FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Vaovao 25 oktobra 2020

Vaovao 25 oktobra 2020

Publié le 25 octobre 2020 à 07:10

Fampitaom-baovaon’ny sampana

Ampatsiahivina ny sampana, sampan’asa, asa, vaomiera, komity izay maniry hizara vaovao @ www.fjkm-ambavahadimitafo.info sy facebook, mba handefa ny teksta any amin’ny mpitan-tsoratry ny fiangonana ( +(261) 34 36 311 76 ) na handefa izany ato , mba ahafahantsika mamoaka izany amin’ny tambazotran-tserasera

Fiveranan’ny fandraisan’ny Tompo

Amin’ny Alahady 1 novambra 2020, alahadin’ny Vondrona Fototra Laika eto Ambavahadimitafo, ary hanatanterahana rakitra manodidina izay arotsaka manontolo ho an’ny Komitin’ny fifandraisan-tànana. Hiverina amin’io alahady io ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo, izay tanterahina ao anatin’ny fanajàna ny fepetra ara-pahasalamana.

Fivorian’ny Loholona sy Diakona

Ho tanterahina ao amin’ny Akany Ralibera Daniel ny fivoriana voalohany ho an’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona taorian’ny fihibohana, asabotsy 14 novambra 2020

Asa Fitoriana Filazantsara – taom-piasàna 2021

Manasa antsika fiangonana iray manontolo mba ho tonga hanatrika ny androm-bavaka izay tanterahina ny Sabotsy 28 novambra 2020 @ 9 ora – 3 ora hariva. Izany fotoana izany dia hitondrana am-bavaka ny fiangonana manontolo, ny Asa Fitoriana Filazantsara taom-piasana 2021.

Sampana Fifohazana

Antsoina ny mpiomana taona faha-2 fa hisy ny fiofànana any @ toby Ambohibao Ziona ny zoma 30 oktobra 2020. Entanina isika mba hanatanteraka ny adidy sy hitondra ny karatra maha-mpiandry.

Antsoina ny mpiandry, mpiomana, sakaizan’ny Fifohazana hanatrika fiofanana ny zoma 06 novambra 2020 @ 9 ora – 12 ora. Afaka misafidy amin’ireto toerana ireto isika izay akaiky antsika : Ambohimalaza, Ambohibato, Mierinarivo, Anosimasina, Ambohibao Ziona, Ambatomanga, Andranovelona Fivavahana. Aoka samy hiomana amin’ny fandoavana ny adidintsika.

Mamerin-kira ny Antsan’Ambavahadimitafo ny 01 novambra 2020

Ampatsiahivina ny mpikambana ao amin’ny Antsan’Ambavahadimitafo fa hisy ny fianaran-kira ny alahady 01 novambra 2020 @ 3 ora ao amin’ny tokantranon’i Solofo sy Lala Disaine

Fianaran-kira Antoko Mpihira Ambavahadimitafo Okt/nov 2020

Mitohy ny fianaran-kira isaky ny asabotsy @ 3 ora hariva eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, ho an’ny AMA.


Lire aussi

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina

09/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2023 : Tsy ato Izy, fa efa nitsangana

Alahady 11 Aprily 2023, alahady Paska, mbola nibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« , ka nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 24 : 6a  » Tsy ato Izy, fa efa nitsangana « . Manàsa anao hiombona @izany fotoam-pivavahana izany :

02/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny sampan-drofia 2023

Alahady 02 aprily 2023, alahadin’ny sampan-drofia, alahadin’ny sampana Dorkasy eo @ sahan’ny FJKM, fanateram-bokatry ny Sampana Tanora Kristiana (STK). Ny hafatr’Andriamanitra nentin’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain dia araka ny Zefania 3 : 14-20 «  4Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin’ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy. 15Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana