Famonjena ankatoky ny fandraisana
Nanamarika ny mpitandrina Rakotoniera Eric fa anisan’ny fiangonana be mpamonjy ny ankatoky ny Fandraisana ny FJKM Ambavahadimitafo amin’ny fiangonana ety ambony ety. Rehefa mifampiresaka tokoa ny mpitandrina dia nahatsikaritra fa raha vao voatonona ny Trinité Masina dia mirihotra mivoaka avokoa ny Mpandray ka vitsy monja no tafajanona.
Manentana ary ny mpitandrina mba hotanantsika izany fahazotoantsika eto Ambavahadimitafo izany satria zava-dehibe tokoa ny fanomanam-panahy mba tsy ho lasa fanamelohana ny fiarahantsika miombon-databatra amin’ny Tompo izany; fa eo koa ny fanapahana ny raharahan’ny fiangonana izay ny fivorian’ny Mpandray no manana ny teny farany amin’izany.