Toriteny alahady 27 mars 2011, fahatelo’ny Karemy
Toriteny alahady fahatelo’ny Karemy ary mbola handinihan’ny FJKM ny lohahevitra hoe : « Mifidy antsika ny Tompo »
Ny fifidianan’Andriamanitra dia tsy azo sarahina amin’ny fitandremana, mitandrina.
Ny teny nangalàna ny hafatra dia ny hoe : « Tsy milaza anareo rehetra Aho; fa fantatro izay nofidiko; fa mba hahatanteraka ny Soratra hoe : « Izay homana ny mofoko no nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy« ; Jaona 13;18
Jodasy dia nofidian’Andriamanitra, kanefa lasa fitaovana teo am-pelan-tànan’ny satana haminganana Ilay Mpampianatra nifidy sady tia azy.
Ny mpitandrina Rakotoniera Christian Eric no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’io alahady io.