Ny mino miorina ao amin’ny Tompo
Alahady 19 septambra 2021, mbola hibanjinana ny lohahevitra we « Miorena ao @ Tompo @ batisa »; alahady fanateram-bokatry ny antoko mpihira « Antsan’Ambavahadimitafo ».
Ny mpitandrina Razakamanantsoa Narinjaka no nitondra ny hafatry ny Tompo avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8 : 34 – 40 : » 34Ary ilay tandapa namaly an’i Filipo ka nanao hoe: Masìna hianao, iza moa no lazain’ny mpaminany amin’izany? Ny tenany va, sa olon-kafa? 35Ary Filipo niloa-bava, dia nanomboka teo amin’izany Soratra Masina izany nitory an’i Jesosy taminy.36Ary raha nandeha teny an-dàlana izy, dia tonga teo amin’izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa? 38Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin’ny rano; dia nataony batisa izy.39Ary rehefa niakatra avy teo amin’ny rano izy roa lahy, dia nentin’ny Fanahin’ny Tompo Filipo ka tsy hitan’ilay tandapa intsony; fa nandeha tamin’ny nalehany izy sady nifaly. 40Fa Filipo hita tany Azota, dia nitory ny filazantsara tany amin’ny tanàna rehetra izay nalehany ambara-pahatongany tany Kaisaria «