Fandraisan-tànana ny mpitandrina Rakotoniera
Andro lehibe, vanim-potoana lehibe ho an’ny fiangonana tokoa ny asabotsy 23 sy alahady 01 desambra 2013 satria horaisin-tànana eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny mpitandrina Rakotoniera Eric mivady.
Ny hetsika manokana hoentina manamarika izany fankalazana izany dia ny fotoam-pivavahana ny asabotsy 23 Novambra 2013, izay harahina fiaraha-misakafo, ka hiarahana amin’ny Synodam-paritany sy ny Foibe FJKM ary ireo izay nasaina manokana izany.
Ny alahady 01 desambra 2013 kosa no fotoana hiarahan’ny fiangonana manontolo mivavaka ho fandraisan-tànana ny mpitandrina iarahana amin’ny Komity, ny Loholony sy Diakona ary ny fiangonana manontolo. Fantatra ary fa ny Komity dia hanasa ny Loholona sy Diakona rehetra tsy an-kanavaka hiara-misakafo ao amin’ny Akany Ralibera Daniel noho izany fotoan-dehibe izany. Misy koa ny fandaminana hiarahana amin’ny sampana velona rehetra fa mbola eo am-pandaminana azy moa ny Komitin’ny Fandraisan-tànana.
Ny Komitin’ny Fandraisan-tànana moa dia efa nizara tonona sy valopy ho entina maneho ny voninahitr’Andriamanitra noho izany fahasoavana lehibe hankalazain’ny fiangonana izany. Koa ankehitriny dia tsapa tokoa ny valim-bavaka sy ny ezaka nataon’ny tsirairay satria mahatratra 14 450 000Ar ny vola tonona, voray ary eo am-pelatànan’ny komity.
Koa maneho ny fankasitrahana feno ho antsika rehetra izay nitondra am-bavaka sy nandray anjara.
« Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ny asa tsara rehetra; »; 2Korintiana 9:8