FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 30 Aout 2009 : Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo

Toriteny Alahady 30 Aout 2009 : Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo

Publié le 02 septembre 2009 à 12:09

Ny tenin’Andriamanitra angalantsika hafatra amin’ity maraina ity ry havako dia araka izay novakiana teo ao amin’ny filazantsaran’i Jaona 13, 34 sy 35 izay heveriko fa tsara ihany raha averina vakiana, saingy ny ety an-tanako moa dia ny Baiboly Protestanta nefa tsy mifanalavitra ihany ny fizotry ny dikan-teny ka handeha averintsika ho vakiana ihany izany tenin’Andriamanitra izany:  » Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo, eny aoka tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa, izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia« .

« Ho aiza intsony moa izahay? Ianao no tena fiainana mandrakizay! »

Izao tenin’Andriamanitra izao ry havako dia azo lazaina fa teny nataon’i Kristy mivantana ho an’ireo tena mpianany, satria ny nanodidina an’i Kristy teo dia nisy karazan’olona maromaro, ao ireo olona liana fotsiny, te ahita fahagagana, te ihinana mofo, taitra ny zava-baovao izay nanodidina teo, fa teo kosa ireo tena mpianany, raha miverina kely any amin’i Jaona 6 any isika, izay mitantara fa raha nilaza Jesoa Kristy hoe ianareo dia mofo fotsiny no ilainareo Ahy fa Izaho nefa no mofo tena fihinana dia maro ireo mihemotra hoy ny tenin’Andriamanitra ka tsy nanara-dia Azy intsony, ary na i Petera sy ny namany àry, izany hoe ireo 12 lahy dia mbola nanontanian’i Jesoa hoe:  » Ianareo koa ve tsy mba hiala? », fa i Petera namaly hoe:  » Ho aiza intsony moa izahay? Ianao no zanak’Andriamanitra, Ianao no manana ny fiainana mandrakizay ».

Ka izao tenin’Andriamanitra izay anambaràny ny hoe « didy vaovao » izao dia azo lazaina fa tsy ho an’ireo izay mpanara-be ny ràny na lian-diana fotsiny nanodidididina teo fa ireo izay nanambara ny finoany toy i Petera izay nilaza hoe: « Ho aiza intsony moa izahay? Ianao no tena fiainana mandrakizay! », ireo no tena nodidin’i Kristy: «  Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo, eny aoka tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa« ;

Ny fifankatiavana ry havako dia tsy mba didy vaovao, raha teo amin’ny Testamenta Taloha dia efa teo izany didy izany:  » Tiava ny namanao tahaka ny tenanao« , zavatra tsy vaovao, indrindra raha teo amin’ny sofin’i Jiosy no notenenana an’izany, fa ny maha-vaovao azy eto kosa dia ilay hoe  » tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo« . Tsy ilay mifankatia izany no zavatra vaovao eto, zavatra efa hain’ny olona izany, talohan’i Jesoa dia efa nahay nifankatia ny olona, fa ilay mifankatia araka ny fomban’i Jesoa, izay izany no tena zava-baovao eto.

Fifankatiavana nisy fepetra

Eo amin’ny « scène » andavan’andro dia mifankatia ny olona rehefa mitovitovy ny hevitra, rehefa iray ny tombontsoa, rehefa misy tsiambaratelo mamatotra dia voatery mifankatia oazy mba itazomana iny tsiambaratelo iny mba tsy hivoaka, ary toa mahay mitia sy manao izay hifankatiavana ny olona rehefa misy tombontsoa azony any amin’ilay hafa, ka voleny mihitsy izany fifankatiavana izany, mifankatia ihany koa ny olona noho ny maha iray fihaviana, rehefa any amin’ny toerana misy ny tany tsy niavian’ny tena dia ohatry ny hita ireny, ary misy mihitsy hoe iretsy fikambanan’ny ianona, iretsy fikambanan’ny ianona dia mifankatia oazy eo satria mpiray fihaviana hono, mifankatia koa ny olona rehefa mitovy saranga, hitantsika ireny fikambanana isan-karazany ireny, izay mitovitovy saranga dia manorina ny azy eo dia mifankatia dia manao fety dia tena mifanaraka.

Mifankatia, fa rehefa tonga kosa ny fotoan’andro isarahana, tsy mitovy intsony ny hevitra, rava ny tombontsoa, tonga ny disadisa, tsy feno intsony ny fepetra mahatonga ilay fifankatiavana dia miady, ary mahagaga àry indraindray hoe ireo ve ilay olona nifankatia teo? Ireo ve ilay niaraka teo? Indro fa lasa mpifahavalo, vetivety dia mivadika ny baolina matetika satria nahoana? Ilay fifankatiavany dia fifankatiavana mila tambiny, ny fifankatiavana nampifankatia azy dia fifankatiavana nisy fepetra sady fitiavana nisy fetrany ihany ka rehefa tsy feno ireny rehetra rehetra ireny dia rava hatreo ilay fifankatiavana ary aoriana ny fifankatiavana moa dia mazana ny ady no mahazo toerana eo.

Fifankatiavana misy modely alain-tahaka

Fa fifankatiavana vaovao kosa no nandidian’i Kristy ny mpianany dia ny hifankatiavany araka ny nandidiany azy ireo; fifankatiavana izay tsy mandeha araka izay itiavana azy fotsiny fa fifankatiavana misy modely alain-tahaka, misy lasitra arahina dia tsy inona fa ny fitiavan’i Kristy nentiny hamonjy izao tontolo izao.

Io no modely, io no apetrak’i Kristy hoentitsika hanantanterahana izany fifankatiavan’ny mpianany izany, fitiavana tsy mikendry n’inon’inona afa-tsy ny ahasoa ilay notiaviny, izay no tena fitiavan’i Kristy, fitiavana tsy mikendry n’inon’inona afa-tsy ny mahasoa ilay notiavina, tsy mila tambiny, tsy misy fepetra sady tsy misy fetra, ary ny tena mampiavaka azy dia ity : fankatiavana miorina eo ambony famelan-keloka izany rehefa samy mpianatra no manantanteraka azy.

Ahoana tokoa no fiainantsika izany didin’i Kristy izany amin’ny maha kristianina antsika satria raha tena kristianina efa nanaiky ho tena mpianatry ny Tompo, efa nanao fanekem-pinoana tahaka an’i Petera izay niteny fa Ianao no tena Kristy Zanak’Andriamanitra, Ianao no tena manana ny fiainana mandrakizay, raha tena kristianina mpianatry ny Tompo marina isika dia didin’ny Tompo hiaina izany fifankatiavana izany.

Baiko fa tsy fiangaviana ny mifankatia

Mahatsiaro ilay teny vazivazy nataon’ny miaramila aho hoe baiko izany fa tsy fiangaviana, tsy hiangavian’ny Tompo isika hifankatia fa didiny mihitsy. Baiko fa tsy fiangaviana ny mifankatia, ka ahoana tokoa ny fiainantsika izany? Jereo ange ao an-tokantrano ao e, manomboka any amin’ny mpivady, ny mpivady kristianina ry havako dia izaho sahy milaza fa tokony hanana tombony lavitra noho ny mpivady tsotra eo amin’izao tontolo izao.

Ny mpivady tsotra eo amin’izao tontolo izao dia mety izao hoe teo ny fitiavana aloha, tsy maintsy iny no napirehatra, nahatonga ny rehetra teo amin’ny tokantrano, teo ny lafiny ara-tsosialy nahafeno ny fepetra rehetra teo amin’ny fanambadiana, na ny toe-karena no nampifamatotra tao, ary rehefa miha-simba ireny zavatra ireny, mandroso ny taona, mihasimba ny fitiavana, mety efa simbasimba daholo ireo fepetra rehetra naha-mpivady teo dia iny koa fa niha-mahalemilemy.

Fa ny kristianina dia hoe i Kristy mihitsy no hiorenan’ny fanambadiana, ny fifankatiavana dia tsy mba miorina amin’ny ara-nofo na zavatra hafa isan-karazany fotsiny fa i Kristy mihitsy, ary izany no antony hitondràna ny fanambadiana eto, mba ahorina eo anatrehan’ i Kristy, ianareo izay hiditra amin’ny fanambadiana kristianina dia tadidio fa i Kristy no tena iorenantsika mba ahafahana mifankatia, ary ny Soratra Masina dia mampianatra betsaka ny fifankatiavan’ny lahy sy ny vavy araka ny fomban’Andriamanitra.

Mifankatia ve ny mpivady kristianina sa efa gadra fotsiny ohatry ny vadin’izao tontolo izao fotsiny ka hena-maso sisa, na ny fahasahiranana na ny faharavàn’ny toe-karena na fisarahana sa mbola ao ilay baikon’i Kristy hoe « Mifankatiava »? Mbola tanterahan’izy mivady, ao ny mpianaka, ny fianakaviana iray manontolo, ny kristianina; ao ve izany fifankatiavana izany?

Amin’izao fotoana izao dia mahatsiravina tokoa ny maheno ray aman-dreny sy zanaka miady, mifampitory any amin’ny tribonaly mihitsy àry ny sasany. Fianakaviana kristianina didin’ny tenin’Andriamanitra mba tsy hiaina toy izany, mpiray tampo samy kristianina, mifankatiava; didin’ny Tompo amin’izany isika, eo amin’ny fiaraha-monina eo, misy kristianina hafa eo, manao ahoana tokoa moa?

Indraindray àry moa rehefa mandalo zavatra sarotra ny firenena dia nisy fotoana niara-nandinika izahay tany, ahoana tokoa moa no tsy maintsy hiady ny firenena nefa azo lazaina hoe tsy ambony be, maherin’ny antsasany, 50% àry ny kristianina fa latsak’izany ny kristianina izay azo lazaina hoe firenena azo lazaina hoe anisan’ny be kristianina isika, ka nahoana tokoa moa no miady ny firenena, nahoana no mbola olona hafa no midradradradra izany fampihavanam-pirenena, fa raha ny kristianina ato anatin’ny firenena fotsiny anie no mifankatia e, dia mino aho fa tsy ho lasa lavitra ny faharavàna.

Eo anivon’ny fiangonana, nahoana no mbola re matetika ary, izaho moa mbola tsy nahare izany tato Ambavahadimitafo, fa any amin’ny fiangonana hafa any, misy izany na FJKM aza, tsy hoe ny FJKM foana mantsy fa na FJKM io na tsia dia misy ady, ary tena ady manohatra noho ny adin’ny Jentilisa tsy manana an’Andriamanitra, ady any anaty sampana any; vao aingana aho izao no naheno tany amin’ny faritra atimo atsinanana misy anay tany, mpitondra fivavahana iray, nopozinin’ny olona tao am-piangonana, mpitondra fivavahana anankiray, tsy amintsika FJKM fa amin’ny rahavavy hafa, mampieritreritra izany hoe ahoana tokoa moa ny mpianatry Kristy no tonga hatrany amin’izany zavatra mamoafady izany.

Aiza ilay fifankatiavana, ilay didy fa tsy fiangaviana nataon’i Kristy tsy maintsy iainana! Ary indraindray tokoa dia hita maso izany tsy fifankatiavana izany, mety hiteraka zavatra mampidi-doza eo noho eo na goavana be. Fa indraindray koa dia mikiky mangingina any anaty any io tsy fifankatiavana io, misy ange samy tonga ato am-piangonana ato e, tany Arivonimamo ny tenako raha nitory an’ity teny ity dia ataoko moramora oa, tamin’ny tapa-bolana satria resaka fifankatiavana ihany koa tamin’izay, atao moramora mba tsy henon’ny olona any ivelany, fa matetika ange rehefa tonga any amin’ny fiangonana any ianao tonga ianao dia mahazo  » renseignements » :

– ilay diakona ianona sy ianona io ange pasitera tsy mifankatia e, izy miara-manatitra fanolorana io ange tsy mifampiteny e,

– misy mpiandry koa aza,

Gaga ihany izany ianao rehefa tena mandinika lalina an’izany hoe ahoana tokoa moa izany zavatra izany! Tsy miresaka kristianina tsotra intsony aho izany fa tonga dia mandeha oazy izany hoe misy ny kristianina tsotra, ny olom-boahosotra aza mbola misy an’izany, ny kristianina tsotra izany dia efa tsy resahana intsony fa matoa miteny ity tenin’Andriamanitra ity misy voa ao, dia taomin’izao tenin’Andriamanitra izao isika, aza mety ho kikisan’izany homamiadana any anatintsika any, izany tsy fifankatiavana izany, isaky ny mahita ilay olona ianao dia mavesatra ny fo, isaky ny mifanena aminy dia mikainkona.

Fiangonana iray no tsy maintsy idirana, ary rehefa hiala eto dia inoana fa lanitra iray no tsy maintsy hipetrahana, tsisy roa, « ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro » hoy Jesoa, ao daholo isika rehetra, ka raha sanatria aty no tsy mifankatia dia angamba mety tsy ho azo ilay « billet » handehanana ho any.

Didin’ny tenin’Andriamanitra isika hifankatia, didin’ny tenin’Andriamanitra. Zavatra tsy azo ataontsika kristianina ny mitoetra ao anatin’izany tsy fifankatiavana izany, zavatra tsy azontsika kristianina atao izany hoe mankahala ny rahalahy amin’ny finoana, na ny lavitra na ny akaiky!

Handeha àry samy handinin-tena amin’izany tenin’Andriamanitra izany isika, handinin-tena :

– iza tokoa re no mbola manana ady amiko eh?

– iza no mbola ratsy fihavanana amiko?

Ao ny tenin’Andriamanitra tamin’ny perikopa tamin’ny tapa-bolana, raha handeha hanao fanatitra ianao hoy izy dia ajanony eo aloha ny fanatitra, ataovy aloha izay hihavànanao amin’ilay rahalahy manana ady aminao; raha hanantanteraka izany isika, ny fanatitra rehetra izay ho tonga ety dia fanatitry ny olona efa nanantanteraka ny baikon’i Kristy ary dia ahomby tokoa ireny fanatitra aterina ery ireny satria ankasitrahan’Andriamanitra, ahavitana be ny asan’Andriamanitra hitoriana ny filazantsara satria olona efa nanantanteraka ilay baikon’ny Tompo, ilay fifankatiavana, fitiavana eo amin’ny mpirahalahy eo amin’ny finoana no manao izany fanatitra izany.

Kristianina ve ianao?

Fa hoy koa ny tenin’Andriamanitra eto hoe  » izany no ahafantaran’ny olona fa mpianatro ianareo raha mifankatia« .

Ny tenin’Andriamanitra izany eto tsy miteny hoe izany no ahafantarana ny olona raha mandeha any am-piangonana isan’alahady na vita an’izao na lasa mpianany, izany rehetra rehetra izany ‘zany, tsy tena izany loatra.

Mety ahafantaran’ny olona ihany koa izany hoe ireny indray fa efa madiodio fitafiana sy tsara tsara akanjo daholo fa lasa ary, kristianina ireny, mety izany no mahazatra ny fiaraha-monina, fa raha araka an’i Kristy kosa, ny tena ahafantarana, ny tena endrika marina ahafantarana fa maha kristianina antsika dia izao hoe « mifankatia« , fa inona moa ny antony ho fantatry ny olona fa kristianina isika? Ireharehàna ve? Hoe izahay izany no kristianina!

An an an, tsy izay; any amin’ny tany hafa izay tsy mahalala ankoatra izao ny fivavahana dia hatahorana mihitsy àry hono izany fantatry ny olona izany hoe kristianina ianao raha tsy efa tena vonona mihitsy nga hanolotra ny ainao, fa raha araka izay azo atao aloha dia somary miafina ihany mba ahafahana mitory ny filazantsara amin’ny hafa; mbola misy tany manao an’izany ary ho entitsika am-bavaka ireny any ireny mba halalaka ny fivavahana.

Fa aty amintsika izany dia ohatry ny hoe izahay kristianina; misy hira izay any hoe « andramo ange ny manontany hoe kristianina ve ianao? Vitsy angamba ny sahy hilaza hoe « tsy izy aho », fa kristianina daholo izay antanianao eo, kanefa ny tenin’Andriamanitra dia milaza fa ny tena ahafantarana fa kristianina isika dia ny mifankatia!

Inona no ilaina ahafantarana ny olona dia ny mba hiparitahan’ilay filazantsara, izay ange no dikan’ny hoe mila fantary ny olona fa kristianina isika e, mba ahafahantsika mampita ilay famonjena noraisintsika, ilay fiadanana noraisintsika, ilay fanantenana, ilay famelan-keloka noraisintsika, ilay fanantenana miorina mafy ato anatintsika mba hanamparitahantsika izany amin’ny hafa dia ilaina ny ahafantaran’ny olona fa mpianatry ny Tompo isika. Izany hoe ny fahafantaran’ny olona fa mpianatry ny Tompo isika dia efa anisan’ny asa fitoriana filazantsara lehibe kanefa tsy vita io asa firoriana filazantsara io raha tsy maninona? Raha tsy mifankatia.

Tsy marina izany fitoriana filazantsara anatin’ny tsy fifankatiavana izany fa ny tena fitoriana filazantsara dia miorina eo ambony fifankatiavana, ary tsy maintsy kolokolointsika izany fifankatiavana izany, tsy maintsy tandrovantsika isan’andro izany eo amin’ny sehatra rehetra mba ahafahantsika mitory ny filazantsaran’i Kristy.

Kristianina modely

Tao andrefana kely lavidavitr’Antananarivo tao dia nisy fiangonana, itony fiangonana zandriny itony, zareo ireny moa mafanafana fo indraindray, tsy fantatro izay nahatonga ny ady tao fa tena potika mihitsy ny dabilio andro alahady ohatra izao, niady tao ry zareo, izy mafanafana rà ihany, ary ny zavatra nahagaga, izaho moa mahay miresaka tsara amin’ilay pasiteran-dry zareo: dia tena nanahirana mihitsy iz’ty ry rahalahy fa hatramin’ny nisian’iny zavatra iny dia nihena be ny mpivavaka tato aminay ary tsy nahazo vola, ka mazava oazy ka, na olona tokony hihavana àry, satria ny ady nalaza be teo an-tanàna dia na olona tokony hanantona àry dia nahita hoe inona àry no aleha ao fa ianareo àry tsy mifankatia.

Tsy voatery ho zavatra hita maso ohatra izany hatrany fa na ao an-tokantrano ao àry dia sakana manakana ny fitoriantsika ny filazantsara ny tsy fifankatiavana, eo amin’ny mpivady, eo amin’ny mpifankatia, eo amin’ny mpianakavin’ny finoana ao, ao an-trano ao, raha vao ny tsy fifankatiavana no mandeha ao, satria raha ao anatin’ny tokantrano ao raha mandinika isika dia tsy fantatro aloha hoe raha 100% efa nanolon-tena ho an’Andriamanitra daholo dia hoy aho hoe sambatra izany ankohonana izany, tena sambatra izany. Fa matetika ao anatin’ny tokantrano na fianakaviam-be iray dia izao hoe: misy tena efa mpanolo-tena ary misy tena efa mpanohitra be, misy matimaty, izany no ao anaty tokantrano ao. Ka ianao ilay efa tena hoe nanolo-tena ireny mihitsy izany no tazanin’ny olona, ireny no jeren’ny olona ireny, tsy misy fotoana hihainoana toriteny izany e, fiainanao fotsiny no jereny, ary ireo dia miandry izay zavatra hanankianana anao fotsiny mba hitenenana hoe io mantsy ny ahy no mba tsy tiako aminareo miseho mivavaka, izay fotsiny no andrasany eo ‘zay, ka raha vao misy zavatra kely hitany, ianareo àry miady an-trano, ianareo àry tsy mifankatia … inona no mbola hitaomana anay? Ny anay toaka fotsiny dia efa mampifankatia anay.

Hoy ilay namako ‘zay, ireny mpisotro toaka ireny mifankatia be an, mba mandehàna mijery azy misotro any amin’ny « bar » eny, aleony tsy misy vola entina mody any an-trano toy izay tsy misy hampirevena io namany eo akaiky io! Ka manao ahoana ny fifankatiavantsika kristianina eo anatrehan’izany? Hifanome tànana, mifanampy, mifamela heloka, eo foana ny fototra isaky ny mandeha izao, kely izay hifanasoavana, izany no fototra, izany no ahafantaran’ny olona fa mpianany isika, ary raha manao izany isika, izany dia efa fitoriana filazantsara velona maharesy lahatra ny hafa.

Ry havana, ho antsika izay efa ao anatin’izany fifankatiavana izany, aza varindrina fa be fahavalo io fifankatiavana io, ankino amin’i Jesoa Kristy ilay tompon’ny fifankatiavana sady modely arahantsika hatramin’izany fifankatiavana izany, ka mahaiza hatrany mifandefitra, mikolokolo sy mampitombo izany fifankatiavana izany mba ho voninahitry ny Tompontsika sy ho fiparitahan’ny filazantsara haingana; ary izay mbola manana ady amin’ny rahalahy, mbola tsy tara, fotoana izao hamitrahana amin’ny fihavanana. Amen.

Andrianary Jean Philemon, mpitandrina


Lire aussi

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo «