FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 21 Febroary 2010 – Ahoana no ahafahantsika mandray an'i Jesoa Kristy ho modely amin'ny fiainam-bavaka

Toriteny Alahady 21 Febroary 2010 – Ahoana no ahafahantsika mandray an'i Jesoa Kristy ho modely amin'ny fiainam-bavaka

Publié le 26 février 2010 à 12:02

Ho aminareo rehetra anie ry havana ny famindram-po sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Ahoana no ahafahantsika mandray an’i Jesoa Kristy ho modely amin’ny fiainam-bavaka ?

Fakam-panahy

Raha vao miresaka hoe Matio 4 isika dia mahazatra loatra antsika ny mandinik’azy amin’ny famahavahana ireo perikopa telo, ireo fakam-panahy telo izay nahazo an’i Jesoa sy izay fomba nentiny nanohitra izany fakam-panahy izany. Fa rariny loatra tokoa izany satria ny fakam-panahy mahazo ny zanak’olombelona dia manodidina sy mahakasikasika ireo zavatra telo ireo daholo.

1 – Mikasika ny nofo ny anankiray : rehefa mandeha miasa dia mitady vola, ny iafaràn’izany dia ny hikarakaràna ny nofo,

2 – Ny anankiray miresaka voninahitra ; ny ikelezan’aina amin’ity fiainana ity mba ahazoana voninahitra, isondrotana amin’ny kilasy misy eo amin’ny fiaraha-monina, eny amin’ny toeram-piasàna eny ary fomba firarian-tsoa mihitsy àry ho an’ny olona anankiray ny hoe « misondrôta voninahitra e ! » ;

3 – Fa ny fahatelo ihany koa momba ny aina, izay tenentsika matetika hoe « lahy tokana ny aina » ka dia tandremo tahaka ny fitandrina ny anak’andriamaso é !

Dia manodidina ireo anaky telo ireo ny fakam-panahy mahazo ny olona eto amin’ity fiainana mandalo ity, dia samy te handresy ireo fakam-panahy ireo daholo isika, dia nianatra an’i Jesoa Kristy hoe ahoana ny fomba nanoerany izany fakam-panahy izany ka nahatonga Azy ho Mpandresy tany tamin’ny farany. Ary izay no andraisantsika kristianina mandrakariva sy itondrantsika ny anarany hoe kristianina rahateo koa, dia ny ametrahantsika an’i Jesoa Kristy modely ho antsika amin’ny fiainam-bavaka ; fa izany no nahafahany nanoherana ny fakam-panahy ary rehefa manahaka Azy ihany koa isika dia hahatohitr’izany fakam-panahy izany.

Ary Jesoa dia nentin’ny fanahy nakany an’efitra mba alain’ny devoly fanahy ary nifady hanina 40 andro sy 40 alina Izy

Mba ahafahantsika mandray an’i Jesoa Kristy ho modely amin’ny fiainam-bavaka àry dia handeha ho raisintsika ny ao amin’ny andininy 1 sy 2 amin’ity Matio 4 ity : « Ary Jesoa dia nentin’ny fanahy nakany an’efitra mba alain’ny devoly fanahy ary nifady hanina 40 andro sy 40 alina Izy, koa noho ny afaka izany dia noana ».

Ny zavatra hitantsika voalohany nataon’i Jesoa ao anatin’izany famakiana ny teny izany dia hoe « Jesoa nentin’ny fanahy ». Milaza izany fa tsy nisy safidy manokana nataon’i Jesoa teo, tsy nisy fandàvana nataon’i Jesoa teo fa ny sitrapon’ny fanahy, ny fahefàn’ny fanahy ; ny ao an-tsaina aloha amin’izany dia hoe ny fanahy masina na hoe ny fanahin’Andriamanitra, Izy no nitarika sy nitaona an’i Jesoa, Izy no nitondra an’i Jesoa.

Ny tsy azontsika adinoina rehefa mamaky ity perikopa ity dia hisy filazana fitokanam-bavaka nataon’i Jesoa, izay no voatantara eo, ary hitantsika ao anatin’izany fa tsy hoe sitrapon’i Jesoa samirery ny hoe handeha hitoka-monina am-bavaka fa nentin’ny fanahy Izy, ny fanahy no nanapaka tao Aminy, ny fanahy no nitarika Azy.

Ny fanahy masina no mialoha ny zavatra rehetra

Ry hava-malala ao amin’ny Tompo ô, isika mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ankehitriny, anontanio ny tenanao amin’izay fitarihan’ny fanahinao, manaiky ho tarihin’ny fanahy ve isika ? Misy fotoana tena andrenesana mihitsy hoe baikon’ny fanahy aho izany mba hivavaka; na hoe baikon’ny fanahy mba handeha hivavaka fa ampanginintsika izy io indraindray, hodiantsika tsy re, na tapahantsika tanteraka mba tsy hanana fifandraisana amintsika rahateo.

Indraindray aza moa dia tsy isika no manaraka ny fanahy fa ny fanahy no terentsika hanaraka antsika. Rehefa mivavaka ny olona anankiray dia teneniny hoe « Fanahy masina ô, miaraha làlana aminay ! », ny làlana alehany anefa amin’io fotoana io hanao zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra, dia tereny hanaraka azy fotsiny ny fanahy masina izay lavin’izao tenin’Andriamanitra izao.

Isika mandray an’i Jesoa Kristy mba ho modely amin’ny fiainam-bavaka, ho modely ho antsika amin’ny fiainam-panahy, noho izany ho entin’ny fanahy isika, ny fanahy no mitarika, ny fanahy no mitaona, ny fanahy no eo aloha ary izy no manondro izay làlana izorana.
 
Haintsika tsara ny teny faminaniana momba io fanahy masina io any amin’i Joela 3 hoe « Hilatsaka amin’ny nofo rehetra ny fanahy, ary rehefa hilatsaka amin’ny nofo rehetra ny fanahy vao haminàny ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy » ary dia tahaka izany koa any amin’ny Asan’ny Apostoly 2 miresaka ny filatsahan’ny fanahy masina dia izao no teneniny « Nilatsaka tamin’ny mpianatra ny fanahy ary dia niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra ny mpianatra rehefa avy eo », fa tsy avadika akory hoe hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra aho dia holazaiko amin’ny olona fa ny fanahy no nampiteny ahy, fa ny fanahy no mialoha ny zavatra rehetra, isika manaiky ho tarihin’ny fanahy, modely voalohany tokony ho tarafintsika amin’i Jesoa Kristy izany.

Mila manao fitokanam-bavaka amin’Andriamanitra  isika kristianina

Mitovitovy amin’izany ny hevitry ny teny hoe mikipy rehefa mivavaka, mba tsy hahita anareo rehetra aho ka ianareo no lasa ao an-tsaiko dia mikipy aho mba hifantohako bebe kokoa amin’Andriamanitra ilay resahako ary izany koa no mahatonga antsika rehetra hoe rehefa mivavaka dia aleo mangina dia any an-tsaina any no atao mba tsy hanelingelenana ny hafa eo, dia maka sarintsary ny any an-tany efitra eo Izy rehefa manao fifandraisana manokana amin’Andriamanitra tahaka izany.

Fa tsy hoe isika ihany akory no taomina sy entanina mba hanana fitokanam-bavaka tahaka izany fa tao amin’ny Fiangonana anankiray nisy mpianatra katekomena rehefa nampianarina fomba fivavaka izy dia hoe ilaina mihitsy ny mitokana rehefa mivavaka. Nanontaniana izy ny heriny iny hoe ahoana no fomba nampiharanareo izany fitokanam-bavaka izany, dia izao no navalin’ilay anankiray fijoroana vavolombelona hoe  » rehefa natory daholo ny olona tao an-trano dia nivoaka tany an-tokotany aho ary tany aho no nivavaka » satria tery ny trano honenany ary dia feno olona rahateo. Ny hevitr’izany ry havana dia hoe tena maniry ny olona anankiray tarihin’ny fanahy itokana, ifanatrika amin’ny Tompo, Izy irery.

Misy ve programanao manokana handehananao hiresaka irery amin’Andriamanitra?

Ry havana malala rehetra ao amin’ny Tompo ô, tsy fantatra fa mampanontany tena antsika mihitsy izao tenin’Andriamanitra izao hoe misy ve programanao manokana handehananao any amin’izay tany heverinao fa ianao sy Andriamanitra irery no any ary dia hifanatrika sy hiresaka eo ianao sy Andriamanitra?

Fanaon’ny olona ihany mantsy rehefa reraky ny asa izy no mandeha miala-sasatra any amoron-dranomasina ary dia izy sy ny fianakaviana ihany no any fa tsy fanaon’ny olona loatra ny manovo hery vaovao indray amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra dia izy sy Andriamanitra no mifanatrika miresaka eo. Hevero ange ny hamafin’izany fifandraisanao sy Andriamanitra izany e ?! Rehefa ianao sy Izy no mifanatrika, tsy misy olona, tsy misy azonao hanilikiliana intsony eo hoe « ataovy ny vavaka » fa ianao no tsy maintsy manao izany vavaka izany, ary dia taomin’ny fanahy ianao mba hanatanteraka izany hisian’ny fifandraisanao bebe kokoa amin’Andriamanitra.

Jesoa Kristy modelin’ny fiainam-bavakantsika, Jesoa Kristy tena nitokana tany an’efitra mba hahatsara izany fifandraisany amin’Andriamanitra izany. Ianao koa, manàna fandaharam-potoana manokana mba ahafahanao manao izany fitokànana am-bavaka izany.

Tokony hanao fifadian-kanina koa isika

Fa rehefa tany amin’io tany efitra io Jesoa dia tsy hoe tany fotsiny Izy fa nisy zavatra nataony tany, nifady hanina Izy.

Heverintsika kristianina réformée ho hafahafa io hoe fifadian-kanina io satria jerentsika amin’ny hoe fomba hanambatambazana an’i Jesoa hihaino antsika indraindray, ary ny karazam-piangonana sasany aza, namboamboarina izany hoe fifadian-kanina izany. Isika moa izao mitsofoka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny karemy dia ny hevitra voalohany amintsika ny atao hoe karemy dia hoe fifadian-kanina, dia any amin’ny Fiangonana sasany hoe aleo mba tsy mihinana matsirotsiro fotsiny é ! Zatra mihinan-kena isan’andro dia hoe aleo mba tsy mihinan-kena rehefa ao anatin’ny karemy é !

Fa Jesoa eto rehefa manao ity fifadian-kanina ity, any amin’ny dikan-teny hafa moa ity fifadian-kanina ity dia hoe fifadiana = tsy fandraisana na inona na inona mihitsy, tsy fandraisana hatramin’ny rano aza. Dia nataony izany, manao izany fifadiana izany Izy.

Isika rehefa mitsofoka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny karemy tahaka izao, mampiasa ny loko volom-parasy, volom-parasy ny loko litorjikantsika ampiasaintsika, ny heviny dia hoe « miomana, miomana am-panahy isika mba hanao fandinihan-tena, ho vonona handray ny famonjen’Andriamanitra notanterahany tao amin’i Jesoa Kristy ». Ary dia iainantsika rahateo izany amin’ny fiandràsana ny Paska, nefa ihany koa « fiombonantsika fahoriana amin’i Jesoa Kristy », Jesoa Kristy Ilay niharitra hatramin’ny mafy indrindra mba hananantsika izany hoe fahavelomana ara-panahy izany.
 
Ny fisantaran’i Jesoa ny fahoriany dia ity fifadian-kanina 40 andro sy 40 alina nataony ity, fanomezana lanja ny herim-panahy ao anatin’ny olona anankiray ary fandàvana izay filàna na fitadiavan’ny nofo mba hanomezan-danja ny asan’Andriamanitra ao amin’ny olona anankiray mba hitombony amin’izany fiainam-panahy izany.

Eto izao izany tena lavin’i Jesoa mihitsy ny fomba fitenenantsika malagasy hoe rehefa noana ny kobo dia mivezivezy ny fanahy fa Izy tena nifantoka tao anatin’izany rehefa nanao fifadian-kanina.

Manàna fotoana hanaovanao izany fifadian-kanina izany mba handresenao ny adim-panahy izay tsy maintsy mahazo anao isan’andro isan’andro

Ry hava-malala rehetra ao amin’ny Tompo ô, tsy hoe fampijalian-tena akory ny fanaovana fifadian-kanina fa endrika iray mba hanomezan-danja ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ka hanantanterahana ilay ao amin’ny andininy faha 4 hoe « Tsy ny mofo ihany ange no iveloman’ny olona fa ny teny rehetra izay aloakin’ny vavan’Andriamanitra ihany koa ».

Hanehoana fa tsy ny nofo no mpanapaka eo amin’ny tena fa ny asan’Andriamanitra, Jesoa Kristy modely ho antsika amin’ny fiainam-pinoana na amin’ny fivavahana, noresen’i Jesoa Kristy ny hoe : ny kibo no andriamaniny ary isika ihany koa taomina mba hanana izany fotoana fifadian-kanina izany hahamafimafy kokoa ny fifandraisantsika sy ny fifaneraserantsika amin’Andriamanitra.
 
Ny fandaharan’asan’ny JKM moa izany efa nisy ilay faha 30 n’ny volana Janoary 2010 lasa teo nanaovana fifadian-kanina, isika efatrano tety ambony tao Avaratr’Andohalo no nanao azy. Vitsy dia vitsy ny Fiangonana Ambavahadimitafo no tany kanefa raha mandray isika hoe Jesoa Kristy modely ho antsika amin’ny fiainam-panahy, hanahaka an’i Jesoa Kristy isika, Izy nifady hanina.

Hanamafisanao ny fifandraisanao amin’Andriamanitra, manàna fotoana hanaovanao izany fifadian-kanina izany mba handresenao ny adim-panahy izay tsy maintsy mahazo anao isan’andro isan’andro.

Ny vavaka dia omena anjara-toerana lehibe indrindra

Mafy ny fakam-panahy mahazo antsika kristianina fa ny Tompo efa mitaona antsika mba hanovo herim-panahy bebe kokoa entintsika manohitra ny fakam-panahy
Fa ny farany hitantsika amin’izao nataon’i Jesoa izao dia ny hoe « Jesoa nentin’ny fanahy tany an’efitra ka nifady hanina 40 andro sy 40 alina ».

Ny hevitra ao ambadik’izany dia hoe tena naharitra Jesoa, isika izao raha mifady hanina iray andro izany efa tena raharaha be mihitsy fa miandry ilay fotoana fihinànana amin’ny hariva fotsiny, fa Jesoa tena naharitra 40 andro sy 40 alina, andro aman’alina, izany hoe nisy fiharetan-tory tao anatin’izany ary nisy fiharetana tamin’ny tontolo andro ihany koa, tsy nisy fitsaharana fa dia notanterahany nandritra ny 40 andro sy 40 alina izany fitokànana am-bavaka izany.

Ny fanontaniana mety hipoitra ao an-tsaintsika rehefa mandre io teny hoe 40 andro sy 40 alina io Jesoa nifady hanina dia hoe inona avy àry no nataony tamin’izany? Inona foana no nataon’i Jesoa? Fa tsy izany akory ny fanontaniana tokony hovaliantsika fa ny fametrahana ho « ivo » ilay faharetana, izany hoe tsy maimaika na hoe natao vonjivonjena na natao ho ambinambin-javatra ny vavaka na ny fitokanam-bavaka nataon’i Jesoa.

Ny zava-misy iainantsika Fiangonana amin’ny vanim-potoana rehetra rehefa taratara fidirana dia hoe « hay efa lasa ny lera fa ataovy aingana ny vavaka na hoe alefaso aingana ity vavaka ity fa maika. Ampianarin’izao tenin’Andriamanitra izao isika ry havana hoe « ny vavaka dia omena anjara-toerana lehibe indrindra ».

Luther moa izay rain’ny « réformation » tamin’ny taon-jato faha 16 dia nànana izao foto-kevitra izao hoe ny vavaka tsy ambinambin-javatra izany e ! Fa rehefa mitombo ny zavatra atao vao maika tokony hitombo ny fiainam-bavaka. Rariny loatra izany satria aminy, ny zavatra rehetra dia tokony ho entina am-bavaka.

Raha ohatra izao ianao anio tsy manana asa afa-tsy ny hoe hatory ianao : ny vavaka ataonao izany dia tokony hoe « Tompo ô tahio aho fa hatory ! », tapitra, izay ny asa ho ataonao, fa rehefa be dia be ny zavatra ataonao dia tsy vitan’izay teny anankiray izay intsony ny vavaka fa hotononinao ao daholo ny vavaka rehetra rehetra ataonao, noho izany mibahana fotoana betsaka kokoa ny vavaka rehefa mitombo ny asa ataonao.
 
Hitantsika tsara ato anatin’ity perikopa vakiantsika ity aorian’ny andininy faharoa fa tapitra io 40 andro io vao tonga ny devoly haka fanahy an’i Jesoa, izany hoe ao anatin’izany dia hitantsika tsara fa tena niomana ara-panahy tsara Jesoa mialohan’ny niavian’ny fakam-panahy.

Isika rehetra kristianina izay mandray an’i Jesoa Kristy modelin’ny fiainam-panahintsika haintsika fa fetsy satana, fetsy ny devoly, nandrasany efa reraka tsara Jesoa vao tonga izy, kanefa tsy fantany mialohan’izany ny naha-diso hevitra azy dia efa nahazo herim-panahy mihoatra noho izay fakam-panahy alefan’ny devoly ny Tompo, ary izany indrindra no ampaherezana antsika kristianina rehefa mamaky ity tenin’Andriamanitra ity.

Mafy ny fakam-panahy mahazo antsika, mafy tokoa izany, fa ny Tompo efa mitaona antsika mba hanovo herim-panahy bebe kokoa mba ahafahantsika manohitra izany fakam-panahy izany.
 
Ry havana malala ao amin’ny Tompo ô, raha toa ka fandavoana, fanjeràna izay nijoro, fanenjehana, famingànana anao tsy hànana izany fiainam-panahy bebe kokoa izany no asan’ny devoly, Jesoa modelintsika amin’ny fiainam-pinoana, modelintsika amin’ny fiainam-pivavahana, Izy dia antoka mba handresentsika izany fakam-panahy izany satria mitaona antsika hànana fiainam-bavaka, mampianatra antsika hànana fiainam-bavaka mihoatra noho ny zavatra rehetra Izy.

Isika izay maniry hànana izany fiainam-pandresena izany àry dia taominy isika mba hanahaka tokoa an’i Jesoa Kristy, taominy isika mba handray Azy ho modely eo amin’ny fiainam-bavaka, manaiky ho tarihin’ny fanahy isika, manaiky hitokana, manana fotoana hifadian-kanina ary maharitra ao anatin’izany fotoana rehetra izany ; fa izao no nosoratan’i Petera ao amin’ny epistily voalohany toko faha 4, 1 : « Koa satria efa niaritra tamin’ny nofo Kristy dia alao mba ho fiadianareo koa izany saina izany ».

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen.

RANDRIAMAROMANANA Harry,
Mpitandrina miza-draharaha


Lire aussi

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo « 

04/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy

Alahady 04 Febroary 2024, ankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy (AFFA), ka andinihin’ny FJKM lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mampitandrina amin’ny didiny Andriamanitra« . Ny mpitandrina Ranaivoson Andry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 1 : 4-8 « Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:5Hatry ny fony ianao tsy

28/01/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily

Alahady 28 janoary 2024, fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI), mbola andinihin’ny FJKM ny lohahevitra hoe « Lehibe ny voninahitry ny Tompo ». Ny mpitandrina Ranarimalala Nirina Harisoa no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5 : 16 : « 16Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa

16/01/2024 A la une . Antso sy filazana

Hafatra ho an’ny Mpandray – fifidianana Diakona 2024

Mifarana ny alahady faha-28 janoary 2024 ny fanavaozana ny karatra hiatrehana ny fifidianana Diakona. Hamarino ary fa any aminao ny karatra maha-mpandray miloko fotsy. Raha toa tsy mbola manana ianao dia ento ny sary roa ny alahady faha-28 janoary hahafahana manavao ny karatrao.