Fiadanana ho anao amin’ity taona 2011 ity

Amin’izao taona vaovao izao, dia mirary ny fiadanan’ny Tompo ho ao aminao mpitsidika izao site web izao. Hitondra fahasalamana, fahombiazana ary fahasambarana ho anao anie ity taona 2011 ity.

Ny ekipa web

Salamo nataon’i Davida
Manomeza an’i Jehovah, ry zanak’Andriamanitra, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an’i Jehovah.
Omeo an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany; miankohofa eo anatrehan’i Jehovah amin’ny fihaingoana masina.
Ny feon’i Jehovah no eny ambonin’ny rano be; Andriamanitry ny voninahitra no mampikotrokorana; Jehovah no eny ambonin’ny rano be.
Ny feon’i Jehovah be hery; Ny feon’i Jehovah be voninahitra.
Ny feon’i Jehovah manorotoro ny hazo sedera; eny, Jehovah manorotoro ny hazo sedera any Libanona.
Dia mampitsambikina azy tahaka ny zanak’omby Izy, Libanona sy Siriona dia tahaka ny zanaky ny ombimanga.
Ny feon’i Jehovah mampisaraka ny lelafo;
Ny feon’i Jehovah mampihorohoro ny efitra; Jehovah mampihorohoro ny efitr’i Kadesy.
Ny feon’i Jehovah mampiteraka ny dieravavy, ary mivofy ny ala be; ary ny ao an-tempoliny samy manao hoe: Voninahitra e!
Jehovah nipetraka teo ambonin’ny safo-drano; eny, Jehovah mipetraka ho Mpanjaka mandrakizay.
Jehovah hanome hery ny olony; Jehovah hitahy ny olony amin’ny fiadanana.

2 réponses à Fiadanana ho anao amin’ity taona 2011 ity

  1. Ramangalahy Norotiana dit :

    Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika nanome aina vaovao an’ity site web an’Ambavahadimitafo ity indray, tena manome hery izy ity satria afaka mamerina sy mandinika tsara ny toriteny, tena manampy amin’ny fahafantarana zavatra maro momba antsika rehetra ka ny Tompo anie hombanareo mpikambana ato amin’ny web, Izy anie hanome saina sy talenta ary hitarin-dalana anareo dia ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra,

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*


*

Vous pouvez utiliser ces balises et attributs HTML : <a href="" title=""> <abbr title=""> <acronym title=""> <b> <blockquote cite=""> <cite> <code> <del datetime=""> <em> <i> <q cite=""> <strike> <strong>