FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny : Ny fanjakan’Andriamanitra

Toriteny : Ny fanjakan’Andriamanitra

Publié le 23 décembre 2010 à 03:12

Ho an’izay rehetra malala eo imason’Andriamanitra sady voantso no masina. Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika ! Amena .

Ny basileia qeou na  h basileia twn Ouranwn  izay miverina in-122 ao amin’ny Filazantsara ary in-99 ao amin’ny Synoptika dia fanantanterahana ny Teny faminaniana ny tany tondra-dronono sy tantely nambaran’ny Fanekena Taloha. Miainga avy amin’ny Teolojia Biblika ny fiheverana azy koa tsy mahagaga raha mivelatra sy mamakivaky ny tantara ary ny vazan-tany efatra ny fampiharana azy.

1. Martin Luther KING; United States of America

Tsaroana avy hatrany ny « I have a dream» izay mifamatotra amin‘ny « Kingdom of God » raha ny taompolo faha 50 hatramin’ny taompolo faha 60 sy ny faritra atsimon’i Amerika no itodihana. Fanantenana ny fisian’ny fiaraha-monina anjakan’ny fitiava-namana sy fahamarinana no vokatry ny finoana nananan’i King. Resilahatry ny Tenin’Andriamanitra i King ary nekeny fa ny finoana no niteraka fahitana na ny nofy izay nanosika azy hitolona hanohitra ny tsy rariny. Tsy nofy antoandro anefa fa vina miainga amin’ny herin’ny Filazantsara. Tsy azo hamaivanina ny nofy ao amin’ny Soratra Masina tahaka ireo hita ao amin’ny fivavahan-kafa sy izay hita ao amin’ny Psykolojia sy ny Psykoterapia. Ny nofin’ny anankiray no mitarika ny maro ho amin’ny nofy iombonana toy izay nitranga tao Ambatoreny Soatanana. Mbola ny teolojia biblika ; izany hoe : ny fanazavana ny baiboly hebreo no manondro fa ny mpanelanelana ny olona amin’Andriamanitra no mizara ny traikefan’ny fahitany amin’ny hafa. Ny ohatra akaiky azo omena dia ireo Mpaminany na solovavan’Andriamanitra ao amin’ny Fanekena Taloha. Ireny toy ny fantsona (tuyau) ireny no nanana fahasahiana hanambara ny tsy fahamarinana nanjaka tao amin’ny firenena. Koa na aiza na oviana anjakan’ny tsy rariny ao amin’ny fiaraha-monina dia noraisina ho fanaingana ny tolona iadiana amin’izany izay voalazan’ny tarazo biblikan’ny fanafahana tany Egypta. Tanteraka tokoa ve ny nofin’i King ka nanjaka ny fahamarinana ary azo ilay tany tondra-dronono sy tantely? Ny 04 Aprily 1968 tokoa mantsy no voatifitra sy nodimandry i King ary azo lazaina fa novidiany lafo ny ainy ka natakalony ny nofiny. Nanana fanantenana mafy orina mantsy izy ary tsy azo nozongozonina ny finoany satria nitokiany Ilay nanao ny Teny Fikasana. Ny 03 Aprily hariva no nilazan’i King tamin’ireo namany : «Avelan’ny Tompo hiakatra eo an-tampon-tendrombohitra aho ary avy eo no itazanako ny tany mamy. Angamba tsy hahatratra izany miaraka aminareo aho anefa fantatro androany hariva fa vahoaka tsy mivaky isika. Noho izany, faly aho anio alina ary tsy hanam-panahiana aho na kely aza. Tsy matahotra an’iza na iza aho. Hitako ny voninahitr’Andriamanitra manatona ahy» M. L. KING, Ich bin auf dem Gipfel gewesen, Testament der Hoffnung, p. 117.

2. Ny Teolojian‘ny fanafahana; Amerika Latina

Toerana nifangaroan’ny fivavahana katolika romana, izay tonga be mpankahala, sy ny fanosihosena ny zon’olombelona i Amerika Latina ny taompolo faha 60. Tsy mahagaga izany satria mora ho an’ny fivavahana kristiana ny mikorisa amin’ny fihatsarambelatsihy rehefa ialana ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra ka tsy manjaka ao amin’ny Fiangonana intsony Andriamanitra. Izany toerana voatondro itakosenan’ny haizina izany anefa no namirapiratan’ny fahazavan’ny kintan’ny maraina dia ireo vehivavy mpitarika ho amin’ny teolojian’ny fahafahana. Nantsoina hoe teolojian’ny vehivavy (Théologie féministe) ny teolojia nitarika ny fanafahana tany Amerika Latina. Araka izany, dia ny vehivavy no hery vaika nanosika ny rivotra hamelombelona ny afon’ny teolojian’ny fahafahana. Nanora-tena ho ny zanakavavin’ny masoandro ireo teolojiana ireo araka ny filazan’i B. Fünfsinn sy ny namany:

’’Isika zanakavavin’ny masoandro, ao amin’ny aloky ny mamatonalina no anoratantsika, mamakivaky ny alina isika ary mipoitra ao amin’ny fahazavan’ny maraina…Hotapahintsika ireo rojovy ary mizotra ho amin’ny lalam-pahafahana isika kanefa tsy hijanona eo fa handroso hatrany» (Lima 1996).  Miompana amin’ny fiainana an-davanandro ny teolojian’ny fanafahana ary teolojia ampiharina eo amin’izay anjakan’ny tsindrihazolena sy ny fanamparam-pahefana. Ny rafi-pitondrana sy ny rafi-pitantanana no vatondro fa herin’ny maizina mamatotra ny mahaolona ka tsy maintsy resena amin’ny alalan’ny saina na ny siantsan’ny teolojia biblika. Tsy ampy ny hetsika an-dalambe hitakiana fanafahana ny voageja fa nampiasaina indrindra ny asasoratra teolojika ampibaribariana fa tsy sitrak’Andriamanitra ny fanavakavahana, tsy ny volon-koditra ihany fa ny fahariana ny olona ho lahy sy vavy koa. Koa na iza na iza manavakavaka dia tsy ny olona ihany no avahany fa Andriamanitra Mpahary mihitsy no avoakany tsy hanana anjara toerana ao amin’ny fiaraha-monina misy azy. Tsapan’ireo vehivavy ireo fa mpitarika izy ary ilaina ny teolojia hanovana ny fiaraha-monina anjakan’ny fahantrana. Ny lesona azo tsoahana amin’ny zava-nisy tany Amerika Latina dia izao : izay te-hanafaka ny fireneny ka nahatsapa fa nantsoin’Andriamanitra dia tarihiny hikatsaka ny Fanjakany sy ny fahamarinany aloha ( Mat 6 : 33). Am-pifaliana no ilazana fa rehefa mihalalina ny fahantrana dia mitsangana ny teolojiana hanondrotra ny kalitaon’ny fampianarana teolojia protestanta teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana. Hoy Paoly nahatsapa izany talohantsika:

«Fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina» (Rom 14: 17). Koa sambatra ny Fiangonana tafiditra ao amin’ny kilasin’ny Fiangonana toa izay nisy ny Fiangonana tany Makedonia : « Fa tamin’ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan’ny hafaliany, ary ny halalin’ny fahantrany no nampitombo ny haren’ny fahafoizany» (II Kor 8: 2).Izany Fanahy izany no mitarika antsika amin’ny fizarana fahatelo farany.

3.  « Sambatra ny malahelo am-panahy sy izay enjehina noho ny fahamarinana fa azy ny Fanjakan’Andriamanitra » (Matio 5: 3,10).

Tsy ny fahoriana loatra no mahasambatra fa ny fahatsapana fa vokatry ny fanompoana an’Andriamanitra ny fangirifiriana. Izany fitondrana ny ziogan’ny Filazantsara izany dia nekena tamim-pahafahana ary tanterahana amim-pitiavana. Eo anelanelan’ireto tendro roa ireto isika Fiangonana irahana sy omena fahefana hitory ny Tenin’Andriamanitra:

1.       Andaniny: « Tsara ho an’ny olona ny mitondra zioga raha mbola tanora izy» (Fit 3 :27)

Tsapa fa ny andron’ny hatanorana no fotoana tsara indrindra anombohana ny asan’ny mpitandrina noho ny hery vao sy ny saina matsilo mbola vonona hanefana ny fanompoana. Noho izany; tonga maivana ny hazofijaliana noho ny fahafahana manompo ao anaty ary miteraka fahasambarana izany ka anovozana hery enti-mandresy ny fahoriana.

2.       Ankilany: « Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo…» (II Kor 6 :14)

Tsapa fa miadana izay manompo an’Andriamanitra, vokin’ny Tenin’Andriamanitra ary mivelona amin’ny teolojia, mahasoa koa ny fiombonana ao amin’ny fiaraha-miainan’ny samy voantso sy ny mitombo amin’ny fahalalana tsara an’i Kristy Jesoa. Tsy manery Andriamanitra raha nifidy sy niantso fa nampitsimohany tao anatintsika ny fitiavana hanompo azy.

Hoy Jesoa: « Ento ny ziogako, ka mianara amiko fa malemy fanahy sy tsy miavona am-po Aho dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo fa mora ny ziogako ary maivana ny entako» (Matio 11 : 29-30).

Tsy hijanona eo amin’ny tarazo biblika anefa isika fa ndeha itodihantsika fohy ny hevitr’i Calvin manoloana ny Fanjakan ‘Andriamanitra . Ny dominatio divini na ny fanjakan’ny fahefan’Andriamanitra ao amin’ny fiainan’ny mpino anoherany ny asan’ny maizina eto amin’izao tontolo izao no mampiavaka an’i Calvin. Tsy misy fanjakan’Andriamanitra hoy Calvin raha tsy resy dieny ety an-tany ny asan’ny maizina. Izany no antony nanorenana ny Fanjakana noheverina fa nanjakan’ny fanapahan’Andriamanitra tanteraka (Theocratie) andaniny sy nitakiana ny fahaleovan-tenan’ny Fiangonana manoloana ny Fanjakana ankilany tamin’ny andron’i Calvin (1509-1564). Raha fintinina izay lazain’i Calvin mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra dia toy izao: Toerana ahatanterahan’ny voninahitr’Andriamanitra ny Fanjakan’Andriamanitra; toerana iverenan’ny fahariana amin’ny endriny tsara noho ny asam-panavotana nataon’i Kristy ary fanjakana hita maso eo ambany fitantanan’ny fiangonana ka azon’ny fiaraha-monina ialofana toy izay hita tao Genève. Tsy Ilay Andriamanitra mitsofoka ao amin’ny tantaran’izao tontolo izao no nampianarin’i Calvin fa Ilay Andriamanitra manjaka sy manintona ary atonin’ny fiaraha-monina. Tsy ahetsika ny Fanjakan’Andriamanitra satria efa miaina rahateo izy ; satria Fanjakan’i Kristy izay manana ny tenany dia ny Fiangonana ; tsy mifindra izy ary iainana ao amin’ny Fiangonana hita maso izay tsy mitsahatra manome voninahitra an’Andriamanitra (soli deo gloria) ary Fiangonana ampianarina isanandro hikatsaka ny fahafenoan’ny haren’Andriamanitra sy ny famirapiratry ny voninahiny (Théologie de la prospérité). Ny toerana misy Fiangonana izany dia toerana iorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra; fahefa-manjaka tokana ao ny Tenin’Andriamanitra ary tantanina mazava ao ny haren’Andriamanitra! Raha kalvinista (reforme) tokoa isika, moa ve hita taratra ao amin’ny Fiangonantsika ny voninahitr’Andriamanitra; mazava amin’ny vahoakan’Andriamanitra ve ny fanambarana ny Soratra Masina? Tokony hanjaka ao tokoa ny fahamarinana  amokisana sy itondrana ny ondrin’Andriamanitra (disciplines ecclésiastiques). Noho izany,  araka i Calvin,  tsy ny olona ao amin’ny Fiaraha-monina ihany akory no ovaina ho kristiana fa ny Fiangonana no itarina mba hahazo vahana handrakofana ny Fanjakan’Andriamanitra eo amin’ny faritra rehetra izay onenan’ny olona (oikoumenh). Tsy hitory fahasambarana fotsiny isika fa hampiseho koa fa ny fahantrantsika no mampanan-karena ny maro! Tsy fiadanana ho anao loatra izay manao ny asan’ny mpitandrina fa fahafinaretana ho an’ny hafa kosa. Tsy fifaliana vetivety fa fifaliana maharitra ao amin’ny fiombonana ka ahatsapan’ny mpitarika fa ampy ny enti-miaina ary tsara antoka ny vahoakan’Andriamanitra. Mbola ilaina ny fijoroan’ny Fiangonana ao anatin’ny fiaraha-monina tsy mino; fiaraha-monina asesiky ny fitiavan-tena; mandrombaka izay hitan’ny masony fa tsy mivelona amin’ny fanantenana; fiaraha-monin’ny herisetra, fiaraha-monin ‘ny samy maka ho azy ka anjakan’ny fahalovana sy ny fahantrana ! Koa ho Fiangonana sira hiparitaka sy hanome tsiro ary hanova ny tontolo ho amin’ny endrika nikasan’Andriamanitra azy; hanova ny fiaraha-monina hanome voninahitra an’Andriamanitra tsy amin’ny vavany ihany fa ny fony koa feno fitiavana Azy ! Amin’ny fahombiazana anefa dia tsarovy fa tsy fitadiavana tombon-tsoa ny asan’Andriamanitra fa filanjana ny hazofijaliana isanandro, fitondrana ny ziogan’ny filazantsara sady fibabena ny fahalemen’ny hafa! Koa mahereza sy matanjaha ary mahareta hatramin’ny farany!

Vavaka: Ho tonga anie ny Fanjakanao ety an-tany tahaka ny any an-danitra ! Amena.

Dr Christian Eric Rakotoniera, Mpitandrina
Desambra 2010


Lire aussi

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo «