FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alakamisy 21 May 2009:Hevero ny fiantsoana anareo ry rahalahy

Toriteny Alakamisy 21 May 2009:Hevero ny fiantsoana anareo ry rahalahy

Publié le 29 mai 2009 à 12:05

Teny fohy

Amin’ny fifaliana, ry havana, no iarahabàna antsika fiangonana, ny mpitandrina mivady, tratr’ity Alakamisy ahatsiarovana ny niakàran’ny Tompo any an-danitra ity, nahavita ny asa izay naniràhan’ny Ray Azy tety, ary mitoetra eo ankavanan’Andriamanitra manohy ny asam-pamonjena ho antsika, ka mifona ho antsika eo anatrehan’Andriamanitra Ray. Fotoana manan-tantara tokoa eo amin’ny fiangonana izany.

Fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandrina Rakotoharintsifa sy ny mpitandrina Rakotonavalona

Fifaliana ho ahy manokana koa, ry Havana malala, ny manolo vetivety satria noho ny toe-batana, toe-pahasalamana dia niangavy ahy ny mpitandrina mba hisolo azy amin’ny fandraisana ho mpandray ny fanasàn’ny Tompo, sy fandaminana ny fotoana amin’ity andro ity. Izany moa efa fomba fanao ; raha mijery ny arsivan’ny fiangonana Ambohitantely aho dia maro be ny mariazy nohamasinin’i Pasteur Daniel Ralibera sy ny hafa tamin’ny fotoan’androny. Noho izany, araka ny fomba fanaon’ireo zoky teo aloha dia mifanampy izahay zandry, mpitandrina aty aoriana, mifanolo-bodirindrina rahateo ny fiangonana, koa dia manao izany am-pifaliana ary dia mirary ny fahasalamana sy fitahian’ny Tompo hatrany ho an’ny mpitandrina Ambavahadimitafo mivady, ary dia horakofan’Andriamanitra fifaliam-piainana hatrany anie ny asany fanoloran-tena niantsoan’ny Tompo azy.

« Hevero ny fiantsoana anareo ry rahalahy »

Ny tenin’Andriamanitra, ry havana malala, izay nanankinana ny toriteny, dia araka ny anarana isaloràn’ireto andiany ireto : I Kor. 1/26a « HEVERO NY FIANTSOANA ANAREO RY RAHALAHY ». Ho ampitomboina aminao mandrakariva anie ny fahasoavan’Andriamanitra Mpamonjy antsika, amena.

Olana tao Korinto

Misy olana lehibe tao amin’ny fiangonana tany Korinto, satria nizarazara ny kristiana ; ny sasany mihevitra ny tenany ho ambony noho ny hafa noho ny fanomezam-pahasoavana nanànany, ny sasany mihevitra ho latsa-danja noho ny hafa. Sahiran-tsaina ihany ny fiangonana, ary izany fisarahan-tsaina izany dia nanàko teo amin’ny fifandraisana teo amin’ny fiangonana tao Korinto.

Ary dia nanoratra ny Apostoly Paoly namerina indray ny kristiana tany Korinto ny amin’izay niantsoana azy, ary ny vaha olana izay hitan’ny apostoly dia ny hamerenana indray ny hasin’ny fihavanana sy ny firaisana, ny fahatsiarovan-tenan’ny kristiana ny amin’ny fitiavana an’Andriamanitra, fahatsiarovana azy fa olona nantsoin’Andriamanitra izy, olom-boantso izy, « hevero ny niantsoana anareo.. » na azo adika tsotra fotsiny izao : diniho tsara, na omeo toerana na asio heviny ny fiantsoana anareo, ary izany teny izany koa, ry havana malala, no tandrify antsika mianakavy izay hivavaka eto an-tranon’Andriamanitra.

Antson’Andriamanitra

Fiantsoana anareo ? Inona no akon’izany eo amin’ny fanoloran-tenantsika ? eo amin’ny fifandraisan-tsika samy kristiana ? amin’ny fahafantàran-tsika an’i Kristy ilay maty nisolo antsika. « Hevero ny fiantsoana anareo ry rahalahy ».

Hevero ny fiantsoana anareo ry havana malala, (raha mamaky ny I Kor. ianareo) fa antson’ny fitiavana izany. Aoka homenareo lanja, toerana manokana ny fiantsoana anareo satria fitiavany. Raha mamaky tsara ny andininy vitsivitsy ao amin’ity and. 26 ity ianareo, dia ahita ny fitanisàn’i Paoly manokana fa zava-dehibe ny fiantsoan’Andriamanitra ity, ary izay asongadiny manokana dia izao, tsy hoe nantsoin’Andriamanitra isika satria tsara, tsy hoe antsoin’Andriamanitra ianao satria mendrika, tsy hoe antsoin’Andriamanitra ianao satria manana tombony manokana noho ny amin’ny ara-nofo, fa hoy ny apostoly Paoly, ny adala amin’izao tontolo izao no ho antsoin’Andriamanitra… Nantsoin’Andriamanitra ianao mba ho zanany, ho mpanompony, satria tiany ianao.

Zavatra mitranga eo amin’ny tantaran’ny fiantsoana, mandrakariva dia misaotra an’I Jesoa Kristy fa notendreny ho amin’ny fanompoana, indraindray aza dia mandrafy azy. Tadidio tsara fa manomboka any amin’ny boky ny genesisy dia nantsoin’Andriamanitra, ohatra Esao sy Jakoba, nefa dia Jakoba no nofidiny. Toy izany koa I Paoly / Titosy. Tao Korinto, manana izay fomba izay hoe misy manana fanomezam-pahasoavana bebe kokoa ny sasany noho ny hafa.

Tsarovinao amin’izao andro niakarana izao, ry Havana, fa ny anton’ny niantsoan’Andriamanitra anao, satria tiany ianao.

Fanomezanan-danja ny vatana

Amin’izao fotoana izao, eto amin’izao tontolo izao dia ny fanomezan’ny olombelona lanja ny vatany no zava-dehibe.

Teto Madagasikara manokana, tao anatin’ny folo taona dia avo telo heny ny fanafàran’ny Malagasy ny produits cosmétiques isankarazany (fikarakaràna ny tarehy, hoho, volo, sns…) fa ny fanindràhindràna diso tafahoatra dia fahadisoan-dàlana.

Tsaroako, tsy ela akory izay, nisy fampisehoana vehivavy tsara tarehy indrindra tany Boina, ary manao akanjo amin’ny plage (ary izay no nahatonga ny FJKM tamin’ny taona 72 nandà ny fanaovana ireny MISS/MISS ireny, satria fanindrahindràna vatana – rehefa kelikely dia hoe hisy miss STK, miss DORKASY hono !!).
Ary jereo tsara fa rehefa omena toerana be loatra ny vatana dia izao : raha vao mitady asa ianao dia mila tsara tarehy, tsy mahazo asa rehefa ratsy tarehy…

Ry Havana malala, fantatrao ve ny fiantsoan’Andriamanitra anao, hevero sao dia mivily làlana isika. Isika tsy manambany ny vatana, fa ny fanindràhindrànao ny vatanao mihoatra noho ny hafa, izay hambaran’i Paoly, hevero ny fiantsoana anao.

Voafidin’Andriamaintra ianao

Raha nataon’Andriamanitra mihoatra noho ny sasany aza ny fitahiana nataony teo aminao, dia satria tian’Andriamanitra ianao. Fantatrao ve fa amin’ny mponina 6 miliara eto ambonin’ny tany, firy fotsiny moa ny kristiana? Ianao no nantsoin’Andriamanitra nataony mahalala Azy, ary hampanantenainy ny fiainana mandrakizay ety ambonin’ity tany ity.

Hoy ny teny ao amin’ny Isaia 43 izay novakiana teo « Aza matahotra ianao fa hombànao aho… » Koa raha tonga kristiana ianao dia ataovy tsapanao amin’izao andro fiakarana izao fa tianao Andriamanitra, ary mitakosona mikaroka anao tamin’ny toerana maro samihafa izay nandosiranao.

Raha maka tantaran’ny reny mpianakaviana iray, tonga avy any nitady ny zanany vavy, tsy hita izay hanaovana azy, lasa tsy fantatra… dia mahatsiaro ny teny izay novakiana tao amin’ny Matio 9. Dia hoy aho hoe : raha latsaka ao anaty rano maloto ny zanakao, moa avelanao ao izy, ny hataonao dia tsy maintsy mitsoboka ianao, tahaka izany no nataon’i Jesoa, na dia tsy nanota aza Izy, nidina Izy (tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa tsy avy hiantso ny marina).

Izany, ry Havana malala, raha toa ka olombelona no nahatonga anao ho kristiana dia maty antoka ianao (mahafinaritra ny mahita an-dranona, … ny mahatonga anao ho lasa katekomena dia satria mahafinaritra ny miaraka amin-dranona…) maty antoka ianao. Raha olombelona koa no nampihemotra anao (tsy tianao ra-nona na ra-nona…). Hevero ny fiantsoana anao; antson’ny fitiavana. Tian’Andriamanitra ho sambatra eo aminy ianao. Izy no mitantana anao.

Nantsoin’Andriamanitra ho mpandray ny fanasan’ny Tompo

Nantsoin’Andriamanitra ho mpandray ny fanasan’ny Tompo, hiray latabatra aminy ianareo, satria tiany araka ny fitiavan’Andriamanitra. Aoka ho velona ao aminareo ny finoana na inona na inona diavinareo amin’ny androm-piainana manontolo, na ao anatin’ny mora na sarotra. Ataovy masaka ao an-tsaina, tia ahy Andriamanitra. Ary tsarovy mandrakariva ho vatsy entinareo mamakivaky ny fiainan-ko avinareo aty aoriana.

Ary raha tonga eto an-tranon’Andriamanitra ianao amin’izao andro fiakarana izao, ny hany zavatra tokony hotsarovanao dia ny fitiavan’Andriamanitra. Raha hiakatra eto amin’ity alitara ity ianareo, ny tokony ho tsaroanareo dia izao ihany tia anareo Andriamanitra, ary nanome ny zanany hamonjy anareo; Eo no iaingàn’ny fiainanareo vaovao, kihon-dàlana vaovao ho anareo ny andro anio, hevero ny fiantsoana anareo. Omeo toerana ao am-ponareo ny fitiavany anareo;

Antso ho amin’ny fahamasinana

Fa ny faharoa, hevero ny fiantsoana anareo, fa antso ho amin’ny fahamasinana izany, fa tsy fitiavana fotsiny; tsarovy tsara ny andininy farany 30/31 fa ny fiantsoan’Andriamanitra dia miaina amin’ny fahamasinam-piainana ary izany no zavatra nitranga tany Korinto.

Hevero ny fiantsoana anareo sao dia kristiana manao ny hadalàn’izao tontolo izao.

« Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao.. », Romana 12

Izao tontolo izao ange, amin’izao andro iainan-tsika izao, ny fivavahana tena tian’ny olona izao dia fivavahana manamarina ny hadalàna (« mety io ataonao io »). Tsy foin’ny olona ny fiainan’izao tontolo izao, nefa tiany ihany ny ho any amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Tsy izany ny fiantsoana anao. Aoka tsy hitakosona amin’ny fahadalàna sy ny fahazaran-dratsy samihafa.

Eto anatrehan’Andriamanitra ianao, amin’izao andro fiakarana izao, raha misy fahazaran-dratsy dia ialao. Dieny izao fa Andriamanitra mpanafaka. Antso faharoa izay ataon’ny Tompo, antson’ny fanamasinan-tena. Ho mpandray ny fanasan’ny Tompo ianareo, hitondra ny fiangonana, hanapa-kevitra ao anatin’ny fiangonana, olona manao ahoana moa izany mpandray ny fanasan’ny Tompo izany. Manana adidy roa izy :

– adidy ho an’ny tenany : mamonjy hankàtoka, fiaraha-mivavaka…

– adidy amin’ny hafa : fandraisan’andraikitra

Misy andraikitra mazava

Antony hiantsoan’Andriamanitra anao dia misy andraikitra mazava, misy tenin’ny Tompo tiany hozaraina, misy zavatra tian’ny Tompo iandreketanao, hijoroana ho vavolombelona, ho tanterahinao, ho vitainao. Izany no niantsoan’Andriamanitra anao, tsy lany andro mitsikera, mifanaratsy, mifosa, fa manao ny asa nampanaovin’ny Tompo anao, amin’ny fifaliana, ary eo no ahafantàran’ny Tompo anao.

Mahafinaritra ny midera an’Andriamanitra, tsy misy tokony miferotr’aina (fandehànana, lasantsy, taxi…). Mila mitoetra tsara ny finoanao ka tsy ny fahavoazanao na ny zavatra laninao no tanisaina, fa ny fanomezam-pahasoavana nomeny anao. Hevero ny fiantsoan’Andriamanitra anao fa nantsoiny hanompo am-pifaliana ianao, amin’ny fitiavana sy faharetana.

Handray ny fanasan’ny Tompo ianao izao, hanatanteraka asa maro, midira sampana, aza kivy na amin’inona na inona, fitiavan’Andriamanitra jerena. Tanterahan’Andriamanitra ny teny hoe :

« tsy ampitoviko ny manompo Ahy sy ny tsy manompo Ahy »

Katsaho ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany dia hanampy anareo izany rehetra izany, dia tadiavo ny didiny dia omeny, fa fantany fa mahasoa anareo.

Fa izao, raiso ny andraikitra, tanteraho amin’ny fanompoana izany, ry Havana malala, dia hataon’Andriamanitra mamirapiratra eo aminareo ny fitahiam-pahasoavana.

Andeha hivavaka mangina isika, hanavao ny fanoloran-tenan-tsika amin’izao andro fiakarana izao, indrindra ny isam-batan’olona, samy hamerina hoe : Izaho Tompo ô, ka tsy nohentinao foana ato amin’ny tranonao fa hanavaozana ny fanoloran-tenako ka hanolotena aho Tompo ô, ka hankato ny antsonao, vonona handray andraikitra izay nampanovinao ahy, hivavaka mangina isika, ry hava-malala…


Rakotonavalona Maholy,
mpitandrina FJKM Ambohitantely


Lire aussi

03/06/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana . Vaovao

AMA : Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina

Ao anatin’ny fankalazan’ny « ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO (AMA) ny faha-45 taonany dia mikarakara konfersansa izy ireo, miompana @ lohahevitra hoe « Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, Filazantsara hanova ny tantara » Koa fandriho ny Sabotsy 17 jona @ 3 ora tolak’andro eto am-piangonana. Aza adino ny misoratra anarana @ tél

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina

09/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2023 : Tsy ato Izy, fa efa nitsangana

Alahady 11 Aprily 2023, alahady Paska, mbola nibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« , ka nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 24 : 6a  » Tsy ato Izy, fa efa nitsangana « . Manàsa anao hiombona @izany fotoam-pivavahana izany :