FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Vaovao

Hafatra ho an’ny Mpandray – fifidianana Diakona 2024

Publié le 16 janvier 2024 à 06:01

Mifarana ny alahady faha-28 janoary 2024 ny fanavaozana ny karatra hiatrehana ny fifidianana Diakona. Hamarino ary fa any aminao ny karatra maha-mpandray miloko fotsy. Raha toa tsy mbola manana ianao dia ento ny sary roa ny alahady faha-28 janoary hahafahana manavao ny karatrao.

» Tohiny...

45 taona AMA : Fanokanana trano heva

Publié le 30 août 2023 à 09:08

Ny ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO dia manasa antsika tsy an-kanavaka hidera sy hankalaza an’Andriamanitra ny Alahady 3 septambra 2023 eto am-piangonana nohon’ny voka-dehiben’ny fikambanana sy fanokanana ny tsangam-baton’ny fankalazana ny faha-45 taona, ilay « trano heva » fanaovana vokatra ao an-tokontanim-piangonana. Manantena ny fahatongavantsika maro ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

» Tohiny...

Maraim-baovao eto @ FJKM Ambavahadimitafo

Publié le 18 juillet 2023 à 08:07

« Ary ny toe-panahin’ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin’ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan’andro, na marina izany, na tsia »,Asan’ny Apostoly 17.11 Misokatra ny Sabotsy 15 Jolay 2023 amin’ny 7:30 ny « Maraim-baovao » eto @ FJKM Ambavahadimitafo, koa manasa antsika hiara-himbona amin’izany fotoana izany.

» Tohiny...

Konferansa momba ny tanora FJKM mandray andraikitra…

Publié le 17 juin 2023 à 03:06

Andeha hanaraka ny konferasana nitondra ny lohahevitra hoe : Tanora FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina « Vontosy filazantsara ny nosy madagasikara, filazantsara hanova ny tantara ». Nokarakarain’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA) ao anatin’ny fankalazany ny faha-45 taonany, ka notanterahina niaraka t@ mpitandrina Hubert RAKOTOARIVONY. Araho ary :

» Tohiny...

AMA : Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina

Publié le 03 juin 2023 à 08:06

Ao anatin’ny fankalazan’ny « ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO (AMA) ny faha-45 taonany dia mikarakara konfersansa izy ireo, miompana @ lohahevitra hoe « Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, Filazantsara hanova ny tantara » Koa fandriho ny Sabotsy 17 jona @ 3 ora tolak’andro eto am-piangonana. Aza adino ny misoratra anarana @ tél

» Tohiny...

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

Publié le 09 mai 2023 à 05:05

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

» Tohiny...

Antsan-kira Zoma Masina – 07 aprily 2023

Publié le 28 mars 2023 à 01:03

Ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA) dia mandefa ny tsiahy ho antsika mikasika ny antsan-kira ZOMA MASINA ny 07 aprily 2023 amin’ny 6 ora sy sasany hariva ao amin’ny FJKM Ambavahadimitafo. Miavaka manokana tsy toy ny mahazatra ny fotoana satria amin’io koa no hanokafana ny fankalazana ny faha-45 taon’ny AMA. Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.

» Tohiny...

Katekomena 2023

Publié le 10 janvier 2023 à 08:01

 » Atongilano ny sofinareo , ka mankanesa aty amiko, mihainoa dia ho velombelona ny fanahinareo… », Isaia 55 : 3 Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Araka ny efa nolazaina tamin’ny raharahan’ny fiangonana dia efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay manam – paniriana hiditra ho mpianatra katekomena amin’ity taona 2023 ity. Noho izany dia azontsika

» Tohiny...

Noely 2022 : Ny hatsarany

Publié le 22 décembre 2022 à 09:12

Atolotry ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo ny Sabotsy 24 desambra 2022 @ 06.30 ora hariva, antsan-kira Noely 2022 mitondra ny lohateny hoe « Ny hatsarany ». Manasa anao hiombona amin’izany fotoana izany eny @ FJKM Ambavahadimitafo. Mirary krismasy sambatra !

» Tohiny...

Fanentanana 25 taona Pst. Randrianarisoa Alain

Publié le 20 novembre 2022 à 11:11

« Haleloia, hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho », Salamo 111, 1a Afaka alahady 2 dia ho tonga ny andro firavoravoantsika hankalazana  ny Jobily volafotsy maha-mpitandrina an’Andriamatoa Randrianarisoa Alain mivady. Hatraiza ny fanomanana ? Zoma 02 desambra 2022 : fanompoam-pivavahana hanasàna ny Foibe FJKM, Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana, Fiangonana, fianakavian’ny mpitandrina ary ny vahoakan’Andriamanitra, izay arahina sakafom-pifaliana

» Tohiny...