FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 7 Martsa 2010 : Fa tsy misy velon-ko an'ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an'ny tenany

Toriteny Alahady 7 Martsa 2010 : Fa tsy misy velon-ko an'ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an'ny tenany

Publié le 15 mars 2010 à 12:03

Ry havana malala rehetra ao amin’ny Tompo, mbola ampitomboina mandrakariva ao amintsika anie anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Ny tenin’Andriamanitra izay handraisantsika ny hafatra avy amin’ny Tompo amin’izao anio izao ry havana, dia araka izay hita ao amin’ny Romana 14 :7 – 9. Ity perikopa ity ry havana, dia ny mahazatra antsika mandre dia matetika amin’ny fotoana fandevenana. Ary matetika eny amin’ny fasana mihitsy aza no hanononana, hamakiana sy hampatsiarovana ity teny ity indraindray. Kanefa matoa tafiditra ao anatin’ny perikopa amin’izao alahady maraina izao ity teny ity, dia misy hafatra lehibe izay tian’ny Tompo hampitaina amintsika.

Ny fiainan’ny Kristianina, ny fahafahana kristianina

Voalohany indrindra ny zavatra hita ao amin’ity perikopa ity dia izao hoe: ny fiainan’ny kristianina tao amin’ity fiangonana tany Roma ity. Satria ny karazana olona ao anatin’izany fiangonana izany dia mifangaroaro. Samy manana izay fiaviany: ao ny Jiosy izay tonga kristianina, ao ireo izay niaina tao anatin’ny fanompoan-tsampy, ireo jentilisa rehefa nandre ny filazantsara dia resi-lahatra ka tonga kristianina ihany koa. Ary samy manana ny fomba amam-panaony izy ireo, izay nahazatra azy tamin’ny fiainany tany aloha, dia nanjary nisy fiovana tanteraka ny fiainany rehefa niaina tamin’izany fiainana amin’maha-kristianina izany. Ary fampianarana ho an’ireo kristianina ireo, fampianarana ny amin’ny hoe « ahoana no hiainana izany fiainana amin’ny maha-kristianina izany? » no entin’i Paoly eto amin’izao perikopa izao. Ary ity fampianarana izay nomen’i Paoly ity, dia fampianarana mikasika ny fahafahana kristianina.

Izany fahafahana kristianina izany dia fahafahana ao amin’i Jesoa Kristy. Ny amin’ny hoe manao ahoana izany hoe miaina amin’ny fahafahana ao amin’i Jesoa Kristy izany. Tantara an’andevo anankiray tamin’ny andron’ny fanandevozana no azo hanoharana izany. Tamin’ny andron’ny fanandevozana dia nisy ny fivarotana andevo. Dia misy lehilahy anankiray tena matanjaka, tena voro-nofo tsara, mbola afaka manao asa tsara, nentina teo an-tsena hamidy ho andevo. Dia samy niady varotra teo ny olona, samy nanindry vola teo ny olona hoe hanao izay hahazahoana ity andevo ity. Dia nisy rangahy anankiray, io rangahy io no tena miady ny hahazo azy. Isaky ny misy manonona dia tsindriny. Dia farany dia azony amin’ny vidiny farany izay lafo ity andevo ity. Ary rehefa azony ilay andevo dia izao no nataony hoe: « izao no antony hividianako anao. Ny mba hanome anao fahafahana. Olona tahaka anao izao, olona mbola afaka hiasa tsara, mbola afaka hamelona ny ankohonanao, afaka manao zavatra tsara ao amin’ny fiainanao. Koa dia izao: olona afaka ianao izao koa dia mandehana. Mandehana fa izay no antony nividianako anao. » Hoy kosa ilay andevo izay efa nohahafahana mantsy an’ilay rangahy hoe: « satria ianao efa nividy ahy, efa novidianao lafo dia lafo aho mba hahazoako fahafahana, noho izany, atokako ny fiainako manontolo, atolotro hanompoako anao. »

Ary dia tsy misy hafa amin’izany koa isika ry Havana: andevo, andevozin’ny satana, voageja tamin’ny fanandevozan’ny satana. Fa tonga Andriamanitra nividy antsika tamin’ny vidiny lafo, izay tsy voavidy vola, dia ny ran’i Jesoa Kristy zanany. Izay no nahazoantsika fahafahana ka nahatonga antsika olona hafaka. Ary ny antony namonjen’Andriamanitra antsika, nanafahana antsika tamin’izany fanandevozana izany dia ny mba hahazoantsika manompo azy eo amin’ny fiainantsika manontolo.

Ny antony hahavelomantsika sy hahafatesantsika

Izay ry havana no mahatonga an’i Paoly Apostoly eto amin’ny perikopa ity, hanazava, hampianatra ny amin’ny hoe inona moa no antony hahavelomantsika, ary inona no antony hahafatesantsika. Tsy misy antony hahavelomantsika sy hahafatesantsika, afatsy izay ao amin’ny Jesoa Kristy ihany. Ao amin’i Jesoa Kristy ihany no mampisy lanjany ny fahavelomantsika sy ny fahafatesantsika. Ary izany no antony handraisantsika ny lohahevitra izay banjinintsika mandritra amin’izao volana martsa izao: miara-belona amin’ny mino ny Tompo.

1.     Voatokana ho an’ny Tompo ny fianantsika

Voalohany indrindra ry Havana, ny fiainantsika dia voatokana ho an’ny Tompo. Rehefa nohafahana tamin’ny fanandevozan’ny satana isika, rehefa nohafahana tao amin’ny fanangejahan’ny fahamaizinana isika dia natokana ho an’Andriamanitra ny fiainantsika. Ary noharian’Andriamanitra indray tao amin’i Jesoa Kristy isika ho tonga olom-baovao. Izany no mahatonga eto amin’ny teny eto amin’ny andininy fahafito manao hoe: « Tsy misy velon-ko an’ny tenany isika, ary tsy misy maty amin’ny tenany. » Izany hoe misy antony na ny fahavelomantsika na ny fahafatesantsika.

Rehefa manaiky hanolo-tena ho an’ny Tompo ary isika ry havana, dia manaiky hanolotra feno sy manontolo ny fiainantsika ho azy, na amin’ny fahavelomantsika, na ny amin’ny  fahafatesantsika. Tsy ny hampahany ihany, ny hampahany amin’ny momba ny tenantsika ihany no entintsika ho an’ny Tompo. Ary izany no mahatonga ny kristinina sasantsany, rehefa misy zavatra izay tiany hatao, ary mety mifanohatra amin’ny lalam-piainana kristianina, dia izao mandrakariva ny fiteniny hoe: « vita aloha izay ny amin’ny Andriamanitra, vita aloha izay ny amin’ny Tompo fa ahy indray aloha izao. » Hanao zavatra izy izay, hanao zavatra tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra izy izay. Hanao zavatra araka ny sitrapony sy araka ny danin’ny kibony izy izay. Dia hoy izy hoe: « efa vita aloha izay ny amin’Andriamanitra. Ny tiany hotenenina dia hoe: « efa be aloha izay ny amin’ny fanompoana fa aleo indray aloha izaho mba andeha amin’izay mba tiako aleha. »

2.     I Jesoa Kristy no tompon’ny fiainantsika

Tsia, ry Havana. Tsy izany ny fiainanantsika kristianina. Fa ny fiainantsika manontolo dia efa nanekentsika hanjakan’ny Tompo tanteraka, na ao amin’ny fahavelomantsika, na ao amin’ny fahafatesantsika. Satria efa tsy tompon’ny tenantsika intsony isika, fa an’ny Tompo. Izany hoe tsy ny sitrapontsika intsony amin’ny maha-olona antsika, tsy izay intsony no mibaiko antsika fa ny sitrapon’Andriamanitra: ny sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy izay efa namonjy antsika ka nanolotra ny tenany manontolo ho fanavotana antsika. Ary izay no mahatonga an’i Paoly Apostoly manao hoe: tsy izaho intsony no velona, fa i Kristy no velona ato anatiko.

3.     I Jesoa no manapaka ny fiainantsika

Fa ny zavatra manaraka ry havana dia izao hoe, tsy vitany hoe manaiky hanolotena ho an’ny Tompo fotsiny isika. Fa tena izy mihitsy no manapaka ny fiainantsika manontolo. Hoy ny voalaza ao amin’ny andininy fahavalo: « fa raha velona isika, dia velona ho an’ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an’ny Tompo; koa amin’izany, na velona isika, na maty isika, dia an’ny Tompo ihany. » Inona moa no dikan’izany ry havana? Ny dikan’izany dia hoe, na amin’izao fahavelomantsika ankehitriny izao, na amin’ny fahafatesantsika, dia i Jesoa Kristy no manapaka ny fiainantsika manontolo. Izany hoe ny fifandraisan’ny mpino ao amin’i Jesoa Kristy dia mifototra indrindra amin’ny asa-mpamonjena izay nataony. Efa novidiany tamin’ny rany isika. Efa nahafoizany ny ainy manontolo isika. Ny sarobidy indrindra taminy no efa nafoiny ho antsika. Noho izany, manana fahefana feno ny Tompo hanapaka ny fiainantsika. Ka na maty, na velona isika dia an’ny Tompo ihany.  

Tsy rariny ve ry havana raha toa ka saropiaro amintsika ny Tompo satria ny efa sarobidy teo aminy no efa nafoiny antsika: ny voninahiny, ny fahefany, ny maha-izy azy manontolo no efa nafoiny mba hananantsika fiainana ao aminy. Hoy isika teo hoe, ny hanafaka antsika amin’ny fanangejan’ny satana no namonjen’ny Tompo antsika, ary ny mba hahafahantsika manompo azy tsy misy fepetra, tahaka ny nanafahan’Andriamanitra ny zanak’Israely tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana. Nohafahany aloha ny zanak’Israely, nentiny tany an’efitra. Tany vao nampahatsiahiviny hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrao. Nomena ny didy folo, nampahatsiahivina ny maha-Andriamanitra azy sy ny fiainany miaraka amin’ireto zanak’Israely ireto. Dia tahaka izany koa ry havana ny fiainanantsika.

Koa noho izany, na velona isika, na maty isika, dia manana fahefana hanapaka ao amintsika. Izay no hambarany eto hoe: raha velona isika dia velona ho an’ny Tompo. Izany hoe raha velona isika dia velona mba hanompo an’ny Tompo eo amin’ny fianantsika, eo amin’ny fahavelomantsika. Hoy koa izy hoe: raha maty isika dia maty ho an’ny Tompo. Izany hoe raha maty isika, ilay fahavelomantsika nanaovantsika fanompoana an’ny Tompo iny, amin’ny fahafatesantsika indray ihany koa izany no andehanantsika ao amin’ny Tompo.

4.     Ny Kristianina dia tsy miaina ny fiainany teo aloha intsony

Noho izany ry Havana, ny olona izay manaiky hanolotena ho an’ny Tompo dia manapaka ny fiainany teo aloha. Izany hoe tsy miverina amin’izay fiainana nahazatra teo aloha. Vonona hiala amin’izay rehetra nahazatra azy teo amin’ny fiainany teo aloha izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra fa manaiky kosa ny fahefahan’ny Tompo hanapaka tanteraka ny fiainany. Manaiky izay sitrapon’ny Tompo na dia tsy mifanaraka amin’izay noeritreretiny aza. Ary dia nampianatra anstika an’izany i Jesoa Kristy.

5.     Ny Tompo dia nanaiky ary nanao ny sitrapon’Andriamanitra mandrakariva

Ao anatin’ny fotoanan’ny karema moa isika izao. Eo ampiomanana ny fanarahana ny lalan’ny hazo fijaliana, izay nizoran’ny Tompo. Dia ao anatin’izany no nampianaran’ny Tompo antsika ny amin’ny hahazaintsika manaiky ny sitrapon’Andriamanitra. Tsaroantsika tsara ny vavaka izay nataon’ny Tompo tao Getsemane. Ao anatin’ny fotoana sarotra, ao anatin’ny ady mafy ny Tompo, eo ampieritreretana ny hoe, ity ny dingana farany hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny hanolorako ny aiko ho faty mba hamonjena izao tontolo izao. Ary tsarovy tsara fa tamin’izany fotoana izany dia niaina ny fiainantsika ny Tompo, nanomboka tamin’ny fahaterahany ka hatramin’ny fahafatesany, dia niainany ny fiainantsika. Nahatsiaro naharary ny Tompo, nahatsiaro nalahelo ny Tompo, ary nahatsiaro koa izy hoe miady amin’ny fakam-panahy. Ary eo indrindra no nivavahany hoe: « Raiko o, raha sitrakao, esory amiko ity kapaoka ity. Kanefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao fa ny anao. » Mety ho mora am-pitenenana izany ry havana, fa andeha ange isika no haka ny toeran’ny Tompo e, hoe tsy maintsy mande amin’ity làlana ity ianao. Làlana izay tsy maintsy hizoranao ity. Na dia tsy nanao na inona na inona aza ianao, ianao no tsy maintsy hiaran’ny fanameloana rehetra. Asa isika raha hahavita izany. Ary izany no hampianaran’ny Tompo antsika eto, anjarantsika koa izany no mianatra fa tsy ny sitrapoko no hatao, fa ny sitraponao. Ary izany no antony hahavelomantsika. Ho velona ho an’ny Tompo isika. Velona noho ny amin’ny Tompo isika, ary maty ao amin’ny Tompo. Fa na maty isika, na velona dia ao amin’ny Tompo ihany.

6.     Ny anton’ny fahavelomantsika sy ny fahafatesantsika dia i Jesoa Kristy

Fa ny zavatra farany ry havana dia ny antonin’izany fahavelomantsika sy fahafatesantsika ao amin’ny Tompo izany dia tsy inona akory fa noho ny amin’ny Jesoa Kristy ilay maty sy nitsangana tamin’ny maty. Izay no miantoka ny fahavelomantsika sy fahafatesantsika. Hoy ny voalaza ao amin’ny andininy fahasivy hoe: « Fa izany no nahafatesan’i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon’ny maty sy ny velona isika. »

Misy akony lehibe eo amin’ny fiainantsika kristianina ry havana io vanompotoana izay nandalovan’ny Tompo mialohan’ny hahafatesany io. Dia ilay herinandro masina izay ho arahintsika afaka fotoana fohy. Hanaraka izany herinandro masina izany isika, hanaraka ny hazo fijaliana izay niaretan’ny Tompo izany mba hahazoany manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, ka hananantsika fiainana ao aminy. Tsy mora ny làlana nodiavin’ny Tompo nandritra io herinandro masina io. Zanak’Andriamanitra, manana ny fahefana rehetra sy ny voninahitra amin’ny maha-Andriamanitra azy, kanefa dia nanaiky hiharitra ny fampijaliana rehetra. Hoy indrindra ny voalaza any amin’ny Bokin’ny Isaia mpaminany raha milaza ny amin’izay fiaretan’i Jesoa Kristy, ny fijaliana izay. Hoy ny voalaza ao amin’ny Isaia 53: « Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana… Natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika. Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika losa nanao Azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahorina. Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika » (Isaia 53: 3 – 5). Izany no làlana nizoran’ny Tompo. Izany no lalan’ny hazo fijaliana nizoran’ny Tompo, mba hananantsika fiainana ao aminy na amin’izao fahavelomantsika izao, na amin’ny fahafatesantsika. Mba hahatonga ny Tompo ho tompon’ny maty sy ny velona, araka izay voalaza eto hoe: « fa izany no nahafatesan’i Kristy, sy ny nahavelomany indray, mba ho Tompon’ny maty sy ny velona izy » (Romana 14: 9).  Izany hoe izay rehetra maty ao amin’ny Tompo dia eo ambany fahefany ambara-pahatonga ny fotoana izay hitsanganany indray amin’ny andro farany. Ary izay mbola velona ankehitriny, isika izay mbola velona ankehitriny, mandrapihavin’ny Tompo dia hitoetra ao aminy kosa isika, ka izy no hanome antsika ny tena fiainana mba haharetantsika hatramin’ny farany. Araka ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Jaona 11. Hoy izy tamin’i Maria hoe: « izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino ahy dia tsy ho faty mandrakizay » (Jaona 11: 25).  

Famaranana: Aoka ho fiainam-panompoana ny fiainantsika

Noho izany ry havana, tsarovy fa misy antony ny fahavelomantsika, fa tsy velombelom-paona isika. Ary misy lanjany koa ny fahafatesantsika, dia ilay fahafatesana, làlana hizorantsika ho ao amin’ny Tompo. Koa aoka hitoetra tsara ao amin’izany fiarahana velona amin’ny Tompo izany isika. Ka ny fiainantsika manontolo dia ho fiainam-panompoana. Tsy aty ampiangonana ihany isika no hahatsiaro hoe hanompo ny Tompo. Fa na inona na inona asa hataonao eo amin’ny fiainanao andavanandro, dia tsarovy fa asa fanompoana ny Tompo izany. Fa raha samy manao an’izany avokoa isika rehetra, raha samy mahatsiaro avokoa ny olona rehetra hoe asan’ny Tompo anie ity ataoko ity, na ny amin’ny asa fampianarana izany, na amin’ny asa birao izany, na inona na inona endriky ny asa hataontsika raha tsaroantsika hoe tena asa fanompoana ny Tompo, dia ho hitantsika ny tena fahavelomana, ny tena fiainana, amin’izany hoe manao ny asan’ny Tompo izany.

Ry havana malala, ao anatin’izao fotoana karemy izao, fotoana izay andinihantsika tena manoloana ny fitiavan’Andriamanitra antsika, fotoana izay handraisantsika ho antsika ny fijalian’ny Tompo sy ny fahafatesany, ary fotoana hiandrasantsika amin’ny fanantenana ihany koa ilay fahavelomana, ilay fiainana izay nomen’ny Tompo amintsika tamin’izy nitsangana tamin’ny maty. Fa hoy ny tenin’ny Tompo hoe, fa na maty na velona dia an’ny Tompo ihany. Enga anie ry havana mba hotanteraka amintsika tokoa izany tenin’ny Tompo izany, ka mba hananantsika fanantenana, hananantsika fifaliana eo amin’ny fanompoana ny Tompo, ary hananantsika faharetana amin’izany firaisana amin’ny Tompo izany. Satria izay no antony nahatongavan’ny Tompo teto amin’izao tontolo izao: mba hahazoany miara-belona amintsika na ao amin’ny fahavelomantsika, na ao amin’ny fahafatesantsika. Dia ao amintsika rehetra anie ny fahasoavanan’Andriamanitra ka hihaino ny Tompo mandrakariva isika. Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.


Lire aussi

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo «