Fiakarana, Alakamisy 14 mey 2015
« Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany. »(Kolosiana 3:1,2)
Fotoana lehibe ho an’ny finoana kristiana NY FIAKARANA NA ASCENSION fa ankalazaina i Jesoa Kristy niakatra velona tany an-danitra. Fotopinoana ampianarin’ny Fiangonana sady iainany ny fiakaran’i Jesoa Kristy any an-danitra satria voalaza araka ny Soratra Masina fa miditra ao amin’ny voninahiny mandrakizay ny Tompontsika 40 andro taorian’ny fitsanganany na ny Paska. Mandresy ny fahafatesana miaraka Aminy isika ary lazaina fa ao amin’i Kristy no tena fonenantsika fa mpivahiny ihany isika no eto an-tany, noho izany dia miara-mifaly Aminy isika ka miaina sahady ny fifaliamben’ny lanitra eo amin’ny Fanasan’ny Tompo, sakafo manambara feno an’i Jesoa Kristy velona sady manatrika antsika amin’ny andro fiakarana.
Raha nankalazaintsika fatratra ny fidinany na ny Andro Krismasy dia aza atao latsa-danja eny tokony hihoatra aza ny fifaliantsika amin’ny fotoana niakarany koa asaina isika hiara-mivavaka hankalaza ny fiakarany ny Alakamisy 16 Mey 2015 amin’ny 9 ora maraina sady fandraisana ny Katekomena Zokiny amin’io andro io eto Ambavahadimitafo.
« Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin’ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra. » (Efesiana 4:10)
RAKOTONIERA Christian Eric