Fety famaranana ataon’ny AFFA
Hanatontosa fety famaranana ny AFFA ny alahady 22 septambra 2013, koa antsoina ny ray aman-dreny mba hanatrika izany
Hanatontosa fety famaranana ny AFFA ny alahady 22 septambra 2013, koa antsoina ny ray aman-dreny mba hanatrika izany
Alahady 22 mey 2022, andinihina ny lohahevitra hoe « Manavao ny Fanahy masina« , ka nitondran’ny tarika Ny mpitory toriteny an-kira araka ny Galatiana 5 : 16 – 25 « 16Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo. 17Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra
Alahady 15 mey 2022, « Manavao ny fanahy masina », lohahevitra amin’ity volana ity eto anivon’ny FJKM , itondrana am-bavaka ny mpiasa hiombonana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Eksodosy 35 : 31 « ka efa nofenoiny fanahin’Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ny tao-zavatra samy hafa« . Andeha hiombona amin’ny fanompoam-pivavahana
Alahady 08 Mey 2022, alahady hitondrana am-bavaka ny SLK na Sampana Lehilahy Kristiana eo anivon’ny FJKM, ankalazana ny faha-15 taonan’ny SLK eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo. Ny tarika Laurent Rakotomamonjy no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny toriteny an-kira. Manasa anao hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :
Alahady 02 mey 2022 hibanjinan’ny FJKM ny lohahevitra amin’ity volana ity manao hoe « Manavao ny Fanahy Masina« ; nanokafana ihany koa ny Jobily faha-25 taona nitandreman »ny mpitandrina Randrianarisoa Alain. Ny teny anorenana ny jobily dia ny Salamo 111 : 1b « Haleloia ! Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehatra aho ». Manasa antsika hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :
Alahady 24 aprily 2022, alahady faha-2 manaraka ny paska, hitondrana am-bavaka ny Toeram-Pamonjena Zaza na TOPAZA, mbola anatin’ny lohahevitra hoe « Mandresy ny fahafatesana ny Tompo« . Nankalazaina anio ny « Fetin’ny Fahazavana » eto @ FJKM Ambavahadimitafo niompana tamin’ny lohahevitra hoe TVM na hoe « Tena Velona eo amin’ny fiainanao ve ny Mpamonjy« , nitondrana koa ny tenin’Andriamanitra avy ao
« Mandresy ny fahafatesana ny Tompo »; izany no lohahevitra banjinintsika amin’izao Paska 2022 izao. Ny tompo sy ny fiadanany anie ho amintsika rehetra ka hahatonga antsika hiombom-pandresena amin’ny Tompo Andriamanintsika. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny IKor 15 : 54 – 58 teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo tamin’ity Alahady paska 17 Aprily
Alahady 10 aprily 2022, alahadin’ny sampan-drofia, natokana koa hitondrana am-bavaka koa ny Sampana Dorkasy. Avy ao amin’ny Romana 8 : 31 – 39 no nitondrana ny hafatra ho antsika anio : 31Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? 32Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony
Alahady 03 aprily 2022, andinihina lohahevitra vaovao eto amin’ny sahan’ny FJKM mandritra ity volana Aprily ity : « Mandresy ny fahafatesana ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny tenin’Andriamanitra avy ao amin’ny Matio 20 : 18 – 19 « ary ny Zanak’olona hatolotra ho amin’ireo lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy 19[…]
Alahady 27 martsa 2022, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Mamaly ny faharatsiana ny Tompo« . Ny mpitandrina miza-draharaha Randriambinintsoa Onja no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 21 : 1-10 « 1IZAO no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah, fony Zedekia mpanjaka naniraka an’i Pasora, zanak’i Malgia, sy Zefania, zanak’i Mahaseia mpisorona, hankany aminy hanao
Alahady 13 martsa 2022, nankalazana ny faha-30 taonan’ny Sampana Fifohazana eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, izay nitoriana ny tenin’Andriamanitra sady fanevan’izao fankalazana izao : « Fa asany isika, voaforona tao amin’ny Kristy Jesoa mba hanao asa tsara…. Tanteraho ny fanompoanao ». Ramatoa Razafiarisoa Voahirana, Biraon’ny Fifohazana Synodam-paritany Antananarivo Atsinana no nitarika ny fotoam-pivavahana, ary ny mpitandrina Ranomenjanahary Solofo