FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

AFFA

Alahady « Fetin’ny Fahazavana » 2022

Publié le 24 avril 2022 à 05:04

Alahady 24 aprily 2022, alahady faha-2 manaraka ny paska, hitondrana am-bavaka ny Toeram-Pamonjena Zaza na TOPAZA, mbola anatin’ny lohahevitra hoe « Mandresy ny fahafatesana ny Tompo« . Nankalazaina anio ny « Fetin’ny Fahazavana » eto @ FJKM Ambavahadimitafo niompana tamin’ny lohahevitra hoe TVM na hoe « Tena Velona eo amin’ny fiainanao ve ny Mpamonjy« , nitondrana koa ny tenin’Andriamanitra avy ao

» Tohiny...

Fety famaranana ataon’ny AFFA

Publié le 15 septembre 2013 à 06:09

Hanatontosa fety famaranana ny AFFA ny alahady 22 septambra 2013, koa antsoina ny ray aman-dreny mba hanatrika izany

» Tohiny...

Hahemotra amin’ny 21 Mars 2010 ny famaranana ny faha-25 taonan’ny AFFA

Publié le 26 février 2010 à 06:02

Isaorana Andriamanitra lehibe fa tanteraka ny Vokatra izay nataon’ny Sampana AFFA ny alahady 7 Febroary 2010. Isaorana ihany koa isika rehetra izay nandray anjara tamin’izany, Andriamanitra manan-karem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo. Araka ny fivoriana tamin’ny heriny tamin’ny firaisan’ny sampana dia ahembotra amin’ny 21 Martsa 2010 ny famarànana ny fankalazàna ny faha 25 taonan’ny AFFA.

» Tohiny...

Hamarana ny faha-25 taonan’ny AFFA

Publié le 19 février 2010 à 06:02

Ny faha 28 Febroary 2010 dia amarana ny fankalazana ny faha 25 taonany ny AFFA. Koa manasa antsika izy ireo hiara hiombom-bavaka amin’io alahady io. Mbola misy hatrany ny fandraisana ny ankizy vaovao izay te hiditra amin’ny sampana

» Tohiny...

Hanantanteraka « la retraite » ny mpiandraikitra AFFA

Publié le 18 novembre 2009 à 06:11

Toy ny fanao isan-taona dia hanantanteraka « la retraite » na « fisintonan’ny mpiandraikitra » ny mpiandraikitra ao amin’ny AFFA ny 27, 28, 29 Novambra 2009. Ny toerana hanaovana izany dia eny Betela Ambohimangakely, izany dia hanasàna ny mpiandraikitra rehetra. Ny mpiofana ho mpiandraikitra ary izay hiditra ho mpiofana mpiandraikitra, ny fiaingàna dia ny 27 Novambra 2009 amin’ny 6h30

» Tohiny...

Fisaoarana avy amin’ny AFFA noho ny fety 25 Oktobra 2009

Publié le 12 novembre 2009 à 06:11

Ny sampana AFFA dia maneho fisaorana antsika ray aman-dreny , ny MAMRE , ny mpitandrina mpanampy tamin’ny fanantanterahana ny fety famaranana izay natao ny 25 oktobra 2009 , Andriamanitry ny fiadanana anie hamaly fitioa anareo . Ny sampana AFFA dia hanantanteraka la retraite toy ny fanao isan-taona ny 27 -28 -29 Novambra 2009 ho avy

» Tohiny...

Famaranana ny taona 2009

Publié le 16 octobre 2009 à 06:10

Ny Sampana AFFA dia faly manasa antsika fiangonana amin’ny fety famaranana ity taona 2009 ity. Izany dia ho atao ny 25 Oktobra 2009 amin’ny 14h30 ao amin’ny Akany Ralibera Daniel.

» Tohiny...