FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Vita antoka ve ny fanahinao?

Vita antoka ve ny fanahinao?

Publié le 11 novembre 2008 à 12:11

May ny trano iray tao amin’ny tanàn-dehibe, tsy ela loatra izay. Raha nahita aho dia taitra, dia nanombatombana ny fahavoazana izay hita fa betsaka.

« Aza taitra loatra », hoy ilay niresaka tamiko, « voavonjy ihany izy, satria vita antoka io. »

Vao haingakaingana dia nifandona ny aotomobilina teo amin’ny fihaonan-dàlana. Ny olona tsy nisy naratra fa ny zavatra no simba. Niteny faingana ny olona mahalala :

« Soa ihany fa aotomobilina vita antoka ireny. »

Dia lasa ny fisainana ka mankasitraka izany zavatra vita antoka, midera ireo mahakendry ny ho avy toy izany. « Tsara antoka izany, » hoy aho.

Lehilahy anankiray nitombo harena fatratra, ary nataony vita antoka ny fananany : trano, aotomobilina, foto-kazo dimy alina, sns… indray andro raha nirava avy amin’ny Sekoly Alahady Ikoto, zanany lahimatoa ka tonga tao an-trano, dia nihaino ny resaky ny rahalahin-drainy sy ny renibeny. Avy eo Ilaikely dia niditra tao amin-drainy ka nankeo am-pofoany. Avy hatrany dia
nanontany an-drainy :

– « Dada ô, vita antoka ve ny fanahinao ? »
– Taitra rangahy ka niteny hoe : « Inona no hevitr’Ikoto, ary nahoana hianao no manontany ahy zavatra tahaka izany ? »
– « Satria, » hoy ilay zaza, « reko tamin’ny resak’Idadatoa sy Inenibe fa vita antoka daholo ny fananan’Idada ; noresahiny koa fa revo amin’ny fitomboan-karena loatra hianao ka tsy mikarakara fanahy akory. Idada ô ! Moa tsy tianao ve raha vita antoka miaraka amin’izay ny fanahinao ?

Norohan-drainy Ikoto, dia napetrany, sady hoy izy : « Mandehana milalao, anaka, zaza tsara hianao. Hoeritreretiko ny fanontanianao. » Rehefa lasa Ikoto dia nitombina rangahy, ny kihony nitehina tamin’ny latabatra, ny lohany niondrika, ny eritreriny niasa dia niasa.

Marina ny resak’izy mianaka ren’Ikoto. vita antoka tokoa ny hareny, mba hitsinjovany ny andro merika sy ny vady aman-janany. Efa nandoka tena ho hendry sy mahay mitsinjo ny ho avy izy tamin’izay ; nefa kosa tsy nanao na inona na inona izay hahatsara antoka ny fanahiny, ilay tena olona haharitra mandrakizay.

Inona no holazainy amin’Andriamanitra, raha hiseho eo anoloan’ny voninahiny izy ? Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, hoy ny filoatry ny fony, sady nandohalika izy no nampifamihina ny tanany. Niditra Ikoto, indro rainy nandinika ny Salamo 51.

– « Idada ô ! » hoy ny zaza, « vita ve ? Lazao, ry Idada malala ô ! »
– « Vita, anaka, » hoy rainy, « andeha ambarao amin’Idadatoa sy ny renibenao. Hianao no anjely efa nomen’Andriamanitra ahy. »
– « Misaotra dia misaotra, ry Idada ; faly loatra aho, » sady miramirana fatratra izy no lasa nivoaka.

Nanohy ny famakiana ny Soratra Masina rangahy ; nefa ranomaso vaventy fipatraka no nandena ity boky. Ranomasom-piovana misy lanjany eo amin’ny mizanan’Andriamanitra.

Ry havana mpamaky, raha nandre aho : trano, aotomobilina vita antoka, sns., dia tsaroako ny tenin’ny Tompo : « Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao rehetra izao, kanefa very ny ainy ? » Nanadin-tena aho : vita antoka ve ny fanahiko ?
– Eny, vita antoka ve ny fanahintsika?

– Efa migoka ny ranon’aina sy homana ny mofon’aina ve, ka mitrotro famonjena ?

– Efa nahazo ny hery mahavonjy sy fanadiovana avy amin’ilay ra fanavotana nalatsaka tany Golgota, tonian’ny fahaterahana indray, ipoiran’ny fiainam-baovao.

– Fanahy manana an’i Jesosy no fanahy manana antoka tsara , ka vita ve ?

Aza arian-dia ny fanontaniana fa eritrereto dia valio : vita antoka ve ny fanahintsika?

Paul Rakotoarivony Teny Soa, N° 713 – Mai 1930


Lire aussi

04/06/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Sekoly Taninketsa . Toriteny

Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo

Alahdy 04 Jona 2023, alahady fetin’ny reny, nifampizarana niaraka tamin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny Jaona 8:36 « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo » sady nanoloran’ny Sekoly Taninketsa ny amboaran-kira ho an’i neny. Manàsa anao hiombona amin’izany fotoana izana :

03/06/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana . Vaovao

AMA : Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina

Ao anatin’ny fankalazan’ny « ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO (AMA) ny faha-45 taonany dia mikarakara konfersansa izy ireo, miompana @ lohahevitra hoe « Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, Filazantsara hanova ny tantara » Koa fandriho ny Sabotsy 17 jona @ 3 ora tolak’andro eto am-piangonana. Aza adino ny misoratra anarana @ tél

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina