FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Vaovaom-piangonana

Fanentanana avy @ mpitandrina Randrianarisoa Alain, 15 mey 2020

Publié le 17 mai 2020 à 01:05

Tojo tsy fahasalamana ny vadin’ny mpitandrina teo aloha, ramatoa Ranaivoson Fara, ka izany indrindra no anaovan’ny mpitandrina antso tolo-tànana amintsika. Ary faharoa, eo koa ny famitàna ny trano fidiovana…

» Tohiny...

Hotohizana indray ny famoahana ny gazety Akon’Ambavahadimitafo

Publié le 09 décembre 2013 à 12:12

Manohy ny famoahana ny gazety Akon’Ambavahadimitafo ny fiangonana ankehitriny, koa natolotra ny fiangonana tamin’ny 01 desambra 2013 teo ireo mpikambana vaovao ao anatin’ny komity : – Ny talen’ny famoahana : RAKOTONIERA Christian Eric – Ny tonian’ny fanoratana : RALAMBOMAHAY Tahiry – Ny mpanoratra : RALAMBOMAHAY Mirana, RAKOTOSOLOFO Andry, ANDRIANARIVELO Tahiriniaina, RANARIJAONA Tsifasoa, MAHETSAKARIVO Mbolaniaina –

» Tohiny...

Ny komitin’ny fandraisan-tànana

Publié le 15 novembre 2013 à 07:11

Ireto avy ireo mpikambana ao amin’ny Komitin’ny fandraisan-tànana; andriamatoa sy ramatoa isany : – RAZAFINDRAIBE Paulin – RAZAFIMBELO Nivosoa – RANDRIAMAHAZOMANANA Josiane – RAMASITERA Ny Haingo – RAKOTOMALALA Hasina -Dr RAFARANOME Mavo – Dr RALAMBOMAHAY Mino – RABEHARISON Jasmin – RANDRIAMAMPIANINA Naivo – RAVELOJAONA Andry Nirina « Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo

» Tohiny...

Miditra amin’ny 8 ora ny fiangonana amin’ny alahady 13 oktobra 2013

Publié le 07 octobre 2013 à 09:10

Noho ny fotoam-pivavahana hiombonantsika eny Antsahamanitra, dia naroso ho amin’ny 8 ora ny fotoam-pivavahana eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny alahady 13 oktobra 2013 ka hirava amin’ny 9 ora maraina ihany. Tsiahivina moa fa fankalazana ny faha-100 taonan’ny FFPM, na ny firaisan’ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ny FJKM no hotanterahina eny Antsahamanitra, izay hanomboka amin’ny 10

» Tohiny...

Mpiandry vaovao avy eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo

Publié le 07 octobre 2013 à 09:10

Nisy Mpiandry 3 avy eto amin’ny fiangonana izay notokanana tao amin’ny Synodam-paritany Antananarivo Antsinanana, FJKM Ambatomanga Fiderana. Ireto avy izy ireo : Andrianarivelo Ilo, Ranaivoson Andry ary Ranarivololontsoa Aimée. Niarahaba sy nitondram-bavaka azy ireo ny mpitandrina Rakotoniera Eric sy ny fiangonana manontolo

» Tohiny...

Hira fanevan’ny faha-150 taona : Ho voninahitrao

Publié le 28 septembre 2013 à 10:09

Afaka henoinao eto ny hira fanevan’ny faha-150 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo. Eo ihany koa ny toniny sy ny solfa an’izany hira izany. Ho voninahitr’Andriamantra sy ho fiderana Azy noho izao taon-jobily izao.

» Tohiny...

Miala sasatra any Diégo ny mpitandrina Rakotoniera mianakavy

Publié le 15 septembre 2013 à 07:09

Ny volana septambra 2013 no fotoana fialantsasatry ny mpitandrina Rakotoniera mianakavy, koa mirary soa azy ireo isika hitondra rivotra tsara sy fahasalamana ary hery sy tanjaka ho azy ireo izany. Mandritra izany tsy maha-eo ny mpitandrina izany dia afaka manantona ny Biraom-piangonana isika amin’ny raharaha ankapobeany. Afaka manantona ny Mpitan-tsoratry ny arsiva ihany koa isika

» Tohiny...

Nahavita lasy ny voron-kely sy ny sampana maitso

Publié le 15 septembre 2013 à 07:09

Ny Voron-kely sampana mavo dia nahatanteraka ny lasy teny Oasis Park Vontovorona. Torak’izany koa ny Tily sampana maitso dia nahatanteraka lasy lehibe ny 04 ka hatramin’ny 10 semptambra 2013 teny Anjozorobe. Misaotra ireo izay nitondra am-bavaka

» Tohiny...

Namangy ny FJKM Ambatotokana ny Volana sy Kintana

Publié le 15 septembre 2013 à 06:09

Misaotra an’Andriamanitra lehibe ny Volana sy kintana raha afaka namangy ny FJKM Ambatotokana ny alahady 08 septambra 2013, niaraka tamin’ireo ankizy marobe taizaina eo anivon’izany sampana izany. Mankasitraka ny mpitandrina Rakotoniera mivady sy ny biraom-piangonana ary ireo izay nitondra am-bavaka ka nanohana izany asa izany.

» Tohiny...

Nisokatra ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny AMA

Publié le 15 septembre 2013 à 06:09

Ny Antoko Mpihira eto Ambavahadimitafo dia misaotra an’Andriamanitra lehibe fa tontosa soa aman-tsara ny fanokafana ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny AMA sy ny fanateram-bokatra izay notontosaina ny alahady 01 semptabra 2013. Maneho fisaorana ny mpitandrina Rakotoniera sy ny mpianakavin’ny finoana izay tonga nanotrona sy nanakalo vola ny vokatra. Ny AMA dia hanatateraka ny Fivoriam-be (AG)

» Tohiny...