FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Vidéos

Hohelohiny ho faty Izy, ary amin’ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy

Alahady 03 aprily 2022, andinihina lohahevitra vaovao eto amin’ny sahan’ny FJKM mandritra ity volana Aprily ity : « Mandresy ny fahafatesana ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny tenin’Andriamanitra avy ao amin’ny Matio 20 : 18 – 19 « ary ny Zanak’olona hatolotra ho amin’ireo lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy 19[…]

Hamaly ny olona araka ny nataony Andriamanitra

Alahady 27 martsa 2022, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Mamaly ny faharatsiana ny Tompo« . Ny mpitandrina miza-draharaha Randriambinintsoa Onja no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 21 : 1-10 « 1IZAO no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah, fony Zedekia mpanjaka naniraka an’i Pasora, zanak’i Malgia, sy Zefania, zanak’i Mahaseia mpisorona, hankany aminy hanao

Nahoana ny kristiana no tra-pahoriana

Alahady 31 oktobra 2021, alahadin’ny Reformarsiona, hamaranana ny fandinihana ny lohahevitra hoe « Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny fanasany ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny fampianarana avy amin’ny Tompo manodidina ny lohahevitra hoe : Nahoana ny kristiana no tra-pahoriana

Alahady 10 oktobra 2021 : Tafika masina

Alahady 10 oktobra 2021, niarahan’ny vahoakan’Andriamanitra avy ao @ FJKM Ambavahadimitafo sy ny FJKM Isoavina Fiorenana miombom-bavaka am-po sy am-panahy teto amin’ny FJKM Isoavina Fiorenana, taorian’ny Tafika masina notanterahina teny an-toerana. Manasa anao hiombona amin’ny fotoam-pivavahana :

Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ny Apostoly

Alahady 03 Oktobra 2021, fanateram-bokatry ny SAMPATI, handinihina ny lohahevitra eto @ sahan’ny FJKM amin’ity volana ity : « Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny Fanasany ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 22 : 14 : « Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy [Jesoa] mbamin’ny Apostoly » Andeha hiombona amin’izany

Ny mino miorina ao amin’ny Tompo

Alahady 19 septambra 2021, mbola hibanjinana ny lohahevitra we « Miorena ao @ Tompo @ batisa »; alahady fanateram-bokatry ny antoko mpihira « Antsan’Ambavahadimitafo ». Ny mpitandrina Razakamanantsoa Narinjaka no nitondra ny hafatry ny Tompo avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8 : 34 – 40 :  » 34Ary ilay tandapa namaly an’i Filipo ka nanao hoe: Masìna hianao, iza

Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny batisa

Alahady 05 septambra 2021, alahady faha-14 manaraka ny Trinite : – nanatanterahan’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA) ny vokatra– hibanjinana amin’ity volana Septambra ity ny lohahevitra hoe « Miorena ao @ Tompo @ batisa »– nitsofana rano ny mpitandrina Randrianasolo Elinah niza-draharaha teto @ fiangoana Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 3

Araraoty ny andro azo hanaovan-tsoa fa ratsy izao fiainana izao

Alahady 29 aogositra 2021, nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 6 : 27-36 : « 27Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin’izay mankahala anareo; 28misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo. 29Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray; ary raha

Mandinika ny fanoloran-tenan’ny mino i Jesoa

Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Alahady 22 aogositra 2021 nitondran’ny mpitandrina Razakamanantsoa Narinjaka ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Marka 12 : 41-44 : « 41Ary raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao. 42Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka

Ary ny zanany hahazo fialofana

Famindram-po sy fahamarinana ho an’izay manao asa tsara. Ny vavaky ny marina no mamonjy ain’olona. Ny fahatahorana an’i Jehovah no loharanon’aina Alahady 15 aogositra 2021, hitondrana am-bavaka ny asa Aumonerie nationale eo anivon’ny FJKM mbola andinihana ny lohahevitra hoe « Miorena @ asa tsara ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Ohabolana