FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ny hevitry ny Ntaolo ny amin'ny fiainan-tsihita (1-2)

Ny hevitry ny Ntaolo ny amin'ny fiainan-tsihita (1-2)

Publié le 14 novembre 2008 à 12:11

Tahaka ny finoan’ny firenena rehetra ny fisian’Andriamanitra, dia niara-nino koa izy fa misy ny fanahy. Tsy azo afenina anefa fa ny olon-kendry sasany dia milaza fa tsy misy akory ny fanahy. Tenan-javatra (matière) fotsiny izao rehetra izao. Ny sasany kosa manambara fa fanahy fotsiny izao rehetra izao. Fitaka amin’ny fijerena sy ny hevitra fotsiny ny tenan-javatra, hoy izy. Saiky ny barabara rehetra kosa dia mino fa nofo fotsiny ny olombelona. Ny fianarana be loatra efa nampiradarada ny sasany ; ny tsy fahitana fianarana kely akory kosa dia nanambany ny sain’ny sasany. Kanefa tsy foana akory ny finoan’izao tontolo izao fa misy ny fanahy. Ny Baiboly no mampianatra mazava fa ny olombelona dia nofo misy fanahy.

Misy fetra anefa ny fahaveloman’ny nofo. Miara-mino izany ny firenena rehetra. Mety maty ny nofontsika ; nefa kosa ny fanahy tsy mba miara-devona aminy. Ary rehefa misaraka izy, ny fanahy dia atao hoe, ao amin’ny fiainana tsy hita.

Tsy mitovy anefa ny hevitry ny olombelona rehetra ny amin’ny fahafatesana sy izay alehan’ny fanahy rehefa misaraka toy izany. Ny razantsika Malagasy dia nanana ny finoany ; ary mety ny mahalala izany, fa ny mahafantatra ny tantaran’ny razana dia isan’ny mampandroso ny firenena. Toy inona ary ny hevitry ny Ntaolo ny amin’ny fiainan-tsi-hita?

1. Nino izy fa ny fahafatesana dia fahavoazana. Hevitry ny razana izany. Tsy takatry ny sainy velively akory ilay hevitra Kristiana hoe : “Fa Kristy no anton’ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no ahazoako tombony”. Tombom-barotra ny fahafatesana satria fodiana eo amin’i Kristy ; lalana mankamin’ny fiainam-baovao ; fialana amin’ity nofo be fahoriana ity. Fa raha ny Ntaolo kosa, fahavoazana, fatiantoka, fahalevonana, loza, izany no niheverany azy. Koa ny fahafatesana dia natahorany fatratra. Angamba hisy hanao hoe : Iza no tsy hatahotra fahafatesana? Moa tsy mamy ny aina? Eny, kanefa tsy mba ny tahotra ny fahafatesana ho avy no nananan’ny razana fa izao : Natahotra izy fa rehefa maty ny olona dia tsinontsinona intsony.

Ny teniny sy ny fombafomba nataony tamin’ny maty dia mampiseho izany. Nasiany teny be ihany hisolo ny hoe maty : Miamboho, diso, lasa, angatra, modimandry, dia nilazany azy. Rehefa avy ny fokon’olona, etc., ka manatitra ilay vola atao hoe kofehy, na rambon-damba na fao-draomaso, dia isaoran’ny tompon-kavana hoe : “Misaotra, tompoko, veloma soàva tsarà, afaha loza amin’atambo, aza ny ratsy no ifanodiavana.” Mampiseho izay fa fahavoazana no niheverany ny fahafatesana.

Noheveriny fa voa fady mihitsy izay tonga eo amin’ny maty, koa ny biby vonoina tamin’ny maty dia nataony hoe ‘ala-fady’. Izay tsy mba namono ondry na kisoa, etc., kosa dia nanome vola ho solony. Ny Alakamisy sy Talata ary ny misandratra andro dia tsy mba fandevenany fa andro mahery ; koa raha azo natao dia “Alarobia tsy miverina” sy rehefa mihilana ny andro no mety. Nisasa teny amin’ny rano maria izy rehefa avy nandevina. Hoy izy, eo am-pisasana : “Lasan’izay ny loza tsy hiverina intsony.” Izay rehetra nikasika faty toy ny nampandro na namono lamba, etc., dia manasa tanana ; tsy mba naverimberina ny fanondraka azy fandrao miverina ny loza. Mbola maharitra amin’ny sasany mandrak’ankehitriny izany fombafomba rehetra izany.

2. Nino izy fa na dia maty kosa aza ny tena, ny fanahy dia mbola velona ihany.

Finoana velona tamin’ny Ntaolo izany. Rehefa nisaraka tamin’ny nofo ny fanahy dia izao no anarana nomeny azy : –

Matoatoa, ambiroa, avelo, lolo, zavatra, razana.

Ny fialan’ny fanahy amin’ny tena anefa dia noheveriny fa alohan’ny fahafatesana. Ny marary efa mahia loatra, sy izay mahia fotsiny na tsy marary aza, dia nataony fa lasa ambiroa. Avy kosa ny fetsy ratsy mahay manambaka ka milaza fa mahay mampody azy. Rehefa vita ny adi-varotra dia manao izy na tsy misy antony akory aza. “Mampody sakaiza” no ataony anaran’izany. Noho izany, ny Malagasy tato aoriandriana dia natahotra ny halain-tsary fa “mahalasa ambiroa,” hoy izy.

(hitohy)

Rainizafy, Mpitandrina
Namehana 1910


Lire aussi

27/07/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Inty aho, iraho aho

« Masina, Masina! Masina Jehovah Tompon’ny maro, heniky ny Voninahiny ny tany rehetra » Alahady 25 Jolay 2021, alahady faha-8 manaraka ny Trinite hamaranana ny lohahevitra hoe « Miorena amin’ny antson’ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Isaia 6 : 8 « Inty aho, iraho aho » Andeha hiombona amin’ny fotoam-pivavahana :

24/07/2021 Fanompoam-pivavahana

Fanokanana Masera MAMRE FJKM Ambavahadimitafo 24 jolay 2021

Notokanana ho Masera MAMRE F.J.K.M. i : – RAFARAMALALA Christine – RAZAZAROHAVANA Pierrette – RAMILISOA Dina Raymonde Elisa – RANDRIANJANAHARY Minah Felaniony Teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny asabotsy 24 jolay 2021 Araho ny fotoana tamin’izany :

20/07/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ho tompon-daka any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra

Alahady 18 Jolay 2021, hiombonana @ sampana Fivondronana Laika manerana ny FJKM, hibanjinana amin’ity volana ity ny lohahevitra hoe « Miorena @ antson’ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Filipiana 3:12-16 : « 12Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan’i Kristy

11/07/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny STK – 11 jolay 2021

Alahady 11 Jolay 2021, alahadin’ny STK, nitondran’i Pasteur Misaina ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 10;1-10. Handeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :

05/07/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fetim-bokatra 04 Jolay 2021

Tanteraka soa aman-tsara teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny Fetim-bokatra 2021 niarahana tamin’ny Fiangonana manontolo sy ireo zanaka am-pielezana; fotoana lehibe eo amin’ny fiainan’ny fiangonana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Genesisy 12 ;1-9 :  » dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary

28/06/2021 Antso sy filazana

Fandaminana volana Jolay 2021

Toy izao no fandaminana avy amin’ny Biraon’ny fitandremana ho amin’ny fanompoam-pivavahana manomboka ny volana Jolay 2021 * Fidirana in-1 ihany : amin’ny 9ora * Misy ny fivorian’ny Mpihevi-draharaha – Fivorian’ny Mpandray – Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo * Miverina manatanteraka ny fivoriana sy ny asany ny Sampana – Fikambanana – Asa Ho an’Andriamanitra ny Voninahitra

27/06/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fampianarana Alahady 27 jona 2021

Alahady 27 Jona 2021, alahady farany hibanjinana ny lohahevitra hoe « Anorenana ny maha-kristiana ny finoana », hitondrana am-bavaka ny firenena. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny fampianarana avy amin’ny tenin’Andriamanitra anio : Ilay finona avy amin’Andriamanitra (Matio 16;13-19) Fibebahana sy fanetre-tena (II Mpanjaka 22; 11-20) Manome Voninahitra an’Andriamanitra (I Korintiana 1; 4-9) Andeha hiombona amin’izany

22/06/2021 A la une . Antso sy filazana

Fanasàna fetim-bokatra 2021

FANASANA FETIM-BOKATRA ALAHADY 04 JOLAY 2021 « Dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao ; ary ho fitahiana tokoa ianao » Gen.12,2 Manasa anao sy ny ankohonanao ary ny fianakaviana manontolo hiaraka hiombom-bavaka amin’ny 9ora maraina ny  alahady 04 jolay 2021 :  Hisy ny fiarahana mandray ny Fanasan’ny Tompo  Hisy ihany koa ny

22/06/2021 Antso sy filazana

Fandaminana Alahady 27 Jona 2021

Mampatsiahy antsika ny Biraon’ny fitandremana fa hihisy fidirana in-droa ny fanompoam-pivavahana amin’ny Alahady 27 Jona 2021 : 8 ora maraina 10 ora maraina Marihina fa tsy misy akory ny fisoràtana anarana. Entanina hatrany isika hitandro ny fepetra ara-pahasalamana manoloana ny Covid-19. Tahian’ny Tompo

20/06/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny làlako

Alahady 20 jona 2021, alahady fetin’ny Ray sy hitondrana am-bavaka ny sampana Vokovoko manga. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Ohabolana 23;26 : « Anaka, atolory ahy ny fonao,Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny làlako« . Andeha hiombona amin’ny fanompoam-pivavahana teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo : « 26Anaka, atolory ahy ny fonao,Ary