FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Hataka voavaly

Hataka voavaly

Publié le 11 novembre 2008 à 12:11

Indraindray dia toa misalasala ny olona sasany na mamaly vavaka tokoa Andriamanitra, na tsia. Misy kosa indray mihevitra fa izay anjara tsy maintsy ho tonga, na mivavaka isika na tsy mivavaka. Indro ary misy tantara kely mampieritreritra na misy antony ihany ny vavaka na tsia.

Vao taona vitsivitsy lasa izay, tany New York any Amerika, dia nisy vehivavy atao hoe Madama Whittemore, izay nikely aina tamin’ny fanasoavana namana sy fitaomana olona ho an’i Kristy, ka tonga nalaza hatraiza hatraiza ny asan’izany vehivavy izany.

Tany Alemaina kosa dia nisy olona mivady izay nanana zanakavavy tokana naditra atao hoe Margerita C., izay tsy nety tamana tao amin-dray aman-dreniny intsony, fa nandositra ka tsy hita izay nalehany. Kristianina izy mivady ireto, ary ory dia ory tokoa noho izany toetran-janany izany, ka mandrakariva no mivavaka hanovan’andriamanitra ny fony sy hahatafaverina azy ao an-tranony indray.

Tamin’ny indray andro dia nisy nandrenesan’izy mivady fa any Amerika, hono, ny zanany ; ary noho ny fahalalany ny laza sy ny asan’i Madama Whittemore, dia nanoratra izao taratasy izao ho azy izy :

– Tompokovavy malala! Noho ny fitiavan’Andriamanitra dia miangavy anao indrindra aho mba hitady ny zanakay vavy aty Amerika. Nandositra niala teto aminay izy, ka mila hahavaky ny fon’ny reniny efa antitra ny mieritreritra azy, ary mila hahavery ny saiko izaho rainy. Ny anarany dia Margerita C., ka raha hitanao izy dia lazao azy fa mbola tsy miova ny fitiavanay azy, ka maniry azy indrindra hiverina, sady vonona handray azy amin-kafaliana lehibe. Ary noho ny fahalalanay ny toetrao sy ny asanao, tompokovavy, dia ataonay fa ho sitrakao ny hahatanteraka ity hatakay ity. Veloma, etc. C…

Nony voarain’i Madama Whittemore ity taratasy fangatahana hitady zazavavy anankiray any Amerika ity, dia nisalasala be ihany izy ka saiky tsy hihevitra azy akory, satria fangatahana malalaka loatra, tsy misy fanazavana na inona na inona afa-tsy ny anarany sy ny Amerika ihany, ka hoy izy anakam-po : « Efa vonton’alahelo loatra lahy ny fon’ilay olona nanoratra ity, ka hadinony mihitsy ny hilaza izay andinindininy hahafantarana ny zanany. »

Raha nieritreritra ny halalak’i Amerika anefa izy dia mby tao an-tsainy niaraka tamin’izay koa ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra, ka toa nanome fanantenana azy hahitany lalana hahazoany manatontosa ity hataka sarotra ity; ka dia nandohalika izy mba hahitana indray io zazavavy mampalahelo io.

Ny harivarivan’iny andro iny ihany, dia naharay fangatahana hafa indray izy, dia ny mba handaha-teny ao amin’ny fivoriana lehibe ao amin’ny tanàna anankiray ao akaikiny. Noho ny fahatampoky ny fangatahana, sy noho ny habetsahan’ny raharaha teo an-tanany, dia efa saiky handà io fangatahana io koa izy, nefa nisy eritreritra tao am-pony, izay nanery azy, fa feon’ny Tompo no niantso azy hankany, ka dia nanapa-kevitra handeha ihany izy.

Feno olona ilay Tranofiangonana, ary nafana tokoa ny fotoam-pivavahana, ka tsaroana ho niasa tao ny Fanahy Masina. Raha mbola nandaha-teny ilay vehivavy, dia nahatsikaritra zazavavy telo hafahafa fitafiana nipetraka tery akaikin’ny varavarana, ary tazany fa ilay anankiray tamin’izy ireo dia voasintona mihitsy hihaino tsara ny lahateniny, ka toa velona eritreritra fatratra amin’izato endrika mampiseho fangoraham-po sy alahelo.

Vantany vao tapitra ny fotoana, hoy Madama, dia tsy nisy voahevitro intsony ny manodidina ahy rehetra, fa niezaka aho hanatona ilay zazavavy teo sy hitaona azy ho amin’ny Mpamonjy. Noraisin’i Madama ny tanany sady nanontaniany hoe izy :

« Anaka, moa efa nahita ahy va hianao taloha? »

« Eny, » hoy razazavavy

 » fa efa notsaboinao andro vitsivitsy aho herintaona lasa izay »

Ary raha nanontany ny anarany izy dia gaga raha nilazany fa Margerita C. no anarany, sady nitantara ny toe-javatra rehetra nataony sy nihatra taminy izy.

Tamin’izay Madama Whittemore dia feno fisaorana lehibe an’Andriamanitra raha nanambara tamin-drazazavavy kosa ny fangatahana voarainy avy amin-drainy aman-dreniny, sy ny mbola fanantenan’ny fianakaviany handray azy amim-pifaliana indray.

Andro vitsivitsy taorian’izany, dia tafaverina tany amin-drainy aman-dreniny razazavavy, ka tanteraka tokoa tao amin’ilay tokantrano anankiray tany Alemaina ilay teny mamy manao hoe : « Aoka isika hifaly, fa ity zanako ity, efa maty fa velona indray, ary efa very fa hita indray.

Rasamoely, Fiadanana


Lire aussi

10/12/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Ho avy Jesoa ka mamerina ny olona ho @ fahalalàna marina ny Soratra Masina

Alahady 10 desambra, natokana hitondrana am-bavaka ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra (STA), mbola andinihina ny lohahevitra @ity volana ity manao hoe « Ankalazao ny Mpamonjy », nitondran’ny Prezida Synodaly Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana, ny mpitandrina ALIOLIHARIMANARIVO Mahabo Saotra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 21 : 15-17 « 15Fa nony hitan’ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dàlana ny zavatra mahagaga izay nataony sy

03/12/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Advento 2023 : Ny olona voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay

Alahady 03 desambra 2023, taom-baovaon’ny fiangonana, Advento, nitondrana am-bavaka ny Sampana Dorkasy, ka andinihina lohahevitra vaovao @ity volana desambra ity eto anivon’ny FJKM manao hoe « Ankalazao ny Mpamonjy« . Ny tenin’Andriamanitra notoriana tamin’ity alahadin’ny Advento ity dia araka ny Asan’ny Apostoly 13 : 43-48 « 43Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin’ny Jiosy sy ny proselyta

26/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Tsenao @ fihaviany ny Tompo Izay mitondra fanafahana

Alahady 26 novambra 2023, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », ary koa hitondrana am-bavaka eo anivon’ny FJKM ny Komitim-pirenena Miady @ SIDA sy ny Valan’aretina (KPMSV). Ny Katekista Délégué Randrianiana Roland avy amin’ny FJKM Antenimbe (fiangonana miara-mandroso) no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Isaia 40 : 9-11 : « Ny vaovao mahafaly

19/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . SAMPATI . Toriteny

Alahadin’ny SAMPATI : Mitandrena, miambena ka mivavaha

Alahady 19 novambra 2023, alahadin’ny SAMPATI mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo«  Ny hafatr’Andriamanitra araka ny Marka13 : 24- 37 no notoriana :  » 24Fa amin’izay andro izay, aorianan’izany fahoriana izany,dia ho tonga maizina ny masoandroary tsy hanome ny fahazavany ny volana,25hiraraka avy eny amin’ny lanitra ny kintanaary hohozongozonina ireo hery

12/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AMA 2023

Alahady 12 novambra 2023, nitondrana am-bavaka ny Fitantanana ny fanànana eo anivon’ny Foibe FJKM, sady nitondrana am-bavaka ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA), sy nitondrana am-bavaka ny firenena. Ny lohahevitra amin’ity volana novambra ity dia ny hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo » . Ny mpitandrina miza-draharaha Andrimaifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Romana 2

05/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy

Alahady 05 novambra 2023, andinihina lohahevitra vaovao @ity volana novmabra ity manao hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », alahady fanateram-bokatry ny Vondrona Fototra Laika (VFLA), ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 24 : 29-31 « 29Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana

29/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Toriteny an-kira MIASAFIA : hira fifohazana redonina @ orgue

Alahady 29 oktobra 2023, nandinihina farany ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana », nanatanterahin’ny antoko mpihira MIASAFIA toriteny an-kira t@ alàlan’ny hira fifohazana redonina @ orgue. Manàsa anao hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :

22/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Fifohazana . Toriteny

Ny tokantrano anjakan’i Kristy

Alahady 22 Oktobra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana », itondrana am-bavaka ny sampana Fifohaza manerana an’i Madagasikara. Ny mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Kolosiana 3 : 18-21 « 18Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. 19Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo ary aza sosotra aminy. 20Ianareo

15/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina taranaka ao @ Tompo

Alahad 15 Oktobra 2023, mbola andinihinia ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @ Tompo ny fianakaviana », ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Miora Andriamifidy Mendrikaja ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 : «  39ARY rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.40Ary ny Zaza dia nitombo

08/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary ny Zaza dia nihalehibe ka nitombo hery sady feno fahendrena

Alahady 08 oktobra, nitondrana am-bavaka ny Masera MAMRE, mbol aibanjinana ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 Ny niverenan’i Jesosy tany Nazareta sy ny fahatanorany « 39Rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalànan’ny Tompo dia niverina tany Galilia izy ireo,