FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fankalazana

Fisaorana an’Andriamanitra noho ny fahavitan’ny fanokanana mpitandrina

Publié le 21 février 2012 à 04:02

Fifaliana ho anay mianakavy ny misaotra ny birao sy ny fitandremana ambavahadimitafo noho ny fahavitan’ny fanokanana anay ny Asabotsy 10 septambra 2011.

» Tohiny...

Consecration pastorale : mpitandrina Rakotoniera Tantelinirina Christian Eric

Publié le 17 août 2011 à 09:08

Noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia hamafisina ny fiantsoan’Andriamanitra anay hanao ny asan’ny Mpitandrina ao amin’ny sahan’ny FJKM sy ny Fiombonan’ny Fiangonana Reforme Eran-tany ny 10 Septambra ho avy izao amin’ny 9 ora sy sasany maraina eto Ambavahadimitafo.

» Tohiny...

Paska 2011

Publié le 31 mai 2011 à 08:05
[nggallery id=12] » Tohiny...

Alahadin’ny Zanaka am-pielezana amin’ny 23 janvier 2011

Publié le 16 janvier 2011 à 08:01

 » Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesoa mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo Aminy  » (Ef. 2. 10) Ny Mpitandrina mivady sy ny fiangonana dia miantso ny zanany any am-pielezana sy ny mpianakavin’ny finoana hiara-hisaotra sy hidera an’Andriamanitra ny Alahady 23 janoary 2011 amin’ny 09 ora maraina. Amin’io fotoana

» Tohiny...

Fiadanana ho anao amin’ity taona 2011 ity

Publié le 03 janvier 2011 à 10:01

Amin’izao taona vaovao izao, dia mirary ny fiadanan’ny Tompo ho ao aminao mpitsidika izao site web izao. Hitondra fahasalamana, fahombiazana ary fahasambarana ho anao anie ity taona 2011 ity. Ny ekipa web Salamo nataon’i Davida Manomeza an’i Jehovah, ry zanak’Andriamanitra, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an’i Jehovah. Omeo an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany;

» Tohiny...

Krismasy 2010 :-)

Publié le 23 décembre 2010 à 09:12

Amin’izao fahatongavan’ny fetin’ny Noely izao dia faly izahay ekipan’ny site web miarahaba anao sahady nahatratra ny Noely ary mirary fety sambatra ho anao. Ny fiadanan’ny Tompo anie hitoetra ao aminao. Enga anie hitondra aina vao ho anao izao fahatsiarovantsika ny nahatongavan’Ilay Mpamonjy tety an-tany izao . « Fa zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena

» Tohiny...

Fahatsiarovana an’i pasteur Rakotoharintsifa

Publié le 15 décembre 2010 à 03:12

Amin’ny Asabotsy 18 desambra 2010 amin’ny 9 ora maraina dia hisy fotoana manokana eto amin’ny FJKM Ambavahadimtafo. Izany dia ho Fisaorana sy Fiderana an’Andriamanitra, hahatsiarovana izay nanamarika ny mpanompony Rakotoharintsifa Andrianjatovo sy noho ny faha-50 taonan-dRamatoa Ranaivoson Faramalala. « Tsarovy ny mpitondra anareo izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ny fiainany, ka araho ny

» Tohiny...

Herinandro fiandrasana ny Krismasy

Publié le 09 décembre 2010 à 02:12

Manatanteraka fotoam-bavaka ny eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo isaky ny amin’ny 6 ora hariva ka hatramin’ny 7 ora hariva manomboka ny alatsinainy 13 desambra 2010, mba ho fiandrasana ny Krismasy. Toy izao ny fandaharam-potoana ary hanentanana antsika kristianina tsy an-kanavaka : Alatsinainy 13 Desambra miaraka amin’ny Tetikasa Mendrika-Tanora Zokiny-Volana sy  Kintana ary ny Pasitera Rakotoniera Christian

» Tohiny...

Hafatry ny Advento 2010

Publié le 28 novembre 2010 à 01:11

Ry Havana malala ao amin’ny Tompo ! Mandia vanim-potoana vaovao ny Fiangonana Kristiana manerana izao tontolo izao dia ny Alahady Voalohany amin’ny Advento sady miditra amin’ny Taom-Piangonana vaovao ihany koa anio 28 Novambra! Miarahaba antsika mpianakavin’ny Finoana rehetra noho izany sady maniry soa ho anareo. Heveriko fa ny fanazavana ara-tSoratra Masina mikasika ny Advento no fanomezana tsara

» Tohiny...

Fivorian’ny Sokajy II ny 27-02-2010

Publié le 26 février 2010 à 07:02

Ny Loholona sy Diakona ao amin’ny sokajy faha2 dia hanantanteraka ny fanomànana sy ny fiofànana ny asa ny 28 sy ny 7 Martsa 2010 amin’ny asabotsy 27 Febroary 2010 manomboka amin’ny 11h eny an-tokantranon’i Atoa Randriamahazomanana Jacquis mivady eny Alasora, samy mitondra ny sakafo sahaza.

» Tohiny...