FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 2 Mey 2010: Ny mahasambatra ny mpanompon’Andriamanitra

Toriteny Alahady 2 Mey 2010: Ny mahasambatra ny mpanompon’Andriamanitra

Publié le 21 juillet 2010 à 12:07

I. Inona no fonoson’ny Bokin’ny Salamo?
Ny Salamo raha hatao indray mijery dia mitantara ny fiainan’ny olona, ny olom-boafidin’Andriamanitra, ary ao anatin’izany rahateo ny firenen’ny Israely sy ireo mpitarika sy ireo izay mitondra azy. Ny fiainan’ny olom-boafidin’Andriamanitra teo anatrehan’Andriamanitra sady manome taratra ny fiheverany an’Andriamanitra no fonosin’ny bokin’ny Salamo. Ka ity Salamo faha 32 izay novakiana tamintsika teo ity dia mampiseho manokana ny fifandraisan’Andriamanitra amin’ny mpanompony sy ny fanantenan’ny mpanompony an’Andriamanitra. Araka izany dia handeha isika hanovo hafatra amin’ny alalan’izao Salamo faha-32 izay novakiantsika teo.

II. Inona no mahasambatra ny mpanompon’Andriamanitra?
Raha haroso ny fanontaniana hoe: “inona re no mahasambatra ny mpanompon’Andriamanitra?” dia hovaliantsika vetivety amin’ny andininy voalohany sy ny faharoa faha: “Sambatra ny olona izay voavela ny helony. Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka.” Andeha hezahantsika valiana izay fahasambaran’ny olona, ny mpanompon’Andriamanitra izany, araka ny andininy fahatelo hatramin’ny fahafito. Ka izany fanontaniana momba ny hasambarana izany, dia hisaintsaintsika indrindra ny hoe: “inona marina moa ny lalam-pamonjena mahasambatra?”

1. Ny lalam-pamonjena voalohany: ny fandinihan-tena
Ny lalam-pamonjena mahasambatra ry havana dia hitantsika ao amin’ny andininy fahatelo sy fahaefatra, fa voalohany indrindra mahatsiaro ny fahalemena. Izany no lalam-pamonjena mahasambatra. Ahoana ny vakin’ny teny? Amin’ny anaran’I Jesoa: “Raha nangina aho dia nihalany ny taoloko rehetra. Noho ny fitarainako mandrakariva. Fa efa navesatra tamiko andro aman-alina ny tànanao. Niova ny fahatanjahako toy ny azon’ny fahamainana amin’ny lohataona.” Izany ny fisentoana, izany ny toe-javatra izay mampandre-tena an’i Davida. “Raha nangina aho dia tsaroako fa nihatra aman’aina ny fanaintainako. Mavesatra ny fiainako, maina sy mangetana aho”. Azontsika hadika toy izany ny fitenin’i Davida eto.

Ny mangina ry havana dia haintsika rehetra fa mijanona aloha tsy miresaka. Ao anatin’ny fahanginana indrindra no hahafahantsika manao fandinihan-tena. Ary rehefa mandinika i Davida dia mahatsiaro fa feno fasahiranana, lalina mihitsy izao fahasahiranana manjo azy izao. Izany no mahatonga azy milaza hoe “nihalany ny taolako.” Milaza izany fa tena resi-lahatra i Davida, ary tsy manankery intsony izy amin’izany fanaintainana ao aminy izany. Ary tena mahatsiaro indrindra ny fahalemeny amin’ny maha-olona azy. Indrindra efa meloka izy teo anatrehan’Andriamanitra, fa efa nanao izay ratsy ihany koa izy teo anatrehan’ny mpiara-belona aminy. Eny, na izay heloka tsy nataony aza, kanefa nohendrikendrehana azy ihany koa, dia tsarony fa mavesatra aminy loatra izany. Hitantsika izany ao amin’ny faha-31 raha vakiantsika manontolo izany Salamo izany. Fa izany hetraketraka hataon’ny manodidina, ny fahalemen’i Davida manokana, ny fahalemena eo anatrehan’Andriamanitra, izany no mandreraka ny ain’i Davida.

Ry havana, i Jesoa Kristy koa dia mba nisedra toy izany. Azontsika jerena tsara any amin’ny Matio 26: 38 maneho mihitsy fa “fadiranovana ny fanahin’ny Tompo.” I Jesoa miresaka tamin’ny mpianany, dia hoy Izy taminy: “Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko.” Ry havana, izany no fahasahiranam-panahy nanjo an’i Jesoa Kristy: “Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty.” I Jesoa Kristy anefa tsy mba nanota akory fa nanaiky ny hitondra ny fahotantsika olombelona sy ny fahelementsika aza izy, ary izany no mavesatra aminy indrindra. Izany no manavesatra azy eto ka mahakely ny ainy. Nasainy nijanona koa ireo namany ireo, mba hiara-hitondra izay mavesatra aminy, hiara-hivavaka aminy. Ry havana malala ao amin’ny Tompo, sarotra tokoa izao lalam-pamonjena anankiray izay hitantsika eto amin’ity Soratra Masina ity izao. Ka mitaky fandinihantena avy amintsika izany, ary mitaky fiheritreretana lalina ny amin’izay toe-javatra hiainantsika. Mety toy izany tokoa angamba ny hatrehintsika amin’izao ankehitriny izao. Mety efa te hamoy fo, very hevitra, mila ho lasa adala mihitsy araka ny fitenenana, ny toe-javatra izay hiainantsika.

Mba mijanona kely aloha isika handinin-tena. Aoka handinika kely ny fahalemena manjo antsika isika. Na handinika ihany koa ny fahalemena izay misy eo amin’ny manodidina antsika. Aoka isika hanana fanetretena, ka hiaiky fa malemy isika. Ka dia hijanona ary hisaintsaina tokoa izay tokony hatao eo anatrehan’Andriamanitra. Izany no lalam-pamonjena izay hambaran’izao tenin’ny Soratra Masina izao ho antsika.

2. Ny lalam-pamonjena faharoa: ny fibebahana
Fa ny faharoa, ny lalam-pamonjena mahasambatra dia mibebaka amin’ny fahotana na mifona ny heloka izay vita. Izany ny lalam-pamonjena faharoa. Teo izany aloha dia nijanona nandinin-tena. Izao kosa dia hasaina mibebaka amin’ny fahotana na mifona noho amin’ny heloka vita. Hitantsika izany ao amin’ny andininy faha-4. Ahoana angaha ny nambaran’i Davida? “Fa efa navesatra tamiko andro aman-alina ny tànanao. Niova ny fahatanjahako toy ny azon’ny fahamainana amin’ny lohataona.” Hitantsika eto ry havana fa tsy mbola tapitra akory na vita hatreo amin’izay hoe fieritreretana na fitserana fotsiny ny lalam-pamonjena izay hahazoantsika fahasambarana fa misy fihaikena mazava eo anatrehan’Andriamanitra noho ny natao. Hoy i Davida: “Ny fahotako nambarako taminao, ny heloko tsy mba nafenoko.” Izany hoe nibaboka tamin’Andriamanitra mihitsy i Davida fa diso izy, ary nangataka famonjena satria tsy nahavonjy tena. Andriamanitra ihany no mahavela ny helony. Hoy izy hoe: “Ary ianao dia namela ny heloko sy ny fahotako.” Izany no maneho ry havana fa tapa-kevitra mihitsy i Davida hiala amin’izao fahalemena manjo azy izao, dia sahy milaza izy: “Hiaiky ny fahotako amin’i Jehovah aho, fa Hianao no mamela ny heloko.”

Ao anatin’izany lalam-pamonjena izany manko ry havana dia i Jesoa mihitsy no mandidy antsika, izay Kristianina mpanara-dia an’i Jesoa Kristy, araka ny Marka 1: 15, izay milaza amintsika manao hoe: “efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra, mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara.” Izany no didin’i Jesoa Kristy. Rehefa avy nandinin-tena tsara isika dia aoka amin’izay hanapakevitra. Handray ny famelan-keloka hatolotry ny Tompo, fa izany no finoanan’ny filazantsara, izay hanarahintsika an’Andriamanitra, ary tarafintsika amin’izao Soratra Masina izao.

Ry havana malala, tsy mety izany ny hoe variana amin’ny tsetra sy mitanisa ny fahotana fotsiny isika, kanefa tsy mivonona akory, tsy mivonona hiala amin’izany akory. Miantso antsika ny Tompo mba hiaiky marina ny fahalementsika, ny fahotantsika, ary vonona ny hiala amin’izany, ka handray ny famonjen’Andriamanitra, izay mahavela ny helontsika. Tsy théorie ankapobeny fotsiny izany na hoe fahalalana azontsika saintsainina. Fa tena hevitra mivantana sy azontsika ampiarina mihitsy miaraka amin’i Jesoa Kristy io, ary hambaran’ny Soratra Masina ho antsika. Andeha anie isika ampihatra ny Soratra Masina.

Misy zavatra 10/10 eo amin’ny fiainana izay tokony hanan’ny olona rehetra. Andeha havaditsika ny Baibolintsika ao amin’ny Romana. Ao amin’ny Romana no misy io fiainana 10/10 io. Ao anatin’ny lalam-pamonjena izay hiarahantsika amin’ny Tompo izany. Mora tadidina kely: Romana 10: 10. Azontsika vakiana hatreo amin’ny andininy faha-9 manao hoe: “satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao hianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena hianao. Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena hahazoana famonjena.”

Ry havana, azontsika hatao, tanterahina tokoa izany. Aoka aleokon’ny vavantsika ny fiekena heloka eo anatrehan’Andriamanitra. Ary aoka holazaintsika amin’Andriamanitra hoe: “Raisoko ny famonjenao. Mitenena ianao.” Azontsika ampiarina tsara izany. Mila miteny ny vavantsika azontsika famonjena. Ary mila mandray ny fontsika hahazoantsika fahamarinana. Moa ve efa nandramantsika marina teo amin’ny fiainana izany? Fa raha i Davida dia efa nanao izy. Tsy nisaintsaina fotsiny tao am-pony tao ny heloka amam-pahotany izy, fa nandray izy ary niteny: “ambarako amin’i Jehovah ny fahotako.”

3. Ny lalam-pamonjena fahatelo: fanekena ny fitarihan’Andriamanitra
Voalohany izany ry havana dia ny lalam-pamonjena mahasambatra dia mahatsiaro ny fahalemena, fa ny faharoa ny lalam-pamonjena mahasambatra dia mibebaka amin’ny fahotana na mifona amin’ny heloka vita. Fa ny lalam-pamonjena mahasambatra, mbola tsy tapitra hatreo, fa mbola misy an’izao: manaiky ny fitarihan’Andriamanitra. Ahoana ny vakin’ny teny ao amin’ny Salamo 32: 6-7: “Izany no aoka hivavahan’ny tsara fanahy rehetra aminao amin’izay andro hahitana Anao. Eny tokoa, na dia tondraka aza ny ranobe, tsy hahatratra azy izany. Hianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon’ny fahoriana Hianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy.”

Eto izany ny havako dia asehon’i Davida mazava tsara indray fa mialoka eo ambanin’ny fahasoavan’Andriamanitra izy. Andriamanitra mihitsy no miaro azy, mampahery azy. Fa izay asehon’izao Soratra Masina izao dia maneho fanekem-pinoana i Davida. Fa Andriamanitra mihitsy no mitarika ny fiainany. Asehon’i Davida mazava tsara amintsika manko eto fa ny fanarahana ny Tompo dia tsy mandeha ho azy velively, ary hitantsika izany ao amin’ny tapany faharoa ao amin’io andininy faha-6 sy faha-7 io. Inona ny zavatra mitranga? Misy rano be mety ho tondraka ka handrakotra ny fiainan’ny mpino, mety handifotra azy izany. Fa misy ihany koa ny fanafihan’ny ratsy, tsy mipetra-poana akory ny ratsy, fa mbola manafika ny olon’Andriamanitra izy. Ary misy indrindra ny fahoriana izay mamely ny mpanompon’Andriamanitra. Saingy izao, na dia eo aza izany zavatra sarotra rehetra izany, dia eo amban’ny fitarihan’Andriamanitra kosa ny fiainana, ary dia mamelona fanantenana ho an’i Davida izany. Ka hoy izy: “Hianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon’ny fahoriana Hianao, fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy.”

Ry havako malala ao amin’ny Tompo, ny Isaia mpaminany ihany koa dia manaiky ny fitarihan’Andriamanitra. Ary nampiseho tamin’ireo vahoaka ireo, izay nanaraka azy, ny fahadisoany, sy nanambara indray hoe: “miverena amin’Andriamanitra hianareo ry vahoakan’Israely.” Ary rehefa izany dia nilaza tamin’ny fahatokiana izy nanao hoe: “Homba anareo anie Andriamanitra, fa maneke hotarihin’Andriamanitra.”

Dia misy tsianjery anankiray ihany koa ity azontsika tarafina ao amin’io Baiboly io. Isaia 43: 2. Raha hatao tsianjery moa izany dia mora kely hoe: Isa, 4, 3, 2, 1. Vita. Zava-dehibe amin’ny finoantsika koa izany. Isa, 4, 3, 2, 1. Isaia 43: 2. Aleo vakiantsika hatreo amin’ny tapany faharoa amin’ny andininy voalohany. Andeha anie hiarahantsika mamaky amin’ny anaran’ny Tompo izany fampanantenan’Andriamanitra ho an’izay manaiky hotarihiny. Amin’ny anaran’ny Tompo: “Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao aho. Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao. Raha mita ny rano hianao, dia homba anao Aho; ary raha mita ny ony hianao, dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamaky ny afo hianao, dia tsy ho may. Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo.” Ry havana, fitarihin’Andriamanitra mahagaga ho an’izay manaiky an’Andriamanitra izany. Ary ny mpanompon’Andriamanitra dia mahatsiaro izany fitiavan’Andriamanitra izany mandrakariva.

Famaranana:
a) Avelao Jesoa Kristy hitarika ny fiainanao
Ry havana, aoka ary isika mba hanaiky ny hotarihin’Andriamanitra marina tokoa ao amin’ny fiainantsika. Isika izay mibebaka marina, isika izay mahatsiaro ny fahalementsika. Fa ho zava-poana anie ireny fampanantenana omen’Andriamanitra antsika ireny raha toa ka tsy mandinin-tena isika, ary raha toa ka tsy manapa-kevitra isika fa hiala amin’ny fahotana, raha toa ka tsy manaiky isika ny fitarihan’Andriamanitra ny fiainantsika. Aoka i Jesoa Kristy izay harahintsika io, Izy ilay namela ny fahotantsika ary nandatsaka ny rany teo amin’ny hazo fijaliana, aoka izy no ekentsika ary arahintsika araka ny baikony. Avelao izy ho tompon’ny fiainanao. Avelao izy ho tompon’ny fiainan’ny fianakavianao manokana, avelao izy ho mpanjaka sy manam-pahefana amin’ny hataonao rehetra.

b) Araho misesy ny lalam-pamonjena telo
Ity manko no hotandremantsika tsara eo amin’ny fanarahana ny Tompo. Raha manaraka izany làlana izany isika, na misaintsaina izany làlana izany isika. Raha toa ka mijanona eo an-tenantenany isika, manao ny anankiray voalohany fotsiny kanefa tsy manohy amin’ny faharoa sy fahatelo, na tsy hataoantsika ny voalohany sy faharoa, fa tonga dia ny fahatelo, izany hoe tsy mandinin-tena akory isika ary tsy vonona hiala amin’ny fahotantsika akory kanefa mangataka ny hotarihin’Andriamanitra, dia diso hevitra isika. Ny làlana izay natorony antsika teo dia izao hoe: mahatsiaro ny fahalemena isika voalohany, faharoa mibebaka hiala amin’ny fahotana isika, ary ny fahatelo dia manaiky ny hotarihin’Andriamanitra. Raha tsy manaraka izany fisesy izany isika, amin’ny làlana hitondran’Andriamanitra antsika dia manjary manao fiainam-biby. Ka fanaon’ilay fiainam-biby izay ohatra ratsy hambaran’ny Baiboly ao amin’ny II Petera 2: 22, izay milaza fa toa miamboha isika, ka ho tafaverina indray amin’ny lohany, izany hoe hiloana ao anaty faharatsiana ihany, na toy ny kisoa izay efa nodiovin’Andriamanitra kanefa tsy manaiky hotarihin’Andriamanitra dia mbola nandoto ny tenany. Fa misy biby tsara izay tian’Andriamanitra halaintsika tahaka. Tsy biby velively akory isika olombelona, fa tena olona ary tian’Andriamanitra. Io biby tsara io dia nataon’i Jesoa Kristy ohatra tsara ihany koa ho an’ny tenany. Hoy Izy: “ny ondriko mihaino ny feoko, ary izy manaraka ahy, ary izaho mahalala azy.” Ry havana, ho antsika ary izany tenin’Andriamanitra izany. Ho antsika mba hisaintsaina izany lalam-pamonjena mahasambatra hiarahana amin’ny Tompo izany. Dia ho an’Andriamanitra anie ny voninahitra, eo amin’ny fiainantsika, fa isika kosa hivelona isan’andro amin’izany fitiavan’Andriamanitra izany. Amen


Lire aussi

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo «