FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Vaovao

Fifaninana hira faneva 25è

Publié le 22 juillet 2022 à 12:07

Noho ny Jobily faha  – 25 taona maha-mpitandrina an’i Pasteur RANDRIANARISOA Alain mivady, dia manasa ny mpiara-mivavaka rehetra ny komitin’ny Jobily mba handray anjara amin’ny fifaninanana HIRA FANEVA izay entina  hankalazana sy hisaorana an’Andriamanitra. Toa izao ny andinindininy tsara ho fantatra : Hira misy andininy telo (03), an – dalana valo (08) avy fara – fahabetsany

» Tohiny...

Fitsangatsanganana 2022

Publié le 02 juin 2022 à 04:06

Efa ho 2 taona no tsy nanatanteraka fitsangatsanganana ny FJM Ambavahadimitafo noho ny toe-draharaha ara-pahasalamana izay fantantsika. Koa am-pifaliana tokoa no hifanentanantsika amin’izany ankehitriny. Amin’ny Alatsinainy Pentekosta 06 Jona 2022 no ho tanterahina eny Antsofonondry Avaradrano ny fitsangatsanganan’ny FJKM Ambavahadimitafo, izay hanasàna antsika kristiana tsy an-kanavaka sy ny zanaka am-pielezana. Ankoatran’ny fikarakaran’ny Biraon’ny fitandremana miaraka

» Tohiny...

Faha-30 taona nijoroan’ny Sampana Fifohazana

Publié le 11 mars 2022 à 08:03

Miarahaba amintsika amin’ny anaran’i Tompo. Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika mpianakavin’ny finoana fa afaka hidera sy hisaotra an’Andriamanitra noho ny faha – 30 taona izay nijoroan’ny Sampana Fifohazana eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo. Izany dia ho tanterahana  ny alahady faha – 13 martsa 2022 manomboka amin’ny 9 ora maraina. Koa dia hery lehibe ho an’ny Sampana ny

» Tohiny...

Fiomanana manoloana ny rivo-doza « Batsiray »

Publié le 04 février 2022 à 02:02

Hafatra avy amin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain : « Ary Jesoa niteny…hoe : Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra », Matio 14:27 1. Mampahery sy mivavaka ho antsika noho izao loza manambana eto @firenena izao. 2.Mahatsiaro am-bavaka sy mirary fahasalamana ho an ‘ireo marary rehetra. 3.Mampahafantatra antsika fa MISOKATRA NY FIANGONANA ny Alahady 6 febroary ary manasa antsika

» Tohiny...

Fandaharana Alahady 02 Janoary 2022

Publié le 31 décembre 2021 à 08:12

Manasa antsika sahady hiomana ho amin’ny fanompoam-pivavahana alahady voalohany amin’ny taona 2022. Toy izao ny fandaharana hiombonantsika amin’izany :

» Tohiny...

Fandaharana Krismasy 2021

Publié le 23 décembre 2021 à 09:12

« Ary hoy ny anjely taminy : Aza matahotra ; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra ; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.» Lioka 2 : 10 – 11 Indro ny fandaharana ny Sabotsy 25 Desambra 2021 amin’ny

» Tohiny...

Fandaharana Alahady 19 desambra 2021

Publié le 14 décembre 2021 à 05:12

Toy izao no fandaharana ho amin’ny fandraisana ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo andiany « Fanantenana » ny alahady 19 desambra 2021 manomboka amin’ny 9 ora maraina :

» Tohiny...

Daty tsara ho fantatra : Desambra 2021

Publié le 06 décembre 2021 à 08:12

Toy izao ny tetiandro eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ho amin’ity volana desambra 2021 ity : « Miorena tsara aza miova » 18 desambra 2021 : Fanadiovana Faobe : SOKAJY MINO – STA – SAMPATI – TMT – DORKASY 12 desambra 2021 : fizaran-doka Sekoly Alahady 19 desambra 2021 : fandraisana Katekomena « Fanantenana » 20 hatramin’ny 24 desambra 2021

» Tohiny...

Hafatra avy amin’ny mpitandrina taorian’ny Tafika Masina oktobra 2021

Publié le 14 octobre 2021 à 04:10

« Misaora an ‘i Jehovah ry fanahiko ary izay rehetra ato anatiko misaora ny Anarany Masina . »(Salamo 103:1) 1/Isaorana ny Tompo Andriamanitra fa tontosa soamatsara ny Tafika Masina tany Isoavina Fiorenana. Mankasitraka antsika Sampana, asa, AFF, Mamre, Mpanohana rehetra, indrindra fa ny Fiangonana manontolo nanohana sy nitondra am-bavaka. « Miorena tsara aza miova ary mahefà be amin

» Tohiny...

Fandaminana volana Jolay 2021

Publié le 28 juin 2021 à 06:06

Toy izao no fandaminana avy amin’ny Biraon’ny fitandremana ho amin’ny fanompoam-pivavahana manomboka ny volana Jolay 2021 * Fidirana in-1 ihany : amin’ny 9ora * Misy ny fivorian’ny Mpihevi-draharaha – Fivorian’ny Mpandray – Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo * Miverina manatanteraka ny fivoriana sy ny asany ny Sampana – Fikambanana – Asa Ho an’Andriamanitra ny Voninahitra

» Tohiny...