FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny alahady 22 Marsa 2009 – "Aoka hisikina ny valahinareo, aoka hirehitra ny jironareo…", Lioka 12:35

Toriteny alahady 22 Marsa 2009 – "Aoka hisikina ny valahinareo, aoka hirehitra ny jironareo…", Lioka 12:35

Publié le 24 mars 2009 à 12:03

Ry havana malala rehetra ao amin’ny Tompo, hoampitomboina amintsika anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo.

Misaotra an’Andriamanitra isika noho ny amin’ity fotoana sarobidy ity, izay famaranana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-15 taona ny Sampana Fifohazana eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo.

Fanontaniana avy hatrany no omeko ny tsirairay avy. Nomarihina ny faha-15 taonan’ny sampana Fifohazana :

« Inona no fiantraikan’izay teo amin’ny fiainanao? » (Conférence tao amin’ny Akany Ralibera Daniel ny 22 Marsa 2009 hariva)

Ny tenin’Andriamanitra izay akana ny hafatra ho antsika dia ny ao amin’ny filazantsara nosoratan’i Lioka 12 : 35 : Jesoa Kristy no miteny, Jesoa no mibaiko :

« Aoka hisikina ny valahinareo, aoka hirehitra ny jironareo… « 

Baiko izay omen’i Kristy ny ondry vitsy (and 32 : « Aza matahotra ry ondry vitsy« ). Ary raha miteny ny Tompo hoe ondry vitsy, dia miresaka amin’izay olona tapa-kevitra hiara-dia marina Aminy Izy. Raha miteny Izy hoe ondry vitsy, dia efa voafantina izay ireo miaramilan’i Kristy.

Tsy azo atao ry havana ny manafina ny zavatra ambaran’ny Tenin’Andriamanitra, fa raha ny Soratra masina no jerena dia ny Kristiana rehetra no tsy maintsy miaramilan’i Kristy.

Joba 7 : 1 : « Tsy mpiantafika va ny zanak’olombelona etý ambonin’ny tany? Ary tsy tahaka ny andron’ny mpikarama va ny androny?« ,


Fanontaniana
: Ianao kristiana ve mba nomanina ho miaramilan’i Kristy sa tsia? Ho olona vonona hiatrika izany fiainana maizina eto amin’izao tontolo izao izany ve ianao sa tsia. ?

Ianao ve rehefa mandre ny baikon’i Kristy dia avy hatrany dia manapa-kevitra ny hanatanteraka izany? Sa ianao ilay milaza hoe: « tsy metimety amiko loatra izany tenin’ny Tompo izany, aloe ny sitrapoko ihany no atao ». Tsy ao anatin’ny ondry vitsy ianao raha izay.

Ny vanim-potoana iainantsika ankehitriny dia mitaky kristiana manana toetra miaramila, ka rehefa mibaiko Kristy dia manaraka avy hatrany fa tsy miazoazo akory. Izay no ambaran’I Kristy eto amin’ity Lioka 12; 35 ity .

Ataovy miova ny fiainanao androany, ka manapakevitra ianao fa ho miaramilan’i Kristy manomboka androany. Fa i Kristy tsy mila olona mbola misalasala , mbola miazoazo, fa olona tena mijoro eo anatrehan’ny zava-misy iainana eo amin’izao tontolo izao.

Andraikitry ny fiangonana ny mitaiza ny kristiana mba ho miaramila sahy miatrika an’izao tontolo izao.; mba tsy ho izao tontolo izao ihany no hanafika fa isika no hanafika izao tontolo izao.

1) Baiko anankiroa no omen’i Kritsy eto :

– « Aoka hisikina ny valahinareo »: mila kristiana vonona, mijoro ary mandeha. Ny teny hoe misikina valahina dia mampatsiaro ny baiko nomen’Andriamanitra ny zanak’Israely rehefa hiala tany Egypta izy, hiala tao amin’ilay firenena nanandevo azy. Izany hoe ny kristiana izay omena baiko hoe aoka hisikina ny valahinareo, dia kristiana manapa-kevitra fa olon’afaka izy, hiala amin’izay nanandevo azy, hiala amin’izay rehetra namatotra azy ary vonona handeha miaraka amin’i Kristy. Miaramila no resahana eto. Ny apostoly Paoly nahatakatra tsara an’io.

Efes 6: 14 : « Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra »

Misikinana fahamarinana, fahamarinana no atao fehi-kibo satria miaramila handeha. Ary rehefa milaza hoe handeha, dia handeha lavitra izany fa tsy hanao tourisme, hanatanteraka iraka lehibe.

Matetika rehefa miresaka fahamarinana, dia mitady hifangaro ny fahamarinana araka izao tontolo izao sy ny fahamarinana arakan’Andriamanitra. Ny fahamarinana resahina eto dia tsy fahamarinana ara-tsosialy sy ara-politika, fa fahamarinana ambony lavitra noho izany, fahamarinan’Andriamanitra.

Ny fahamarinan’izao tontolo izao dia fahamarinana iza mametraka ny fitiavana lalàna ho fepetra handaminana fiainana; izany hoe : izay diso faizo, izay ratsy petaho, maso solon’ny maso, nify solon’ny nify.

Ny fahamarinan’Andriamanitra, izay hisikinana anefa dia mametra ny lalàn’ny fitiavana ho fepetra handaminana ny fiainana; izany hoe : izay diso havela heloka, izay ratsy fanahy, hanarina dia atao sakaiza, ny mpanota tsy vonona na darohina fa vonjena mba ho afaka amin’ny otany.

Rom 5 : 8 – 11 : « Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.

Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin’ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin’ny rany isika.

Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina.

Ary tsy izany ihany koa, fa mifaly amin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny ».

Izany ry Havana no fahamarinan’ny fitiavan’Andriamanitra. Mandray ny olombelona mpanota, na dia mbola tsy nibebaka aza izy. Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana, tsy nibebaka akory ireo olona manodidina azy fa naneso azy, no nilaza hoe :

« Ray ô, mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony »

Ny fahamarinan’Andriamanitra dia mamela heloka na dia mbola tsy nihaiky heloka aza ny anankiray.

Raha nisy mpivady niady, mamelà ny heloky ny vadinao ianao, aza miandry azy hoe : « tsy maintsy mifona amiko iny aloha fa izaho kosa aloha tsy hanaiky; ela izay nanaovany ahy izay ».

Mbola tsy miaramilan’i Kristy ianao izay. Ny Miaramilan’i Kristy dia rehefa miteny Kristy hoe: mamelà heloka; na hiaky na tsy hiaky ny iray dia mamela heloka ianao avy hatrany.

Ny probleman’izao tontolo izao sy Madagasikara dia manana kristiana tsy manaiky an’i Kristy, tsy manaiky ny baikon’i Kristy. Izay no mampitarazoka ny problema eto Madagasikara. Mpiatsaravelatsihy ny ankamaroany satria mody kristiana.Rehefa milaza Kristy hoe mamelà heloka dia mamela heloka ianao.

Baikon’i Kristy, raha miaramilan’i Kristy marina : Aoka hisikina ny valahinareo, hisikina fahamarinana, fahamarinan’i Kristy, fitiavan’Andriamanitra. Mitia ny mpanota rehetra, tsisy havakavaka. Aza mandany andro mitsikera, aza mandany andro manaratsy, aza mandany andro hanameloka.

Mba alaivo sary an-tsaina kely ange, ao an-tokan-tranonao raha sahy ianao. Isaky ny mifoha maraina, mahita ny vadinao ianao :

– « Jereo ny tarehinao fa misolitika », dia lasa izy mba manasa tarehy; miverina avy any

– « Matsatso indray ity kafe nataonao ity »; rehefa hivoaka

– « Soloy hoy aho iny akanjonao iny fa tsy mety »; miverina avy any

– « Taiza indray no izao vao mody? »

Izany hoe na inona na inona ataon’ny vadinao, dia tsikerao ange izy. Hitombo ve ny fitiavany anao? Hoy aho hoe raha sahy ianao, ataovy. Fa rehefa ny olona no tsikerainao lava, omenao tsiny lava dia mihena ny fitiavany.

Tsy mba izay ny fitiavan’Andriamanitra. Ny fitiavan’Andriamanitra dia mitia ny mpanota rehetra. Fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika Kristy.

Ry Havana malala ao amin’ny Tompo, izay ilay fahamarinana mila sikinana, izay mila anao vonona handeha hiaraka amin’i Kristy isan’andro mba hampiova ny fiainanao sy ny fiainan’ny tokantrano misy anao ary ny fiainan’ny firenena manontolo

2) Baiko faharoa : « Aoka hirehitra ny jironareo« 

Izany hoe maizina izany izao tontolo izao ka mila jiro. Izaho sy ianao ange izay jiro zay e!

Mba fantatrao moa ny fomba hitenenana antsika kristiana eto ambonin’ny tany; hoy ny Soratra Masina : « Vahiny sy mpivahiny ianareo« . Tsy misy tompon-tany eto. Ny tena toerana misy antsika dia any an-danitra. Isika tonga ange dia vahiny na etranger, mandalo; tonga dia voamariky ny olona.

Raha misy vazaha mandalo, tonga dia voamariky ny olona, fa ianao hitan’ny olona isan’andro eto tsy misy mahamarika anao indraindray. Izay zavatra izay no tian’ny Tompo ambara eto. Izay toerana rehetra handalovantsika kristiana dia tokony ho gaga ny olona, ka hanontany hoe « fa iza iny, fa iza iny? »

Ny amin’ny maha jiro antsika, ny amin’ny maha fahazavana antsika dia miherika ny olona satria manaraka ny baikon’i Krsity.

Fahazavana isika ho an’izao tontolo izao. Kanefa mila mazava koa isika ao anatintsika ao.

Ohabolana 20:27 : « Jiron’i Jehovah ny fanahin’ny olona, itsilovana ny efitrefitra rehetra ao am-po.« 

Fanontaniana : « Mirehitra ve ny jiro ao anatinao ao? Miasa tsara ve ny fanahy izay ao anatinao ao hitsilovana ny efitrefitra rehetra ao anatin’ny fonao ao? »

Izany hoe, ao anatin’io fotsika io izany dia misy efitra na chambre be dia be. Ary ny efitra tsirairay dia milaza ny anaran’ny olona mifandray aminao : Barthelemy, Suzanne, Polette…

Izay olona rehetra fantatrao dia manana efitra manokana ho azy ao anatin’ny fonao.

Fanontaniana : Im-piry izay no nosakafanao ny efitranon’i Suzanne na Berthelemy na Polette…

Ohabolana 13 : 9 : « Ny fahazavan’ny marina dia tsara firehitra; [Heb. mifaly.] Fa ny jiron’ny ratsy fanahy ho faty.« 

Raha vao mankahala olona ianao na dia iray fotsiny aza, dia manomboka maty ny jironao; ary ratsy fanahy ianao izay. Mila mandinin-tena ka mandray ny tenin’Andriamanitra ka miova. Raha sendra ka nisy olona nankahalainao, mba tsy ho faty ny jironao, ny fanahinao dia manapà hevitra.

Amin’ny alàlan’ny vavaka no hitrotroana am-bavaka izay rehetra mety hoe malemy, tsy mahavita mamela heloka, dia mamela heloka anao ny Tompo mba ho velona ny fanahinao ka hiova ny fiainanao.

Eto am-pamaranana, tsy izaho ihany na ianao ihany, fa ny fiangonana iray manontolo mihitsy no mila manaraka ny baikon’i Kristy hoe « Aoka hirehitra ny jironareo« 

Isaky ny mandalo eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo aho, amin’iny làlana iny, dia izao foana no ampatsiahivin’ny Tompo ahy : ny maha Ambavahadimitafo an’Ambavahadimitafo dia tsy hoe misy tafo ny vavahady satria raha izay dia mitovy amin’ny tanàna manodidina ihany isika. Fa ny maha Ambavahadimitafo an’Ambavahadimitafo, raha ny hevitry ny Tompo momba ity fiangonana ity dia noraisina avy amin’ny hoe « mitafotafo« .

Ny hoe Ambavahadimitafo dia milaza fiangonana manan-karem-be amin’ny fahasoavan’ny Tompo, ka mila mizara izany. Mitafotafo hatreny am-bavahady ny harena amin’ny fahasoavan’Andriamanitra, amin’ny fitiavana, ny fifaliana, sns… Be dia be ny harenan’Andriamanitra napetrany eto amin’ity fiangonana ity.

Ny anjaranao , ny anjaran’ny fiangonana izany dia ny hanao izay hirehetan’izay eto amin’ny faritra manodidina, eny manerana an’i Madagasikara aza; mba ho fantatry ny olona fa izany Jesoa Kristy izany no mitarika izany fiangonan’Ambavahadimitafo izany ary dia afaka mizara ilay mitafotafo, misavovona be, mankany amin’ny toerana maro samihafa.

Izay fifohazam-panahy azonao teto dia manomboka zarao amin’ny hafa ka hotanteraka ilay baikon’i Jesoa Kristy manao hoe : « Aoka hisikina ny valahinareo ary aoka hirehitra ny jironareo »

Rakotobe Rajaomanjato,
Mpitandrina FJKM Ambohipo
Alahady famaranana ny faha-15 taonan’ny Sampana Fifohazana

*andinin-tsoratra masina nalaina tao amin’ny http://www.baiboly.org/


Lire aussi

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo « 

04/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy

Alahady 04 Febroary 2024, ankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy (AFFA), ka andinihin’ny FJKM lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mampitandrina amin’ny didiny Andriamanitra« . Ny mpitandrina Ranaivoson Andry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 1 : 4-8 « Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:5Hatry ny fony ianao tsy

28/01/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily

Alahady 28 janoary 2024, fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI), mbola andinihin’ny FJKM ny lohahevitra hoe « Lehibe ny voninahitry ny Tompo ». Ny mpitandrina Ranarimalala Nirina Harisoa no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5 : 16 : « 16Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa

16/01/2024 A la une . Antso sy filazana

Hafatra ho an’ny Mpandray – fifidianana Diakona 2024

Mifarana ny alahady faha-28 janoary 2024 ny fanavaozana ny karatra hiatrehana ny fifidianana Diakona. Hamarino ary fa any aminao ny karatra maha-mpandray miloko fotsy. Raha toa tsy mbola manana ianao dia ento ny sary roa ny alahady faha-28 janoary hahafahana manavao ny karatrao.