FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 25 Oktobra 2009 : Mikeleza aina mba ho olona voazaha toetra eo imason'Andriamanitra

Toriteny Alahady 25 Oktobra 2009 : Mikeleza aina mba ho olona voazaha toetra eo imason'Andriamanitra

Publié le 30 octobre 2009 à 12:10

Ho aminareo rehetra anie ry havana ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Ny tenin’Andriamanitra izay ho toriana amin’ity alahady ity dia araka izay efa novakiana teo ao amin’ny IITimoty 2, 15 vakiana araka ny dikan-teny iombonana :

« Mikeleza aina mba ho olona voazaha toetra eo imason’Andriamanitra ka ho mpiasa tsy mahazo henatra eo amin’ny asany, mamoaka tsara momba ny teny fampianarana mari-pototra ».

Fanazaran-tena

Ny mpanao fanatanjahan-tena rehefa hiatrika fifaninanana dia manao fanazara-tena, ary refesina avy amin’iny fanazara-tenany iny izay mety ho vitany ao anatin’ny fifaninanana ; dia toy izany koa ny mpianatra rehefa hiatrika fanadinana dia mianatra mafy, miezaka mampiditra ao an-tsaina ny lesona rehetra izay nampitain’ny mpampianatra tany am-pianarana mba ahitàn’ny mpampianatra izy hoe mahay izy rehefa hadinina ary amin’ny fotoam-panadinana izay hamerenany indray ny fahaizana dia mba ho afaka mamoaka tsara izany zavatra nianarany izany izy avy any anatiny any.

Fa toy izany koa ity andininy faha 15 amin’ny IITimoty 2 izay novakiantsika ity. Soratr’i Paoly ho an’i Timoty dia Timoty ilay tovolahy kely mbola tanora fanahy nefa napetraka hitondra Fiangonana iray lehibe tamin’ny fotoan’androny tao Efesosy dia afaran’i Paoly izy hoe tokony hikely aina fatratra mba ho voazaha toetra ary vokatr’izany dia hanana ny maha-izy azy izy eo imason’ny olona mba tsy ho teny foana ny teny ampianariny fa teny mari-pototra.

Andeha àry ry havana handraisantsika vatsi-panahy mba hampatanjaka ny finoana ka hatonga antsika olona voazaha-toetra, ity andininy ity ka omentsika lohateny hoe : « ny olona voazaha-toetra ».

Nikely aina ve ianao tamin’ny asa fanompoana?

Ahoana moa no hahatonga ny olona iray voazaha-toetra na hoe ahoana izany olona voazaha toetra izany?

Voalohany indrindra voazaha-toetra ny olona iray raha toa ka « mikely aina » amin’ny asa fanompoana.

« Mikeleza aina mba ho olona voazaha toetra eo imason’Andriamanitra ka ho mpiasa tsy mahazo henatra eo amin’ny asany, mamoaka tsara momba ny teny fampianarana mari-pototra ».

Izany hoe manao ny ainy tsy ho zavatra ; any amin’ny sehatry ny asa izao na fianarana ohatra dia misy ny « test » rehefa hiditra kilasy na handray asa vaovao ary amin’izay fotoana izay dia ho hita eo hoe mahatratra ilay fenitra takiana ve iny olona anakiray iny?

Ary mba ahafantarana izany dia tsy maintsy mikely aina izy mialohan’ny zavatra rehetra. Miezaka mifehy ilay asa na ilay fianarana ary amin’izany fotoana izany tsy misy fomba azo anaovana « masque » intsony hoe ho saromako kely an’ity vetivety aloha ny fahaizako sy ny fahalalàko mba ahafahako miatrika io fotoana io fa tsy maintsy hiseho ihany io rehefa avy eo satria ny olona voazaha-toetra dia tsy hoe indray andro ihany na in-droa ihany fa mandritra ny androm-piainany dia ho asehony foana izany toetra na fiainana voazaha-toetra izany.

Raha adikantsika eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izany, ampitahaina amin’ny fomba niainantsika izay fanompoana an’Andriamanitra nandritra izay andro niainantsika izay na izay fotoana nanombohantsika nivavaka izay, afaka manontany tena isika amin’ny asa maha-diakona, amin’ny asa maha-loholona, amin’ny asa maha-biraom-piangonana, amin’ny maha-mpandray fanasàn’ny Tompo, amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny sampana iray, amin’ny maha-olona tazaina, amin’ny maha-mpianatra sekoly alahady hoe nikely aina ve ianao tao anatin’izany rehetra izany ? Inona ny fikelezan’aina nataonao tao ?

Fa amin’ny dikan-teny hafa ity mikely aina ity dia hoe ataovy tsinontsinona mihitsy ny ainao manoloana ny anjara fanompoanao, tsy maninona mihitsy na mihena eo aza ny herinao noho io fanompoana ataonao io.

Dia izany ihany koa moa no nampaherezan’i Paoly an’i Timoty hoe « mikaroha tsara, mianara mafy manoloana ny fampianaran-diso izay tsy maintsy toherinao ary izany no hitenenany hoe « Mikeleza aina mba ho olona voazaha-toetra eo imason’Andriamanitra ».

Afaka misongona ny fampianaran-diso

Fa inona anefa no mampiavaka izany olona voazaha-toetra izany amin’ny finoana fa sao dia hoe voazaha-toetra fotsiny dia hijanona amin’izany ny olona iray !

Fa ny olona voazaha-toetra dia mpiasa tsy mahazo henatra amin’ny asany, « Mikeleza aina mba ho olona voazaha-toetra eo imason’Andriamanitra ka mpiasa tsy mahazo henatra amin’ny asany, mamoaka tsara ny teny momba ny fampianarana mari-pototra».

I Timoty araka ny voalaza tery aloha hoe olona mbola tanora fanahy kanefa Fiangonan-dehibe sy tanàn-dehibe no nasaina noentiny. Ary tamin’izany fotoana izany dia feno fampianaran-diso manodidina ny Fiangonana satria misy olona mitsangana manohitra ny fivavahana kristianina.

Vokatr’izany dia tsy maintsy misy fifandonana eo amin’izay mpitarika ny fampianarana entiny ary tsy maintsy misy adi-hevitra, fifaninànana, ary izay indrindra no mahatonga ity mampiavaka ny olona voazaha-toetra ity hoe mpiasa tsy mahazo henatra amin’ny asany satria rehefa voazaha-toetra izy dia afaka hisongona ireo fampianarana hafa izay misy eo amin’ny fiaraha-monina.

Tsy vitan’ny hoe milahatra fotsiny na miara-mandeha eo izany ianao sy ilay fampianarana fa tena afaka misongona mihitsy satria ianao olona voazaha-toetra, amin’ny fomba fiteny frantsay moa iz’io afaka tenenina mihitsy hoe « compétent » ianao, manana fahaiza-manao momba iny zavatra iny ianao, azonao fehezina avy amin’izany ihany koa.

Afaka manohitra ny fakam-panahy

Ny olona voazaha-toetra araka izany dia afaka manohitra ny fakam-panahy satria ny fampianaran-diso dia miteraka fakam-panahy ho an’ny olona anankiray hiala amin’izay fampianarana marina ka hivily ho amin’izany.

Isika ety amin’ny fiaraha-monina raha tsy hiteny afa-tsy ireo karazana antokom-pivavahana miezaka mandresy lahatra antsika eny an-dàlana eny, mitondratondra kitapo kely eny izy dia mitondratondra boky kely dia miteny anao hoe mba afaka hihaino ahy vetivety ve ianao ? Na indraindray tonga mandondona any an-trano mihitsy hoe avy izahay hitondra fampianarana ho anareo !

Raha toa ka olona tsy voazaha-toetra isika dia menatra mihitsy eo anatrehan’ireny satria lazainy hoe io fivavahana arahanareo io fivavahan-diso, tsy ianareo izany no voavonjy any an-danitra fa izay manaraka ity fivavahana ity ary izy dia miteny fa olona tato amin’ity fiangonana ity ihany fa nifindra satria tsy nahita an’Andriamanitra izy tato !

Raha tsy olona voazaha-toetra ianao tsy afaka manohitra izany fampianarana hoentin’ny sasany izany, raha tsy olona voazaha-toetra ianao dia ho menatra manoloana ny asanao satria mba mikely aina ihany ianao manompo an’Andriamanitra ato amin’ny Fiangonana FJKM nefa lazain’ny olona fa olona tsy ho voavonjy akory.

Fa ny fampianaran’i Jesoa Kristy milaza io olona tsy mahazo henatra amin’ny asany io ihany koa dia mira lenta amin’izany ihany satria ny azy ny valin’asa dia ao amin’ilay fanjakan’Andriamanitra ihany ary ny olona voazaha-toetra no hitenenany hoe :

« Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tamin-kely ianao dia tendrena mpanapaka ny be fa ny olona tsy voazaha-toetra tsy mba hahazo izany teny mamy izany satria ho menatra manoloana ny asany izy, hahazo henatra manoloana ny asany izy ka ho tenenina hoe mialà teto ianao, mivoaha any ivelany ary any no hisian’ny fitomaniana sy ny fikotroha-nify, any no misy ny fahamenàrana« .

Ny olona voazaha-toetra dia mamoka teny tsara momba ny fampianarana mari-pototra

Fa ny faha-telo hitantsika ato anatin’ity olona voazaha toetra ity dia ny hoe ahoana moa no fomba hanaporofonao any amin’ny fiaraha-monina hoe olona voazaha toetra tokoa ianao fa tsy lazalazaina fotsiny eo na misora-tena atao voatango ny olona anankiray fa valian’izao andinin’ny soratra masina izao hoe :

« Ny olona voazaha-toetra dia mamoka teny tsara momba ny fampianarana mari-pototra »,

« Mikeleza aina mba ho olona voazaha toetra eo imason’Andriamanitra mba ho mpiasa tsy mahazo henatra eo amin’ny asany, mamoaka tsara ny teny momba ny fampianarana mari-pototra »

Satria misy fampianaran-diso moa izany araka ilay voalaza tery aloha tao amin’ny tany izay noentin’i Timoty, saingy ny olona voazaha-toetra amin’ny finoana raha hanao teny ho entina manohitra izany fampianaran-diso izany dia tsy teny foana no entiny fa teny mari-pototra, ary ny teny mari-pototra amintsika dia ny Soratra Masina irery ihany.

Ary amin’ny maha-Fiangonana Protestanta Réformée antsika moa dia misy ilay teny faneva anankiray lehibe hoe « Soratra Masina irery ihany »

Hafatra

Ry havana malala rehetra ao amin’ny Tompo, izany ihany koa no hafatra ampitain’ny Apostoly dia ny hoe : « Raha misy miteny dia aoka izy hiteny toy ny milaza ny tenin’Andriamanitra » ary izany tenin’Andriamanitra izany no fampianarana mari-pototra izay iainantsika amin’izao fivavahana arahantsika izao.

Amin’ny fotoana rehetra izay ahatsiarovan’ny olona iray tena hoe miteniteny foana izy dia afaka mitsara ny tenany izy hoe izaho izany toa mbola tsy voazaha-toetra amin’ny finoana satria manjary miteniteny foana aho ka tsy ilay teny mari-pototra, tsy ilay teny avy ao amin’ny soratra masina, tsy ilay teny mendrika ho an’ilay olona voazaha-toetra no avokako.

Ry havana malala rehetra ao amin’ny Tompo ô, raha olona mbola tsy voazaha-toetra amin’ny finoana àry ianao mandre izao toriteny izao dia mikeleza aina, ataovy izay rehetra mety takian’ny Tompo ary takian’ny Fiangonana fa amin’izany dia omem-boninahitra ianao noho ny asa izay ataonao ary ny asanao amin’izany moa dia tsy inona fa ny fanompoana an’Andriamanitra.

Ary rehefa omem-boninahitra amin’izany ianao dia handova ilay fanjakan’Andriamanitra ary eny amin’ny fiaraha-monina dia tsy mba anisan’ireo mpiteniteny foana fa hiteny tsara, hiteny ny fampianarana mari-pototra ka ahatonga ny olona izay mandre azy ho isan’ny eo amin’ny valan’Andriamanitra indray handovany ihany koa ny teny fikasàna ny amin’ny fiainana mandrakizay,

« Mikeleza aina mba ho olona voazaha toetra eo imason’Andriamanitra ka ho mpiasa tsy mahazo henatra eo amin’ny asany, mamoaka tsara ny teny momba ny fampianarana mari-pototra ». Amen.

Mpitandrina mizaha-draharaha Harry


Lire aussi

19/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny

Alahady 19 Martsa 2023, fanompoampivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra noho ny faha-20 taona maha-mpikarakara ny trano fiangonana an’Andriamatoa RAKOTONANDRIANINA Tantely Arinarivo mianakavy. Mbola anatin’ny lohahevitra isika @ity volana ity manao hoe « Mamerina amin’ny fahamarinana ny Tompo ». Ny tenin’Andriamanitra notorian’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia araka ny teny faneva nofinidin’i Tantely mianakavy, araka ny Salamo 27,4

12/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny olona mendrika ankasitrahan’ny Tompo

Alahady 12 Martsa 2023, niarahana niombonam-bavaka tamin’ny fiangonana miara-mandroso FJKM Antenimbe, ka nitondran’izy ireo ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 10 : 25-37  » 25Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 26Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana

05/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny . Volana sy Kintana

Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.

Alahady 05 martsa 2023, mbola andinihina ny lohahevitra manao hoe « Mamerina ho amin’ny fahamarinana ny Tompo »; alahady nankalazana an’Andriamanitra koa noho ny faha-80 taonan’ny sampana Volana sy Kintana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Daniela 12 : 3  » Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay

19/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao

Alahady 19 Febroary 2023, nankalazana ny faha-10 taona naha-Sekretera Arsivista an-dRamatoa ANDRIANANTOANDRO Miary-Soa teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao @ Josoa 1 : 9  »  Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao « . Manàsa anao hiara-hiombona @izany fotoana

12/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!

Alahady 12 febroary 2023, natokana hitondrana am-bavaka ny Baiboly, ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 8 : 22-25 «  22Ary tamin’ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan’ny farihy; dia lasa izy. 23Ary

05/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho

Alahady 05 febroary 2023, andinihina ny lohahevitra FJKM amin’ity volana ity manao hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Zakaria 1:3 «  3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy

29/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana

Alahady 29 Janoary 2023, andinihana farany ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny fampianarana araka ny lohahevitra hoe « Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana ». Manàsa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :

22/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay

Alahady 22 janoary 2023, hitondrana am-bavaka ny FFKM, ary mbola handinihina ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 10:6-13 «  6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô;lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.7Iza no tsy hatahotra Anao, ry

10/01/2023 Antso sy filazana . Vaovao

Katekomena 2023

 » Atongilano ny sofinareo , ka mankanesa aty amiko, mihainoa dia ho velombelona ny fanahinareo… », Isaia 55 : 3 Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Araka ny efa nolazaina tamin’ny raharahan’ny fiangonana dia efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay manam – paniriana hiditra ho mpianatra katekomena amin’ity taona 2023 ity. Noho izany dia azontsika

08/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 08 Janoary 2023

Alahady 08 Janoary 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina miza-draharaha Tinarisoa Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra. Manasa anao hanaraka ny fotoana :