Amin’ny Asabotsy 10 Septambra 2011 dia hotokanana ho mpitandrina ny mpitandrina Dr Rakotoniera Tantelinirina Christian Eric. Izany fanokanana izany dia hotanterahina eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, araka ny hetahetan’izy mivady, izay nankatoavin’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo rahateo.
Fanazavàna :
Indro misy fanazavana fohy nentin’ny mpitandrina Rakotoniera mikasika izany atao hoe “Fanokanana mpitandrina” izany :
Rehefa mahavita ny fianarany ny mpitandrina dia “irahina” izy; tahaka ny fanao eny Antsahamanitra, izay hanendrena azy hiasa any amin’ny Synodam-paritany. Rehefa mahavita 5 taona eo izy, na mihoatra eo, dia “tokanana”.
Izany fanokanana izany dia zava-takian’ny fiantsoana satria fanehoana am-pahibemaso ny maha olom-boaantso ilay mpitandrina.
Somary nihemotra izany fanokanana izany ho an’ny mpitandrina Rakotoniera manokana, noho ny fianarana naharitraritra. Rehefa tonga teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo kosa izy dia nahatsiaro fa tokony hiroso amin’izany dingana izany, izay fitsipika sy foto-dalàna rahateo.
Rehefa nanao ny fangatahana ny mba hanaovanana ny fanokanana azy eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny mpitandrina Rakotoniera dia nankatoavin’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo izany ka amin’ny 10 septambra 2011 no hanaovana izany.
Amin’io Asabotsy 10 septambra io dia ho avy eto amin’ny fiangonana ny solon-tenan’ny Mpiandraikitra Foibe, solon-tenan’ny Synodam-paritany mba hanao izany fanokanana izany.
Ny fanokanana
Ny atao hoe fanokanana dia fanokanana olona iray mba hanao asa fanompoana izay efa niomanany tahaka ny fanokanana diakona, fanokanana mpiandry…; tahaka izany koa ny fanokanana mpitandrina.
Ny fanokanana mpitandrina dia fanamasinana, fanokanana amin’ny alàlan’ny fametrahan-tànan’ny zokiolona mpitandrina ho amin’izany fanompoana izany.
Olona telo no manatanteraka izany : ny filohan’ny firahalahiana, ny mpiandraikitra foibe ary ny solon-tenan’ny Synodam-paritany.
Ny mpitandrina
Ny atao hoe mpitandrina moa dia mpanompon’ny Tenin’Andriamanitra, mitory ny Tenin’Andriamanitra, mampianatra ny fiangonana, mizara ny Sakramenta ary mitahiry ny tsiambaratelo izay omen’ny olona azy mba hijanona eo aminy mba hahatonga ny feon’ny fieritreretan’ny hafa tsy ho simba noho izany, na resaka na fitarainana na olana nentina teo amin’ny mpitandrina izany.
Ny vadin’ny mpitandrina
Ny vadin’ny mpitandrina koa dia manana andraikitra lehibe, ka misy teny omena azy eto amin’ny fanokanana ary fitondrana am-bavaka sy fanohanantsika fiangonana am-bavaka no tena zava-dehibe amin’izany.
Nangataka moa ny mpitandrina Rakotoniera mba ho tsotra araka izay azo atao izany fanokanana izany, mba ho fotoam-pivavahana tsotra ihany fa tsy hakotrokotroka tahaka ny fahita ary rehefa vita ny fotoam-pivavahana dia mirava am-pilaminana isika fa tsy misy fiaraha-misakafo na tahaka izany…
Ny fandraisan-tànana
Rehefa vita ny fanokanana ho mpitandrina, izay vao miroso amin’ny fandraisan-tànana : eken’ny fiangonana ve ny hiasan’io mpitandrina io eo amin’io fitandremana io? Inona ary no antony?
Ny tena tompon’ny teny farany amin’ny hahafahan’ny mpitandrina manohy ny asany na tsy manohy ny asany dia ny fanapahan-kevitry ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo. Marihina fa tsy manatrika izany fiheveran-draharaha izany ny mpitandrina fa ny biraon’ny Synodam-paritany no mandrindra izany.
Raha toa ka eken’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo izany dia miroso amin’ny Fandraisan-tànana, ka ny Synodam-paritany no tonga eto amin’ny fiangonana manatanteraka ny fandraisan-tànana.
Fanokanana mpitandrina teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo:
Tsy dia niainan’ny FJKM Ambavahadimitafo loatra izany Fanokanana mpitandrina izany satria ny mpitandrina Ralambomahay Jean Baptiste (efa ela) sy Pasteur Justin (izay nindrana ny fiangonana fotsiny fa tsy nitandrina teto) no notokanana teto.
Ankatoky ny Fandraisana, alahady 24 jolay 2011

Chargement...
ho tonga soa anie ny andro iray malaza ho anao Dokotera Rakotoniera Christian Eric! Ho tahian’Andriamanitra hatrany anie hianareo mianakavy!
Ohatry ny maizimaiziana takon’ny aloka ilay sarin’izy mivady ka tsara raha soloina raha misy hafa azafady indrindra! Ohatry ny tsy ita tsara ny tarehin’izy mivady.
An’isan’ny zava-dehibe eo amin’ny fiangonana izany mpitandrina izany, arabaina e!
Faly miarahaba ny fiangonana Ambavahadimitafo izahay, miarahaba manokana ny mpitandrina vaovao sy ny vady aman-janany, mirary soa hahavita be sy hahery eo anatrehan’ny andraikitra mavesatra. Eto izahay dia manainga ny rehetra mba hanohana ny Pasitera vaovao, aza avela hiady irery izy, fiangonana feno fahasovana isika ka raha tsy hay ny manolokolo azy dia aza taitra isika raha feno ratra sy fahoriana ny ho avy. Mahereza daholo ary aoka ny Fitiavan’i Tompo no hanjaka, manantena aho fa nomen’Andriamanitra Fahendrena daholo isika hiatrika dingana vaovao miaraka amin’ny Mpitandrina vaovao. Mahaiza mihaino ny Tompo daholo isika rehetra ary aoka ny sitrapony no tanterahana. Mahereza.