Toriteny Alahady 24 Janoary 2010, alahadin'ny Zanaka am-pielezana – Tena fantatsika ve Jesoa Kristy
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompontsika, amen.
Ny ao amin’ny filazantsaran’i Matio 16 : 13-19 no angalana ny hafatra anio ary hiompana amin’ny fanontaniana hoe : « Tena fantatsika ve Jesoa Kristy?«
Raha jerentsika ny andininy 13-15, dia misy fiheveran’ny olona maro hoe Kristy izany anie ka :
– Jaona mpanao batisa
– Elia hoy ny sasany
– Anankiray amin’ireo mpaminany hoy ny sasany
– … tsy fantatra loatra hoe iza moa i Kristy
Ary mandrak’ankehitriny dia mbola be no manontany hoe Iza moa Kristy?
Asa raha ianao io, inona no valinteny omenao. Fa tena fanontaniana tsy azo hidivirana ny hoe « Fantatsika ve Kristy? »
Fantatrao ve izay arahinao?
Fa manoloana an’izay, nitodika tamin’ny mpianatra kosa Jesoa : « Ary ianareo, manao Ahy ho iza? »
Antony roa no voalazan’ny mpandinika no mahatonga an’i Jesoa hanontany :
1 – te hanamafy ny finoana
2 – te hametraka i Jesoa hoe : « O ry ‘zalahy a, fantatrareo marina moa ‘ty arahinareo ‘ty? Fa hisy ady mafy hanjoa anareo, hisy zavatra sarotra hiatra aminareo. Ka raha handalo zava-tsarotra sy fisedrana nefa tsy fantatra akory izay arahina dia ho reraka, ho lany andro fotsiny ihany.
Ka tsy tian’ny Tompo ny fiheverana ny olona lany andro, ny mandeha « fa ho any, fa ho any », fa apetrany tsara hoe « Iza moa ity arahinareo ity »?
Tsy hoe fanatitranterana fotsiny ihany, fa fantatry ny Tompo tsara fa hisy zavatra hiatra amin’ny fanarahan-dia ny Tompo ka hoy izy « Fantatrareo ve izay inoanareo? »
Dia mitodika amintsika koa : ny Tompo tsy milaza hoe « rehefa miaraka amiko ianao dia tsy misy ny olana »; tsia.
Tsy maintsy misy ny fisedrana, ny ady lalovana, ka raha tsy fantatrao ny tena maha-Kristy an’i Kristy dia ho reraka ianao.
Fijoroana vavolombelona : ramatoa maty zanaka sy vady
Tsaroako, tamin’ny toerana anankiray, nandalo fahoriana ilay olona anankiray fa maty ny vadiny dia avy eo maty ny zanany lahy tokana. Dia raha nitomany izy dia tsy nataony hitan’ny olona akory ilay tomaniny fa tao anatin’ny mangina tao. Toa tsy rototra, toa tsy taitra akory izy, dia nametra-panontaniana ny olona satria gaga : « Fa maninona ianao no tsy taitra kely akory? Fa maninona ianao no tsy rototra kely akory? Fa maninona ianao no tsy mihorohoro? Fa maninona ianao no tsy manontany hoe dia ahoana ny ampitso?…
Nitsiky ilay ramatoa ary namaly hoe : « Satria fantatro izay inoako. Mandeha amin’ny fahafantarana aho ary tsy hamela ahy irery izao Jesoa izao raha mbola tany koa ny tany »
Mpanara-dia ny Tompo
Izy ity moa rehefa mbola tsy misy ny olana dia mbola samy be resaka daholo, fa rehefa tena mandalo zava-tsarotra mihavaka amin’izay : iza no tena mahalala ny Tompo? Iza no manaranara-poana?
Ary raha jerenareo ny Baiboly dia eto no fanambarana ofisialy sy manezinezina ary ampahibemaso nataon’ny mpianatra voalohany hoe : « Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona ».
Fa talohan’izay zany dia nanara-dia ny Tompo ny mpianatra, fa mbola tsy nanao filazana ampahibemaso hoe : « Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona ». Tahaka ny olona mbola tsy Mpandray ny Fanasan’ny Tompo io; manara-dia ny Tompo fa mbola tsy nilaza ampahibemaso hoe : « Izaho dia manaiky marina sy mino fa Jesoa no Tompo sy Mpamonjy ahy ».
Dia toy izany ny sarin’ny mpandinika : taloha ny mpianatra dia tahaka ilay olona niambina fa mbola tsy Mpandray ny Fanasan’ny Tompo, manao ny fomba fanao.
Fa hafa kosa ireo tena milaza fa mino an’i Kristy. Ary ny ny Andriamanita velona izay tompointsika dia Zanak’Andriamanitra velona.
Velona ao aminao ve Jesoa?
Tsapan’ny fiainanao ve fa velona Andriamanitra e? Sa mitovy amin’ny olona rehetra ihany ianao miatrika ny fiainana? Mba hita soritra eny amin’ny tsikinao ve fa velona Andriamanitra? Sa ianao koa ilay miketron-dava, mora antitra, miandry ny higadonan’ny fahafatesana fotsiny? Misy ange ny olona ohatr’izany e! Tonga ny maraina dia vohaina ny trano dia misasa, dia misakafo dia lasa miasa dia mihazakazaka be any, dia tezitra ny hariva, dia reradreraka, dia matory, dia…. Inona tsy miandry fahafatesana ve izany? …satria tsy mandeha amin’ny finoana.
Ka ianao, raha tena velona ao anatinao ny Tompo, raha sahy manao fanambarana ampahibemaso ianao fa « Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona », ataovy hita amin’ny fiainanao fa velona Andriamanitra ka manana fanantenana ianao fa tsy hihonona amin’ny toerana izay misy anao.
Petera
Rehefa tena mahalala an’i Jesoa Krsity marina ianao, dia ianao no atao hoe Petera.
Inona moa no atao hoe Petera? Petera dia midika hoe « ilay vatolampy, ilay vato ».
Ianao izay tena nahafantatra izay inoanao, izay afaka mamaly amin’ny fotoana reheta hoe « Tena velona ilay inoako, tena velona Ilay Andriamanitra ivavahako », dia ianao no vatolampy. Ary ny fiangonana no atao hoe petera eto. Ny fiangonana no manana ny fanalahidy.
Ao amin’ny fiangonana no misy ny famelan-keloka, ao amin’ny fiangonana no toriana ny famonjena.
Ilay Fanalahidy
Koa mipetraka ary ny fanontaniana hoe : « any aminao any, inona no fanalahidy? » Sao dia ny fanalahidin’ny trano sy ny fiara fotsiny no hanananao? Sao dia tsy hanananao ilay fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra e? Sao diso fidirana ianao?
Ny fanalahidy tsotra dia rehefa maty ianao dia mijanona iny; fa ilay fanalahidin’ny fiainana kosa dia ianao fiangonana, ianao ilay mahafantatra an’i Krsity, ianao mihitsy ilay fanalahidy hitory famonjena, hitory fanafahana.
Ry havako, fahefana lehibe no nomen’ny Tompo ny fiangonana, fa izay fehezintsika dia hofehezina any an-danitra. Izany hoe izay rehetra itoriantsika famonjena, dia tsy ety an-tany fotsiny izy no voavonjy fa any an-danitra koa. Ary ireo izay mandà, dia tsy hisy famonjena ho azy satria tsy ilay lakile tena izy no any aminy.
Fa tokana ny fanalahidy : ny fahafantaranao an’i Kristy ary hiorina aminao ny fahefana ho amin’ny famelan-keloka.
Ry zanaka am-pielezana Ambavahadimitafo, ry FJKM Ambavahadimitafo, aiza ny fanalahidinao?
Fa tsy tafiditra ny fanjakan’ny lanitra ianao raha tsy hanananao ny tena fahafantarana marina an’i Kristy, ilay Andriamanitra velona.
Fijoroana vavolombelona nataon’ny mpitoriteny
Misy fiangonana ahorinay any Andranomandry, 15Km mankany Anosy Beanala. Ny mponina any amin’ny resaka « gris-gris » dia tena tompony mihitsy; ary mahavita fahagagana ny devoly an! Tena mahavita! Izaho tsy hitantara izay zava-bitan’ny devoly, tsy izany no zava-dehibe.
Dia hotoriana ny filazantsara : vao mandeha amin’ilay tetezana aloha dia efa hazo tokana roa mampatahotra; eo afovoany ianao dia efa matahotra satria mihozongozona dia manao hoe « Andriamanitro ô mba tantano », satria raha latsaka ao anaty rano dia efa hafa ny dikan’ny hoe pasitera latsaka ao anaty rano. Zava-doza no dikan’izay ho an’ny olona. Ohatr’ilay any Tsiroanomandidy misy atao hoe « Ankadin’i mopera », satria nianjera tao ny 4X4 an’i môpera. Ka raha nianjera tao ny pasitera dia ho lasa hoe « Ranon’i pasitera ». Eo dia manomboka ny ady atrehina.
Vita ny vavaka dia izao indray no fanenjehana azo avy eo : « Iny pasitera iny mpangalatra taolam-paty, ataontsika afaka ny ain’iny, ataontsika tsy tonga aty intsony iny ».
Nefa …hanananay ny lakile, tonga izahay nitory ny anaran’ny Tompo. Avy eo nangina satria fantatsika Kristy, Ilay tsy mba mitaredretra amin’ny fitantanana ny olo-marina.
Fa ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany
Ry havana, enga anie ka tsy isika intsony no hanao hoe « ho an’izay andriamanitra tsy fantatra ». Fa enga anie ho fantatrao ilay Kristy namonjy anao, Ilay tompon’ny fahefana, ilay tompon’ny tantara, Ilay niteny hoe « fa ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany ».
Ho famaranana ary dia samy hifandray tànana isika ka hanao hoe « Arahabaina r’ise a, fa nahazo ny lakilen’ny fanjakan’ny lanitra isika »
Amen
RAKOTOARISON Solofo, mpitandrina