FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 28 Juin 2009:Vidio ny marina ka aza amidy, dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina

Toriteny Alahady 28 Juin 2009:Vidio ny marina ka aza amidy, dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina

Publié le 21 juillet 2009 à 12:07

Amin’ity alahadin’ny Vokovoko Mangan’ny FJKM ity dia ny Ohabolana 23:23 no raisintsika mba hakàna toro-làlana ho amin’ny fiainana kristianina :

« Manàna toetra mahatoky ka aza amidy izany, aza amidy koa ny fahendrena sy ny fanabeazana ary ny fahaiza-manavaka » na araka ny dikan-teny mahazatra antsika hoe :

« Vidio ny marina ka aza amidy, dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina ».

Izany teny izany ry havana no fanalahidy amin’ny anatra, ny toro-marika ary ny fanitsian-dàlana nataon’ny olon-kendry tamin’ny tanora sy ny zaza izay niandraiketany fahizany, ka mahatonga azy ireo tsy ho lavon’ ny toetra ratsy eo amin’ny fiainana, ka ho diso làlana, ary indrisy fa misy ny làlana izay sarotra iverenana satria manamarika manontolo ny tena, rehefa avy eo.

Ny fimamoana sy ny fidorohana

Ary isan’izany indrindra moa ny fidoroana sy ny fimamoana satria rehefa tonga amin’ny dingana faha dimy, satria moa tsy hanazava hoe inona no dingana voalohany sy faharoa, fahatelo, fahaefatra fa manandrana dia mizatra dia mankafy dia midoboka tsy afaka intsony dia efa feno alikaola ny rà dia tsy afaka miala intsony ianao ny dikany, ary mandrapahafatinao ianao dia alikaolika, izay ilay hoe tsy afaka miverina intsony, ary midoroka, mitsindrona zavatra sy ny rehetra rehetra io dia mety mitsahatra ianao tsy manao an’izany intsony fa ny any amin’ny toe-batanao sy ny toe-tsainao dia voamarik’izany fidoroana izany, izay ilay hoe tsy afaka miverina intsony.

Indrisy fa misy toe-javatra ohatra izany, ary mba tsy hitrangan’izany indrindra no nitenenan’ilay olo-kendry mpampianatra, izay mpitaiza tanora, satria moa itony Ohabolana itony, raha teo amin’ny fiaraha-monina Israelita no resahina dia matetika na raim-pianakaviana no miteny azy amin’ny zanany, mitovitovy amin’ny malagasy ilay hoe « takariva amorom-patana » na any amin’ny toeram-panabeazana no anolorana azy ny tanora sy ny ankizy izay alefan’ny ray aman-dreniny mba hanovo fahendrena any amin’ireny sekoly ireny satria izany moa no sekoly tamin’ny fotoan’androny.

Ka itony teny itony no nanampy ny ray aman-dreny sy ny ankizy mbamin’ny tanora amin’ny fihetsika fototra tokony hananany mba tsy ho voafandrika, mba tsy hisaringom-boron-damba ny hiafaràny noho ny adalàna , noho ny fahadisoan’ny safidy teo amin’ny fiainana, satria izany moa no hiafaràn’ny olona mpidoroka rehetra ary mora fantatra vao mijoro eo hoe izao izy satria dia atsingonan’ny toetrany sy ny fahazarany izay tsy azony fehezina intsony aty aoriana.

Ny famaritana izany « fihetsika fototra » izany

Inona ary izany « fihetsika fototra » izany ? Indrindra ho an’ny tanora sy ny ankizy, na ny olon-dehibe koa aza izay mbola tsy voafandrik’izany. Hoy ny filazàna eto hoe : « Manàna toetra mahatoky » na hoe « vidio ny marina », ny teny lazaina hoe manàna na hoe mividiàna eto dia ilazàna fa misy ezaka tsy maintsy atao ary andaniana vola aman-karena, fotoana ary fanoloran-tena izany zavatra izany.

Raha nilaza aho teo hoe ny bokin’ny Ohabolana dia tany amin’ny sekoly izay notantànin’ireo olo-kendry mpampita ny sitrapon’Andriamanitra ary mpampita koa ireo fahendrena iraisam-pirenena (satria raha ny bokin’ny Ohabolana itony dia feno tenim-pahendrena izay mitovy betsaka amin’ny literatiora egiptianina na amin’ny ohabolana malagasy tsotr’izao fotsiny aza) dia misy fahendrena iraisam-pirenena ohatr’izany izay efa voasedra, ka iombona’ny betsaka ka tsisy tompon-tanindrazana intsony hoe avy ery ihany fa ny ahafantarana fotsiny hoe Israelita izy dia misy ny anaran’i Jehovah eo, mba ilazany hoe vokatry ny tany teo amin’ny fivavahan’i Abrahama no nipoiran’izany.

Ny tanjon’ny fahendrena

Fa eto izany hoe « Manàna toetra mahatoky na vidio ny marina » dia milaza izany ezaka tsy maintsy atao izany, ary io dia efa hitantsika ato amin’ny manerana ny bokin’ny Ohabolana, fa ohatra ao amin’ny toko faha-4, andininy faha-7 ohatra, vakiko hatramin’ny andininy faha -6 manao hoe : « Aza mahafoy ny fahendrena fa arovany ianao, tiavo izy dia hihambina anao , ny tanjon’ny fahendrena dia izao : mahazoa fahendrena, koa izay rehetra hanananao no ahazoy fahaiza-manavaka » na hoe « amidio ny fanànanao rehetra ahazoanao fahalalàna tsara » hoy ny dikan-teny hafa.

Ka io izany dia mila fahafoizana ohatra izany ary indrindra moa amin’ny androntsika ankehitriny dia mba efa fantantsika izany satria tsy maintsy mandoa vola ianao, tsy maintsy misy sarany entina mianatra sy manovo fahalalàna na hatrany amin’ny sekolim-panjakana aza dia handoavanao tahaka izany, ary indraindray dia be tokoa ny sekoly izay handoavam-bola satria miaro-tena rahateo.

Inona izany « toetra mahatoky » izany ?

Ka tsy maintsy miezaka izany ny ray aman-dreny handrindra ny ankizy sy ny tanora manovo an’izany fahamarinana, ny toetry ny olo-marina, izany no mahatonga azy handika eto amin’ny dikan-teny iombonana hoe : « Toetra mahatoky », satria tefena ny olona vao manana izany toetra mahatoky izany fa tsy hoe vao teraka dia manana an’izany akory satria ny toetra mahatoky dia ny fisedran’ ny fiainana, fifaneraseràna eo amin’ny fitondrana, eo amin’ny fiaraha-monina kely, eo amin’ny ankohonana, ny lehibe eo amin’ny fiaraha-monina.

Izany no ahitàna hoe manana toetra mahatoky ianao, mihazona ny fahamarinana ianao, fa tsy mamilivily izany na mandainga na mamitaka na mifetsifetsy satria raha ny marina ny mifetsifetsy dia toetra ny olona mandeha oazy, ary isika izay efa nitaiza zaza rehetra mahalala an’izany hoe « fa taiza àry no nianaràn’ity zaza ity mifetsifetsy izany fa izaho indray izy izany no tadiaviny hambakaina » sns.., satria zavatra mandeha oazy amin’ny olona izany.

Fa ny toetra mahatoky sy mahay ny toetra marina dia izany no ianarana, izany no tsy maintsy hamafisina ary ilaina tokoa izany eo amin’ny fiainana, ary izany no ampianarina antsika ankehitriny, isika tanora, isika mpanabe tanora sy ankizy rehetra mba ho izany no fenitra voalohany ilofosana, satria aty am-piangonana koa dia toeram-panabeazana tanora sy ankizy amin’ireo sampana marobe eto Ambavahadimitafo izay misy aza sampana tsy misy any an-kafa izay hitaizantsika sy hamolavolantsika ny ankizy, ary any amin’ny tokantrano kristianina izay misy antsika tsirairay avy, mba hanana izany toetra mahatoky izany eo amin’ny fiainana, satria rehefa manana ny toetra mahatoky dia tsy voafitaky ny rendrarendra, tsy voafitaky ny tombontsoa mihoa-paka, ary tsy mati-kanin-kely eo amin’ny fiainana, izany no haneken’Andriamanitra antsika ary tsy maintsy hahafoizana ny zavatra rehetra ahazoana izany toetra izany.

Ary inona nefa izany « toetra mahatoky » izany rehefa vahavahàna ? Ilay « toetra mahatoky » izany rehefa vahavahàna dia ireo ambany ireo no lazainy hoe : « Aza amidy ny fahendrena, ny fanabeazana sy ny fahaiza-manavaka », ny amin’ny dikan-teny protestanta eny am-pelatànanareo izao dia hoy izy hoe, avy hatrany dia tohizany eo hoe : « ny fahendrena, ny fananàrana ary ny fahazavan-tsaina », ireo izany no vidio, ireo zavatra ireo.

Ny famaritana ny hoe « fahendrena » :

Ny fahendrena dia tsy hafa fa raha fintinina dia fintinina dia ny fahaizana miaina ao anatin’ny toe-javatra anankiray ka hihazonanao hatrany ny fahamarinana tandrify an’izany toe-javatra izany, satria tsy mitovy

– ny fahamarinan’ny, ohatra izany olona tsaboina sy ny fahamarinan’ny dokotera,

– na ny fahamarinan’ny Mpitandrina sy ny olona izay entiny,

Betsaka ny fantatry ny dokotera no tsy voatery ho lazainy aminao marary eo satria fantany fa olona marary fo ianao ka raha vao tapitra ny fehezan-teny dia mihinjitra ianao. Ary tahaka izany koa pasitera efa nanao fianiànana fa tsy hilaza izay nambaranao taminy sy ny toy izany satria tsy afaka hiteny aminao hoe inona no lazain’ny vadiko taminao teo pasitera ? Dia pasitera tsy afaka hilaza an’izany eo, satria manana ny fahamarinany izy dia ny hoe mitàna tsiambaratelo ohatra. Ohatra izany koa ny dokotera, ohatra izany koa ny mpisolo vava, tsy afaka hitantara izay lazain’ny olona teo satria izany no asany, na ny mpitsabo, misy ohatra izany, ka izay no ataoko hoe samy hafa.

Fa ianao amin’ny maha olo-kendry anao dia hoe inona no toerako ? inona ny andraikitra ? ka noho izany ny toetra marina tokony azoniko eto satria izao no tandrify ahy dia izay no hiainako satria raha vao miala amin’izany aho dia tsy olo-kendry intsony, olona tsy mahatoky intsony, tsy azo hanomezana fahatokisana intsony ka hanaovana fampiraharàna, zavatra miantra aman’aina na manala-baraka na zavatra toy izany, izany ny fahendrena.

Ary tsy maintsy hianarana izany satria vidiana mihitsy izany, tsy azo fotsiny izany, ary izany no ilofosana amin’ny fiainana mba hananana izany fahendrena izany eo amin’izay atao rehetra, ary isika nilaza teo hoe « alahadin’ny Vokovoko manga » izao, ka isan’izay ny zava-doza efa miantra aman-koditra mihitsy fa tsy hoe mbola manambana, fa miantra eto amin’ny firenena, izany hoe fihanahan’ny zava-pisotro mahamamo sy ny fitombohan’ny olona izay mitondra faisana ny amin’izany zava-pisotro mahamamo izany, ary tsy izy tenany ihany, izy moa efa voa rahateo, efa mitsingidina fotsiny eran’ny làlana eny sy ny toy izany, fa ny vady aman-janany mitondra faisana, ny toeram-piasàny na ny inona, ny fiaraha-monina koa mitondra faisana amin’ny tabatabany, milelalela amin’ny folo alina sy amin’ny firy eo, ny fokontany, ny lehiben’ny fokontany sy ny vaomieran’ny fandriampahalemana sns… dia voakorontana daholo.

Dia ny fahendrena no ahafahana misoroka an’izany satria ny olo-kendry, ny ankizy endry, ny tanora endry dia afaka mamaly ny fitaoman-dratsy ataon’ny namany satria ny namana moa amin’ity fisotroan-toaka ity : « ialahy koa lesy sarim-bavy mihitsy, io kely io leity tsy maninona io, zavatra io ve ahafaty an’ialahy, izaho àry ity eran’ny vera ity tsy maninona », ohatra izany, dia iny mba tsy ho sarim-bavy ny tena dia iny hisotro eo ; « ity àry lesy vehivavy jeren’ialahy mamely », dia resy eo dia avy eo nefa rehefa resy eo dia hihomehezan-dry zalahy, izy angaha hanavotra anao eo akory, misy ary tsy manatitra anao hatrany, izay tsara fanahy indrindra no manatitra anao any dia mifanatinatitra mandrapa-alin’ny andro eo, dia hoe mba aterin’ialahy indray izaho izao fa izaho nanatitra an’ialahy, dia izany no iafaràna, satria ianareo no tsy nànana ilay fahendrena.

Ilay fihetsika fototra, izay manko ilay nolazaiko teo hoe misy fihetsika fototra, fomba fiteny fototra hoe, rehefa ataon’ny olona an’izany tokoa moa ianao hoe ianao sarim-bavy tsy mba mihinana ? an an an, ny ahy ny maha tovolahy ahy sy ny maha tovovavy ahy tsy misotro an’iny akory fa andao hanao « cross » dia hita eo izay lahy sy vehivavy, na andao hanao « basket » na andao anao an’izao, fa tsy hoe hisotro an’iny no maha lehilahy sy maha vehivavy.

Satria araka ny nolazaina teo, ny fitsofoan’izany zavatra izany matetika any amin’ny vatana dia mahatonga ilay vatanao tsy ho afaka amin’ny alikaola intsony, mahatonga ny toe-tsainao hiankina amin’iny sns…, dia tsy afaka intsony ianao ary mitondra faisana amin’izay, ary tsy hisy hanavotra intsony ianao, ary tsy avotra intsony araka ny tena fandehany aloha fa dia misy tonga any amin’ny fikambanan’ny olona alikaolika mba mifanampy na hoe « alikaolika anonyme » na anaty Vokovoko manga na ohatra izany dia mety hisy hanampy ihany ianao, fa ilay alikaolika lany iny akory tsy hoe afaka ny maha alikaolika ny sainao, io tsy afaka mandrapahafaty io fa dia eo foana ianao miady eo. Ary misy herim-panahy kosa izany, izay no maha mpivavaka, dia omeny herim-panahy ianao hanohatra izany, fa ny maha alikaolika tsy afaka.

Fahendrena sy fifehezan-tena

Ka noho izany mila Fahendrena be ity raharaha ity amin’ny fifehezan-tena sy ny fiatrehana ny fakam-panahy rehetra amin’izany, hoe inona no tokony hatao sy ny tsy tokony atao eto anatrehan’ity zavatra eto anatrehako ity, fa tsy izay ataon’ny olona no arahiko, na amin’ny fahalalàna olona izany na amin’ny fanandrakandramana sns… dia mila fahendrena be izany mba hahatonga anao hahatsiaro tena, ny fihetsika izay tokony atao sy izay fetra tsy azo hihoarana fa manimba ny tenanao ianao ary afa-baraka eo.

Hihomehezan’ny olona satria fandrihan’ny olona, ny olona ange ratsy loha e : « ah ! dadany ialahy ! ity ty izy fa hay ialahy tena izao » ; nefa izy ihany no hanala baraka anao rehefa avy eo. Izany ny olombelona, fa anjaranao ny manana ny toetra endry, mahalala ny fihetsika, ny teny ambara, mba tsy ny olon-dratsy indray no hanebaka anao sy hilaza anao hoe ianao no tsinontsinona nefa izy izao no olona mivarina an-kady dia ianao koa no hanao hoe andao hanao tsingolim-batita makany dia iny ianao hanao an’izany, nefa dia fahavoazana iray lavaka no aterak’izany ary indrindra araka ny filazan’ny olo-kendry eto, ny ray aman-dreninao no hiharan’izany fahavoazana izany, mivantana ho antsika ankizy sy tanora, ary ny fianakaviana, ny ankohonana, ho antsika olon-dehibe.

Vidio ny marina

Ary ny zavatra faharoa amin’izany hoe « Vidio ny marina » ankoatra ny fahendrena izay lazainy eto hoe Fananàrana izay voalaza ato amin’ny dikan-teny iombonana hoe « Fanabeazana », satria ilay fananàrana sy fanabeazana dia zavatra anankiray ihany, io dia ny famolavolàna toetra ao amin’ny olona anankiray satria tsy mahazatra azy izany ary tsisy manana an’izany oazy eny amin’ny tany hamamonina dia izy no : « an an an, aza manao an’io ianao, aza mikasika zavatr’olona mihitsy ianao raha tsy miera, satria raha mikasika ianao na nafindranao toerana ilay izy dia tsy tadidinao intsony sns.., dia tonga eo ilay olona dia tsy hitany intsony ilay izy dia sahirana izy, na ampiasainao dia tonga eo izy tsy hitany ny zavatra dia hoe nisy nangalatra, ka aza mikitika zavatr’olona ianao, dia isan’andro dia hoe tsy efa lazaiko ve ianao hoe aza mikitika an’io dia manjary mahatonga anao faingan-tànana, hikitikitika » ; dia alefa foana aloha izany satria ianao beazina tsy hikitikitika zavatr’olona aloha, nefa izany ny toetra fototra noforonina hoe tsy mikitikitika zavatr’olona raha tsy miera satria mampikorontana zavatra be dia be izany satria mety tsy hoe hangalatra ny ataonao teo fa hampiasa an’iny amin’izay heverinao hoe fampiasa amin’izay zavatra tsara anefa ny vokany avy eo ratsy amin’ilay olona natokany sy mpiandraikitra an’izany.

Ny fandrindràna ny fahaiza-mananatra

Mikipy rehefa mivavaka

Dia ohatra izany hatrany hatrany, andao ianao hivavaka, rehefa mivavaka ianao tsy mierikerika ohatran’ io fa mikipy mihitsy ianao, izay moa no anton’ilay hoe mikipy, ao amin’ny baiboly tsy misy hoe hikipy isika izao. Tsy biblika akory izany fa fanabeazana izany, ny an’ny katolika tsy tena mikipy izany mivavaka, ny sasany miandrandra, ny Jiosy miandrandra rehefa mivavaka sns…, fa fanabeazana izany, fananàrana no hikipina satria ny sasany mipihipi-maso olona fotsiny ny ataony, mihomehimehy, mananihany, ohatra izany, dia mba tsy hisy an’izany dia hakipy ny maso. Fa sao indray ny sasany mitady indray hoe aiza ny mikipy ato anaty baiboly, tsy misy ao, izaho àry izao nahita tampoka hoe mihipi-maso no hitako teo ato amin’ny baiboly satria tsy tao akory izany fa fanabeazana mba hahatonga antsika hahay hivavaka, hifantoka amin’ny vavaka sns…, dia hanana ilay fihetsika fototra rehefa atao hoe mivavaka, ary izany no mahatonga antsika tanora sy ankizy, hanarin’ny olon-dehibe, beazin’ny olon-dehibe. Kanefa isika moa no leo hoe, ianareo koa « be moral be» , isaky ny mihetsika dia izany foana, dia leo…

Ka marina aloha fa ny olon-dehibe koa aloha tokony hoe tsy isaky ny mihetsika misy vary iray mitsofoka any am-bava dia hananatra, mandram-piala eo ambony latabatra anatra foana, farany dia mody marary kibo tsy hiara-homana intsony ilay ankizy ka dia hanahirana ny mihinan-kanina… Kanefa misy fotoana tsy maintsy hifampitenenana ny amin’ny zava-dehibe eo amin’ny fiainana, fa tsy ity hoe mamatotra kiraro aby dia asiana anatra be hoe tsy efa teneniko ve ialahy hoe izao…

Fa ny zavatra lehibe eo amin’ny fiainana dia ny fitondran-tena, ny bokin’ny Ohabolana, ny fifandraisan’ny lahy sy ny vavy, ny eo amin’ny vola aman-karena, ny fanaovana ny asa aman-draharaha, izany betsaka amin’itony bokin’ny Ohabolana itony, ny dinidinika lehibe amin’ny fiainana rehetra mahatonga ny fiainanao ho vanona na tsy, dia tsy maintsy hifampiresahana izany, fa tsy hoe efa voa ny olona fa migadra, fa maninona, efa marary, tongavan’ny aretina tampoka noho ny tsy fahaizana mitandrina ny fahasalamana izay vao hoe hiteny…

Ilaina ny fifampitenenana

Ilaina izany ny fifampitenenana, zava-dehibe mihatra aman’aina ohatra izany, ka noho izany tsy misy tokony ho tezitra eo akory, raha tenenina amin’ny fanambadiana hoe izao, avy eo anefa rehefa mitranga ny tokoa dia mody fanina hoe tsy nampoiziko ! Inona no tsy nampoizina teo fa efa notenenina ianao… !

Raha nanao ny lohanao teo foana, heverinao fa hoe mandeha oazy izy ity dia mifanorokoroka eo dia samy vita… Fa tsy vitan’izany izy ity, ary efa notenenina ianao fa tsy nohenoinao, tsy nisy sofina nihaino intsony tamin’izany fa avy hatrany dia lasa ianao, nirintona ianao, nefa efa nampitandrina ilay olo-kendry tao amin’ny fianakavianao, ny zokinao, mety ho zandrinao akory àry iny, kanefa noho ny fahendrem-piainana dia izy hendry noho ianao ary mba niteny, mety ho dadabe sy bebe no niteny an’izany hoe : « mba tandremo lahy, tandremo ireny naman-dratsy ireny, tarihan’ireny ianao fa tsy ianao no hanova fo an’ireny fa ianao no hovàn’ireny, ireo manao adalàna, ny kara-panondronao no entiny any dia ianao koa no lasa any amin’izay tsy tokony aleha any amin’ny polisy any », dia izay ilay izy dia inona daholo dia ahoana indray no hanamboarana izany ? Satria ianao tsy mihaino anatra.

Ny fanabeazana dia natao hisorohana ny zava-dratsy rehetra ary mba hironana amin’ny zavatra tsara, mba tsy hisy fahadisoana izay azo ialàna nefa mbola hatao. Aiza moa no tsy hisy fahalemena? Be dia be ny zavatra eo amin’ny fiainana ange misy zavatra, fihetsika antapitr’isany tokony atao mandrapaha-fatinao. Izany ve moa ho vitan’ny fanabeazana daholo fa ny fiainana aza no ahitàna an’ izany. Arakaraka izay asanao indray aza no miova indray ilay zavatra, arakaraka ny adidinao miova indray koa ilay izy.

Kanefa tsy izany akory dia hoe hanabeazana daholo, fa ny zavatra lehibe iombonana ary misy fahadisoana efa fantatra izay tsy tokony hiatra amin’ny tena, dia izany kosa azo ianarana.

Mila mpanabe

Ka noho izany dia zava-dehibe izany fananàrana na fanabeazana toetra vaovao mahatoky ao amintsika izany, ataon’ny mpanabe isan-karazany miatomboka amin’ny ray aman-dreny sy ny aty amin’ny fiangonana, ary izany no tsy tokony koa handosiran-tsika olon-dehibe andraikitra. Misy koa olon-lehibe mantsy, dia vokatry ny… asa izay nanaovan-dray aman-dreniny azy tao aloha, nahazo fehikibo (izahay koa aloha nahazo fehikibo taloha, nofatorana mihitsy taloha), dia hoe ny zanako ny ahy aloha dia tsy ataoko an’izany ; ny iafaràny dia tsy hanànatra ny zanany mihitsy izy, tsy hanabe ny zanany intsony izy, tsy hanitsy ny zanany intsony izy, fa hoe izahay rangahy tsy hatao ohatran’ireny intsony, fa vao miteny eo ambony latabatra dia tehamaina, hoe : « mangina ialahy, tsy ialahy eto izao no miteny », didy jadona be ohatran’izany, izany angamba aloha azo amboarina fa izany akory tsy midika hoe dia tsy hiteny intsony, satria hoe ilay ray aman-dreny taloha efa loza be mihitsy, fa tsy hoe inona ; dia hoe ny zanako aty aoriana ve hataoko bàranahany be indray « dia ataovy leitsy dia… » misy ny zazakely manopa ny dadany, ataony ialahy ny dadany sady hopàny, sns… dia izany ve no fandehany indray koa ho antsika ray aman-dreny.

Amin’ny fotoana mety sy amin’izay tsy maintsy hitenenana

Ka isika izany amin’ilay mananatra, marina fa tokony hisaina sy handinika fa tsy hanorisory ankizy lava amin’izany fa amin’ny fotoana mety, sy amin’izay tsy maintsy hitenenana dia miteny, na ahoana na ahoana satria dia misy fitaizana sy fanitsiana tsy maintsy hatao, ary tokony ahalala an’izany ny ankizy, ary vidian-dafo izany, izay ilay hoe « Vidio ny marina », vidian-dafo rehefa lehibe vao any ianao vao hoe : « fa naninona ary aho no tsy mba nisy niteny », misy manko sahy miteny an’izany ary ny olona indray no omeny tsiny ; « izaho rangahy tsy nahalala izany, naninona ianareo no tsy niteny ahy, zao aho izao ‘ty voa, tsy avotra intsony aho ».

Ianao teo tsy nihaino, na ohatra izany, ka vidian-dafo ilay izy ; tsy voahavotra intsony. Misy moa ny sasany mba voahavotra ihany na dia fahadisoana lehibebe ihany aza. Fa misy vidian-dafo, ary tsy voavidy intsony dia manahirana izany. Ary izay no anton’ny fanabeazana, ny anton’ny hatao hoe fananàrana raha ny fitenin’ny Ohabolana, mba tsy ho tonga amin’ny toe-javatra hanenenana toy izany. Ary izay no ezahantsika kristiana hatao aty anatin’ny fiangonana ho an’ny tanora sy ny zatovo, hatao eo amin’ny fiaraha-monina, eo amin’ny fianakaviana mihitsy, dia tsy maintsy hatao izany mba tsy ho very ny taranaka, satria raha ny taranaka ankehitriny lasa mpisotro toaka, sy mpimamo daholo n’aiza n’aiza aleha… misy ange asa aman-draharaha tsy azo omena olona mpisotro toaka izany e, be dia be any amin’ny orinasa any, any amin’ny aéronautique any amin’ny asa rehetra any tsy azo omena olona ohatran’izany satria tsy mahafehy tena ; ilay concentration tsy mety intsony raha tsy mamely kely indray aza izy, na ohatran’izany, sns.. ary mivadika zavatra hafa ilay izy ; na hoe ny mpitondra ny firenenao aza hoe lasa ohatran’izany dia ahoana ? Dia hanahirana be mihitsy izany ; na ny fifampiraharahàna amin’izany aza tsy tadidiny intsony, hoe angaha izaho nanao sonia an’izany, very eo ny firenena fa nanao sonia izy satria nahazo ny whisky tena tsara, ilay marque tena amin’ireny… Izany tsinona no fanao, ary izany rahateo moa ny fanaon’ny tompon’andraikitra amin’ny relation publique amin’ny fikambanana rehetra, hoe inona ny fahalemen’ iny olona iny ? inona ny toaka tiany ? Izay no anontaniana voalohany hoe inona no vehivavy tiany, inona no izao ? Hitondray an’izay ary izy hamandrihana azy, dia omeo an’izay sady alefa ny resaka. Izany zavatra efa fantatra izany fa izany no fanao azy. Dia ny iafaràny izany tsy azo ianteherana intsony eto ; zava-dehibe ny fanabeazana, vidian-dafo izany ;

Ny fianarana ny fahaiza-manavaka

Ary farany dia hoe ny fahazavàn-tsaina, na ny lazain’ny dikan-teny iombonana hoe « fahaiza-manavaka » ; izany dia tena ianàrana mihitsy izany, ary dia vidian-dafo, tsy maintsy hampianarina ary tovozina any amin’ny toerana manokana izany fahazavàn-tsaina izany ary izay no hanaovana fahalalàna be dia be any amin’ny taranja isan-karazany hoe : histoire, géographie, ny fahaizana zava-boahary, philosophie, tenim-pirenena, grammaire, sns… ireny rehetra ireny ianarana mba hampisy fahazavan-tsaina, ahatonga anao afaka mandinika, mamakafàka, tsy mihinana ambolony, manao hoe : « inona no hanekeko an’io hoe eny ? Aiza aho no manao hoe tsia ? Aiza aho no mandravona an’izany hoe sady eny no tsia ? Na hoe tsia zato isan-jato sa eny zato isan-jato ? Nahoana aho no afaka miteny an’izany ?… »

Mahaiza manavaka tsara, izay no antony hianarana. Ary nahitàna ny olona nandia fianarana rehetra ny fahaizana mikirakira zavatra manahirana nefa hitanao izay hotenenina rehefa avy eo ho an’ny hafa, mahatombo ny fahalalàna ho an’ny hafa, na hitomboan’ny fahendrena ho an’ny olona hafa koa. Ary vidian-dafo izany satria izany fahazavan-tsaina izany no ahatonga anao mba tsy ho voafitaka intsony aty aoriana ; ary mahita hoe vao mihetsika ilay olona mitady anao dia efa fantatrao hoe izao no tadiaviny hatao, matoa izy miteny an’izany dia misy antony ; misy antony telo na efatra mety mahatonga azy miteny izany, ny anankiray amin’ ireo no izy, na ny anankiroa amin’ireo roa… satria ianao mazava saina, rehefa zatra zavatra betsaka eo amin’ny fandinihana, ary izay ilay hoe mahay manavaka, hoe : « ity olona miteny amiko ity ve hamitaka ahy ? », mody mandoka izy hoe « ah, ty mihitsy, ty mihitsy ! » ; ahoana no ahafàhanao manavaka hoe mitady hamitaka anao ? hamandrika anao ? ary fa raha ity indray miteny an’izany izy dia hampandroso ny fiainanao ? ary ny milaza zavatra tsy azonao an-tsaina fa tena fitiavany anao izany ary tsisy fitaka mihitsy ? raha misy zavatra mitranga rehefa avy eo, tsy ilay olona akory no namitaka fa ilay toe-javatra no mety tsy araky ny nampoizina, izany koa moa misy ; fa tsy nisy hoe namitaka anao teo. Ahoana no ahafàhana manavaka an’izany ?

Ary izany, fanomezana avy amin’Andriamanitra mihitsy ary izany satria itony fahendrena itony fahendrena niainana tao amin’ny fivavahana sy ny fahatahorana an’Andriamanitra dia fiandoham-pahendrena. Noho izany dia zava-dehibe, rehefa izany fara-tampony amin’ny atao hoe fanabeazana izany. Rehefa tonga amin’izany ianao dia tena afaka mandeha irery amin’izay ilay tanora tsy ilaina hanàrina lava intsony satria efa mazava ny sainy, efa hita « izaho tsy manao an’izany, tsy minàmana amin’ireny intsony, tsy miverina any intsony, hay izany ny toetran’ireny » ; izay ilay mahay manàvaka hoe ekipa mba mahafinaritra ve ireny sa taritary manarina an-kady, fantatra foana, « lay vehivavy iny zao foana no hataony, toa lany andro any foana aho, izaho tsy afa mianatra, tsy minàmana amin’iny intsony aho satria isan’andro dia minàmana foana dia eny foana ». Izy olona na tsy mianatra lesona io aza, vao mijoro ao am-pianarana izy henoiny fotsiny dia efa hainy ny lesona, any an-trano izy internet, mijery google sy yahoo rehetra ao, ny anao tsisy na kely aza.. Televiziona malagasy no mba jerenao, fa ngaha misy an’izany eo, ianao ambakainy mivezivezy eny fotsiny, izy manana boky firy, CD-rom firy, hafàrany any an-dafy any amin’ny zokiny.. ary ny anao ny zokinao aiza? Ka ahoana no iaràhanao aminy mandany andro ohatra izany.

Izay izany ilay hoe mahay manavaka, hoe mety amiko ve izany ataon’ity olona ity izany, koa nahoana ary izy mahay be ? Izy anie mahay be ry mama, eny e ! mahay be izy fa ianao vendrana, ianao tsy maintsy mianatra, mifehy tena amin’ny fomba hafa fa tsy mitovy aminy. Izay izany ilay hoe mahay manavaka ; inona no mety aminao amin’izany fa tsy izay mety amin’olona, ary ahoana no iarahanao amin’olona izany dia hanampy anao kokoa fa tsy hakàlozana. Zava-dehibe izany ry havana, satria raha izany no vita dia tsy hisy hanarina be intsony ary eto amin’ny resaka toaka sy hoe zava-mahadomelina izany, satria Alahadin’izany moa izany izao manerana ny sahan’ny FJKM. Fa dia mila ezaka avy amin’ny fiangonana, avy amin’ny ray aman-dreny, avy amintsika mpitaiza rehetra izany, mba hanao an’izany, satria efa mafy mihitsy ny manjo ny malagasy amin’ity resaka rongony.

Izaho mponinan’Ambavahadimitafo, izahay mifoka an’izany tsy fidiny eto an ! Fa dia tena mila fanabeazana mba ahafahana manavaka, ahitàna ny toetra mendrika ; izay moa ny hanaovantsika an’ilay hoe fiaraha-miasa amin’ny vokovoko manga ato amintsika hoe Tetik’asa mendrika, fa dia zava-dehibe izany ary mamporisika antsika rehetra ao amin’ny Tetik’asa mendrika fa zany hoe tsy very andro izany isika ao, raha manao ny asa. Tena manao ny asa tandrify ho an’ny tanora tokoa ary tokony mivelatra ho amin’izany satria ain’ity hoy rainin’ny manonja; tena zava-dehibe izany, miankina amin’izany ny ho avin’ny fiangonana sy ny firenena, fa raha tsy izany dia baranàhany eto isika ary maty ho azy eto ny firenena, satria firifiry moa eran-tany ny olona matin’izany fidorohana izany ary tsisy ho avy intsony amin’ny firenena hiatran’izany.

Koa dia enga anie isika rehetra ry havana, mba hiazona izany fahendrena omen’ny tenin’Andriamanitra izany ka hoy ny teny hoe « Vidio izany toetra marina izany, izany toetra mahatoky izany, ary aza amidy, aza omena olon-kafa, aza atakalozana vola » ; rehefa azonao izany toetra hoe fahendrena, fanabeazana tsara, fahaiza-manavaka ny ratsy sy ny tsara izany, aza atakalo vola intsony, efa lasanao aza omena intsony. Izay ilay hoe aza amidy, sao indray hoe vidin’ny olona hoe mialà amin’izany, nareo koa fanatique be, nareo koa mpivavaka be ; zany indray ary ny vavatsika an ! hoe rehefa mpivavaka be, fa atao ahoana indray ary izy ty.

Azony mafy izay hanananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao

Marina fa tsy hoe jamba sy tsy mieritreritra intsony fa ny toetranao tsara aza amidy amin’ny vavan’olona, amin’ny volan’olona, fa tazomy ho anao, fa rehefa lasan’olona iny dia izay ny anao, izay ilay lazain’ny Tompo hoe : « Azony mafy izay hanananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao ». Ary rehefa lasan’olona iny dia tsy miverina intsony, ary indrisy fa be amin’ny olona indrindra isika kristiana, izaho moa tsy mahalala hoe eto Ambavahadimitafo ahoana, fa nanana toetra tsara izao, olombelona antenaina anie izany ; namidiny re lay olona ilay toetra tsarany, zay no vita, tsy avotra intsony ny sasany ka hazony tsara izany fanabeazana tsara izany na hanebàhan’ny olona anao, hanaovany teny hafa, izy no tsy manana ; izy no tsy manana, ianao no rabirabiany.

Aza hamidy aza votsorana, tazomy tsara izany fa izany no hanavotra anao amin’ny toe-javatra sasany sarotra be eo amin’ny fiainana, izay eo no ahitàna ny tena olon-kendry. Raha miantsena etsy Anjohy ange tsy misy ahalalana izay olon-kendry izany akory, fa ho hita eo ny olon-kendry amin’ny fahasarotan’ny fiainam-panambadiana, ny fitaizany ny zanany, toe-javatra eo amin’ny firenena, andraikitra lehibe mampidi-kizo any amin’ny tany amamonina any. Eo ianao hita amin’izay hoe olon-kendry, misaritaka eo ambony ambany, hita eo ianao. Ka izay lay hoe aza amidy ilay toetranao, aza alàna ao aminao izany, aza atakalo toetran’olon-kafa izay tsy nahazo fitaizana ohatra anao ary mba tsy nandalo foana teto Ambavahadimitafo ianao izany nobeazina teto, ary firy aminareo hatrehako izao hatramin’ny mbola kely teto foana nefa hatramin’izao, ny sasany tanora no tonga, ny sasany efa lehibebe vao tonga amin’ny fitaizana nataon’ny Tompo taminao, aza atakalo izany.

Dia ho an’Andriamanitra ny voninahitra.

Dr Rakotoharintsifa Andrianjatovo,
Mpitandrina FJKM Ambavahadimitafo

*sary nalaina tao amin’ny
http://infaesapprentis.centerblog.net/2943671-PHILOSOPHIE-DE-L-EDUCATION


Lire aussi

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo « 

04/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy

Alahady 04 Febroary 2024, ankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy (AFFA), ka andinihin’ny FJKM lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mampitandrina amin’ny didiny Andriamanitra« . Ny mpitandrina Ranaivoson Andry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 1 : 4-8 « Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:5Hatry ny fony ianao tsy

28/01/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily

Alahady 28 janoary 2024, fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI), mbola andinihin’ny FJKM ny lohahevitra hoe « Lehibe ny voninahitry ny Tompo ». Ny mpitandrina Ranarimalala Nirina Harisoa no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5 : 16 : « 16Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa

16/01/2024 A la une . Antso sy filazana

Hafatra ho an’ny Mpandray – fifidianana Diakona 2024

Mifarana ny alahady faha-28 janoary 2024 ny fanavaozana ny karatra hiatrehana ny fifidianana Diakona. Hamarino ary fa any aminao ny karatra maha-mpandray miloko fotsy. Raha toa tsy mbola manana ianao dia ento ny sary roa ny alahady faha-28 janoary hahafahana manavao ny karatrao.