12 desambra 2010 – Advento III
Sambatra izay manompo na dia tsy eo aza ny Tompo saingy ataony izany satria inoany fa ho avy Ilay hamaly fitia azy! Toe-tsain’ny mpanompo mahatoky izay tsy fahita firy ankehitriny ary mampahalahelo aza ny mahatsapa fa mety ho vitsy koa izay tena miasa tsara ao amin’ny Fiangonana. Saingy misy fitaomana ny rehetra eto dia izay miasa fatratra sy reraka noho ny fanompoana ny hafa: isika rehetra tsy ankanavaka no taomina hiasa am-panantenana fa ho avy Ilay mamaly soa ny Mpanompony. Ny ankamaroantsika dia tsy mba mandray tambim-pivelomana amin’ny asan’ny Tompo anefa aoka tsy hatao fialantsiny izany ka anaovana an-tsirambina ny asa fanompoana sy tsidi-pahitra ny trano fivavahana. Ataovy tsara sy maharitra ny asa fanompoanao satria ho avy Ilay hanendry anao hanapaka ny be. Moa tsy izany tokoa ve no fifaliana entin’ny Krismasy dia isika mandray valim-pitia eo am-piafaran’ny taona. Efa vizana; lany hery sy fotoana ary lany vola aman-karena tamin’ny fanompoana; honeran’ny Tompo amin’ny fomba mahagaga ireny fa aza manahy anefa koa tsarovy fa ny valim-pitia atolony dia olona. Io olona io Ilay nantenaina hatry ny ela be ka sambatra izay miambina sy miomana amin’ny fihaviany: Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao. Joba 22: 25.
Ny Mpitandrina anareo Dr Rakotoniera Christian Eric