FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo

Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo

Publié le 09 juillet 2023 à 09:07

Alahady 09 Jolay 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Tanora Kristiana (STK) manerana ny sahan’ny FJKM ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Hevero ny fifidianan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Randriambinintsoa Onja Nantenaina no nitondra ny hafatry ny Tompo araka ny Jaona 15 : 11-16  » 11Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo. 12Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. 13Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. 14Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. 15Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo. 16Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona. « 

Andeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :


Lire aussi

01/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoreno ao amin’ny Tompo ny tokantrano

Alahady 01 oktobra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ ity volana ity « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana« , nanatanterahin’ny SAMPATI ny fanateram-bokatra ihany koa. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Genesisy 2 : 18-25 « 18Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. 19Ary tany

24/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mitoria teny @ firenena rehetra

Alahady 24 septambra 2023, alahadin’ny Fikarohana sy fandalinam-pinoana manerana ny FJKM; nentina ihany koa nanomezana vatsy ny mpitandrina Randriambinintsoa Onja niza-draharaha teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Mamarana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » isika, ka ny mpitandrina miza-draharaha Vola Soa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 24:44-49 « 44Dia hoy Izy

17/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiàsan’ny herin’i Kristy ao amin’ny mpanompony

Alahady 17 septambra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra », fanateram-bokatra sy nitondrana am-bavaka ny antoko mpihira Antsan’Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina miza-draharaha Volanasoa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Kolosiana 1 : 24-29  » 24Ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin’ny nofoko izay tsy vita tamin’ny

10/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AFF : Salamo 96

Alahady 10 septambra 2023, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Mitoria ny teny @ firenena rehetra », sy itondrana am-bavaka ny Asa Fitoriana ny Filazantsara eo anivon’ny FJKM. Ny mpitandrina  Voanginirina Solofoarohasina avy ao @ FJKM Sud Ambohipo no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Salamo 96 : 1-10 « 1Mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah; Mihirà ho an’i Jehovah

03/09/2023 A la une . AMA . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady ivon’ny faha-45 taona AMA

Alahady 03 septambra 2023, ibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » natokana hankalazana ny ivon’ny faha-45 taonan’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 7 : 1-11 « 1Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah: 2Mitsangana eo am-bavahadin’ny tranon’i Jehovah, ary torio

30/08/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana

45 taona AMA : Fanokanana trano heva

Ny ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO dia manasa antsika tsy an-kanavaka hidera sy hankalaza an’Andriamanitra ny Alahady 3 septambra 2023 eto am-piangonana nohon’ny voka-dehiben’ny fikambanana sy fanokanana ny tsangam-baton’ny fankalazana ny faha-45 taona, ilay « trano heva » fanaovana vokatra ao an-tokontanim-piangonana. Manantena ny fahatongavantsika maro ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

27/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao

Alahady 27 aogositra 2023, hamaranana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana », izay nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 9 : 22Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’izay ora izay. «  Andeha hiombona @ fanompoam-pivavahana :

20/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Aumonerie teto @ FJKM Ambavahadimitafo

Alahady 20 aogositra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , alahadin’ny Aumonerie Nationale, notarihin’ny mpitandrina Poget Helivao, mpandrindra nationaly, izay nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 17 : 8-16  » 8Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ny Isiraely tao Refidima. 9Dia hoy Mosesy tamin’i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ny

13/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja

Alahady 13 jolay 2023, alahadin’ny martiora, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , nitondran’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 16 : 28  » Ary Samsona niantso an’i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny

06/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.

Alahady 06 Aogositra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana aogositra ity manao hoe « Mijoroa amin’ny finoana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Hebreo 10 : 36  » Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. «  Andeha hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :