FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fankalazana

Alahadin’ny zanak’am-pielezana 2014

Publié le 28 décembre 2013 à 03:12

Ny alahadin’ny Zanaka am-pielezana dia hotanterahina eto amin’ny fiangonana ny 26 janoary 2013 amin’ny 9 ora maraina. Koa manasa anareo zanaka am-pielezana rehetra mba hiara hiombom-bavaka amin’izany fotoana manokana izany.

» Tohiny...

Krismasy 2013

Publié le 18 décembre 2013 à 03:12

Ny fankalazana ny krismasy dia tanterahina ny alarobia 25 desambra 2013 amin’ny 9 ora tahaka ny mahazatra eto amin’ny fiangonana. Ireo rehetra izay maniry hanolotra vatomamy noho izany krismasy izany dia afaka manantona ny mpandraharaha ao amin’ny trano fisainana.

» Tohiny...

Fandraisana Katekomena zandriny 2013

Publié le 10 décembre 2013 à 12:12

Rehefa nankatoavin’ny fivorian’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo, ka naseho ny fiangonana ireo Katekomena zandriny 2013, dia horaisina amin’ny Alahady 15 Desambra 2013 eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo. Ny fotoana dia hanomboka amin’ny 9 ora maraina toy ny mahazatra ihany.

» Tohiny...

Krismasy fifaliana 2013

Publié le 07 décembre 2013 à 07:12

Toy ny fanao isan-taona dia tanterahina ny alahady 22 Desambra 2013 ao anatin’ny fotoam-pivavahana maraina ny krismasin’ny ankizy izay karakarain’ny Volana sy Kintana, eto amin’ny fiangonana Ambavahadimitafo. Izany moa dia hiarahana amin’ny sampana samihafa eto amin’ny fiangonana : Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra (STA), Taninketsa, AFFA, STK, SAMPATI. Manasa antsika rehetra hiara hankalaza ny Krismasy miaraka amin’ireo zanatsika

» Tohiny...

Fizaràn-doka STA amin’ny alahady 08 septambra 2013

Publié le 05 décembre 2013 à 12:12

Hizara loka ho an’ireo ankizy ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra amin’ny Alahady 08 Desambra 2013. Hiangaviana ny ankizy mba ho tonga amin’ny 7ora sy sasany maraina mba hahafahana mandamina ny toeran’izy ireo

» Tohiny...

Fizotry ny fandraisan-tànana ny mpitandrina RAKOTONIERA Christian Eric mianakavy teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo

Publié le 04 décembre 2013 à 12:12

Andriamatoa RANDRIAMAHAZOMANANA Jacquis, filoha lefitry ny fiangonana, no nitarika ny fotoana  fandraisan-tànana ny mpitandrina Rakotoniera Tantelinirina Chrisitian Eric mianakavy. Fanolorana sy tsiahy Raha tsiahivina fohy ny tantara dia nisy tokoa ny fitantanan’Andriamanitra ka nahatongavana amin’izao fandraisan-tànana ny mpitandrina izao; dia ny 13 mey 2013, rehefa nanontaniana isika loholona sy diakona ary mpandray fanasan’ny Tompo dia

» Tohiny...

Herinandron’ny fiadanana ho fiomanana amin’ny Krismasy 2013

Publié le 03 décembre 2013 à 02:12

Ho fanomanana ny fo amam-panahintsika ho amin’ny Krismasy dia hisy ny herinandron’ny Fiadanana izay karakarain’ny Asa Fitoriana ny Filazantsara. Maro ny mpandahateny hifandimby amin’izany ka handinihana indrindra ny lohahevitra hoe « ny fiadanana », amin’ny lafiny teolojika, sosiolojika, ekonomika, sosialy… Hanomboka ny Alatsinainy 02 desambra ka hatramin’ny 06 desambra 2013, isaky ny amin’ny 6 ora sy sasany

» Tohiny...

Alahady 8 desambra 2013 @ 3ora : Antsan-kira fiderana Advento – Sekoly Taninketsa

Publié le 02 décembre 2013 à 12:12

Toy ny fanaony isan-taona rehefa vanim-potoana advento , ny Sekoly Taninketsa Ambavahadimitafo dia manatanteraka Antsan-kira iomanana amin’ny Fiavian’ny Tompo. Ho tanterahina izany amin’ny Alahady 08 Desambra 2013 ho avy izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo. Hira 11 no ho tanterahina amin io fotoana io ary marihina fa fotoana voalohany iarahan’ ny

» Tohiny...

Fanasàna ho amin’ny fandraisan-tànana ny mpitandrina Rakotoniera

Publié le 15 novembre 2013 à 06:11

FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA SINAODAM-PARITANY ANTANANARIVO ATSINANANA FARITRA AVARATR’ANDOHALO FITANDREMANA AMBAVAHADIMITAFO « Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ny asa tsara rehetra; » (2 Korintiana 9:8) FANOMPOAM-PIVAVAHANA FISAORANA AN’ANDRIAMANITRA SY FANDRAISAN-TANANA NY MPITANDRINA Dr RAKOTONIERA Tantelinirina Christian Eric, mianakavy Noho ny

» Tohiny...

Fandraisan-tànana ny mpitandrina Rakotoniera

Publié le 02 novembre 2013 à 10:11

Andro lehibe, vanim-potoana lehibe ho an’ny fiangonana tokoa ny asabotsy 23 sy alahady 01 desambra 2013 satria horaisin-tànana eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny mpitandrina Rakotoniera Eric mivady. Ny hetsika manokana hoentina manamarika izany fankalazana izany dia ny fotoam-pivavahana ny asabotsy 23 Novambra 2013, izay harahina fiaraha-misakafo, ka hiarahana amin’ny Synodam-paritany sy ny Foibe FJKM ary

» Tohiny...