FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

5 desambra 2010 – Advento II

5 desambra 2010 – Advento II

Publié le 05 décembre 2010 à 01:12

Avy amin’Andriamanitra na izay antsoina koa hoe JHWH na izay lazaina eto fa Jehovah; Ilay Izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay ny famonjena. Ny teny hoe Jesoa dia avy amin’ny fakanteny hoe Josoa ary midika hoe Mpamonjy. Tokana ihany ny Mpamonjy lazaina na i Jehovah na i Jesoa ary voalaza fa Andriamanitra i Jesoa; Ilay voahosotra hamonjy izao tontolo izao. Araka ny lovantsofina jiosy dia tsy mba nantsoina hoe Mpamonjy i Jehovah raha tsy avy niaina ny traikefan’ny fanafahana tany Egypta ny Zanak’Israely. Ny Salamo faha 121-122 dia nosoratana teo anelanelan’ny taona 1000 sy 400 talohan’i Jesoa Kristy izany hoe taorian’ny fandosirana ny tany Egypta; ary avy amin’ny traikefan’ny finoana fa Mpamonjy Jehovah no nahazoana nanangona ny tahirintsoratra narafitra ho Bokin’ny Genesisy (voasoratra 400-300 Tal JK) ka nahafahana nanamafy fa Ilay Mpamonjy dia tsy iza tsy akory fa Ilay Mpahary. Izany no ilazan’i Davida fa Ny famonjena antsika  dia avy amin’i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. Saingy tsy tamin’ny lasa ihany ny famonjena fa ilay manatona sy avy koa. Moa tsy izany ny iomanana amin’ny Advento? Dia ny fandraisana Ilay fanomezana avy manatona antsika? Hoy ny ohabolana alema: Ny fifaliana mialoha sy eo am-piandrasana no fifaliana feno indrindra (Vorfreude ist die beste Freude). Miara-manaiky isika fa tapitra ny 25 Desambra ny fifalian’ny Krismasy ary raha tahiny mateza dia ny alahady aorian’io. Fa azo aroso mialoha ny fifaliana dia atomboka amin’ny Advento ka ho tsapanao ny fifalian’ireo izay niomana hankalaza an’Andriamanitra tany Jerosalema fehizay. Moa tsy eto Ambavahadimitafo ny Jerosalema-ntsika ka ankalazana an’Andriamanitra ny 24 – 25 – 26 Desambra? Hoy isika mamaly hoe : FALY aho, raha hoy izy ireo tamintsika hoe: Andeha isika ho any an-tranon’i Jehovah. Salamo 122 : 1.

Ny Mpitandrina anareo  Dr Rakotoniera Christian Eric


Lire aussi

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina

09/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2023 : Tsy ato Izy, fa efa nitsangana

Alahady 11 Aprily 2023, alahady Paska, mbola nibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« , ka nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 24 : 6a  » Tsy ato Izy, fa efa nitsangana « . Manàsa anao hiombona @izany fotoam-pivavahana izany :

02/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny sampan-drofia 2023

Alahady 02 aprily 2023, alahadin’ny sampan-drofia, alahadin’ny sampana Dorkasy eo @ sahan’ny FJKM, fanateram-bokatry ny Sampana Tanora Kristiana (STK). Ny hafatr’Andriamanitra nentin’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain dia araka ny Zefania 3 : 14-20 «  4Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin’ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy. 15Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana