FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Aloky ny fahasambarana (part 1)

Aloky ny fahasambarana (part 1)

Publié le 16 novembre 2008 à 12:11

Sambatra! iza? Faniriako ny ho sambatra asa koa aloha ianao? Fa sambatra manao ahoana ary sambatra amin’inona? Ary na na iza na iza no miaina eto an-tany dia samy mikatsaka izany , hoy ny hafa sambatra ry anona fa manana izao na manana izary, ao koa ny hoe sambatra ry zareo fa nahazo izao na nahazo itsy.

Azo apetraka ny fanontaniana hoe : f’ianao angaha izao mahatsapa ny tenanao hoe mijaly? Inona no tsy maha-sambatra anao?
Tsarovy anefa fa ny hahasambatra anao no tanjon’Andriamanitra ary raha mbola manana fofon’aina ary mbola velona dia tsarovy fa sambatra raha samy sambatra ianao.

Andeha ange ho henoina sy harahina ny tantaran’ireto ankizivavy kely roa ireto izay mitsiriritra ny ho sambatra nefa na ny lehibe koa aza mety hitsiriritra toa azy ireo.

Tafapetraka teo amin’ilay vatolampy mitodika miankandrefana eo ambonin’ny tananan’Antananarivo ireto roa vavy kely indray harivariva.
Indro nisy voron-kely teo aloha ka finaritra ery nihinana ilay ravin-kazo nipetrahana, vaky ary ny resaka vokatr’izany.

LILA : sambatra aky io voron-kely io fa tsy mba miasa na mitady vola fa tonga dia mihinana izay hitany eh !

BAHOLY : sambatra koa ry zareo fa afaka mandeha n’aiza n’aiza, indrindra fa raha ho any an-dafy, raha mba vorona mantsy isika efa tsy teto intsona aho !
Nony avy eo lasa ilay vorona,vao niainga anefa izy dia nampijalian’ilay hitsikitsika tsy namelany mihitsy.

BAHOLY : ary toa tsy sambatra ihany izy ; toa mijaly daholo kay rehefa kely ; raha andeha ho any an-dafy izany iny tsy ho faty irery eny eny an-dalana eny.

LILA : mety misy mamono, ary mety ho reraka koa.
Samy nalahelo teo izy roa , ary gina tsy nisy nahateny, variana indray izy roa nijery ny jiron’ny hariva ary indrindra ny nahita ny fiara mitandahatra, raikitra indray ny resaka.

LILA : sambatra ery izao ireny olona manana tômôbila ireny.

BAHOLY : ie ! sady afaka mandehandeha lavitra, raha sady mihinan-kanina ao anatiny no mihaino hirahira, dia manao akanjo tsara be.

LILA : sady ireo koa sambatra ery manana trano tsara be eh !

BAHOLY : nefa toa tsy sambatra indray hono raha manan-karena loatra fa sao dia misy manafika.

LILA : dia aleo ve izany ho mahantra ihany ? dia hijaly foana izany.

BAHOLY : hono hoy aho ! f’angaha moa isika tsy sambatra eh !

LILA : eny hoy aho ! isika samy manana Dada sy Neny, manana trano, miakanjo toa mitovy amin’olon-drehetra ihany.

BAHOLY : hitako
Tampoka teo, indro nisy lehilahy be volom-bava teo aorianan’ izy roa. Taitra mafy izy roa sady nangovitra fa heveriny ho mpangala-jaza.
Nanatona ilay rangaha no sady nanontany ka nilaza hoe : « efa ela no teto aorianareo teto ary reko daholo ny resaka nifanaovanareo teo ». Nanontany azy ilay rangaha hoe  » ianareo angaha te ho sambatra mafy eh ? « 

Mbola hitohy…


Lire aussi

04/06/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Sekoly Taninketsa . Toriteny

Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo

Alahdy 04 Jona 2023, alahady fetin’ny reny, nifampizarana niaraka tamin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny Jaona 8:36 « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo » sady nanoloran’ny Sekoly Taninketsa ny amboaran-kira ho an’i neny. Manàsa anao hiombona amin’izany fotoana izana :

03/06/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana . Vaovao

AMA : Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina

Ao anatin’ny fankalazan’ny « ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO (AMA) ny faha-45 taonany dia mikarakara konfersansa izy ireo, miompana @ lohahevitra hoe « Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, Filazantsara hanova ny tantara » Koa fandriho ny Sabotsy 17 jona @ 3 ora tolak’andro eto am-piangonana. Aza adino ny misoratra anarana @ tél

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina