FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ny pask'i Jesoa

Ny pask'i Jesoa

Publié le 11 novembre 2008 à 12:11

Ny Filazantsara efatra no loharano azo amantarana izay nitranga tamin’ny Paska farany natrehan’i Jesoa. Tsy dia mifanaraka loatra anefa ireo mpanoratra ny Filazantsara ireo amin’ny fitantarana, ary tsy dia tsotra loatra noho izany ny manatsoaka hevitra tokana.

I- NY FIAKARANA TAO JEROSALEMA

Ny Filazantsara telo voalohany dia tsy nitantara afatsy ny niakaran’i Jesoa indray mandeha tany Jerosalema, dia tamin’ny nanadiovany ny Tempoly. Io no voalaza fa antony namonoana Azy.

Ny Filazantsaran’i Jaona kosa dia mitantara fa in’efatra Izy no nankalaza ny Paska tao Jerosalema. Tamin’ny farany dia nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty Izy, izay antony nanamelohan’ny Jiosy Azy.

II- NY ALAHADIN’NY SAMPAN-DROFIA

Io no andro niakaran’i Jesoa tamim-boninahitra tao Jerosalema, ka nanandratan’ny Jiosy Azy ho Mpanjaka. Nomarihina tamin’izany ireto manaraka ireto :

novohana ny zanaboriky mifatotra, izay toa sary milaza ny fanafahana ataon’i Jesoa amin’ny voary manontolo amin’ny maha Mesia Azy. Ary notaingenany io, izay milaza ny fanetren-tenan’i Jesoa, fa tsy soavaly toy ny an’ny mpanjaka lehibe.

– nanofahofa sampan-drofia ny olona, izany dia milaza ny faneken’ny olona an’i Jesoa ho Mpanjaka. Hoy izy ireo tamin’izany : « Isaorana anie ny Mpanjaka, Ilay avy amin’ny Tompo. Fiadanana any an-danitra, voninahitra any amin’ny Avo indrindra. »

nitomany i Jesoa. Fantatr’i Jesoa tao am-pony ny fahadisoan-kevitr’ireto olona manofahofa sampan-drofia sy mihoby Azy, satria nanantena Mesia ara-nofo ireo, fa tsy Mesia ara-panahy. Mavesatra ao anatiny ny fahitany sahady ny loza hanjo an’i Jerosalema. Nanomboka teo ka mandrapahafatiny dia tena ory tokoa i Kristy.

III- NY FANADIOVANA NY TEMPOLY

Ny Filazantsara telo dia mampiseho fa tamin’ny Alahady niakaran’i Jesoa tao Jerosalema mialoha ny nahafatesany no nanadiovany ny Tempoly. Ary taorian’izany dia tsy nitsahatra nanontany an’i Jesoa ny amin’ny fahefana ananany ireo mpitondra fivavahana jiosy ary nitady izay teny mety ho diso avy amin’ny vavan’i Jesoa mba hanamelohany Azy.

Ny Filazantsaran’i Jaona dia mametraka io fanadiovana ny Tempoly io tany amin’ny fiandohan’ny asan’i Jesoa, fa tsy talohan’ny nahafatesany akory.

IV- NY ALATSINAINY, NY TALATA, NY ALAROBIA

Ny Filazantsara telo dia mitantara ny resaka nifanaovan’i Jesoa tamin’ireo mpitondra fivavahana (mpisorona, Fariseo, Sadoseo) nandritra ireo andro telo ireo. Nampianatra ny mpianatra koa anefa Izy ary nanomana azy ireo ny amin’izay hitranga amin’ny tenany afaka fotoana vitsy. Ny Filazantsaran’i Jaona dia tsy mampiseho mihitsy fa niresaka tamin’ny mpitondra fivavahana i Jesoa nandritra ireo andro ireo. Nanomana ny mpianany Izy.

Misy mpandinika ny Baiboly sasany dia milaza fa tamin’ny Alarobia no nanasan’i Jesoa ny tongotry ny mpianatra, araka ny Filazantsaran’i Jaona. Io moa dia i Jaona irery no mitantara azy. Ary io no solon’ny Fanasan’ny Tompo, izay tsy voatantara eto amin’i Jaona, fa hita kosa any amin’ny Filazantsara telo hafa.

V- NY ALAKAMISY

Io andro niarahan’i Jesoa nisakafo farany tamin’ny mpianatra. Tamin’io no heverina fa nihinanany ny Paska farany ary nanorenany ny Fanasan’ny Tompo.

Tsy manondro avy hatrany ny Alakamisy anefa ny Filazantsara, ka mahatonga ny adihevitra be eo amin’ny mpandinika ny Baiboly ny sakafo tamin’ny Alakamisy. Ny voalaza kosa anefa dia izao :

– ny ampitson’ny nahafatesan’i Jesoa dia Sabata (…)

– izany hoe maty ny Zoma izany i Jesoa

– ary ny omalin’io andro nahafatesany io no niara-nisakafo tamin’ny mpianany Izy, dia ny Alakamisy izany.

Ny Fanasan’ny Tompo

Ny Filazantsaran’i Matio sy i Marka dia mitantara ny nanirahan’i Jesoa ny mpianatra tamin’io andro io mba hanomana ny Paska. Tao amin’ny efitra ambony, izay toerana fihinanan’ny Jiosy ny Paska, no niarahan’i Jesoa tamin’ny mpianany. Teo afovoan’ny sakafo no nandraisany ny mofo sy ny divay, izay nambarany fa ho fahatsiarovana Azy. Tsy voalaza kosa anefa fa nihinana ny ondry ho amin’ny Paska izy ireo. Na izany aza dia toa milaza ireo Filazantsara ireo fa novonoina tamin’io Alakamisy io ny zanak’ondry ary tena Paska no nohanin’i Jesoa sy ny mpianany.

Ny Filazantsaran’i Lioka dia milaza, fa nanantena hihiana ny Paska miaraka amin’ny mpianatra i Jesoa, kanefa tsy tanteraka intsony izany raha tsy tonga ny fanjakan’ny lanitra. Izany dia toa milaza fa mbola tsy novonoina ny ondry.

Ny Filazantsaran’i Jaona moa dia ninia tsy nanisy teny mihitsy ny amin’io sakafo tamin’ny alin’ny Alakamisy io. Sakafo tsotra toy ny isan’andro no toa nohanin’izy ireo, araka an’i Jaona. Niresaka betsaka tamin’ny mpianatra kosa Izy ary nampionona azy ireo ny amin’izay hitranga.

Marihina fa ny fetin’ny Paska teo amin’ny Jiosy dia ankalazaina herinandro maninjitra . Ny sakafo ao anatin’izany dia sakafo mifandray amin’izany fety izany ; misy sakafo aroso mialoha, avy eo ny tena sakafo, ary dia avy eo ny voankazo isan-karazany. Ny mofo tsy misy masirasira sy ny ana-mangidy kosa anefa dia hanina amin’ny fotoana manokana ao afovoan’ny sakafo izany.

Koa heverina fa raha nandray ny mofo sy ny divay i Jesoa, dia tsy hoe sakafo tsotra fihinana andavanandro izany, fa tena sakafo tao anatin’ny Paska.

Ny Filazantsaran’i Jaona no hahazoana manarangarana fa tsy mbola novonoina ny zanakondrin’ny Paska tamin’io andro io, satria raha efa novonoina izany dia tsy nahazo nanameloka an’i Jesoa intsony ireo Jiosy te hanameloka Azy, mba hahazoany nihinana ny Paska.

Ny mofo sy ny divay

a. ny mofo

Nifanojo tamin’ny fankalazana ny mofo tsy misy masirasira ny Paska hatrany am-piandohana. Indraindray aza ny fetin’ny Paska dia lazaina mihitsy ho fetin’ny mofo tsy misy masirasira. Noho izany dia tsy azo heverina mihitsy fa mofo tsy misy masirasira no noraisin’i Jesoa tamin’io Alakamisy alina io. Ny masirasira na ny lalivay moa dia manana hevitra fahalotoana, raha ara-panahy no hijerena azy, ary tsy mahasalama raha ela loatra no ampiasana azy, ka tsy maintsy havaozina isan-taona.

Izany mofo tsy misy masirasira izany no nampitahain’i Jesoa tamin’ny tenany.

b. ny divay

Tao Kanana no nanomboka niditra teo amin’ny sakafon’ny Paska ny divay, izay manambara ny Fiadanana feno omen’Andriamanitra. Jesoa kosa dia nanome dikany hafa izany divay izany, dia divay milaza ny rany. Izany hoe tsy ilay an’ny zanak’ondry intsony no raisina manomboka eto, fa ny divay izay milaza ny ran’i Jesoa. Ary izany no miaro amin’ny fahafatesana ho amin’ny Fiainana mandrakizay.

Getsemane

Tao Getsemane no naka fanahy an’i Jesoa indray ny Devoly, ka nampatsiahy ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy. Teo no nitalaho tamin’Andriamaitra i Jesoa ny mba hiverenany amin’ny voninahitra, ka tsy handalo ny fahafatesana. Ary raha nisy fotoana mafy sy mangidy indrindra tamin’i Jesoa dia ity tao Getsemane ity. Teto Izy dia nitady namana mba hiara-mivavaka aminy, teto ny hatsembohany no nivadika ho ra noho ny fitaintainany. Tena olombelona tanteraka eto i Jesoa ary tsy afaka miverina amin’ny maha Andriamanitra Azy. Nangina Andriamanitra.

Izany toa fahanginan’Andriamanitra izany dia midika fa :

– tsy maintsy manatanteraka hatramin’ny farany ny lalana efa nekeny i Jesoa, raha nidina ho olombelona tety an-tany.

– tsy maintsy miafara amin’ny fahafatesana ny fiainan’i Jesoa ety an-tany.

VI- ZOMA

a. Ny fitsarana an’i Jesoa

Rehefa nosamborina i Jesoa dia natao haingana dia haingana ny fitsarana Azy, noho ny amin’ny Paska. Taorian’ny fifanilihan’ireo manampahefana ara-pitondrana, dia ny Romana izany, sy ny manampahefana ara-pivavahana, dia ny mpitondra fivavahana jiosy izany, ny amin’ny fanamelohana an’i Jesoa, dia nanararaotra ny lalàna misy

momba ny famotsorana gadra amin’ny Paska i Pilato, ka nanontany ny vahoaka : « Iza no tianareo, i Jesoa sa i Barabasy ? »

Marihina fa i Barabasy dia olona tena tia ny mpiray fiaviana aminy, dia ny Jiosy izany, ary isan’ireo mpanao fihetsiketsehana mahery vaika handroboana ny Romana mba hahazoan’ny Jiosy ny fahafahany.

Nigadra matetika izy noho izany zavatra nataony manohitra ny Romana izany. Ary tsy mahagaga raha nifidy an’i Barabasy ny vahoaka, satria toa tsy nahatanteraka izay nantenaina taminy i Jesoa, dia ny fanafahana ny Jiosy amin’ny fanjanahan’ny Romana.

b. Ny fanamelohana amin’ny Hazofijaliana

Fomba fanao teo amin’ny Romana ny manombo amin’ny Hazofijaliana, ka ny andevo sy izay very zo no melohina eo. Dia mety ho voaheloka eo koa izay mitady hanongam-panjakana.

Tsy hita teo amin’ny fomba jiosy mihitsy ny fanamelohana amin’ny Hazofijaliana, fa ny mitora-bato no fantatra fa nataony.

d. Izay tokony homarihina

Mizara 4 ny tokony homarihina tamin’i Jesoa teo amin’ny Hazofijaliana :

1. araka an’i Jesoa

– tena nahafoy Azy Andriamanitra. Tsy nitantara an’io tenin’i Jesoa io mihitsy i Jaona, satria toa hitany fa mafy loatra ny filazana fa nahafoy Azy Andriamanitra.

2. araka an’Andriamanitra :

– tsy nampiseho fahagagana ka nanala an’i Jesoa teo amin’ny Hazofijaliana Andriamanitra, fa naneho tamin’ny fomba hafa kosa ny fanatrehany :

* ny kotroka

* ny efitra lamba triatra tao amin’ny Tempoly

* ny haizina

* ny horohoron-tany

Tsy vaovao teo amin’ny finoana jiosy akory izany fomba fiasan’Andriamanitra izany, rehefa maneho ny fanatrehany Izy.

3. teo amin’ny Romana :

– tsy notapahiny toy ny fanao amin’izay maty eo amin’ny Hazo ny tongotr’i Jesoa.

4. teo amin’ny Jiosy :

– nifanojo tamin’ny andro famonoana ny zanak’ondry ity adro nahafatesan’i Jesoa ity, raha ny fitantaran’i Jaona no jerena.

VII- SABOTSY

Ny Epistilin’i Petera dia mitantara fa rehefa maty i Jesoa dia nidina tany amin’ny Fiainan-tsy hita (Sheola) ary mbola nitory sy nitaona olona avy tao amin’ny haizin’ny Fahafatesana hanaraka Azy.

Ny Sheola no toerana inoan’ny Jiosy fa handehanan’ny maty rehefa miala amin’ny fiainan’ny velona izy. Toerana maizim-be any ambanin’ny tany izy io, ary malezolezo sy toa mijaly ary mila fanavotana ny « maty » ao.

Adihevitra mandrak’izao ny amin’ny maty, ka isehoan’ireo fanontaniana maro : inona no mitranga rehefa maty ny olona ? Foana ve izy ? Mankany amin’ny toerana iray ve izy ? Efa voazara ve ny toerana halehan’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy ? Mahita antsika ve izy ireo ? Mitsinjo ny fiainan’ny velona ve izy ? Manana endri-pahavelomana hafa noho ny an’ny velona ve izy ? sns, sns… Ary ny tsy fahafantarana mazava izay hitranga ao ambadiky ny fahafatesana matetika no mahatonga fomba sy fihetsika amam-panao maro eo anatrehan’ny maty sy ny fahafatesana. Ny Mpitandrina iray dia milaza ao amin’ny boky nosoratany, fa varavarana mitafitafy ihany no hahazoan’ny velona manarangarana izay hitranga ao aorian’ny fahafatesana. Ny Baiboly dia mampitsidika ampaham-pahalalana ny amin’izay hitranga :

ny epistilin’i Petera : mankany amin’ny Sheola ny maty

ny Filazantsaran’i Lioka : mankeo an-tratran’i Abrahama ny tsara fanahy izay maty, fa ny ratsy fanahy kosa mankany amin’ny afo

i Paoly Apostoly indray dia milaza fa voatahiry ao amin’ny Tompo ireo maty ka nanompo Azy fahavelony.

Izany hoe misy hevitra iray iombonan’ireo mpanoratra telo ireo dia izao : Tsy makany amin’ny fahafoanana akory ny olona raha maty. Izany hoe tsy ny fahafatesana akory no tompon’ny teny farany, ka rehefa maty ny olona dia tsy misy na inona na inona intsony fa vita hatreo. Koa raha milaza ny fahafatesana ny Baiboly dia izao no ambarany : tapaka tanteraka amin’ny fomba fiainan’izao velona izao izy ary manana fomba fiainana hafa = maty.

Fa inona no mamaritra ny fahavelomana ?

* miaina amin’izao rivotra sy fahazavana izao.

* miasa, mihinana, matory sy mifoha mifandimby sns.

* manantena ka afaka mivoatra sy mihatsara.

* mety kivy sy trotraka ka mivarilavo

* marary ary mbola afaka ho sitrana

* mitia na mankahala

* maka fanapahan-kevitra ny amin’ny fiainany ary tompon’andraikitra ny amin’izany sns, sns.

Izany hoe araka ny Baiboly dia tsy manana hery afaka hanao zavatra araka izay tiany sy iriny intsony izay maty, fa miadry izay sitrapon’Andriamanitra irery ihany sisa. Ary izany sitrapon’Andriamanitra izany no nahatonga an’i Jesoa ho any amin’ny fiainan-tsy hita hitaona olona ho Azy avy ao. Tsy manana hery na fahefana hifandray amin’ny velona ny maty, fa fahefan’Andriamanitra irery ihany izany. Fa ny herin’ny fahafatesana, izay fahavalon’Andriamanitra mbola iadiany hatramin’izao, dia misalotra ny endrik’ireo azony babo ary misandoka amin’ny velona ho afaka mifandray sy mifanerasera aminy. Efa tao amin’ny Testamenta taloha Andriamanitra no nandrara ny olony tsy hanontany amin’ny maty izay zava-miafina. Fa ny fahafatesana no fitaovan’ny Devoly, ary amin’izany no hamaboany ny voarin’Andriamanitra. Koa raha milaza i Paoly ao amin’ny taratasiny sy i Kristy ao amin’ny fanoharana momba an’i Lazarosy sy ilay mpanankarena, fa ny maty tsara fanahy dia ao amin’ny Tompo na eo an-tratran’i Abrahama, dia midika izany fa tsy hananan’ny fahafatesana fahefana intsony ireo. Andriamanitra irery ihany no hany manana ny fahefana hanavaka ny Azy sahady, na dia mbola tsy tonga ao amin’ny fahatanterahan’ny fananganana ny amin’ny maty aza. Koa tsy azontsika hifaliana akory ny fahafatesana, satria fahavalon’Andriamanitra izany. Eny, Andriamanitra irery ihany no mahalala izay Azy marina ka voaaro ao aminy mandrapahatongan’ny farany.

VIII- ALAHADY

Ny Alahady vao maraina no voalazan’ny Filazantsara fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa.

Eto dia marihina fa izany asam-pananganana izany dia asan’Andriamanitra irery, Izay hany afaka mamerina amin’i Jesoa ny voninahitry ny Zanak’Andriamanitra.

Tsy ny olona rehetra no nanehoany izany fahavelomany izany, fa ireo mpianany izay tia Azy sy nihorohoro fatratra sao voarohirohy amin’izao fahafatesan’i Jesoa izao.

Io Fitsanganan’i Jesoa amin’ny maty io no Paska vaovao ho an’ny Kristiana, izay mpanaradia an’i Kristy.

Ny tantaran’ny Paska.

Nalaina avy amin’ny PASKA Kahie N°1
nosoratan-dRamatoa RANAIVOSON Faramalala


Lire aussi

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo « 

04/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy

Alahady 04 Febroary 2024, ankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy (AFFA), ka andinihin’ny FJKM lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mampitandrina amin’ny didiny Andriamanitra« . Ny mpitandrina Ranaivoson Andry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 1 : 4-8 « Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:5Hatry ny fony ianao tsy

28/01/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily

Alahady 28 janoary 2024, fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI), mbola andinihin’ny FJKM ny lohahevitra hoe « Lehibe ny voninahitry ny Tompo ». Ny mpitandrina Ranarimalala Nirina Harisoa no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5 : 16 : « 16Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa

16/01/2024 A la une . Antso sy filazana

Hafatra ho an’ny Mpandray – fifidianana Diakona 2024

Mifarana ny alahady faha-28 janoary 2024 ny fanavaozana ny karatra hiatrehana ny fifidianana Diakona. Hamarino ary fa any aminao ny karatra maha-mpandray miloko fotsy. Raha toa tsy mbola manana ianao dia ento ny sary roa ny alahady faha-28 janoary hahafahana manavao ny karatrao.