Noely fitoviana

Na aiza na aiza tany onenan’olombelona
Dia tsaroana ho faly sy tonga velombelona
Manan-kery vao sy aina tafaverina
Rehefa ny Noely no indro mitsingerina

Ny tany tia masoandro toa mainka mibaliaka
Mamelam-boninkazo ravo sy sariaka…
Ny Mponina ao, jereo, na hoe sahirankirana
Rehefa injay Noely, dia faly sady mirana.

Ny tanin’ny hatsiaka, indreny fa miravaka
Vaingan-dranomandry, fotsy sy miavaka…
Toa fon’ny mponina any, faly fa voadio.
Noelim-pamonjena mantsy io andro io.

Na fotsy, na ny mainty, na ‘reo mihodi-bola
Na ireo mpanefoefo, na ireo tsy manam-bola
Rehefa ny Noely no tonga am-baravarana:
Samy mahatsiaro ho heni-kasambarana.

Izany no milaza f’Ilay Andriamanitra
Rehefa manome ny fifalian’ny lanitra:
Tsy mamariparitra, na manisy fetra,
Fa mampitovy lanja ny olona rehetra.

Rado (in: Fihavanantsika Lah 2 p. 368, 25 Desambra 1971)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*


*

Vous pouvez utiliser ces balises et attributs HTML : <a href="" title=""> <abbr title=""> <acronym title=""> <b> <blockquote cite=""> <cite> <code> <del datetime=""> <em> <i> <q cite=""> <strike> <strong>