FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 18 oktobra 2009 – Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin'Andriamanitra

Toriteny Alahady 18 oktobra 2009 – Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin'Andriamanitra

Publié le 21 octobre 2009 à 12:10

Taratasy ho an’ny Kristiana nieli-patrana

Apostoly Petera nanoratra izany taratasy izany ho an’ny kristianina izay niely patrana. Ary taratasy izay mitory fananarana , famporisihina ny kristianina tamin’izany fotoana izany . Ka teny mampahery , mampahatsiaro ny fitiavan’Andriamanitra azy ireo noho ny toerana izay misy azy ireo tamin’ny asa sarotra , tao anaty ny fanendrena izany atao hoe kristianina izany.

Koa dia nanoratra Apostoly Petera ho fampaherezana azy ireo ny amin’izay tokony mba hanan’izy ireo toe-panahy araka an’Andriamanitra ny amin’ny fahatsiarovan’izy ireo ny fitiavan’Andriamanitra sy ny Fahasoavany ary indrindra ny mba hanan’ireo kristianina maro ho fahazavana indrindraindrindra ho tena fitaovan’Andriamanitra hitory ny filazantsara ka mba hanan’ireo toe-panahy araka an’Andriamanitra , hanana ny fitondran-tena mendrika sy mifanaraka amin’ny filazantsara .

Ary hita ry Havana amin’ny epistily iray manontolo manomboko hatrany amin’ny andininy 1, fampaherezana ranofotsiny amin’izay tokony hananana toe-panahy kristianina ao anatin’izay ; ka ato amin’ny andininy 11 hoy ny Soratra Masina : « Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra« 

Dia anisan’ny anankiray ao anatin’izany famapaherezana maro entiny Apostoly Petera : mampahery , mananatra ary indrindra mampiorina izany finoan’ireo Kristianina ireo hatoky an’Andriamanitra ary hitandro mandrakariva an’izany maha-kristianina izany .

Didy vaovao no omeko anareo dia tahaka ny nitiavako anareo no ifankatiavanareo , izany no ahafantaran’ny olona fa mpianatro ianareo raha mifankatia

Ry Hava-malala ao amin’ny Tompo , anio koa ny Tompo dia mampahery ny fiangonana , mananatra ny lehilahy kristianina , mampatsiahy ny kristianina tsirairay avy amin’izany fahasoavan’Andriamanitra izany ary indrindraindrindra ny fahasoavan’Andriamanitra izay tiany hananantsika dia ny toe-panahy araka an’Andriamanitra mba hahatsapantsika fa Andriamanitra tokoa no miasa ao anatintsika , raha vakintsika tsara ry Havana ny eo amin’ny filazantsara any Lioka araka ny tenin’i Jesoa Kristy hoe : « Aza manahy amin’izay fotoana rehetra fa ny Fanahy Masina Andriamanitra no miteny ao anatinareo« ; ary izany indrindra no tiany Soratra Masina ambara eto anio dia na inona na inona ataontsika rehefa matoky an’Andriamanitra isika dia ny Fanahy Masina Andriamanitra no miasa ao anatintsika .

Raha jerentsika hatrany amin’ny andininy faha-7 ry havana dia manambara araka ny nambarany Apostoly Petera hoe : « Fa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonona tena ho amin’ny fivavahana. Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa « ny fitiavana manarona fahotana maro« .

Eo amin’ny andininy faha-9-10 manao hoe : « Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona.
Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an’Andriamanitra
« .

Izany hoe fananarana , baiko nomen’ny Apostoly Petera, nomen’ny Tompo koa ny kristianina maro ny amin’izany fampandrosoana ny fiangonana ny amin’izay tena hiorenana amin’ny finoana amin’izay tokony hanana toe-panahy araka an’Andriamanitra indrindra ny fitondran-tena , mendrika izany filazantsara mba ho tena fahazavana marina .

Ka izany indrindra ry Havana , dia baiko omen’i Jesoa Kristy koa ny amin’izay tokony hananan’ny fiangonana araka ny teny ao amin’ny Jaona 13 manao hoe : « Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa« .

Kristiana mijoro ho fahazavana, fiangonana vavolombelona

Ary ity andininy faha-7-10 dia manambara ny atao hoe mpiray tampo , firaisam-panahy ary indrindra indrindra miankina be dia be amin’ireo andininy faha-7 hatramin’ny faha 10 , ny fijoroan’ny kristianina mba ho fahazavana, ary ny fanehoan’ny kristianina izany tena finoana an’Andriamnitra izany. Ary izany indrindra no antom-piveloman’ny fiangonana dia mba ho vavolombelon’Andriamanitra.

Fa ireto kristianina izay nanoratan’i Apostoly petera ry Havana dia toy ny olona miorina tsara mba ho tena vavolombelona ny fisian’Andriamanitra , indrindra ny maha Andriamanitra fitiavana Azy , Andriamanitra tompon’ny fahefana sy ny hery , ary Andriamanitra no maniraka azy ireo tokoa.

Zava-dehibe izany ry Havana koa raha mijery ny andininy faha-11 isika dia manao hoe : « Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra« , dia tian’ny Soratra Masina ambara hoe ny teny , ny fitenenana, ny teny izay ambara ny olona no anisan’ny fitaovana anankiray hahatanterahin’ireo andininy faha-7-10 ireo ny hoe “mahonona tena ho amin’ny fivavahana” teny izay avoakan’ny vavan’ny olona izany firesahana amin’Andriamnitra izany , fibebahana amin’Andriamanitra izany , fiderana Azy izany , firesahana amin’ny Tompo izany.

Ary ny hoe mifankatiava tsara fa ny fitiavana manarona fahotana maro , ireo teny ambaran’ny andininy faha-13 ry Havana dia hoe tsy ny aloaka ny vava ihany fa izay rehetra hevitra ampitaina amin’ny alalan’ny fihetsika , amin’ny alalan’ny famantarana maro samihafa , dia ny fampitana izany.

Ny fahanginana dia manambara henatra

Ny fahanginana dia manambara henatra izany, mety ho fanekena araka ny fiheveran’ny Malagasy izany, nefa mety hevitra manambara avonavona koa izany ka nefa koa mety ho fahendrena lehibe.

Araka ny teny tenenintsika mandrakariva ny hoe “izay mangina volamena “, izany hoe raha misy olona hanontany , raha misy olona hampita hevitra , raha misy olona haneho hevitra ary izany indrindra dia fampitana fitiavana , dia fihetsiky ny olona , ny teny ambaran’ny olona , manehoneho fitiavana amin’ny rahalahiny izany ary eto amin’ny andininy faha-9-10 dia hoe « mifampiantranoa dia aza mimonomonona« .

Ny hoe mimonomonona dia misy tiany ambara ao,mety teny misy fanomezan-tsiny ao, mety misy tsikera ao anatin’izany ary ny ao amin’ny andininy faha-10 ry Havana dia ny hoe : « Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo« .

Ny mifanompo ry Havana dia izao : mifampahery amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra , mifampahery amin’ny alalan’ny fanomezana vaha-olana eo amin’ny fiainana.

Ry hava-malala ao amin’ny Tompo , isika kristianina , isika fiangonana ary indrindra alahadin’ny lehilahy krsitinina androany. Ry lehilahy krsitinina izay Tompon’andraikitra Andriamanitra eo anivon’ny fiangonana , tompon’andraikitra eo anivon’ny fiaraha monina , dia izay manana anjara toerana lehibe dia izao manana adidy ho fanantanterahana ireo baikon’ny Tompo ireo amin’ny alalan’ny teny ka na aiza na aiza sehatra misy antsika , ry Havana araka ny teny ao amin’ny andininy faha-11 io : na aiza na aiza na amin’ny fotoana inona , raha misy olona miteny dia izao, raha misy olona manambara hevitra , raha misy olona tsy mifandray amin’ny hafa dia izao ary, aoka izy hiteny tahaka ny filaza ny tenin’Andriamanitra.

Ary eto ry Havana dia efa fantantsika loatra izany tenin’Andriamanitra izany ary izany indrindra no antom-pisiantsika , ny antom-pisian’ny fiangonana dia manambara ny tenin’Andriamanitra , ka manao ahoana moa izany endriky ny tenin’Andriamanitra izany?

Ny tenin’Andriamanitra dia Marina

Ny tenin’Andriamanitra dia Marina ary Andriamanitra mihitsy no fahamarinana araka ny ambara ny Jaona 4 : 24 manao hoe : « Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana« . Fa ny tenin’Andriamanitra eto dia manambara ny fahamarinana , ny tenin’Andriamanitra nanorenana an’izao rehetra izao , tenin’Andriamnitra no manorina , mampandroso ny fiangonana ary ny tenin’Andriamanitra no mitondra famonjena ao anatin’izany ka iza no ambaran’ny Soratra Masina?

Hoy isika raha misy olona miteny izay hambara ny Soratra Masina , izaho , ianao , ny fiangonana , ny lehilahy krsitianina , isika rehetra ny ambaran’ny I Petera 4 ity ry Havana manomboka eo amin’ny andininy 1-3 dia hoy ny Apostoly Petera hoe ianareo efa niala tao amin’ny maizina , efa niala tamin’ny filan’izao tontolo izao , ka efa nanaraka an’i Jesoa Kristy; izany hoe isika izay efa nandray an’iTompo , koa raha niteny ny Soratra Masina hoe raha misy olona miteny , isika izy efa nandray an’ny Tompo izany , isika izay efa resy lahatra ny tenin’Andriamanitra izany ary hitantsika tsara ao amin’ny fiainana andavan’andro, ry Havana , ny fitenenana izay ambaran’ny olona , ny teny izay alokan’ny vavan’ny olona, ny fihetsiky ny olona izay manambara ny hevitra , mampita hevitra , dia anisan’ny mampitan’ny fitenenana avokoa izany dia hitarafana ny toetran’ny olona , ny toe-pon’ny olona , ny toe-panahin’ilay olona.

Misy ny olona mety mahay miteny , mety mahay mandahatra ary fantantsika loatra ry Havana fa amin’ny maha Malagasy antsika dia hampianarina kabary , fahaizana mandahatra teny na koa anefa mibadabada , misababaka , ary dia indray tanteraka ny teny Malagasy manao hoe « ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra« . Ary dia mety na dia mibadabada aza dia mety misy hevitra marina ao anatin’ireny , ka mety koa mety hisy hevitra diso ary mety ho lainga mihitsy aza , ao anatin’izy ireny .

Koa ny fitenenenana, ry havana dia teny ny fifandraisana , fitaovana ho entina mampifandray olona hitantsika tsara izany amin’ny perikopantsika . Amin’olona teo aloha ny hoe manana fifandraisana , manana fifandraisana amin’Andriamanitra, ny amin’ny mpino izany amin’ny alalan’ny fitenenana eto koa ny fitenenana dia fitaovana maneho an’Andriamanitra satria ny tenin’Andriamnitra dia Marina hoy ny filazantsara ny Jaona 1:1 : « Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra » ary ny andininy faha-3 dia hoe : « Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza« .

Ry hava-malala ao amin’ny Tompo , Inona no ifandraisan’izany rehetra izany ? Inona no tiany Tompo apetraka amintsika anio ?

Dia ny hoe ilay lohahevitra izay nobanjinin’ny fiangonana araka ny fiantsim-panahy manao hoe : “Marina amin’ny teniny ny mpino”.

Izany hoe tsy misy teny marina eto amin’izao tontolo izao afa-tsy ny tenin’Andriamanitra , tenin’Andriamanitra izay mitondra vahaolana, tenin’Andriamanitra izay manasitrana tsarovy ry Havana fa Jesoa Kristy izay nanasitrana, namaha ny olana, nampitsahatra ny rivotra dia tamin’ny alalan’ny teny, ny Tompo raha namorona , nahary izao rehetra izao tamin’ny alalan’ny teny hoe “Misia ny mazava”.

Aza matahotra ianareo , aza manahy foana fa ny Fanahy Masinan’Andriamanitra no miasa ao anatinareo

Ny tenin’Andriamanitra ihany no mehafa izany , rehefa mandala ny tenin’Andriamanitra ny olona dia miova hatramin’ny endriny , ny fijeriny ny fiteniny satria masina loatra izany , misy ny olona tena miaina ao anatin’ny fitenin’Andriamanitra dia hitanao hoe tena avy amin’ny Fanahy Masina izany , misy ny olona tena manampatra ny fihetsika satria ny tenin’Andriamanitra dia tsy maintsy haseho ny maha kristianina.

Tsy izany ry Havana no tian’ny Soratra Masina apetraka fa hoy i Jesoa Kristy hoe : « Aza matahotra ianareo , aza manahy foana fa ny Fanahy Masinan’Andriamanitra no miasa ao anatinareo , ny amin’ny tenanareo mampianatranareo”.

Ry hava-malala ao amin’ny Tompo , raha misy olona miteny dia aoka izy hiteny toy ny laza ny tenin’Andriamnitra izany hoe rehefa miresaka ianao , rehefa mampita hevitra ianao , na aiza na aiza no sehatra misy anao , na eo amin’ny ankohonanao , na eo amin’ny fiaraha monina indrindraindrindra eo anivon’ny fiangonana dia ataovy toy ny teny lazain’Andriamanitra ilay fihetsikao , somary mampiseho fampaherezana satria ny tenin’Andriamananitra no entitsika mampahery ny hafa, rehefa tonga ny manjo dia ny tenin’Andriamanitra no entitsika mampahery ny fianakaviana mana-manjo , rehefa misy ny olana mahazo ny rahalahy na ny mpianakavy ny finoana dia mifampahery amin’ny tenin’Andriamanitra.

Fa indraindray koa dia mety misy teny izay ampiasaintsika andavan’andro fa maninona tsy ampiharintsika ny tenin’ny Paoly Apostoly hoe : « miorena tsara , aza miova« .

Ry Havana, izany ary no mampandroso ny fiangonana, dia izao ny olona miaraka amin’ny Tompo dia ny tenin’Andriamanitra no iorenany , ny tenin’Andriamanitra no enti-manantanteraka izany , fa izao kosa mampahery antsika ny tenin’ny Tompo izany.

Fa hoy koa ny tenin’i Jesoa Kristy Tompo ao amin’ny Jaona 15 : 7 : « Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany« .

Izany hoe raha Jesoa Kristy no mitoetra ao anatitsika , araka ny namabaran’ny Jaona 1:1 : « ny teny dia Andriamanitra« ; izany hoe ilay tenin’Andriamanitra izay mitoetra anatin’ny olona dia ny tenin’ny Fanahy Masina, Jesoa Kristy mitoetra ao anatin’izany.

Ry Havana , ny Sampana eo anivon’ny fiangonana dia sampana velona satria Andriamanitra no miasa ao , dia ny fiangonana no sehatra hiasan’Andriamanitra , iombonan’Andriamanitra . Ny finoana hitehirizan’Andriamanitra ny olona tsirairay avy , hitondra ny finoana ary izany no maha zava-dehibe ny ijorona’ny sampana eo anivon’ny fiangonana.

Ry Havana , dia izao no fotoana izay hifampitrotrona am-bavaka , handinihana ny tenin’Andriamanitra, hampiorenana finoana ary indrindravindrindra hanambaran’Andriamanitra , hanefen’Andriamanitra ny Krsiistinina.

Havadika im-pito ny lela

Zava –dehibe izany ry Havana , ary tsy mora izany hoe miteny tahaka ny fitenin’Andriamanitra , milaza ny tenin’Andriamanitra , fa fanefen’Andriamanitra izany , fitaizana mitohy izany .

Koa mifalia ry fiangonana, ny sampana velona rehetra indrindra ny sampana lehilahy kristianina. Koa ny tenin’Andriamanitra dia mampahatsiaro antsika hatrany fa Andriamanitra mihitsy no miasa ao anatin’izany ary ny zavatra rehetra dia izao hanehon’Andriamanitra ny fitiavany, hanehon’Andriamanitra ny voninahiny . Koa na aiza na aiza misy anao, na aiza na aiza toerana misy anao , tsarovy fa i Jeso Krsity miasa ao anatinao, koa aza matahotra ianao hoy i Jesoa Krsity na aiza na aiza misy anao fa ny Fanahy Masina mampihanta anao ao anatin’izany.

Ny fiangonana ry Havana , dia mampiorina , manamarina , mampiaina ary manamparitaka ny finoana , izany no zava-dehibe ijoroany FJKM ( Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara) amin’ity hetsika JKM II( Jesoa Kristy ho an’i Madagasikara ) satria fanomezana , fampiorenana , fanamafisana orina foana ny ao anaty ary hahatonga ny olona hiaina izany finoana izany.

Ry Havana ny fahatokiana an’i Jesoa Krsity ihany no ahafahanao mitondra izany herin’Andriamanitra ao anatinao izany. Koa enga anie , ny lehilahy kristianina , kristianina , fiangonan’Andriamanitra velona hitondra an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny teny mampahery.

Ary tsaroanao moa va ry Havana fa na isika Malagasy ary dia manam-pahendrena lehibe amin’ilay teny manao hoe : “alohan’ny hitenenana dia havadika im-pito ny lela”. Izany hoe mba ho marina, mba ho tena teny mampahery , mba ho teny mitondra vaha olana ao anatin’izany , fa i Jesoa Krsity mihitsy ry Havana no manambara fa Izy no miasa ao anatitsika . Koa ny olona rehetra izay miteny , ka miteny tahaka ny lazan’Andriamanitra dia Andriamanitra manampy azy , izany hoe dia tsy kely ny finoantsika hanambara ny marina, hilaza an’izao eo amin’ny ankohonako, eo anatrehany mpiara miasa , eo anatrehan’ny fikambanana na dia eo ivelan’ny fiangonana aza dia mety misy tahotra , mety hisy henatra. Fa i Jesoa Kristy no efa milaza , fa Izy no miasa ao anatintsika; koa ny tiany ambara ry Havana dia ny hoe : na aiza na aiza toerana misy antsika , na inona na inona fotoana , dia fitaovan’Andriamanitra isika .

Fa napetrak’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao ny fiangonana izany fahazavana izany , ary dia fitaovam-pamonjena ny kristianina tsirairay avy , ary tsarovy ry Havana fa i Jesoa Kristy tokoa no efa nampiomana antsika , fa ety amin’izao tontolo izao no ahitantsika fahoriana.

Tsy ny olana mahazo anao akory no tsy ahatokisanao an’Andriamanitra , tsy ny olana avy amin’ny fiaim-piainanao , ny adi-panahy , mety ny tsy fisiana ao an-tokatrano , mety ny aretina izay mahazo anao. Fa raha ny fanananao an’i Jesoa Krsity , ny fahatokiana an’Andriamanitra , ary izay no tian’ny Tompo ambara amintsika .

Ny tena atao hoe kristianina ry Havana dia izao , tena mandresy izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fiarahana amin’iJesoa Kristy, mandresy ny fahoriana , hoy ny Paoly Apostoly ao amin’ny Fil 1:29 : “Tsy mino azy ihany isika akory, fa miara-pahoriana ihany koa

Ary izany no hafatra ho antsika lehilahy krsitianina , fa ny olona manana ny Tompo , satria matetika ny fahoriana izay mahazo antsika , ny olana izay mianjady amintsika dia mety mampiova ny fitenintsika , ilay teny feno fahasoavana sy fampaherezana iny lasa miteny fahakiviana , tahaka ny mivadika tsikera ary izany indrindra ry havana no tian’nyTompo hampiorenina eto anio.

Fa izay rehetra miaraka amin’ny Tompo dia izao : ny Fanahy Masinan’ Andriamanitra no miaro azy. Izay ry Havana no hamaranana izao toriteny izao.

Ny fiangonana velona ho an’ny hafa

Hoy i Paoly Apostoly ao amin’ny Fil 2:3 « Aoka samy hanao mihoatra noho ny tenany avy isika » izany hoe ny olona izay resy lahatra amin’ny tenin’Andriamanitra dia velona ho an’ny hafa , mampahery ny hafa ; ary izany no anton’ny fijoroan’ny fiangonana , velona ho an’ny hafa , mampahery ny hafa.

Koa isika ao anatin’ny sampana ry Havana , dia tsy ny hoe fanehoana amin’ny maha izy antsika fotsiny , na hoe fanehoana izay talenta rehetra nomen’Andriamanitra antsika , fa izay rehetra ho entintsika eo dia izao : hampahery ny hafa .

Ny olona matoa miditra ao amin’ny fiangonana, dia izao misy zavatra andrasany amintsika ao , misy zavatra andrasany eo ; koa isika tsy manana atolotra afa-tsy izay rehetra nomen’ny Tompo anstika ; ary izay ihany koa no fitaovana sy izay rehetra sarobidy omen’Andriamanitra antsika dia ilay famonjena avy amin’i Jesoa , dia ny tenin’Andriamanitra.

Koa mahereza ry Havana , fa izany no antom-pisian’ny fiangonana dia ny mba hahatongatsika hanambara ny marina amin’ny teniny tokoa ny fiangonana raha tena manakina ny fony amin’ny Tompo .

Koa ny vaha olana amin’izany ry Havana dia izao : mahonona tena amin’ny fivavahana ary mifankatiava , mifampiantranoa. Fifamangiana ry Havana , tafika masina , izany no zava –dehibe mampahery ny hafa .

Ary ao anatin’izany koa dia ny hoe : mahonona tena amin’ny fivavahana, mahareta amin’ny vavaka; araka ny tenin’i Jesoa Kristy hoe tokony hivavaka fa tsy ho reraka.

Ny Tompo anie hampahery ny sampana rehetra velona eo anivon’ny fiangonana indrindra ny Sampana Lehilahy Kristinina (SLK). Koa dia enga anie hiteny tahaka ny misy aim-panahy hoe : « Tompo ô inty aho , iraho aho, vonona ho fitaovanao, hampahery ny hafa , ho velona ho an’ny hafa.

Dia ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra ary ho amintsika kosa ny fiadanana . Amena.

Rodolphe Rabeharintsoa,
Tonia ny Sampana ny lehilahy Kristianina Foibe

 

 


Lire aussi

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo «