FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 26 avril 2009 : Indro, Andriamanitra Izay Tomponay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin'ny tananao, ry mpanjaka o ! Daniela 3:13-18

Toriteny Alahady 26 avril 2009 : Indro, Andriamanitra Izay Tomponay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin'ny tananao, ry mpanjaka o ! Daniela 3:13-18

Publié le 29 avril 2009 à 12:04

Dia mbola ho ampitomboina amin-tsika anie ny fahasoavan’Andriamanitra. Amena.

Ny bokin’i DANIELA 3 :13-18 no hifantohantsika amin’ity anio ity :


« Dia niteny tamin’ny fahavinirana sy ny fahatezerana Nebokadnezara, ka nasainy nalaina Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia nentiny teo anatrehan’ny mpanjaka ireo lehilahy ireo.

Dia niteny Nebokadnezara ka nanao taminy hoe: Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, no tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo amin’ny sariolona volamena izay natsangako?

Ankehitriny raha miomana ianareo amin’izay handrenesanareo ny fanenon’ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin’ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin’izay ho ao anatin’ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin’ny tanako izany?

Dia namaly Sadraka sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin’ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin’izany zavatra izany.

Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin’ny tananao, ry mpanjaka ô.

Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay. »


Mampahatsiahy io bokin’i Daniela io fa tompon’ny tantara Andriamanitra. Ary amin’izany dia afaka mitondra fanafàhana marina hatrany Izy. Ary izao perikopa manoloana antsika izao, ilay efa voalaza teo, dia mitantara ny famonjena mahagaga ireto hebreo 3 lahy rehefa natsipy ao anaty lafaoro misy afo mirehitra izy.

Ny finoana miorina ao amin’Andriamanitra dia mampandresy amin’ny zava-tsarotra

Raha hiverenana ny tantara dia izao : ao amin’ny Daniela 3 : 1 dia mampiseho an’ilay Nebokadnezara mpanjaka tamin’izany fotoana izany, manana ny maha izy azy, ny fiandriànany tamin’izany vanim-potoana izany. Noho izany indrindra dia nanorina sariolona volamena iray izy mba hatao Andriamanitra ivavahany, ary nihezinezina tokoa izany sariolona volamena izany, satria dia mirefy 34 metatra mahery kely ny hahàvony ary 3 metatra ny sakany.

Alaivon-tsika sary an-tsaina amin’izany andriamanitra volamena izany dia andriamanitra miezinezina tokoa satria ny firenena manodidina rehetra dia samy nahatàzana izany sariolona volamena izany. Rehefa vita ary izany fanorenan’ny mpanjaka izany, dia nantsoina avokoa ireo andrim-panjakana rehetra teo amin’ny firenena, ary isan’izany ny solotenam-panjakana, ny mpanapaka, ny governora, ny komandy, izany hoe ireo firenena dia novorina avokoa mba hanamàsina izany sariolona volamena izany.

Dia tonga ary ireto olona manan-kaja maro teo amin’ny firenena mba hanamasina izao sariolona volamena izao, ary tamin’izany dia nisy ny kabary izay nilazàna ny didy hoe : rehefa maneno ny feon-java-maneno, lokanga, valiha, anjomara sy ny sisa maro hafa, dia miankohoka mivavaka avy hatrany ny olona rehetra sy ny firenena rehetra. Izany no didy izay tsy maintsy naràhana, didy notanteràhina. Ary tao anatin’izany dia izao : rehefa mandà izany didy izany, manohatra tsy hanatanteraka dia hatao anaty lafaoro misy afo mirehitra.

Raha mijery ny and.7 amin’ity Daniela 3 ity isika dia voalaza fa rehefa maneno ireo zava-maneno samihafa ireo dia samy miankohoka nivavaka tamin’izany sariolona volamena izany avokoa ny olona rehetra, fa nisy kosa anefa tao anatin’izany Kaldeana anankiray izay niapanga azy telo mirahalahy , dia Sadraka, Mesaka ary Abednego, fa tonian-draharaha tao Babylona tamin’izany fotoana izany, fa hoe tsy niankohoka teo amin’ilay andriamanitra sariolona volamena izay telo mirahalahy, ary dia nambara tamin’ny mpanjaka izany zavatra izany.Ary dia akory ny hatezeràn’ny mpanjaka, satria tsy nanatanteraka ny baikony izy telo lahy ireto.

Teo anatrehan’izany ary, dia nampanantsoin’ny mpanjaka ary nanontaniany hoe fanahy iniana ve izao zavatra hataonareo ao. Ary tao anatin’izany moa dia nanome safidy ihany ny mpanjaka hoe rehefa maneno ny zava-maneno ka miankohoka dia milamina ny tantara, fa raha tsy izany kosa dia hovonoina ao anaty lafaoro ianareo telo lahy.

Manoloana izany fampitahorana izany, dia namaly izy telo lahy, araka izay voalaza ao amin’ny and. 17 hoe :

« Indro, Andriamanitra Izay Tomponay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin’ny tànanao, ry mpanjaka ô !»

Izany, ry havana, no fijoroana ho vavolombelon’ny finoana miorina tsara ao amin’Andriamanitra, fanantenana ao amin’Andriamanitra izay tompoin’izy telo mirahalahy, na dia teo aza ny fampitahorana sy fandràhonana ho faty, nihantra tamin’izy ireo. Tsy nivadika tamin’ilay Andriamanitra notompoiny izy dia ilay Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, nanorina izao tontolo izao, ilay Andriamanitra izay afaka miteny izao tontolo izao.

Jereo ary ny tohin’ny tantara : fa rehefa nandà tsy hiankohoka amin’izay sariolona volamena izy telo mirahalahy dia nafatotra ary tao anatin’izany dia nafanaina impito avy heny ny hafanàn’ny afo tao anaty lafaoro (izany hoe efa misy hafanàna mahazatra). Dia natsipy tao anaty lafaoro moa izy telo mirahalahy ; ary ny zavatra mahagaga anefa dia izao : izay olona nanipy azy ireo tao anaty lafaoro dia may kila, ary izy telo lahy kosa dia afaka nandehandeha, nivezivezy tao anaty lafaoro. Ary nisy ko sarina zanak’olona anankiray, entina milaza izay niaraka tamin’izy ireo.

Izany, ry havana ny valin’ny finoana izay miorina marina ao amin’Andriamanitra. Ry hava-malala ao amin’i Tompo, moa isika sahy mijoro tahaka izany fa

– Ilay Andriamanitra izay ivavàhan-sika dia mahavonjy antsika.

– Efa tsapan-tsika ve ny vokatr’izany finoana izany eo amin’ny fiainan-tsika ?

Tsarovy fa izy telo mirahalahy dia tsy mba nivadika tamin’Andriamanitra na dia nampitahorina fatratra aza, tsy mba niala tamin’Andriamanitra fa nifikitra hatrany na dia teo aza ny fampijaliana satria manana ilay finoana niorina tsara, sady tsara fototra tao amin’Andriamanitra, ary izany no tsy naha-may azy, tsy nahafaty azy, ary nahavelona azy soamantsara.

Tsy midika hoe raisina am-bolony ny tenin’Andriamanitra

Tsy hanao fanahy iniana isika handoro-tena na hitsambikina anaty hantsana lalina. Ny tenin’Andriamanitra dia milaza fa na hisotro zava-mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany ; ka ao anatin’izany isika miseho manam-pinoana hande hisotro zava-mahafaty, hosotro asidra dia tsarovy fa tsy misy Andriamanitra izay hiaro, hanafaka antsika eo anatrehan’izany, satria safidin-tsika no hirotsaka ao.

Fa ny tiana hambara dia izao, rehefa tojo zava-tsarotra amin’ny fifikiràna amin’Andriamanitra noho ny finoana, mioripaka ao amin’Andriamanitra, dia Izy no manafaka antsika amin’izany zava-tsarotra izany.

Isika ry havana, amin’ny maha mpanompon’Andriamanitra antsika, raha tojo zava-manahirana :

– Moa mahafikitra amin’izany Andriamanitra izay ivavahan-tsika izany, raha sendra ny anjojay izay hataon’ny olona samihafa, moa sahy mijoro amin’ny finoana izany anànan-tsika.

– Moa tsy izany indrindra va, amin’izao vanin’andro iainantsika izao, feno tebiteby, feno ahiahy, satria rehefa hivoaka dia tsy fantatra intsony izay zavatra hiseho.

– Moa isika va mbola hanantena an’Andriamanitra hatrany manoloana izany zavatra izany, sao sanatria hanary toky, ary raha izany iza no azon-sika ianteherana ?

Matokia an’Andriamanitra

Koa fianarana ho antsika ary, rehefa mifikitra ao amin’Andriamanitra, rehefa mametraka hatrany ny fanantenana eo amin’Andriamanitra dia mandresy hatrany manoloana ny sarotra. Koa aoka ary isika, ry havana, hatoky an’Andriamanitra irery ihany. Aoka hametraka ny fanantenana amin’Andriamanitra. Ary ao anatin’izany dia arian-tsika izay endrika andriamanitra izay tsy mahavonjy akory ety amin’izao tontolo izao, afa tsy Ilay Andriamanitra, Rain’izao tontolo izao.

Ry havana malala ao amin’i Tompo, vao avy nahatsiaro ny Paska isika, endrik’ilay nandresen’i Jesoa ny fahafatesana, fandresena miezinezina ho antsika izany paska izany.

Te handresy ve isika ? Te handrava ny zava-tsarotra izay niantra eo amin’ny fiainan’izao tontolo izao ve isika ?

Tsarovy fa Jesoa Kristy no efa nandresy izany, ary antoka mampandresy antsika ihany koa, koa ny handràsana amin-tsika ary dia izao : ny fanorenana ny finoana amin’izany Jesoa Kristy izany, izany no antoka nampandresy, mampamonjy antsika amin’izay ankaso mety hisy ety amin’izao tontolo izao.

Enga anie isika, ry havana, manoloana ny zava-tsarotra rehetra izay hatrehan-tsika dia tsy hanary toky fa hifikitra hatrany amin’ily Jesoa Kristy efa nandresy ny fahafatesana, ary antoky ny fandresena ho antsika ihany koa.

Ho Azy ny Voninahitra fa ho antsika ny fampaherezana. Amena.

Rakotonoeliarimanana,
mpitandrina miza-draharaha
eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo

Image : http://www.keyway.ca/htm2002/shadmeab.htm


Lire aussi

01/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoreno ao amin’ny Tompo ny tokantrano

Alahady 01 oktobra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ ity volana ity « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana« , nanatanterahin’ny SAMPATI ny fanateram-bokatra ihany koa. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Genesisy 2 : 18-25 « 18Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. 19Ary tany

24/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mitoria teny @ firenena rehetra

Alahady 24 septambra 2023, alahadin’ny Fikarohana sy fandalinam-pinoana manerana ny FJKM; nentina ihany koa nanomezana vatsy ny mpitandrina Randriambinintsoa Onja niza-draharaha teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Mamarana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » isika, ka ny mpitandrina miza-draharaha Vola Soa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 24:44-49 « 44Dia hoy Izy

17/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiàsan’ny herin’i Kristy ao amin’ny mpanompony

Alahady 17 septambra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra », fanateram-bokatra sy nitondrana am-bavaka ny antoko mpihira Antsan’Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina miza-draharaha Volanasoa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Kolosiana 1 : 24-29  » 24Ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin’ny nofoko izay tsy vita tamin’ny

10/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AFF : Salamo 96

Alahady 10 septambra 2023, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Mitoria ny teny @ firenena rehetra », sy itondrana am-bavaka ny Asa Fitoriana ny Filazantsara eo anivon’ny FJKM. Ny mpitandrina  Voanginirina Solofoarohasina avy ao @ FJKM Sud Ambohipo no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Salamo 96 : 1-10 « 1Mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah; Mihirà ho an’i Jehovah

03/09/2023 A la une . AMA . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady ivon’ny faha-45 taona AMA

Alahady 03 septambra 2023, ibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » natokana hankalazana ny ivon’ny faha-45 taonan’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 7 : 1-11 « 1Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah: 2Mitsangana eo am-bavahadin’ny tranon’i Jehovah, ary torio

30/08/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana

45 taona AMA : Fanokanana trano heva

Ny ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO dia manasa antsika tsy an-kanavaka hidera sy hankalaza an’Andriamanitra ny Alahady 3 septambra 2023 eto am-piangonana nohon’ny voka-dehiben’ny fikambanana sy fanokanana ny tsangam-baton’ny fankalazana ny faha-45 taona, ilay « trano heva » fanaovana vokatra ao an-tokontanim-piangonana. Manantena ny fahatongavantsika maro ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

27/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao

Alahady 27 aogositra 2023, hamaranana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana », izay nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 9 : 22Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’izay ora izay. «  Andeha hiombona @ fanompoam-pivavahana :

20/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Aumonerie teto @ FJKM Ambavahadimitafo

Alahady 20 aogositra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , alahadin’ny Aumonerie Nationale, notarihin’ny mpitandrina Poget Helivao, mpandrindra nationaly, izay nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 17 : 8-16  » 8Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ny Isiraely tao Refidima. 9Dia hoy Mosesy tamin’i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ny

13/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja

Alahady 13 jolay 2023, alahadin’ny martiora, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , nitondran’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 16 : 28  » Ary Samsona niantso an’i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny

06/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.

Alahady 06 Aogositra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana aogositra ity manao hoe « Mijoroa amin’ny finoana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Hebreo 10 : 36  » Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. «  Andeha hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :