Finoana no naneken’i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin’izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany
Fotoana ankatoky ny Fandraisana, notarihin’ny mpitandrina Rakotoniera Christian Eric tamin’ny alahady 24 jolay 2011. Tao amin’ny Hebreo 11:8-12 no nangalana ny hafatra : 8 Finoana no naneken’i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin’izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.9 Finoana no nivahiniany tany amin’ny tany nolazain’ny teny fikasana, toy ny any an-tanin’olona, mitoetra an-day, mbamin’isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy;10 fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.11 Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan’anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana.12 Koa dia avy tamin’ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian’ny maro toy ny kintana eny amin’ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa.