FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fanazàvana momba ny atao hoe Fanokanana mpitandrina

Fanazàvana momba ny atao hoe Fanokanana mpitandrina

Publié le 17 août 2011 à 09:08

Amin’ny Asabotsy 10 Septambra 2011 dia hotokanana ho mpitandrina ny mpitandrina Dr Rakotoniera Tantelinirina Christian Eric. Izany fanokanana izany dia hotanterahina eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, araka ny hetahetan’izy mivady, izay nankatoavin’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo rahateo.

Fanazavàna :

Indro misy fanazavana fohy nentin’ny mpitandrina Rakotoniera mikasika izany atao hoe « Fanokanana mpitandrina » izany :

Rehefa mahavita ny fianarany ny mpitandrina dia « irahina » izy; tahaka ny fanao eny Antsahamanitra, izay hanendrena azy hiasa any amin’ny Synodam-paritany. Rehefa mahavita 5 taona eo izy, na mihoatra eo, dia « tokanana ».

Izany fanokanana izany dia zava-takian’ny fiantsoana satria fanehoana am-pahibemaso ny maha olom-boaantso ilay mpitandrina.

Somary nihemotra izany fanokanana izany ho an’ny mpitandrina Rakotoniera manokana, noho ny fianarana naharitraritra. Rehefa tonga teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo kosa izy dia nahatsiaro fa tokony hiroso amin’izany dingana izany, izay fitsipika sy foto-dalàna rahateo.

Rehefa nanao ny fangatahana ny mba hanaovanana ny fanokanana azy eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny mpitandrina Rakotoniera dia nankatoavin’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo izany ka amin’ny 10 septambra 2011 no hanaovana izany.

Amin’io Asabotsy 10 septambra io dia ho avy eto amin’ny fiangonana ny solon-tenan’ny Mpiandraikitra Foibe, solon-tenan’ny Synodam-paritany mba hanao izany fanokanana izany.

Ny fanokanana

Ny atao hoe fanokanana dia fanokanana olona iray mba hanao asa fanompoana izay efa niomanany tahaka ny fanokanana diakona, fanokanana mpiandry…; tahaka izany koa ny fanokanana mpitandrina.

Ny fanokanana mpitandrina dia fanamasinana, fanokanana amin’ny alàlan’ny fametrahan-tànan’ny zokiolona mpitandrina ho amin’izany fanompoana izany.

Olona telo no manatanteraka izany : ny filohan’ny firahalahiana, ny mpiandraikitra foibe ary ny solon-tenan’ny Synodam-paritany.

Ny mpitandrina

Ny atao hoe mpitandrina moa dia mpanompon’ny Tenin’Andriamanitra, mitory ny Tenin’Andriamanitra, mampianatra ny fiangonana, mizara ny Sakramenta ary mitahiry ny tsiambaratelo izay omen’ny olona azy mba hijanona eo aminy mba hahatonga ny feon’ny fieritreretan’ny hafa tsy ho simba noho izany, na resaka na fitarainana na olana nentina teo amin’ny mpitandrina izany.

Ny vadin’ny mpitandrina

Ny vadin’ny mpitandrina koa dia manana andraikitra lehibe, ka misy teny omena azy eto amin’ny fanokanana ary fitondrana am-bavaka sy fanohanantsika fiangonana am-bavaka no tena zava-dehibe amin’izany.

Nangataka moa ny mpitandrina Rakotoniera mba ho tsotra araka izay azo atao izany fanokanana izany, mba ho fotoam-pivavahana tsotra ihany fa tsy hakotrokotroka tahaka ny fahita ary rehefa vita ny fotoam-pivavahana dia mirava am-pilaminana isika fa tsy misy fiaraha-misakafo na tahaka izany…

Ny fandraisan-tànana

Rehefa vita ny fanokanana ho mpitandrina, izay vao miroso amin’ny fandraisan-tànana : eken’ny fiangonana ve ny hiasan’io mpitandrina io eo amin’io fitandremana io? Inona ary no antony?

Ny tena tompon’ny teny farany amin’ny hahafahan’ny mpitandrina manohy ny asany na tsy manohy ny asany dia ny fanapahan-kevitry ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo. Marihina fa tsy manatrika izany fiheveran-draharaha izany ny mpitandrina fa ny biraon’ny Synodam-paritany no mandrindra izany.

Raha toa ka eken’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo izany dia miroso amin’ny Fandraisan-tànana, ka ny Synodam-paritany no tonga eto amin’ny fiangonana manatanteraka ny fandraisan-tànana.

Fanokanana mpitandrina teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo:

Tsy dia niainan’ny FJKM Ambavahadimitafo loatra izany Fanokanana mpitandrina izany satria ny mpitandrina Ralambomahay Jean Baptiste (efa ela)  sy Pasteur Justin (izay nindrana ny fiangonana fotsiny fa tsy nitandrina teto) no notokanana teto.

Ankatoky ny Fandraisana, alahady 24 jolay 2011


Lire aussi

19/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny

Alahady 19 Martsa 2023, fanompoampivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra noho ny faha-20 taona maha-mpikarakara ny trano fiangonana an’Andriamatoa RAKOTONANDRIANINA Tantely Arinarivo mianakavy. Mbola anatin’ny lohahevitra isika @ity volana ity manao hoe « Mamerina amin’ny fahamarinana ny Tompo ». Ny tenin’Andriamanitra notorian’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia araka ny teny faneva nofinidin’i Tantely mianakavy, araka ny Salamo 27,4

12/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny olona mendrika ankasitrahan’ny Tompo

Alahady 12 Martsa 2023, niarahana niombonam-bavaka tamin’ny fiangonana miara-mandroso FJKM Antenimbe, ka nitondran’izy ireo ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 10 : 25-37  » 25Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 26Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana

05/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny . Volana sy Kintana

Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.

Alahady 05 martsa 2023, mbola andinihina ny lohahevitra manao hoe « Mamerina ho amin’ny fahamarinana ny Tompo »; alahady nankalazana an’Andriamanitra koa noho ny faha-80 taonan’ny sampana Volana sy Kintana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Daniela 12 : 3  » Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay

19/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao

Alahady 19 Febroary 2023, nankalazana ny faha-10 taona naha-Sekretera Arsivista an-dRamatoa ANDRIANANTOANDRO Miary-Soa teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao @ Josoa 1 : 9  »  Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao « . Manàsa anao hiara-hiombona @izany fotoana

12/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!

Alahady 12 febroary 2023, natokana hitondrana am-bavaka ny Baiboly, ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 8 : 22-25 «  22Ary tamin’ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan’ny farihy; dia lasa izy. 23Ary

05/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho

Alahady 05 febroary 2023, andinihina ny lohahevitra FJKM amin’ity volana ity manao hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Zakaria 1:3 «  3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy

29/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana

Alahady 29 Janoary 2023, andinihana farany ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny fampianarana araka ny lohahevitra hoe « Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana ». Manàsa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :

22/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay

Alahady 22 janoary 2023, hitondrana am-bavaka ny FFKM, ary mbola handinihina ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 10:6-13 «  6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô;lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.7Iza no tsy hatahotra Anao, ry

10/01/2023 Antso sy filazana . Vaovao

Katekomena 2023

 » Atongilano ny sofinareo , ka mankanesa aty amiko, mihainoa dia ho velombelona ny fanahinareo… », Isaia 55 : 3 Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Araka ny efa nolazaina tamin’ny raharahan’ny fiangonana dia efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay manam – paniriana hiditra ho mpianatra katekomena amin’ity taona 2023 ity. Noho izany dia azontsika

08/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 08 Janoary 2023

Alahady 08 Janoary 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina miza-draharaha Tinarisoa Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra. Manasa anao hanaraka ny fotoana :