FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Volana sy Kintana

Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.

Publié le 05 mars 2023 à 09:03

Alahady 05 martsa 2023, mbola andinihina ny lohahevitra manao hoe « Mamerina ho amin’ny fahamarinana ny Tompo »; alahady nankalazana an’Andriamanitra koa noho ny faha-80 taonan’ny sampana Volana sy Kintana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Daniela 12 : 3  » Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay

» Tohiny...

Krismasy fifaliana 2013

Publié le 07 décembre 2013 à 07:12

Toy ny fanao isan-taona dia tanterahina ny alahady 22 Desambra 2013 ao anatin’ny fotoam-pivavahana maraina ny krismasin’ny ankizy izay karakarain’ny Volana sy Kintana, eto amin’ny fiangonana Ambavahadimitafo. Izany moa dia hiarahana amin’ny sampana samihafa eto amin’ny fiangonana : Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra (STA), Taninketsa, AFFA, STK, SAMPATI. Manasa antsika rehetra hiara hankalaza ny Krismasy miaraka amin’ireo zanatsika

» Tohiny...

Namangy ny FJKM Ambatotokana ny Volana sy Kintana

Publié le 15 septembre 2013 à 06:09

Misaotra an’Andriamanitra lehibe ny Volana sy kintana raha afaka namangy ny FJKM Ambatotokana ny alahady 08 septambra 2013, niaraka tamin’ireo ankizy marobe taizaina eo anivon’izany sampana izany. Mankasitraka ny mpitandrina Rakotoniera mivady sy ny biraom-piangonana ary ireo izay nitondra am-bavaka ka nanohana izany asa izany.

» Tohiny...

Krismasim-paritra 2010 Sampana STA sy Volana sy Kintana

Publié le 19 février 2010 à 08:02

Hisy ny krismasim-paritra izay atao ao amin’ny FJKM Ambohitantely ny alahady 21 Febroary 2010 manomboka amin’ny 14h izay handraisan’ny Sampana STA ary Volana sy Kintana anjara. Noho izany hisy ny famerenana ny alarobia 17 Febroary 2010 sy ny asabotsy 20 Febroary 2010 ao amin’ny Akany Ralibera Daniel, entanina ny ankizy mba ho tonga maro amin’izany.

» Tohiny...

Efa mianatra Fety krismasy izao ny ankizy

Publié le 21 octobre 2009 à 08:10

Ny STA sy ny STK ary ny Volana sy Kintana dia manao izao filazana izao fa manomboka ny alahady 18 Oktobra 2009 isaky ny amin’ny 2:30 tolakandro ny fianarana ny Fety krismasy. Koa manentana ny Ray aman-dreny mba handefa ny ankizy ho amin’izany. Ilazana koa ireo olona mikasa hampanao hira manokana ny zanany, fa hatramin’ny

» Tohiny...

Hitsangatsangana ny Volana sy Kintana ny Sabotsy 31 Oktobra 2009

Publié le 08 octobre 2009 à 08:10

Fotoana hiarahana amin’ny ankizy afa-panadinana Antsoina isika mpikambana ao amin’ny Volana sy Kintana fa amin’ny sabotsy 31 oktobra 2009 izao dia hisy fitsangatsanganana miaraka amin’ireo ankizy afa-panadinana. Ny fandraisan’anjara dia Ar 4000, tsy mitondra sakafo fa mitondra fitaovam-pihinanana sy rano sotroina. Eny Faravohitra Avaratra ny toerana amin’izany.

» Tohiny...