Rakotoniera Eric. Rehefa nobitsihin’ny Fanahy masina ny ray aman-dreny mpitandrina, dia izy ihany no nanoratra ny tonon’izany hira izany. Ny feony kpsa dia noforonin’ny mpanompon’Andriamanitra, mpitendry zava-maneno eto amin’ny fiangonana, Ralibera Henri. Izany hira izany moa dia hozaraina amin’ny fiangonana amin’ny

» Tohiny...