FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 27 Septambra 2009 – Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao

Toriteny Alahady 27 Septambra 2009 – Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao

Publié le 08 octobre 2009 à 12:10

Ho aminareo mandrakariva anie ry havana ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

46 Ary tonga tany Kana any Galilia indray Jesosy, dia tany amin’ilay nampodiany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray izay nanana zanakalahy narary tany Kapernaomy.

47 Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hanasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy.

48 Dia hoy Jesosy taminy: Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana hianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy.

49 Hoy ilay tandapa taminy: Tompoko, midina re, dieny tsy mbola maty ny zanako.

50 Hoy Jesosy taminy: Andeha mody; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain’i Jesosy taminy, ka dia lasa nody.

51 Ary nony nidina izy, dia nitsena azy ny mpanompony ka nilaza fa velona ny zanany.

52 Ary izy nanontany azy ny ora izay nanaretany. Dia hoy ireo taminy: Omaly tamin’ny ora fahafito no nialan’ny tazo taminy.

53 Koa fantatry ny rainy fa tamin’izay indrindra no ora nanaovan’i Jesosy taminy hoe: Velona ny zanakao. Dia nino izy mbamin’ny ankohonany rehetra.

54 Izany no famantarana faharoa nataon’i Jesosy, fony izy tonga tany Galilia avy tany Jodia.

Manantona antsika Andriamanitra

Ity fahagagana ity ry havana dia fahagagana faharoa nataon’i Jesoa Kristy taorian’ny nanovàny ny rano ho divay tao Kanà. Eto dia fahagagana iray goavana no hitantsika nataon’i Jesoa Kristy, inona no nitranga ?

Nisy zanaka tandapa iray izay narary mafy ary efa ho faty mihitsy, iny fa tonga avy any Jodia Jesoa ary niverina tany Galilia, mikaroka ny fomba rehetra izay mety ahasitrana ny zanany tahaka ny olona marary rehetra izay mitady dokotera rehefa tojo ny tsy fahasalamàna. Henony ny lazan’i Jesoa ka niezaka nanantona Azy nivantana izy, izay no nahatonga azy tsy nihanahana, niainga tao Kapernaomy ho any Kanà izay toerana roa tena mifanalavitra.
Ho azy ny fiverenan’i Jesoa ao Kanà dia heveriny fa fanantonan’Andriamanitra azy izay efa miandrandra ny famonjena sy ny fanasitrànana ho an’ny zanany.

Midika izany ry havana fa ny fanantonan’Andriamanitra antsika amin’ny alàlan’i Jesoa Kristy tonga olombelona dia làlana tokana izay ahafahantsika manantona an’Andriamanitra ary ahafahantsika mangataka ny famonjena izay tadiavintsika sy ilaintsika isan’andro isan’andro.

Fa tokony hisaotra an’Andriamanitra foana isika ry havana satria mbola miteny amintsika Izy amin’ny alàlan’ny teniny ary miandry antsika Izy mba hanantona Azy.

Matetika amin’ny fahitalavitra na amin’ny radio dia ahitantsika ny tenin’Andriamanitra dia iny isika milaza hoe an an an, izaho ange efa manantona an’Andriamanitra amin’ny alàlan’ireny teniny ireny ê! Nefa ny mitranga dia izao, Andriamanitra no mbola manantona antsika amin’ny alàlan’ireny teniny ireny, na ny hira ataon’ny antoko mpihira, na ny teny aty am-piangonana na eny an-dàlana eny na amin’ny fomba maro samihafa dia fomba iray hitenenan’Andriamanitra amintsika olombelona.

Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia ahafahantsika mahazo « famonjena » avy amin’Andriamanitra

Nanan-pinoana àry ity tandapa ity ka rehefa nihaona tamin’i Jesoa dia nangataka Azy hidina sy hanasitrana ny zanany teo ambavaonan’ny fahafatesana. Teo dia nisy tsy fahatombanan’ny finoany satria ity tandapa ity dia nangatahany mihitsy Jesoa hoe: andao mihitsy Ianao mahita ilay zanako marary fa efa ho faty anie izy ê! andao mihitsy Ianao mahita azy fa rehefa hitanao angamba izy dia mba hitanao hoe ohatry ny ahoana ny hanasitrànana azy.

Matetika mantsy ny mpitsabo dia manantona ireny olona marary ireny dia jereny hoe inona no tsy mety amin’ilay marary iny dia hoe izao izany ny fanafody; dia ohatra izay koa no nandraisan’ity tandapa ity an’i Jesoa Kristy, izany hoe teo izany aloha dia mbola tsy nanana ny finoana feno ilay tandapa.

Ny Tompo rehefa niteny dia ho an’i Jiosy rehetra amin’ny ankapobeny, ary nilaza fa ny toetry ny olombelona tsy mino raha tsy mahita kanefa izay toetra izay dia tsy ankasitrahany satria Izy efa nampianatra fa tokony hino vao ahita.

Misy tenin’Andriamanitra izay tiako hisarihana ny saintsika ry havana ao amin’i Hebreo 11, 1 amin’ny anaran’ny Tompo: « Ary ny finoana no fahatokiana amin’ ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita« .

Izany hoe rehefa mino ianao, na zavatra mbola tsy hitanao àry, dia fantatrao fa ho tanteraka, dia ohatra izay mihitsy amin’Andriamanitra, tsy voatery ahita akory fa na ilay finoantsika an’Andriamanitra àry na ilay finoantsika an’i Jesoa Kristy dia efa ahafahantsika sahady mahazo ny famonjena, ahafahantsika sahady mahazo ny valim-bavaka, ilay tandapa dia nino ny Tompo fa afaka hanasitrana ny zanany raha tonga teo an-doham-pandrinany. Izany eritreriny izany no tsy nahalavorary izay finoana izay kanefa ny nampitombina ny finoan’ilay tandapa dia ilay tenin’i Jesoa hoe: « andeha hody, velona ny zanakao« .

Rehefa niteny an’izay Jesoa dia naninona? Tsy nihanahana intsony izy fa tonga dia nandeha, ary izay no tsy nampitombona ilay finoan’ity tandapa ity, izay tenin’i Jesoa izay, izany hoe Jesoa koa izany dia mitsapa ny finoan’ny tsirairay avy, rehefa miteny ny Tompo hoe: « velona ny zanakao » dia tokony hino, raha isika izao no teo dia mety hiteny hoe: marina ve izany? aretina efa ahafaty ity ve dia mbola mety hositrana amin’izao fotoana izao?
Nefa rehefa Tompo no miteny fa sitrana dia tanterahany, rehefa ny Tompo no miteny hoe « tanterahako ity zavatra ity » dia tanterahany, ary eto dia mbola tsy misy porofo fa marina ny tenin’i Jesoa satria tamin’izany mbola tsy nisy finday na mail ahafantarana hoe tena nety ve ilay izy. Raha isika no teo dia niantso telefaonina, izay no aingana indrindra, hoe efa niteny hono Jesoa fa sitrana ny zanako fa mba jereo kely hoe! Jereo hoe nihafana ve ny hafanàny, ny aretina maro samihafa?

Tsy nihanahana anefa izy fa tonga dia lasa nody, ka rehefa nihakaiky ny trano izy ka notsenain’ny mpanompony amin’ny vaovao mahafaly dia tsy taitra intsony satria efa nino ny tenin’ny Tompo, ary ny tena nahavariana dia tamin’ny ora sy fotoana izay nitenenan’i Jesoa fa sitrana ny zanak’ilay tandapa no nampisinda tanteraka ny tazon’ity zanany; « ary ilay tandapa sy ny ankohonany dia nino ny Tompo« . Midika izany fa Andriamanitra dia miantso ny ankohonana hino sy hiara-hanompo Azy.

Any amin’ny baiboly tsy DIEM dia ahitantsika hoe nahita ny nahasitranan’ ilay zanak’ilay tandapa ny ankohonany dia niara-nidera sy nisaotra an’Andriamanitra izy.

Ahoana àry ry havana no niainan’ilay zanany ny fiainana andavan’andro?

Jesoa dia tsy manavakavaka olona anaovana fahagagana fa izay rehetra manantona Azy dia raisiny avokoa, izao kosa anefa, tsy mamaly antsika araka izay fomba tadiavintsika hamonjena antsika ny Tompo ohatra ilay nataon’ilay tandapa ato amin’ny andininy faha 47 tapany faharoa hoe mangataka Azy mba hanasitrànana ny zanany. Ny anjarantsika kristianina dia mangataka fa ny Tompo no manantanteraka sy manome ny fomba hanantanterahany ny fahagagana.

Mila manam-pinoana mafy isika kristianina ahafahan’ny Tompo manantanteraka ny fahagagany eo amin’ny fiainantsika

Indraindray isika rehefa mivavaka, rehefa mangataka zavatra amin’i Jesoa Kristy dia be ady varotra : raha izao Jesoa izaho no manana an’ity dia izao no anaovako azy, be famaritra be mihitsy, omen’i Jesoa ihany iny.

Fa izao, tsy anjarantsika mihitsy ny mandidy an’i Tompo fa ny ataontsika dia ny mangataka fa Andriamanitra no manantanteraka izany.

Tokony arahantsika ny fampianaran’ny Tompo fa tsy voatery mahita vao mino, izay dia tena hoe toetra anankiray tena tokony hampiavaka antsika kristianina amin’ny Jentilisa, dia ilay finoana an’i Jesoa Kristy.

Na ohatra mandalo fitsapana, satria ny fiainan’olombelona dia mandalo fitsapana matetika, na amin’ny resaka asa na ara-bola na ara-pahasalamàna dia izao anefa ny zavatra hita: ny olona mino an’Andriamanitra dia tsy mba taitra amin’ny fizahan-toetra, efa tena maro ny kristianina tena mandalo fizahan-toetra amin’ ny fiainana andavan’andro na dia hoe ao anatin’ny antsipirian’ny fiainana àry. Fa izao, hafa ny manompo an’Andriamanitra, mila manam-pinoana mafy isika ahafahan’ny Tompo manantanteraka ny fahagagany eo amin’ny fiainantsika.

Ohatra isika rehefa mangataka zavatra amin’ny ray aman-dreny na amin’ny olona tiantsika hoe izaho ve mba afaka mahazo an’izao? Misy zavatra angatahinao ohatra hoe izaho noana fa mba afaka mahazo goûter ve? Rehefa miteny ilay olona hoe « eny », andao àry, dia mino isika; ohatra izay mihitsy no hitondran’Andriamanitra ny fiainantsika, rehefa mangataka amin’i Jesoa Kristy dia mino.

Fijoroana vavolombelona tamin’ny zavatra nahazo an’izy mivady

Misy fotoana ry havana dia tena sarotra ilay mino satria misy toe-javatra izay tena hametrahan’ny Tompo anao hoe tena mino Ahy marina ve?

Eto ry havana dia ialako tsiny aminareo ny hijoroko vavolombelona eto.

Nisy zavatra nitranga taminay mivady tamin’ny herintaona, hisintomako ny saintsika rehetra ity zavatra ity. Efa sivy taona izay no atao hoe mitady zazakely angaha, efa sivy taona nanambadiana, dia mahatoky an’Andriamanitra foana.

Abrahama sy Sarah àry nahazo ka ahoana isika no tsy ahazo, izay foana ny teny, efa nakany amin’ny dokotera, natao ny analyse, tany am-pita, fa tsy nahazo zazakely, tamin’ny herintaona àry bevohoka, nomen’i Jesoa zazakely izahay, dia tena nisaotra an’Andriamanitra, Jesosy ô, misaotra Anao fa nivaly ny vavaka, satria bevohoka soamantsara.

Natao ny « echographie », echographe anisan’izay mba mahay eto Antananarivo anaky 5 hatramina professeur nanao echographie, tsy hita ny embryon… Dia gaga ianao, makany amin’ny Institut Pasteur ianao, miakatra ny « taux » an’ilay izy, izany hoe bevohoka ianao satria miakatra normal ilay « taux », anefa atao echographie, jerena tsy hita ilay izy.

Seigneur, je ne comprends pas mais j’ai confiance en Toi

Eo amin’izay àry ilay finoana, mino Ahy ianao sa tsy mino? Tena izay mihitsy ilay tenin’Andriamanitra tonga aminao, an an an Jesosy ô, matoa aho nomenao zazakely, matoa aho nataonao bevohoka dia mahatoky izany fa ataonao tonga hatramin’ny farany, tamin’izany kosa aloha dia mbola nisy ranomaso, hoe tsy mahazo mihetsiketsika eo am-pandriana mihitsy.

Malahelo ihany ny tena hoe dia sanatria ve Jesosy (izay ilay tsy finoana, mbola miraviravy tànana) dia ho sanatria ve Jesosy alainao indray? Dia tamin’izay niantso mpanompon’Andriamanitra, fa hoy aho hoe « Seigneur, je ne comprends pas mais j’ai confiance en Toi« , « tsy azoko, fa mahatoky Anao aho amin’ny zavatra rehetra ».

Izay teny izay no notazomiko, teny, tsy hita mihitsy ilay izy, kanjo efa heno hoe miha-marary ilay kibo, hoy ny vadiko tamin’izay, an an an, midira aty amin’ny « clinique » fa tonga dia miditra « réanimation » fa tsy mety intsony.

Nalahelo ny tena tamin’izany an, omenao ve Jesosy dia alainao indray! Izaho anefa mitory amin’ny olona hoe mila mahatoky anao, mila mahafantatra Anao fa dia, andao àry ê, tamin’izay dia nanao « fausse couche ».

An an an Jesosy ô, tsy maninona fa izay no sitraponao fa mahatoky Anao aho, ary izaho dia tsy hiala Aminao n’inon’inona.

Ny finoana an’Andriamanitra no tena zava-dehibe; afaka mangataka fahagagana ho an’ny namanao ihany koa ianao

Ny tiako hisintomana ny saintsika dia izao, tena mitsapa antsika Andriamanitra amin’ny fiainana andavan’andro, ao anatin’ny zava-tsarotra mahazo anao kanefa dia izao : ilay finoanao an’Andriamanitra no tena zava-dehibe; dia ny niafaràny izany dia izao, tsy nahazo zazakely intsony, tsy bevohoka intsony.

Fa izao anefa, ny zavatra tsapanay mivady dia ilay fiainana ny tenin’Andriamanitra ao anatin’ny fitsapana no tena zava-dehibe satria hery ho anay mihitsy ilay izy, dia ny fampianarana azonay tamin’izay dia hoe: anjaranareo mivady no mitondra am-bavaka ny olona ao anatin’ny fitsapana sy ny ady sarotra mahamay, misy fotoana tena tsapanao ny olona manodidina anao tena misy zavatra mafy an, misy aretina, misy olana arak’asa, anefa ny finoana an’Andriamanitra dia zava-dehibe.

Te hitarika ny sain’ny tanora ihany koa izaho ankehitriny an, matetika dia mety ho raisintsika hoe olana angamba ny tsy fahazoana vady, indrindra amin’izao vanim-potoana izao, na mety hoe olana arak’asa, na mety hoe olana ara-bola na mety hoe amin’ny tsy fahasalamana.

Tadidio fa ny finoana an’Andriamanitra dia ahafahantsika mahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra ary làlana iray ahafahan’Andriamanitra miaina ao anatin’ny fiainantsika zanak’olombelona, isika koa dia afaka mangataka fahagagana ho an’ny hafa.

Eto izao ilay tandapa nangataka fahasitranana ho an’ny zanany. Rehefa tojo ady sarotra ianao dia tadidio an, fa misy olona any mitondra am-bavaka anao, ahafahanao mizaka ny olana izay mianjady aminao, dia ohatra izay koa, rehefa tsapanao hoe mitondra am-bavaka anao ny olona, dia ahoana koa?

Ianao koa izany an, tokony ahay hatsapa, afaka mangataka fahagagana avy amin’Andriamanitra, tsy voatery hoe ho anao ihany an, fa ho an’ny ankohonanao, ho an’ny mpiara-miasa aminao, ho an’ny mpiara-belona aminao, ho an’ny mpiara-mivavaka aminao.

Manao zava-mahagaga Jesoa Kristy ary tanterahany izany

Mila mitady ny finoana ny kristianina mandrapa-hazo ny valim-bavaka, matetika ny valim-bavaka tadiavintsika amin’i Jesoa Kristy dia izao, ilay valim-bavaka ataontsika hoe « positif » foana, hoe izaho an, raha vao mangataka hoe ho afa-panadinana, dia manao hoe matoa aho mangataka dia tsy maintsy afa-panadinana aho izany! Nefa ny tsy fahafahana fanadinana mety koa valim-bavaka omen’ny Tompo antsika, mety tiany hanao révision be be kokoa isika, mety tiany hanantona Azy be be kokoa isika fa isika no mila mangataka Aminy hoe : Tompo ô, inona moa izany ny mety ho sitraponao amiko? Ahoana no mety ahatanterahako izany teninao izany?

Indraindray koa, matetika mitranga ity tranga iray ity hoe an an an, izaho tsy hiasa fa tsy ho avy eo ve ny vola! An an an, omen’Andriamanitra saina isika, omeny tànana isika mba hiasa, mba hanao ny asa andavan’andro araka ny nanaovan’Andriamanitra antsika.

Manaporofo izany ry havana fa Jesoa dia afaka manao zava-mahagaga amin’ny toerana izay tiany ary n’aiza n’aiza amin’ny fotoana rehetra.

Teny iraim-bava avy Aminy dia tanteraka ny zavatra rehetra. Misy amintsika manatrika eto, manana ny tsy salama, sahirana ara-bola na ara-tokantrano na arak’asa, manainga antsika « hino » Azy ny Tompo fa hanao fahagagana eo amin’ny fiainantsika Izy araka ny teniny hoe:

 » Izaho no Andriamanitry ny nofo rehetra noho ny zava-mahagaga izay tsy haiko fa Amen ».

Mpiandry Rabetsitonta Noro


Lire aussi

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo «