FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 29 Marsa 2009 : Simona Petera, niverina ao amin'i Jesoa Kristy na dia efa nandà aza

Toriteny Alahady 29 Marsa 2009 : Simona Petera, niverina ao amin'i Jesoa Kristy na dia efa nandà aza

Publié le 29 mars 2009 à 12:03

Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno antsika amin’ny fahalalàna tsara an’i Kristy Jesoa.

Mbola ao anatin’ny vanim-potoan’ny Karemy isika. Tsy ny fihosorana lavenona, na fitafiana lamba fisaonana, na fifadian-kanina izay fombafomba ivelany ny karemy, fa ny fanekena hiaritra, fetezana hijoro na inona na inona zava-manjo.

Ny angalantsika fampianarana sy fampaherezana dia ny nandavan’i Petera an’i Jesoa in-telo araka izay voaoratra ao amin’ny Marka 14:66-72.

« Dia nigogogogo nitomany i Petera »

Amin’ny dikan-teny hafa dia hoe : « nisaro-tava i Petera ka nitomany »

Toa mahagaga ihany raha ilay vatolampy (mafy) nanorenan’i Jesoa ny Fiangonana no mitomany. Ranomaso tsy midika ho fahalemena na faharesana anefa io. 

Ndeha aloha ho fantarintsika no tena anarany :

– Simona no tena anarany; mpanarato izy ary teo amoron’ny farihin’i Galilea no niantsoan’i Jesoa azy; nantsoina ho mpianatra, ho mpanara-dia, ho Apostoly.

– Simona no loha laharana amin’ireo mpianatra fa sady mahery fo no mafana fo ary nofidian’i Jesoa hiaraka aminy amin’ny fotoan-tsarotra na zava-tsarotra.

– I Jesoa no nanova ny anarany ho Petera, araka ny Matio 16:15-18

Marka 14:27-30 : « Handao Ahy avokoa ianareo rehetra […] Novalian’i Petera : na dia handao Anao avokoa aza ny olona rehetra, izaho kosa tsy mba handao Anao. Lazaiko marina aminao fa anio dia anio ihany raha mbola  tsy maneno indroa akory ny akoho dia handà Ahy in-telo ianao« 

Nentin’i Jesoa tao Getsemane i Petera, Johany ary Jakoba ka nomeny toro-marika : « Mijanona eto ianareo ary miareta tory ». Niverina i Jesoa fa natory izy telo mirahalahy.

« Matory ve ianao, ry Simôna? Tsy mahari-tory adiny iray? »

Dia lasa indray Jesoa ka raha niverina dia nahita azy natory indray.

Tsy afaka hiari-tory, tsy manan-kery hanarahana ny tenin’i Jesoa.

« Marisika ihany ny fanahin’ny olona fa ny nofo no malemy »

Toy izao no nandavan’i Petera in-telo araka izay nambaran’i Jesoa :

1) « Ianao koa niaraka tamin’i Jesoa avy any Nazareta »
Tsy fantatro sady ts azoko izay lazainao.
Nisy akoho naneno

2) « Anisan’ireny koa io rangahy io »
Fa mbola nandà indray i Petera 

3) « Tena anisan’ireny tokoa ianao sady Galileana »
Fa niozona sy nianiana i Petera ka nanao hoe : Tsy fantatro izany lehilahy lazainareo izany
Niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno in-droa

Nitomany i Simona Petera, vonton’alahelo satria tsy nahatana ny teny nomena : « Tsy handao Anao aho »

Ranomasom-pivalozana ny an’i Petera. Tsy tanteraka ilay fanomezana toky nomena an’i Jesoa.

Niharihary taminy teo ny maha Andriamanitra an’i Kristy, mahalala ny olony, mahalala ny ho avy. Nahafantatra mialoha amin’ny maha mpaminany Azy ny hataon’i Petera.

Fa izay niseho teo amin’io andro io dia mampahafantatra antsika ilay Jesoa Kristy inoantsika. Mahalala ny zavatra rehetra Andriamanitra. Mandinika antsika Andriamanitra, mahalala ny herin’ny olona Izy ary mahalala koa ny fahalemeny.

Teo ny fanekem-pinoan’i Petera : « Ianao no Ilay Mesia, ny Zanak’Ilay Andriamanitra velona »

Teo ny fanomezan-tokin’i Simona : « Izaho tsy mba handao Anao »

Dia efa fantatr’i Jesoa Kristy fa tsy hahatàna izany i Simona Petera : « Handà Ahy in-telo ianao », ary dia nandà in-telo araka ny fotoana voalaza tokoa i Simona.

Tsy mbola natanjaka ny finoan’i Petera, natahotra ka dia niozona sy nianiana fa tsy mahalala ny Tompo.

Amin’izao Karemy na fandinihan-tena izao,  Simona Petera ny olona; ka Simona ve aho, Simona ve ianao, Simona ve isika ka tsy hahajoro amin’ny maha mpanara-dia an’i Jesoa?
Sa Petera ka tsy hivadika fa hiaina amin’ny fahasoavan’Andriamanitra, satria ny Tompo dia mahafantatra ny momba ny olony (Salamo 139)

Tsy nifarana teo amin’io fandavana in-telo io akory ry havana ny momba an’i Petera. Nitomany izy, menatra ny tenany, menatra an’i Jesoa Kristy ary niova, nataon’ny Tompo ho fiasam-pamonjena.

Fa ho setrin’io fandavana in-telo io dia nanaiky in-telo indray i Petera.

Raha niseho tamin’ny mpianatra teo amoron’ny ranomasin’i Galilia i Jesoa tao aorian’ny nitsanganany tamin’ny maty dia nanankinan’i Jesoa andraikitra.

 « Ry Simona zanakalahin’i Johany, moa tia Ahy ve ianao?
– Fantatrao fa tiako Ianao
– Ianao mahalala ny zavatra rehetra ka fantatrao fa tiako Ianao
Fahano ireo zanak’ondriko, aoka ianao ho mpiandry ireo ondriko.

Simona Petera, niverina ao amin’i Jesoa Kristy na dia efa nandà  aza, dia nanokan-tena hitory ho an’i Jentilisa (tsy mpino) [ Tamin’ny Pentekosta, 3000 isa ny olona natao batisa].

Taratasy faharoa nosoratany dia mampiseho ny fitondrantena mendrika ny Kristiana, ary ny niafarany dia maty maritiora.

Ka na dia fahafatesana aza tsy nahasaraka azy tamin’ny ftiavan’i Kristy.

Koa anio ary, fiangonana miasa, nandà, niodina, miverena fa Kristy efa nitondra ny fahadisoana. Meteza indray hanolo-tena ho tia an’i Kristy; meteza hanavao ny fanekena an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy. Meteza ho olona vita fihavanana, fa ny fihavanana aminy no ahazoana aina, ny fanarahana azy no ahazoana aina.

Ny fiarahana amin’i Jesoa Kristy no ahazoantsika antoka ny FIAROVANA sy ny FIADANANA.

« Atolory an’Andriamanitra ny tenanareo toy ny olona efa maty no velona indray ary atolory an’Andriamanitra ireo zavatra anisan’ny tenanareo mba ho fiasana no entiny hanao ny marina » 

Raharijaona Vololona
Katekista


Lire aussi

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina

09/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2023 : Tsy ato Izy, fa efa nitsangana

Alahady 11 Aprily 2023, alahady Paska, mbola nibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« , ka nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 24 : 6a  » Tsy ato Izy, fa efa nitsangana « . Manàsa anao hiombona @izany fotoam-pivavahana izany :

02/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny sampan-drofia 2023

Alahady 02 aprily 2023, alahadin’ny sampan-drofia, alahadin’ny sampana Dorkasy eo @ sahan’ny FJKM, fanateram-bokatry ny Sampana Tanora Kristiana (STK). Ny hafatr’Andriamanitra nentin’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain dia araka ny Zefania 3 : 14-20 «  4Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin’ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy. 15Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana