Toriteny Alahady 23 Aout 2009 : Marina amin'ny asany sy ny ataony Andriamanitra
Ho aminareo anie ry havana ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy Tompontsika. Amen.
Ny teny akantsika ny hafatra ry havana dia hitantsika ao amin’ny filazantsaran’i Matio 20, 1-16 izay efa novakiana tamintsika teo, hoentintsika amin’ny lohahevitra hoe : « Marina amin’ny asany sy ny ataony Andriamanitra ».
1 Fa ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony.2 Ary rehefa nifanekeny tamin’ny mpiasa fa ho denaria isan’andro ny karamany, dia nasainy nankany amin’ny tanimboalobony ireny.3 Ary nivoaka tamin’ny ora fahatelo izy, dia nahita ny sasany nitoetra foana tany an-tsena,4 ka hoy izy taminy: Mandehana koa hianareo hankany amin’ny tanimboaloboka, fa izay an-keviny marina dia homeko anareo. Ka dia lasa ireny. 5 Ary nivoaka tamin’ny ora fahenina ny fahasivy indray izy ka nanao toy izany koa.6 Ary rehefa tokony ho tamin’ny ora fahiraika amibin’ny folo dia nivoaka izy ka nahita ny sasany mitoetra eo, dia hoy izy taminy: Nahoana hianareo no mitoetra foana eto mandritra ny andro?7 Hoy izy taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy ralehilahy taminy: Mandehana koa hianareo mankany amin’ny tanimboaloboka.8 Ary rehefa hariva ny andro, dia hoy ny tompon’ny tanimboaloboka tamin’ny mpitandrina ny raharahany: Antsoy ny mpiasa ka aloavy ny karamany: atombohy amin’ireo taoriana ka vao hatramin’ireo voalohany. 9 Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin’ny ora fahiraika ambin’ny folo, dia nahazo denaria misesy avy izy.10 Fa rehefa tonga ireo voalohany, dia nanantena hahazo mihoatra izy; kanjo samy denaria misesy avy ihany no azony.11 Ary rehefa nahazo izany izy, dia nimonomonona tamin’ny tompon-trano ka nanao hoe:12 Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay, izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hainandro.13 Fa izy namaly ka nanao tamin’ny anankiray amin’ireny hoe: Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy marina aminao aho; tsy efa denaria va no nifanekenao tamiko?14 Raiso ny anao, ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena toraka ny anao koa.15 Tsy mahazo manao izay tiako amin’ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao, satria tsara aho?16 Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.
Fanoharana momba ny fanjakan’ny lanitra
Miresaka momba ny fanjakan’ ny lanitra Jesoa Kristy amin’ity perikopa ity. Fanoharana momba ny fiantsoana olona hiasa amin’ny tanim-boaloboka no entiny manazava izany. Andeha hodinihintsika izany fampianaran’ny Tompo izany mba handraisantsika ny hafatra momba izany fanjakan’ny lanitra izany.
Marina amin’ny asany sy ny famaliana izay ataon’ny olona nampiany Andriamanitra ka manome fahasoavana mitovy ho an’ny olona rehetra Izy. Mampianatra ny olona ho mihevi-tena mihoatra noho ny hafa.
Manome fahasoavana mitovy ho an’ny olona rehetra Andriamanitra
Jerentsika ny fizarana voalohany : «manome fahasoavana mitovy ho an’ny olona rehetra Andriamanitra ». Asehon’ny soratra masina eto ry havana fa mihevitra ny fiainantsika olombelona mandrakariva Andriamanitra. Ny zava-kendreny amin’izany dia ny hampiditra ny olona rehetra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Nifoha maraina izy ka nanantona ny olona hanakarama azy, nanao ny fifanarahana momba ny karama indray andro, rehefa avy eo dia nampirotsaka ireo olona ireo hiasa tao an-tanim-bolony. Amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany an’Andriamanitra dia tsy nionona tamin’izay efa nataony, fa mbola nivoaka nankany an-tsena indray tamin’ny ora fahatelo ka nahita ny olona sasany nitoetra foana teo tsy nanan-katao, dia nandefa ireo niasa koa Izy. Mbola nandeha toy izany ihany koa Izy tamin’ny ora faha enina, tamin’ny ora faha sivy ary tamin’ny ora faha iraikam-bifolo, izany hoe tamin’ny 9 ora maraina, tamin’ny 12 ora atoandro, tamin’ny 3 ora ary tamin’ny 5 ora hariva ; ary hoy Izy : « izay an-keviny marina no homeko anareo », itantsika tamin’ny andininy faha-4 novakiantsika teo. Tsapa amin’izany ry havana ny fikelezan’ain’ny Tompo amin’ny fiheverany antsika ary ahatsiarovana ny fampianarana nataony momba ny mpiandry ondry izay nandao ny ondry 99 rehefa nahinina ny anankiray ka very dia notadiaviny izany ary rehefa hitany dia faly izy ary nataony tamin’ireo namany.
« Tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo ».
Raha ny zava-misy iainantsika koa ry havana amin’izao fiaraha-monina iainantsika izao dia izay mitototo atsy sy eroa, mitady asa izay ahazoan-karama mba ho afaka mivelona. Ny mifanohitra amin’izany kosa no mitranga eto, fa ilay tompon’ny tanim-boaloboka no mandeha mikaroka ny olona ka nandefa azy ireny hiasa ao aminy satria nihevitra ny olona harany Izy. Ny fahafatesan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ry havana no porofo fara-tampony manazava ny fitiavany sy ny fiheverana antsika olombelona mba hamonjeny antsika. Fa etsy ankilan’izay kosa dia manao ahoana ny fihetsiky ny olona momba izany fanjakan’ny lanitra izany ? Eny, manantona tokoa ny olona atao batisa, manolon-tena ho katekomena, raisina ho mpandray ny fanasan’ny Tompo, atao mariazy eto am-piangonana saingy mampalahelo fa ny ankamaroan’ireny olona ireny dia lasa tsy manam-paharetana, lasa fombafomba fotsiny ihany ilay fanoloran-tena izay natao, ka rehefa azony izay nilainy dia tsy miraharaha intsony fa adino ny fiangonana. Sanatriavina mpanota tsy mahavaly fitia isika olombelona ry havana. Koa ankehitriny, tiana indray ny mampahatsiahy antsika fa mamporisika antsika hiasa tsara hatrany ao an-tanimboaloboka ny Tompo. I Jesoa Kristy ilay tompon’ny asa tsy mahazaka antsika midonanam-poana ka mamporitsaka antsika ho eo an-tanim-boalobony. Isika tsy maintsy miasa raha mbola atoandro ny andro, ary hoy koa Paoly Apostoly hoe : « Tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo ».
Ry havana, amin’ny maha kristianina antsika na aiza na aiza ny toerana misy anao na any amin’ny birao na any an-tsena na any an-tsaha na am-panasàna lamba na asa inona na asa inona no ataonao dia tokony ho vavolombelon’i Kristy isika mba hitaona ny asa hanantona an’ny Tompo. Amin’ny maha mpiasa antsika dia manana lehibe mifehy mitantana antsika isika. Marina tokoa izany, kanefa kosa dia tsarovy fa Andriamanitra ny mpampiasa antsika voalohany indrindra ary mahita ny asa ataontsika satria mpiara-miasa Aminy isika. Amin’ny maha mpiara-miasa antsika amin’Andriamanitra dia manao sy manantanteraka ny asantsika rehetra araka ny sitrapon’Andriamanitra isika, ny fanaovana izany dia fijoroana vavolombelona eo anatrehan’i Jesoa Kisty mba hahatonga ny hafa hanantanteraka ny asany am-pahatahorana an’Andriamanitra.
Marina sady tsy miangatra an’Andriamanitra
Ny fizarana faharoa ry havana dia mampianatra ny olona tsy hihevi-tena mihoatra noho ny hafa i Jesoa Kristy. Tia antsika ny Tompo, voaporofo izany teo amin’ny fitantanan’ny fampirotsahana ny olona hiasa sy hivelona ao an-tanim-bolony. Tsy vitan’izany fa raha vantany vao tonga ny firavàn’ny mpiasa dia nandoha ny karaman’ny tsirairay araka izay nifanarahana Izy. Hitany ny maha-marina sady tsy miangatra an’Andriamanitra, nanaiky ny handoha ny denaria ho an’izay miasa adin’ny 12 Izy ary nanaja ny fanekeny, nalala tànana tamin’ireo nanao asa kely koa Izy na dia niasa tapak’andro monja aza dia nahazo karama feno. Tsarovy fa tsara Andriamanitra sady mpanao ny tsara. Eto dia asehon’ny Tompo amin’ilay fampianarana ny fanao mety tsara indrindra amin’ny fifandraisana amin’ny hafa amin’ny lafiny ara-bola, raha vao mirava ny mpiasa dia naloha ny karaman’izy ireo. Hitantsika tamin’ny Ohabolana 3, 27-32 novakiantsika teo ry havana dia mandrara ny fomba tsy mety ataon’ny olona sasany amin’ny fifandraisana amin’ny hafa amin’io ara-bola io.
27 Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, Raha azon’ny tananao atao ihany;28 Aza manao amin’ny namanao hoe Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany hianao.29 Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.30 Aza miady amin’olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.31 Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay làlany akory,32 Satria fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin’ny marina kosa ny fisakaizany.
Ry havana, tsy mba fanaon’ny kristianina ny toy izany, aoka ho marina amin’ny fifandraisana amin’ny hafa isika mpino na dia voalazan’ny soratra masina hoe : « Fa any am-parany any dia ho tia vola ny olona ary ho tia tena », aoka mba tsy hihiditra amin’izany fomba ratsy izany isika kristianina. Ndeha àry hiverenantsika ny perikopa izay voavakintsika teo ao amin’i Matio 20, 11 dia ahitàna fa mimonomonona ireo mpiasa sasany satria mitovy ny karama raisin’ireo miasa tontolo andro sy ireo mpiasa izay miasa adin’ny iray monja.
Ity fimonomononana ity ry havana dia toetra mahazatra ny olona ka tsy hafenin’ny soratra masina ; ny anton’ny fimonomononana eto dia ny fialonana noho ny vola noraisina mitovy, nefa ny sasany miasa iray andro, ny sasany miasa tapak’andro, ny sasany miasa ora iray monja. Raha hoharina amin’izao andro iainantsika izao ny fiaraha-monina andavan’andro misy antsika tsirairay avy any ry havana, ny asa ataon’ny olona sasany ao anatin’ny tontolo andro iray dia miasa eo amin’ny Ar 3000 eo fara-fahabetsany, manomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva, raha misy kosa tonga amin’ny 2 ora tolak’andro ka hatramin’ny 5 ora na koa misy tonga amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 5 ora, izany hoe adin’ny iray fotsiny no hiasan’ilay farany raha hampitoviana ihany koa ny karamany dia tsy rariny izany amintsika olombelona raha masontsika tsy miangatra izao aza, nefa kosa rariny sy hitsiny izany amin’Andriamanitra satria izao fizaràna karama izao dia ahitàna fa tsy mba manao soa tapany ny Tompo, feno mandrakariva ny fanomezany dia ireny nifanarahana ho karamaina ireny ihany, kanefa na dia ireo niasa ora iray monja aza nahazo karama feno toy ny rehetra, ny denaria iray dia mampiseho ny famonjena.
Famonjena iray ihany ho an’ny rehetra
Famonjena iray ihany no noraisin’izay rehetra nofidian’Andriamanitra, na efa ela no nanompoana an’Andriamanitra sy ny naha kristianina azy na vao haingana, dia ireo tao anatin’ny minitra farany tao an-tsenan’ilay jiolahy no ninoany an’i Jesoa Kristy izay voahombo teo anilany, kanefa nitovy amin’ny famonjena noraisin’ny kristianina hafa ny famonjena izay noraisiny. Zava-dehibe amin’Andriamanitra ny halàvan’ny fotoana, fa ny fahatongavan’ny olona handray ny famonjena no zava-dehibe Aminy. Andriamanitra tia ny olona rehetra, mijery ny olona rehetra amin’ny maso mitovy, tsy mizaha tavan’olona mametraka ny olona rehetra ho amin’ny laharana mitovy sy ho amin’ny kilasy iray ihany eo anatrehany.
Samy mila ny famindram-pon’Andriamanitra ny olona rehetra, samy mila ny famonjen’Andriamanitra, amin’ny fotoana izay hamalian’ny olona ny antson’Andriamanitra ka hanekeny Azy na rahoviana na rahoviana, na amin’ny ora faha firy na amin’ny ora faha firy no hanomezan’Andriamanitra izany ka handraisan’ny olona Azy, noho ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny fahasoavany no ahazoan’ny olona izany fa tsy noho ny ezaka ataon’ny olona na noho ny fahamendrehana, hitantsika izany ao amin’ny Efesianina 2, 8-9 ; ry havana, ny famalian’ny antson’Andriamanitra amin’ny alàlan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy noho ny fibebahana no làlana ahazoana izany, izany no hevitry ny fanekena hirotsaka ho ao an-tanim-boaloboka.
Ny fitaoman’ny Tompo ny olona ho any amin’ny tanim-boaloboka no toy ny antson’Andriamanitra mitaona ny olona amin’ny ora sy fotoana rehetra hiditra ao amin’ny fanjakàny. Izay rehetra mamaly ny antso amin’ny ora faha firy na amin’ny ora faha firy dia mahazo fahasoavana mitovy, famindram-po mitovy, famonjena mitovy, fiainana mandrakizay sy fanjakan’Andriamanitra mitovy. Ny toetry ny olona miova fo takian’Andriamanitra, ohatra, tantaran’ny zanaka adala ry havana izay fantantsika loatra dia ilay ankizy niaina tao amin’ny fahasambarana, niaina tao amin’ny fiadanana teo anatrehan-dreniny nefa nangataka ny fananany, handeha, ary rehefa nangataka ny fananany izy dia nomen-dreniny ny anjarany dia nandeha izy, kanefa nanao ny fiovana rehetra izay nataony ary nanao ny toetra ratsy izay tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra, kanefa rehefa nahatsiaro saina izy dia niverina teo amin’ny reniny ary nifona teo anatrehan’ny reniny ary nandray azy tamim-pitiavana ny reniny.
Ary izany tokoa ry havana ny fitiavana izay nasehon’Andriamanitra, izany hoe fomba hanehoan’Andriamantra fitia hamonjy ny hafa, famerenan-jo amin’ny maha zanak’Andriamanitra, na efa ela ianao no niova fo na vao androany dia mahazo valisoa ianao, fa ny zava-dehibe ihany koa dia tokony hanapa-kevitra aingana dia aingana ny olona fa tsy hangatak’andro lava satria tsy fantatsika ny fiavian’ny Tompo, tsy tompon’ny fotoana isika, raha efa nandray ny famonjen’i Kristy ianao dia hazony mafy izany mba ho voalohany ianao fa tsy ho farany, te hanome ilay fanjakan’Andriamanitra ho amtsika rehetra ny Tompo, tsy izany ve no tena fitiavana ? Aiza indray no ahitàna izany, ao amin’Andriamanitra irery ihany.
Miandry antsika ny Tompo mba iasantsika ao amin’ny tanim-boalobony
Eto am-pamarànana ry havana, tsy misy diso anjara eo anatrehan’ny Tompo izay rehetra manatona Azy ka hivonona hirotsaka ho eo an-tanim-boalobony. Miantso antsika ny Tompo mba hiasa tsara satria manome valin-kasasàrana mitovy izy na dia tsy mitovy aza ny faharetan’ny fotoana nanompontsika Azy, ary rehefa nanaiky ny antsony isika, izany hoe na dia tsy mitovy aza ny fahatongavan’ny olona nandray sy nitory ny filazantsara eto amin’izao fiainana izao dia mitovy ny valim-pitia omen’ny Tompo. Ka ny zavatra andrasan’ny Tompo amintsika dia tiany handray ny andro lava hanana fahavononana sy hanaiky mba ho isan’ny hanana anjara ao amin’ny fanjakan’ny lanitra satria vonona hanome izany famonjena izany ho an’izay mamaly ny antsony Kristy. Alao hery àry, ka meteza hirotsaka ao an-tanim-boalobony amin’izao fotoana izao, izay hiantsony anao ; ianao ankizy na zaza: miangona, midira sampana sekoly alahady ahafahanao mirotsaka sahady amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, ianao tanora, aza variana mitomoe-poana fa manolora tena amin’izao fahatanorànao izao, fa tao amin’ny fahatanoràna Jesoa no nahatanteraka ny asa famonjena ka aoka ho fianarana ho an’ny mino ianao, ianao olon-dehibe, mandalo izao fiainana izao sy ny filàny, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay, ianao dadabe sy nenibe, miantso anao ny Tompo ka ekeo fa i Abrahama sy Sarah teo amin’ny fahanteràny vao nandre ny antson’Andriamanitra nefa tonga rain’ny mino izy rehetra, mirotsaha àry, mazotoa fa miandry antsika ny Tompo hiasa ao an-tanim-boalobony. Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amen.