FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Araraoty ny andro azo hanaovan-tsoa fa ratsy izao fiainana izao

Araraoty ny andro azo hanaovan-tsoa fa ratsy izao fiainana izao

Publié le 29 août 2021 à 05:08

Alahady 29 aogositra 2021, nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 6 : 27-36 : « 27Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin’izay mankahala anareo; 28misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo. 29Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray; ary raha misy maka ny lambanao, aza lavinao na dia ny akanjonao aza. 30Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka izany aminy. 31Ary araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa.32Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota koa aza mba tia izay tia azy. 33Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany. 34Ary raha mampisambotra izay antenainareo fa mbola hanonitra hianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba mampisambotra ny mpanota, handraisany toraka izany indray. 35Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, ka aza kivy na amin’inona na amin’inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo Indrindra hianareo; fa Izy mora fanahy amin’izay tsy misaotra sy ny ratsy fanahy. 36Aoka ho mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo. « 

Andeha hiombona amin’izany fotoam-pivavahana izany :


Lire aussi

09/01/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . MIASAFIA

Toriteny an-kira Miasafia – Alahady 09 Janoary 2022

Alahady 09 Janoary, famaranana ny fankalazana ny faha-5 taona ny antoko mpihira MIASAFIA, nanatanterahan’izy ireo toriteny an-kira. Andeha hiombona amin’izany fotoam-pivavahana izany :

02/01/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana

Maharitra tsy miova ny Tompo – Alahady 02 Janoary 2022

Alahady 02 Janoary 2022, alahadin’ny taom-baovao. Mifalia ry sakaiza fa nahazo taom-baovao; Zanahary no mitaiza ka hisaory sy hajao. Manasa anao hanaraka ny fanompoam-pivavahana :

31/12/2021 A la une . Antso sy filazana

Fandaharana Alahady 02 Janoary 2022

Manasa antsika sahady hiomana ho amin’ny fanompoam-pivavahana alahady voalohany amin’ny taona 2022. Toy izao ny fandaharana hiombonantsika amin’izany :

25/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana

Krismasy fifaliana 2021 : Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio

« Ary hoy ny anjely taminy : Aza matahotra fa indro milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra, fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo », Lioka 2 : 10-11 Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra amin’ity krismasy 2021 ity. Andeha hiombona amin’izany

23/12/2021 Antso sy filazana

Fandaharana Krismasy 2021

« Ary hoy ny anjely taminy : Aza matahotra ; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra ; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.» Lioka 2 : 10 – 11 Indro ny fandaharana ny Sabotsy 25 Desambra 2021 amin’ny

19/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana

Mifalia amin’ny fanantenana

Alahady 19 desambra 2021, fanompoam-pivavahana teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo nanokanana ireo katekomena andriany « Fanantenana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Romana 12;12a : « Mifalia amin’ny fanantenana »

14/12/2021 Antso sy filazana

Fandaharana Alahady 19 desambra 2021

Toy izao no fandaharana ho amin’ny fandraisana ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo andiany « Fanantenana » ny alahady 19 desambra 2021 manomboka amin’ny 9 ora maraina :

12/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiainam-pianakaviana mahafaly an’Andriamanitra

Alahady 12 desambra 2021, natokana ho an’ny Sekoly Alahady mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo« . Ny hafatra avy ao amin’ny Ohabolana 23 : 12-18 no notoriana « 12Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.13Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo

06/12/2021 A la une . Antso sy filazana

Daty tsara ho fantatra : Desambra 2021

Toy izao ny tetiandro eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ho amin’ity volana desambra 2021 ity : « Miorena tsara aza miova » 18 desambra 2021 : Fanadiovana Faobe : SOKAJY MINO – STA – SAMPATI – TMT – DORKASY 12 desambra 2021 : fizaran-doka Sekoly Alahady 19 desambra 2021 : fandraisana Katekomena « Fanantenana » 20 hatramin’ny 24 desambra 2021

05/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo

« Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo », izany indray no lohahevitra vaovao banjinina eto amin’ny sahan’ny FJKm ho an’ny volana Desambra. Alahady 05 desambra 2021, nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr »Andriamanitra avy ao amin’ny Filipiana 4 : 4a – 5b : « Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo … efa mby akaiky ny Tompo »