FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 27 Desambra 2009 – Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy omeko ny hafa na ny fiderana Ahy ho an'ny sarin-javatra voasokotra

Toriteny Alahady 27 Desambra 2009 – Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy omeko ny hafa na ny fiderana Ahy ho an'ny sarin-javatra voasokotra

Publié le 08 février 2010 à 12:02

Mbola ampitomboina aminareo anie ry havana, ny fahasoavana sy  ny fiadanana avy amin’i Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Zanany, Amen.

            Amin’izao alahady anio izao dia izay ampahany amin’ny teny izay novakiana teo no handraisantsika hafatra, izany dia hitantsika ao amin’i Isaia 42, ka ny andininy faha 8 no horaisintsika. Eto moa dia ny baiboly protestanta no nakànay ny teny : « Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy omeko ny hafa na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokotra ».


Saro-piaro amin’ny voninahiny Andriamanitra :

Izany fanambarana izany ry havana dia milaza amintsika ny maha Andriamanitra saro-piaro amin’ny voninahiny ny Andriamanitra Izay tompontsika, ka tsy manaiky ny hampirafesina amin’ny andriamanitra tsy izy toy ny sampy sy ny sarin-javatra voasokotra. Ato amin’ny testamenta taloha ry havana dia avy amin’ny alàlan’ny anarana na teny no nanambaràn’Andriamanitra ny tenany, ka na rahoviana na rahoviana hanononana sy hiantsoana izany anarana izany dia eo Izy,  manatrika. Koa raha miteny Izy hoe Izaho no Jehovah dia miafina ao anatin’izany anarana izany ny asany, ny toetrany, ny mombamomba Azy. Izaho no Jehovah, izany hoe Andriamanitra Mpiaro ny mpanompony Izy. Izaho no Jehovah, izany hoe Andriamanitra manana fifandraisana lalina amin’ny mpanompony Izy. Izaho no Jehovah, dia midika hoe misy Aho, ary tsy hoe misy fotsiny fa Mpamonjy Izy, tsy mitoe-poana fa manatrika sy mitadidy ary manampy. Izany no antoka teo amin’ny zanak’Israely sy ny iraka rehetra manao ny asan’Andriamanitra, Andriamanitra Tsitoha izay mifehy ny lasa sy ny ankehitriny ary ny ho avy eo ambany masony.

Andriamanitra no mifehy ny olona fa tsy fehezin’olona, Izy no mitantana fa tsy tantànana, Izy no mandahatra fa tsy alahatra

Ry havana, ny fahatakarantsika ny herin’izany anaran’i Jehovah izany no tokony tsy hananantsika tahotra amin’ny fanantanterahana ny asa ampanaoviny, eny, fa na dia indraindray aza toa mamakivaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana izany.

Fa izay ampianarin’izao perikopa  izao amintsika koa ry havana dia izao: « ny fahatakarana an’Andriamanitra amin’ny fanompoana omeny ». Amin’ny alàlan’ny fanantanterahana izany asa fanompoana izany, izay zara-fanompoana omena ny tsirairay, no ahatsapana ny heriny, ny fiarovany, ny fiombàny. Ho sarotra amintsika ny manakatra an-tsaina fotsiny eo ivelan’ny fanompoana ny halalin’ny fifandraisana Aminy. Angamba fotoana izao ho antsika ny hanolon-tena bebe kokoa noho ny teo aloha, amin’ny fanompoana Azy, dia ho fantantsika bebe kokoa iza moa Jehovah !

Fa izay marihina koa ry havana dia izao : tsy olombelona no nanome ny anaran’Andriamanitra toy izay fanao amin’ny sampy fa Izy Andriamanitra no nanambara ny tenany, nilaza ny anarany, milaza izay hiantsoana sy hifandraisana Aminy, izany hoe Izy no mifehy ny olona fa tsy fehezin’olona, Izy no mitantana fa tsy tantànana, Izy no mandahatra fa tsy alahatra. Be dia be ny fisehoan-javatra mety tsy ho takatry ny saintsika vokatr’izany, kanefa noho ny fisian’izany mistery maro izany no maha Andriamanitra Azy.

Fa tao amin’i Jesoa Kristy kosa dia tao amin’ny nofo na ny vatan’olombelona no nanambaràn’Andriamanitra ny tenany. Ary izany fidiran’Andriamanitra tamin’ny nofo izany no manatsara bebe kokoa ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Tsy ny olom-boafidy irery no mahazo manantona an’Andriamanitra fa ny olona rehetra, ary tsy natao hoe mpanompo intsony isika fa zanak’Andriamanitra. Izany fahatakarantsika ny maha zanak’Andriamanitra antsika ao amin’i Jesoa Kristy izany no antoka ho antsika fa ny fiainantsika manontolo dia ao ambany fiarovana sy fitantànan’Andriamanitra ary mihoatra izay hitantsika amin’ny masontsika ankehitriny dia ny fiantohan’Andriamanitra ny fiainana ho avy. Koa na dia hampiasain’ny fahavalo handàvoana ny olon’Andriamanitra aza ny fahafatesana dia ampiasain’Andriamanitra kosa hiarovany ny olony ho eo ambany elany izany. Ary izany no mahatonga ny mpanompo mahatoky tahaka ny Apostoly milaza hoe « na fiainana na fahafatesana dia tsy misy mampiala antsika amin’ny fahasoavan’i Kristy ». Jesoa Kristy dia nampianatra antsika ny fifandraisana vaovao amin’ny mpiara-belona sy ny fifandraisana vaovao amin’Andriamanitra, koa ny mpiara-belona dia sakaiza azo iraisa-monina tsara amin’ny fikatsahana mandrakariva izay mahasoa azy ireny, Andriamanitra dia Ray azo hametrahana sy hanankinana ny fiainana manontolo, azo hivavahana sy hangatahina izay manery ny fo. Izany fampanankekezan’i Kristy antsika amin’Andriamanitra Ray izany no antoka amin’ny ho avintsika. Ary fantantsika tsara fa Andriamanitra mihitsy no manandratra ny anaran’i Jesoa Kristy ho ambonin’ny anarana rehetra, ka amin’ny anarany no handohalihin’ny lohalika rehetra na ny avy eny an-danitra na ny ety an-tany na ny eny ambanin’ny tany.

Matokia ny Tompo fa Izy no miantoka ny fiainanao manontolo

Jesoa Kristy mampianatra antsika ny fanompoana tonga lafatra ry havana, fa na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza Izy, dia tsy nataony zavatra ho fikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona. Ary rehefa hita fa nanantarehy olona Izy dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana. Ry havana, na dia nampianatra ny hangataka koa àry Jesoa, dia indray maka tsy novalin’Andriamanitra Rainy Izy Fa raha nangataka ny hanesorana ilay kapoaka mangidin’ny fahafatesana Jesoa, dia tsy nohenoin’Andriamanitra fa navelany hiharan’ny fahafatesana, dia ny fahafatesana mahatsiravina feno fahafaham-baraka teo amin’ny hazo fijaliana. Ny fanompoana dia tsy maintsy tanterahina hatramin’ny farany ary firifiry ny mpanara-dia an’i Kristy no maty martiora.
 
Nandalo fitsapàna ny Fiangonana tamin’ity taona ity, nanomboka tamin’ny tsy fahasalamàn’ny Mpitandrina izany ary niafara tamin’ny fahafatesany. Ry havana, matokia an’Andriamanitra fa mbola havoakany ho mpandresy isika. Ny hafanam-po tamin’ny fivavahana aoka tsy ho avotsotra fa mbola aseho ny voninahitr’Andriamanitra; fa Andriamanitra tsy olona ka handainga na zanak’olombelona ka hanenina, fa moa tsy efa nilaza va Izy ka tsy nefainy, ary efa niteny Izy ka tsy nitoviny.

Koa raha hamarana ity taona 2009 ity isika ary hiditra amin’ny taona 2010 dia matokia ny Tompo izay miantoka ny fiainanao sy efa nilaza fa « Indro Aho momba anareo mandrakariva ambara-pahataperan’izao tontolo izao ». Ho aminao anie ny Tompo, Amen.

 

RANAIVOSON Faramalala

 

 


Lire aussi

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo «