Fahatsiarovana an’i pasteur Rakotoharintsifa
Amin’ny Asabotsy 18 desambra 2010 amin’ny 9 ora maraina dia hisy fotoana manokana eto amin’ny FJKM Ambavahadimtafo.
Izany dia ho Fisaorana sy Fiderana an’Andriamanitra, hahatsiarovana izay nanamarika ny mpanompony Rakotoharintsifa Andrianjatovo sy noho ny faha-50 taonan-dRamatoa Ranaivoson Faramalala.
« Tsarovy ny mpitondra anareo izay efa nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ny fiainany, ka araho ny finoany. »Heb. 13.7
« Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, ary tsy misy voany ny voaloboka, na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, ary tsy mahavokatra ohanina ny saha, na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ny vala, ary tsy misy omby ao am-pahitra, nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy. » Hab. 3.17-18
Toy izao ny ampahany amin’ny fandaharana : Lahateny sy mozika
- Feon-javamaneno :
Johann Sebastian Bach / Jésus que ma joie demeure – extrait de la cantate n° 147 /(Orchestre La Camerata)
- Fianakaviana : Ny fahazazana sy ny fahatanoran’i Ndriana teo amin’ny fianakaviana
- Atoa Andriamanjato Richard Mpitandrina : Ny fahazazana sy ny fahatanoran’i Tovo tao am-piangonana
- Feon-javamaneno : Haendel / Sarabande /(Orchestre La Camerata)
- Atoa Ramino Paul Mpitandrina : Ny maha mpianatra teolojia an’i Tovo
- Atoa Irako Andriamahazosoa Ammi Mpitandrina : Ny maha sakaiza mpiara-nianatra sy mpiara-niasa
- Feon-javamaneno : Haendel /Largo – extrait de Xerxes / (Orchestre La Camerata)
- Atoa Raseliharilahatra Audin Mpitandrina : Ny fiangonana voalohany notandreman’i Pasteur Tovo
- Atoa Ralibera Henri : Pasteur Rakotoharintsifa Andrianjatovo, mpitandrina tao Ambavahadimitafo
- Hira : Antoko Mpihira Ambavahadimitafo : « Faha-10 taona nitandreman’ny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo ny FJKM Ambavahadimitafo (1997-2007) »
- Atoa Razanadrakoto Haritsima Mpitandrina : Ny maha mpampianatra ny Professeur Rakotoharintsifa Andrianjatovo
- Atoa Ranaivo Rija, Mpitandrina miza-draharaha : Ny maha mpitandrina sy mpampianatra mitarika ny Dr Rakotoharintsifa Andrianjatovo
- Feon-javamaneno : Vivaldi / Adagio /(Orchestre La Camerata)
- Rtoa Andriatavy Ralibera Harivola Danielle : Tononkalo
- Feon-javamaneno : Johann Pachelbel / Canon in D major / (Orchestre La Camerata)
Ny Fotoana dia hotarihin’ny mpitandrina Dr Rakotoniera Christian Eric