FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Mampianara anay hivavaka

Mampianara anay hivavaka

Publié le 17 novembre 2008 à 12:11

Hoy ny Apostoly Paoly ao amin’ny I Tes 5 :17 : « Mivavaha mandrakariva ka aza mitsahatra« 

Fifandraisana manokana amin’Andriamanitra ny vavaka; izay midika ho fahasoavana ho an’izay manatanteraka izany. Efa nambara tany amin’ny fanazavana tany aloha fa tsy ny maha maro na ny maha tsara rindra azy akory, no mampisy lanja ny vavaka, fa ny finoana ao anaty amin’ny fanatanterahana azy.

Ny vavaka ary noho izany dia fanefena sy fitaizana ny finoana, mba hifankazatra amin’Andriamanitra, ka hahatakatra ny sitrapony (sitrapon’Andnamanitra izany) ary hiezaka hanao izany mandritra ny andro iainana.

Koa tsy noho ny fahaporetana akory. no tokony hanosika hivavaka, toy ny hanala fanadinana na tojo aretina mafy na mifanohitra amim-pahavalo, na dia mety tsy hanosi-bohotanana anao tokoa aza Andriamanitra, fa amin’ny fiainana tsotra andavanandro dia tokonv hivavaka sy hifankazatra amin’ Andriamanitra ianao.

Fa inona no zava-miafin’ny vavaka? Hatramin’izay nilentehan’izao tontolo izao tao amin’ny fahotana, dia ny lalànan’ny natiora, araka ny fahatakaran’ny olombelona azy, no manodina ny zavatra rehetra teraka, miaina, marary, antitra, maty. sns…

Nv vavaka kosa dia afaka mihoatra izay lalàn’nv natiora izay. Ahoana angaha izany?
– Misy ny efa maty, fa rehefa natao ny vavaka, dia mbola afaka nitsangana indray (Oh.Jao. 11 : 41-44 ).
– Nisy ny tsy fahampian-kanina, fa rehefa natao ny vavaka dia nahavoky dimy arivo lahy ny mofo dimy sy hazandrano roa ( Jao.6 : 9-11).

Izany fihoarana ny lalan’ny natiora izany dia ifaninanan’ny anjelin’Andriamanitra sy ny anjelin’ny devoly, toy izay hita amin’ny fanaovana majia. Izany hoe hatreto na ny vavaka ataon’ny mpino an’Andriamanitra na ny mpankato fanahy hafa, dia toa samy mahazo valiny avokoa.

Fa ankoatra izany, noho ny fahotana dia rakotry ny zavom-panahy ratsy manodidina ny olona sy ny voary rehetra, ka tafasaraka amin’IIay Tompon’ny fiainana izy.

Zava-panahy ihany no hahazoana mandresy ny zava-panahy : ny vavaka no fitaovana nomen’ Andriamanitra ny mpino mba tsy hahadifotra azy ao amin’ny fangejan’ ireo fanahy ratsy manodidina azy ireo.

Koa isaky ny manonona vavaka ny mpino, dia misava ny zavona. mandositra ny devoly. Ny vavaka no teny tsy azon’ny devoly samborina, na ahodina ka ampiasaina ho amin-javatra hafa

Ankoatra izany, ny teny rehetra aloaky ny vavan’ny olona dia azon’ny devoly ampiasaina avokoa. Ahoana angaha izany?

Raha misy resaka iray, na ampahibemaso na ankatakonana, ataonao amin’olona iray na maro, dia samborin’ny devoly iny. Mampiasa olona izy hahatonga ilay teny ho poizina, ka manova tanteraka izay voalaza, mampiapitapita azy mandra-pifototr’izany ho fahavoazana ho anao na ho an’ny hafa.

Arv faly ny devoly rehefa misy olona voa mafy toy izany ; tanteraka ny asany. Izany fiasan’ny devoly izany dia efa hita hatrany am-piandohana, ka nanovany izay nambaran’Andriamanitra tamin’i Adama.

Firifiry akory ny olona rafitr’ady noho izany fanolanan’ny devoly ny teny izany!!! Misy mihitsy aza karazam-panahy mpitsikilo (isan’izany ny kalanoro), izay mpitati-teny any amin’ny manam-pahefana na ny olona manana fifandraisana amin’izy ireny.
Koa raha misy zavatra tsy tiana ho fantatr’iza na iza, dia ny tsy miloa-bava no fanafodiny. Ny vavaka kosa, izay voaharon’ Andriamanitra sy ny finoana, dia tsy hain’ny fanahy na inona na inona samborina.

Koa tsy fandemen-tsaina akory ny vavaka, na fanamparana hakamoana tsy hiasa, fa fitaovana mahomby napetrak’ Andriamanitra hahalavorary ny fiainan’ny mpino.

Vokatr’izany fiainam-bavaka izany dia tsy olona mpanara-drian-drano ny mpivavaka, na olona manao zavatra noho ny fihatsarambelatsihy, na noho ny filan-dera sy voninahitra amin’ny hafa, na noho ny filan-javatra mahaporitra, fa olona matoky ny Tompony, mametraka ny fiainany manontolo hatramin’izay madinika indrindra eo amin’ Andriamanitra, mahay mihaino an’ Andriamanitra, mahay mangina sy miteny araka ny fotoany avy, ary mazàna manokatra ny vavany hidera Ilay Tompony amin’ireo hiram-panahy.

Koa tsarovy fa raha mivavaka ianao, dia eo anilanao Andriamanitra, mihaino ny bitsiky ny fonao mangina. Amena.


Lire aussi

04/06/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Sekoly Taninketsa . Toriteny

Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo

Alahdy 04 Jona 2023, alahady fetin’ny reny, nifampizarana niaraka tamin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny Jaona 8:36 « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo » sady nanoloran’ny Sekoly Taninketsa ny amboaran-kira ho an’i neny. Manàsa anao hiombona amin’izany fotoana izana :

03/06/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana . Vaovao

AMA : Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina

Ao anatin’ny fankalazan’ny « ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO (AMA) ny faha-45 taonany dia mikarakara konfersansa izy ireo, miompana @ lohahevitra hoe « Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, Filazantsara hanova ny tantara » Koa fandriho ny Sabotsy 17 jona @ 3 ora tolak’andro eto am-piangonana. Aza adino ny misoratra anarana @ tél

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina