FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fikambanana

Toriteny an-kira nentin’ny tarika Laurent Rakotomamonjy, faha-15 taona SLK Ambavahadimitafo

Publié le 08 mai 2022 à 04:05

Alahady 08 Mey 2022, alahady hitondrana am-bavaka ny SLK na Sampana Lehilahy Kristiana eo anivon’ny FJKM, ankalazana ny faha-15 taonan’ny SLK eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo. Ny tarika Laurent Rakotomamonjy no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny toriteny an-kira. Manasa anao hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :

» Tohiny...

Alahady « Fetin’ny Fahazavana » 2022

Publié le 24 avril 2022 à 05:04

Alahady 24 aprily 2022, alahady faha-2 manaraka ny paska, hitondrana am-bavaka ny Toeram-Pamonjena Zaza na TOPAZA, mbola anatin’ny lohahevitra hoe « Mandresy ny fahafatesana ny Tompo« . Nankalazaina anio ny « Fetin’ny Fahazavana » eto @ FJKM Ambavahadimitafo niompana tamin’ny lohahevitra hoe TVM na hoe « Tena Velona eo amin’ny fiainanao ve ny Mpamonjy« , nitondrana koa ny tenin’Andriamanitra avy ao

» Tohiny...

Tanteraho ny fanompoanao – faha-30 taona SAFIF

Publié le 13 mars 2022 à 05:03

Alahady 13 martsa 2022, nankalazana ny faha-30 taonan’ny Sampana Fifohazana eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, izay nitoriana ny tenin’Andriamanitra sady fanevan’izao fankalazana izao : « Fa asany isika, voaforona tao amin’ny Kristy Jesoa mba hanao asa tsara…. Tanteraho ny fanompoanao ». Ramatoa Razafiarisoa Voahirana, Biraon’ny Fifohazana Synodam-paritany Antananarivo Atsinana no nitarika ny fotoam-pivavahana, ary ny mpitandrina Ranomenjanahary Solofo

» Tohiny...

Faha-30 taona nijoroan’ny Sampana Fifohazana

Publié le 11 mars 2022 à 08:03

Miarahaba amintsika amin’ny anaran’i Tompo. Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika mpianakavin’ny finoana fa afaka hidera sy hisaotra an’Andriamanitra noho ny faha – 30 taona izay nijoroan’ny Sampana Fifohazana eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo. Izany dia ho tanterahana  ny alahady faha – 13 martsa 2022 manomboka amin’ny 9 ora maraina. Koa dia hery lehibe ho an’ny Sampana ny

» Tohiny...

Fiofanana Loholona sy Diakona : Vontosy filazantsara Madagasikara, Filazantsara manova ny tantara

Publié le 05 mars 2022 à 06:03

Ho antsika Loholona sy Diakona eto @ FJKM Ambavahadimitafo manokana ity fampitàna ny fiofànana iza natao teto am-piangonana ny Sabotsy 05 martsa 2022, izay nanasàna manokana ny mpitandrina Filohan’ny FJKM, Irako Andriamahazosoa Ammy hitondra ny fampianarana hoe « Vontosy filazantsara Madagasikara, Filazantsara manova ny tantara »

» Tohiny...

Toriteny an-kira Miasafia – Alahady 09 Janoary 2022

Publié le 09 janvier 2022 à 06:01

Alahady 09 Janoary, famaranana ny fankalazana ny faha-5 taona ny antoko mpihira MIASAFIA, nanatanterahan’izy ireo toriteny an-kira. Andeha hiombona amin’izany fotoam-pivavahana izany :

» Tohiny...

Advento 2021 : Toriteny an-kira – Sekoly Taninketsa

Publié le 29 novembre 2021 à 09:11

Tahaka ny fanaony isan’taona dia tamin’ity alahady 28 novambra 2021 ity no nanatanterahin’ny Sekoly Taninketsa ny toriteny an-kira teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo.

» Tohiny...

Hafatra avy amin’ny mpitandrina taorian’ny Tafika Masina oktobra 2021

Publié le 14 octobre 2021 à 04:10

« Misaora an ‘i Jehovah ry fanahiko ary izay rehetra ato anatiko misaora ny Anarany Masina . »(Salamo 103:1) 1/Isaorana ny Tompo Andriamanitra fa tontosa soamatsara ny Tafika Masina tany Isoavina Fiorenana. Mankasitraka antsika Sampana, asa, AFF, Mamre, Mpanohana rehetra, indrindra fa ny Fiangonana manontolo nanohana sy nitondra am-bavaka. « Miorena tsara aza miova ary mahefà be amin

» Tohiny...

Hark, AMA krismasy 2020

Publié le 25 décembre 2020 à 01:12
» Tohiny...