FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fanadihadiana

Ny Fikambanan’ny Tily sy Mpanazava Tranainy ary ireo Sakaiza eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo

Publié le 06 juillet 2014 à 10:07

Ny Fikambanan’ny Tily sy Mpanazava Tranainy ary ireo Sakaiza eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo dia efa ela no nisiany ary niarahany niasa tamin’ny SAMPATI faha-XIII fa vao herintaona kosa izay no nanorenana azy ho ara-dalana teo anivon’ny Fiangonana ka niantsoana azy hoe TMT (Tranainy Mitambatry la Treize) ary anisan’ny asa efa vitan’izy ireo ny fanampiana ireo

» Tohiny...

Nodimandry Rahaga Ramaholimihaso

Publié le 12 décembre 2013 à 05:12

Amin’ny alahelo lehibe no hampandrenesan’ny fianakaviana Ramaholimihaso sy Ramanandraibe ny fodiamandrin’ny malalany Rahaga Ramaholimihaso, ny 10 desambra 2013 tany Paris. Araka ny vaovao heno dia tokony ho tonga eny Ivato amin’ny alatsinainy ho avy izao ny razana. Hiezaka izahay hampita amintsika ny vaovao farany momba ny fandaminana mba hahafahantsika manatanteraka ny adidy farany amin’izany mpiara-manompo

» Tohiny...

Décès de Rahaga Ramaholimihaso

Publié le 12 décembre 2013 à 11:12

Les familles Ramaholimihaso et Ramanandraibe ont la tristesse de vous faire part du décès de leur bien aimé Rahaga Ramaholimihaso qui s’est éteint dans la paix du Seigneur le 10 décembre 2013 à Paris.

» Tohiny...

Havan’ny olona rehetra Mpirahalahy daholo ny Tily

Publié le 15 novembre 2013 à 07:11

Mifikira amin’ny tsara (Romana 12:9) « Havan’ny olona rehetra Mpirahalahy daholo ny Tily » Ireo no teny faneva nofinidin’ny komitin’ny faha 90 taonan’ny Tily et Madagasikara ary ankalazaina manomboka izao izany. Niantomboka tamin’ny 1924 ny fitaizana skotisma teto Madagasikara, ary raha ny FJKM  Ambavahadimitafo manokana dia tamin’ny andron’nympitandrina Ralambomahay tamin’ny 1949. Ny Jeneraly Raveloarison (Loholona eto amin’ny

» Tohiny...

RAKOTONIERA Christian Eric : Tantaram-piainana

Publié le 15 novembre 2013 à 07:11

Teraka ny 05 Septambra 1968 tao Amboavahy Antehiroka Ambohimanarina, Zanak’i Rakotoniera (efa nodimandry) sy Razafindrazanaka Noeline. 6 mianadahy no niara-notezaina ka izaho no farany. ———————————————- Nianatra tao amin’ny Sekoly Fivoarana Kristianina Ambohidroa Antehiroka, EPP Ambodinisotry, CEG 67 ha, Lycée Jules Ferry Faravohitra Antananarivo Ny taona 1986: Nahazo ny Baccalaureat Série A1. Ny taona 1988: Nianatra

» Tohiny...

Ny komitin’ny fandraisan-tànana

Publié le 15 novembre 2013 à 07:11

Ireto avy ireo mpikambana ao amin’ny Komitin’ny fandraisan-tànana; andriamatoa sy ramatoa isany : – RAZAFINDRAIBE Paulin – RAZAFIMBELO Nivosoa – RANDRIAMAHAZOMANANA Josiane – RAMASITERA Ny Haingo – RAKOTOMALALA Hasina -Dr RAFARANOME Mavo – Dr RALAMBOMAHAY Mino – RABEHARISON Jasmin – RANDRIAMAMPIANINA Naivo – RAVELOJAONA Andry Nirina « Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo

» Tohiny...

Hira fanamarihana ny fandraisan-tànana ny mpitandrina Rakotoniera

Publié le 15 novembre 2013 à 06:11

Hira fanamarihana ny fandraisan-tànana mpitandrina 23 novambra -1 desambra 2013 « Mahay mampitombo » (II Korintiana 8: 9) Fiv : Fa Kristy no zavatra rehetra Amenoanao anay tsy misy fetra Mionona sy manana anjara Izay mitory ny Filazantsara. 1. Ianao Tompo no mitondra ny Fiangonana Ianao Tompo no mampisy ny fiombonana Hainao ny mampitombo fahasoavana Satria Ianao

» Tohiny...

Famonjena ankatoky ny fandraisana

Publié le 02 novembre 2013 à 10:11

Nanamarika ny mpitandrina Rakotoniera Eric fa anisan’ny fiangonana be mpamonjy ny ankatoky ny Fandraisana ny FJKM Ambavahadimitafo amin’ny fiangonana ety ambony ety. Rehefa mifampiresaka tokoa ny mpitandrina dia nahatsikaritra fa raha vao voatonona ny Trinité Masina dia mirihotra mivoaka avokoa ny Mpandray ka vitsy monja no tafajanona. Manentana ary ny mpitandrina mba hotanantsika izany fahazotoantsika

» Tohiny...

Ivon’ny fankalazana ny faha-150 taona : napetraka ny vato fehizoron’ny Tranom-bakoka sy Arsiva

Publié le 10 octobre 2013 à 08:10

Tanteraka soa aman-tsara ny fametrahana ny vato fehizoron’ny Tranom-bakoka sy Arsiva izay kasaina hahorina eto amin’ny tokontany avaratry ny fiangonana. Ny Asabotsy 5 oktobra 2013 teo no nanatanterahina izany; ary narahina fampirantina ny tantaran’ny fiangonana sy fiaraha-misakafo tao amin’ny Akany Ralibera Daniel

» Tohiny...

Sary rary vato tsangambato faha 150 taona

Publié le 26 septembre 2013 à 10:09

Indro atolotra anao sary vitsivitsy maneho ny fandroson’ny asa amin’ny fanavaozana ny Akany Ralibera Daniel, izay nosafidiana ho tsangambaton’ny faha-150 taonan’ny fiangonana. Sary nalaina ny 22 septambra 2013

» Tohiny...